Ahoana no Hifampiresahanao Tsara Amin’ny Vadinao?
Ahoana no Hifampiresahanao Tsara Amin’ny Vadinao?
‘TAHAKA izay aho tsy nilaza an’izany.’ ‘Tsy nazava tsara angamba ny fomba nitenenako an’ilay izy.’ Efa nanenina toy izany ve ianao, rehefa avy niresaka tamin’ny vadinao? Ilana fahaizana ny mampita hevitra, ary mila hatsaraina foana izany. Toa manavanana ny sasany ilay izy, nefa sarotra kokoa amin’ny hafa. Na tsy mora aminao aza anefa ilay izy, dia afaka mianatra mampita hevitra amim-pahalemem-panahy ianao, mba ho azon’ny vadinao ny tianao hambara.
Mamolavola ny fomba ifampitondran’ny mpivady ny fiaraha-monina indraindray. Zarina tsy ho be teny, ohatra, ny lehilahy any amin’ny kolontsaina sasany. Mety hanambany ny lehilahy be resaka ny olona, ka hihevitra azy ho Jakoba 1:19) Mihatra amin’ny lehilahy sy ny vehivavy anefa io torohevitra io. Ary ny tian’io holazaina dia hoe tsy ny teny ihany no tafiditra amin’ny fampitana hevitra. Ahoana tokoa moa raha misy olona mifampiresaka ela be, nefa tsy mifampihaino? Azo inoana fa tsy hisy hevitra ho tafita amin’izany. Asehon’io andinin-teny io àry fa tena ilaina ny fahaiza-mihaino, mba hahafahana hifampita hevitra tsara.
tsy matotra sy mihatsaravelatsihy. Ekena aloha fa milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.” (Tsy mifampiteny nefa mifanaraka
Any amin’ny fiaraha-monina sasany, dia tsy mety raha milaza ny heviny ny vehivavy, ary zara raha mifampiresaka amin’ny vady aman-janany ny lehilahy. Voatery maminavina izay ilain’ny andaniny avy àry ny mpivady. Misy vehivavy sasany lasa tena mahay maminavina izay ilain’ny vadiny, ary mailaka mikarakara izany. Misy fifampitan-kevitra eo amin’izy ireo, na dia tsy misy resaka aza. Ny andaniny iray ihany anefa matetika no tena miezaka. Ny vehivavy mantsy no mety hanao izay hamantarana ny hevitry ny vadiny sy ny fihetseham-pony, fa ny lehilahy kosa mazàna tsy antenaina hamantatra ny fihetseham-pon’ny vadiny.
Marina fa tsy toy izany daholo ny kolontsaina rehetra. Misy lehilahy miezaka mamantatra ny fihetseham-pon’ny vadiny, ary miezaka manome izay ilainy. Tsara foana anefa ny manatsara ny fifampiresahana, na izany aza.
Tena ilaina ny mifampiresaka
Ho voasoroka ny tsy fifankahazoan-kevitra, raha miresaka tsy an-kifonofono ny mpivady. Tsy handika vilana izay lazain’ny vadiny na ataony koa izy ireo amin’izay. Manaporofo izany ny zava-nitranga iray teo amin’ny Israely fahiny. Nanorina ‘alitara lehibe’ teo amoron’ny Reniranon’i Jordana ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay nipetraka teny atsinanan’ilay renirano. Nandika vilana ny zavatra nataony anefa ireo foko teny andrefan’i Jordana. Nihevitra izy ireo fa nivadi-pinoana sy nikomy ireo rahalahiny, ka niomana hiady taminy izy ireo. Tsy nandeha niady avy hatrany anefa izy ireo, fa naniraka solontena aloha hifampiresaka tamin’ireo foko teny atsinanana. Fahendrena tokoa izany! Hay tsy natao hanolorana fanatitra ho an’andriamani-kafa ilay alitara. Nanorina ilay izy kosa ireo foko teny atsinanana, satria natahotra sao dia hilaza ireo foko hafa any aoriana any hoe: “Tsy manana anjara amin’i Jehovah hianareo.” Porofo àry ilay alitara fa mpanompon’i Jehovah koa izy ireo. (Josoa 22:10-29) Nantsoiny hoe Edy na vavolombelona ilay alitara, angamba mba ho vavolombelona fa i Jehovah no Andriamanitra tompoin’izy ireo.—Josoa 22:34.
Tsy niady tamin’izy ireo indray àry ireo foko hafa, satria resy lahatra tamin’ny fanazavana nomeny. Voasoroka tokoa ny loza lehibe iray, noho ny resaka mazava sy tsy an-kifonofono. Tatỳ aoriana, dia nikomy tamin’i Jehovah Andriamanitra ny firenen’Israely, izay lazaina ho toy ny vadiny. Nangoraka azy ireo izy tamin’izay, ary ‘nanao teny nanohina ny fony.’ (Hosea 2:16, Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara) Modely ho an’ny mpivady tokoa i Jehovah! Miezaha koa mba hanao teny manohina ny fon’ny vadinao, mba ho azony ny fihetseham-ponao. Tena ilaina izany, indrindra rehefa misy tsy ifanarahana. Hoy i Pattie Mihalik, mpanao gazety any Etazonia: ‘Misy milaza fa mora ny miteny. Misy kosa sahirana vao mahalaza ny ao am-pony, nefa mety tsy ho voavidim-bola ny voka-tsoa aterak’ireny teny ireny.’
Hatsarao ny fahaizanao miresaka
Mety hisy hilaza hoe: ‘Vao nivady izahay dia efa tsy nanana tokantrano vanona.’ Ny hafa indray mety hiteny hoe: ‘Tsy ho avotra mihitsy ny tokantranonay.’ Mihevitra angamba izy ireo fa tsy misy azo atao intsony mba hanatsarana ny fahaizany mifampiresaka. Eritrereto anefa ireny fanambadiana amboarina ireny. Maro amin’ireny mpivady ireny no lasa mahay mifampiresaka tsara, rehefa mandeha ny fotoana.
Haka ohatra iray amin’izany isika. Tany Israely no nitranga ilay tantara. Nisy olona nirahina tany an-tany lavitra, mba hitady vady ho an’ny lehilahy iray. Na izany aza anefa no fomba nahitany vady, dia tena nahay nifampiresaka tsara izy sy io vadiny io. Efa 4 000 taona lasa izany no nitranga, ary Isaka sy Rebeka no anaran’ireo mpivady ireo. Tany an-tsaha i Isaka no nihaona tamin’ilay iraka, izay nitondra an’i Rebeka mba ho vadiny. Mitantara ny Baiboly hoe nambaran’ilay iraka tamin’i Isaka “ny zavatra rehetra izay efa nataony.” Avy eo “Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain’i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy.”—Mariho fa tatitra momba an’i Rebeka fotsiny no ren’i Isaka, dia nampakatra azy izy. Olona azo nitokisana mantsy ilay iraka, satria mpanompon’i Jehovah Andriamanitra toa an’i Isaka ihany. Lasa “tia” an’i Rebeka i Isaka taorian’izay.
Inona no manaporofo fa nihanahay nifampiresaka i Isaka sy Rebeka? Nisy olana lehibe tao an-tokantranon’izy ireo, rehefa nanambady vehivavy hetita roa i Esao zanany. Namerimberina tamin’i Isaka i Rebeka hoe: “Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita; raha maka vady amin’ny zanakavavin’ny Hetita Jakoba [zandrin’i Esao]... hataoko inona ny aiko?” (Genesisy 26:34; 27:46) Nolazainy mazava tsara tsy nisy olakolaka ny nampanahy azy.
Nampitandrina an’i Jakoba, kambana tamin’i Esao, àry i Isaka mba tsy hanambady zanakavavin’ny Kananita. (Genesisy 28:1, 2) Tafita tany amin’ny vadiny tokoa ny hevitr’i Rebeka. Nahavita nifampiresaka tsara momba ny olana iray tena lehibe izy mivady, ka modely ho antsika. Ahoana anefa raha tsy mety miombon-kevitra ny mpivady? Inona no azo atao?
Ahoana no handaminana tsy fifanarahana?
Ahoana raha misy zavatra tena tsy ifanarahanareo mivady? Aza mangina na mandongilongy fotsiny. Raha izany mantsy no ataonao, dia toy ny milaza ianao hoe: ‘Tsy faly aho, ka tsy tiako ho faly koa ianao.’ Mety tsy ho fantatry ny vadinao akory anefa hoe inona marina no tadiavinao na izay fihetseham-ponao.
Mila mifanakalo hevitra ianareo mivady. Mety tsy ho mora anefa ny ho tony, raha mampifanditra ilay resaka. Nisy olana nitranga tao an-tokantranon’i Abrahama sy Saraha, ray aman-drenin’i Isaka, indray mandeha. Tsy niteraka i Saraha tamin’ny voalohany, ka nanaraka ny fanaon’ny olona tamin’izany, ary nanome an’i Hagara mpanompovaviny ho vadin’i Abrahama. Niteraka zazalahy atao hoe Isimaela i Hagara. Bevohoka koa anefa i Saraha tatỳ aoriana, ary niteraka an’i Isaka zanany lahy. Rehefa nosarahi-nono i Isaka, dia voamarik’i Saraha fa nihomehy naneso an-janany i Isimaela. Hitan’i Saraha fa notandindomin-doza i Isaka, ka nampirisika an’i Abrahama izy handroaka an’i Isimaela sy Hagara. Tsy niolakolaka mihitsy i Saraha nilaza ny heviny. Tena nahasosotra an’i Abrahama anefa ny zavatra nangatahiny.
Ahoana no nampiravona an’ilay tsy fifanarahana? Milaza toy izao ny Baiboly: “Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin’ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain’i Saraha aminao dia ekeo ny teniny, fa avy amin’Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.” Nanaraka ny tenin’i Jehovah Andriamanitra àry i Abrahama.—Genesisy 16:1-4; 21:1-14.
Hilaza angamba ianao hoe: ‘Hiravona mora foana ny tsy fifanarahanay, raha miteny toy izany avy any an-danitra Andriamanitra!’ Mifandray amin’izany indrindra ny fomba hafa iray handaminana tsy fifanarahana. Mila mihaino an’Andriamanitra ny mpivady. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fiaraha-mamaky ny Teniny sy ny fanekena ny tari-dalany voasoratra ao.—1 Tesalonianina 2:13.
Hoy ny vehivavy kristianina iray, efa nanambady hatry ny ela: “Rehefa misy vehivavy tanora mangataka torohevitra atỳ amiko Titosy 2:3-5) Misy lesona ho antsika rehetra ao amin’izany fanamarihany izany. Miaraha mamaky Baiboly tsy tapaka amin’ny vadinao. “Handre” an’Andriamanitra hanoro anareo izay tokony ho fitondran-tenanareo isan’andro ianareo amin’izay. (Isaia 30:21) Misy fampitandremana kely fotsiny anefa ity: Aza ny Baiboly no entina mandevilevy ny vadinao. Tsy mety mantsy raha avoakanao aminy foana izay andinin-teny eritreretinao hoe tsy ampihariny. Miezaha kosa handinika ny fomba hampiharanareo mivady izay vakinareo.
momba ny fiainana an-tokantranony, dia matetika aho no manontany azy raha miara-mamaky Baiboly izy sy ny vadiny. Tsy zatra manao an’izany ny ankamaroan’ireo manana olana ara-panambadiana.” (Raha miatrika olana saro-bahana ianareo, nahoana raha mikaroka momba izany ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah? * Aoka hatao hoe mikarakara ray aman-dreny be taona ianareo, ary miteraka disadisa eo aminareo mivady izany. Toy izay hiady hevitra momba izay tokony hataon’ny vadinao na tsy tokony hataony, nahoana raha miara-mikaroka ao amin’ny Fanondroana Boky? Tadiavo aloha ny loha hevitra hoe “Ray aman-dreny.” Jereo avy eo ireo boky na gazety atorony eo ambanin’ireo lohatenikely, ohatra hoe “fikarakarana ny ray aman-dreny be taona.” Iaraho mamaky avy eo, ireo lahatsoratra ao amin’ny boky na gazety navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety tsy hampoizinao fa tena hahasoa anareo mivady tokoa ireo fanazavana ara-baiboly ireo, izay efa nanampy Kristianina maro.
Ho azonareo tsara hoe inona marina ilay olana misy eo aminareo, raha mitady sy mamaky an’ireny lahatsoratra ireny ianareo. Hahita andinin-teny mampiseho ny fomba fihevitr’Andriamanitra ianareo. Sokafy ny Baiboly, ary iaraho mamaky ireny andinin-teny ireny. Toy ny hoe handre an’Andriamanitra mihitsy ianareo amin’izay, hilaza ny heviny momba ilay olana atrehinareo!
Mifampiresaha foana
Efa mba nanandrana nanokatra varavarana tsy novohana ela be ve ianao? Mihisatra ilay izy vao misokatra, ary midridroka be fa efa misy harafesina ny saviliny. Ahoana anefa raha nosokafana matetika izy io, ary nohosorana menaka tsara ireo savily? Azo inoana fa ho nisokatra mora foana ilay izy. Toy izany ny fifampiresahana. Mila mizatra mifampiresaka tsy tapaka ny mpivady, ary mifaneho fitiavana. Toy ilay menaka manamora ny fisokafan’ny varavarana mantsy io fitiavana io. Manamora ny fampitana hevitra izy io, na dia rehefa misy zavatra tena tsy ifanarahana aza.
Ekena fa tsy tonga dia hahay hifampiresaka amin’ny vadinao ianao. Mitaky ezaka tsinona izany. Tohizo hatrany anefa ny ezaka efa ataonao, dia hifandray tsara kokoa ianareo mivady rehefa mandeha ny fotoana, ary hifankahazo tsara foana.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 22 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sary, pejy 7]
Hitady tari-dalana amin’Andriamanitra ve ianareo mivady, rehefa tsy mifanaraka?