Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aoka Hatanjaka ny Tananareo

Aoka Hatanjaka ny Tananareo

Aoka Hatanjaka ny Tananareo

“Aoka hatanjaka ny tànanareo izay mandre izany teny izany amin’izao andro izao avy amin’ny vavan’ny mpaminany.”—ZAKARIA 8:9.

1, 2. Nahoana no mendrika hodinihina ny bokin’i Hagay sy Zakaria?

TOKONY ho 2 500 taona lasa izay no nanoratana ny faminanian’i Hagay sy Zakaria. Tena mahakasika ny fiainanao anefa ny teny nosoratan’izy ireo. Tsy tantara fotsiny no raketin’ireo boky roa ao amin’ny Baiboly ireo. Anisan’ny zavatra ‘voasoratra taloha ho fianarantsika’ izy ireo. (Romanina 15:4) Ny ankamaroan’ny zavatra vakintsika ao amin’ireo boky ireo, dia mahatonga antsika hieritreritra ny zava-nisy nanomboka tamin’ny fotoana niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny 1914.

2 Hoy ny apostoly Paoly, rehefa niresaka momba ny zavatra niainan’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny: “Nanjo azy ireny izany mba ho anatra, ary nosoratana ho fampitandremana ho antsika, dia isika izay tratran’ny faran’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity.” (1 Korintianina 10:11) Mety hanontany tena àry ianao hoe: ‘Inona no lesona azontsika raisina avy ao amin’ny bokin’i Hagay sy Zakaria?’

3. Inona no votoatin’ny hafatr’i Hagay sy Zakaria?

3 Voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, fa nirahina haminany i Hagay sy Zakaria rehefa afaka tamin’ny fahababoana tany Babylona ny Jiosy, ary tafaverina tao amin’ilay tany nomen’Andriamanitra azy ireo. Momba ny fanorenana indray ny tempoly no votoatin’ny hafatr’ireo mpaminany ireo. Nanao ny fototry ny tempoly ny Jiosy, tamin’ny 536 T.K. “Nihoby sy nifaly” ny ankamaroan’ny vahoaka, na dia nisy be taona nanembona an’ilay tempoly fahiny ihany aza. Misy zava-mitranga lehibe lavitra noho izay nisy tamin’ny andron’i Hagay sy Zakaria anefa ankehitriny. Nahoana isika no milaza izany?—Ezra 3:3-13.

4. Inona no nitranga taoriana kelin’ny Ady Lehibe I?

4 Nafahana avy tao amin’i Babylona Lehibe ireo voahosotr’i Jehovah, taoriana kelin’ny Ady Lehibe I. Tena porofon’ny fanampian’i Jehovah izany. Talohan’izay mantsy, dia toa vitan’ny mpitondra fivavahana sy ny mpanao politika namany, ny nampitsahatra ny fitoriana sy fampianarana nataon’ny Mpianatra ny Baiboly. (Ezra 4:8, 13, 21-24) Nalamin’i Jehovah Andriamanitra anefa ny olana nanakantsakana ny asa fitoriana sy fampianarana. Niroborobo be ny asan’ilay Fanjakana nanomboka tamin’ny 1919 ka hatramin’izao, ary tsy nisy nahasakana ny fandrosoany.

5, 6. Inona no zava-dehibe nolazain’ny Zakaria 4:7 fa hitranga?

5 Afaka mahazo antoka isika fa hitohy foana ny asa fitoriana sy fampianarana ankehitriny, noho ny fanampian’i Jehovah an’ireo mpanompony mankatò. Hoy ny Zakaria 4:7: “Ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy!” Misy fahatanterahany lehibe io faminaniana io amin’ny androntsika. Inona izany?

6 Milaza ny Zakaria 4:7 fa ho avy ny fotoana hahatonga lafatra ny fivavahana marina amin’ilay Tompo Fara Tampony, ao amin’ny tokotany na kianjan’ny tempoly ara-panahy, izany hoe eto an-tany. Io tempoly io dia ny fandaharana natao hanatonana an’i Jehovah sy hanompoana azy, miorina amin’ny sorona fampihavanana nataon’i Kristy Jesosy. Marina aloha fa tamin’ny taonjato voalohany no nanomboka nisy ilay tempoly ara-panahy lehibe. Mbola amin’ny hoavy anefa vao ho tonga lafatra ny fivavahana marina ao amin’ny tokotanin’izy io eto an-tany. Olona an-tapitrisany ankehitriny no manompo ao amin’io tokotany io. Hatao lavorary izy ireo sy ireo olona maro be hatsangana amin’ny maty, mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy. Ary amin’ny faran’ny arivo taona, dia ny tena mpivavaka amin’Andriamanitra ihany sisa no ho tavela eo amin’ny tany efa voadio.

7. Inona no anjara asan’i Jesosy mba hahatonga lafatra ny fivavahana marina amin’izao andro izao? Nahoana izany no mampahery antsika?

7 Hitan’i Zerobabela Governora sy Josoa Mpisoronabe ny namitana ny tempoly tamin’ny 515 T.K. Voalaza mialoha ao amin’ny Zakaria 6:12, 13, fa hanao ny asan’ny Governora sy Mpisoronabe koa i Jesosy mba hahatonga lafatra ny fivavahana marina. Izao no voalaza ao: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin’i Jehovah. Eny, Izy ... no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin’ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin’ny seza fiandrianany Izy.” Any an-danitra i Jesosy izao, ary mampitsimoka indray ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida. Izy no mitarika ny asa atao ao amin’ilay tempoly ara-panahy. Raha izany no izy, mety hisy olona hahavita hisakana ny fandrosoan’io asa io ve? Tsy hisy mihitsy! Moa ve izany tsy tokony handrisika antsika hanohy ny fanompoantsika, fa tsy ho variana amin’ny fiainantsika andavanandro?

Inona no tokony hatao loha laharana?

8. Nahoana ny asa ao amin’ilay tempoly ara-panahy no tsy maintsy ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana?

8 Tsy maintsy ataontsika loha laharana foana ny asa ao amin’ilay tempoly ara-panahy, mba hahazoantsika fanampiana sy fitahiana avy amin’i Jehovah. Tsy maintsy mitadidy isika hoe “andro farany” izao, fa tsy hihevitra toy ny Jiosy hoe “tsy mbola tonga ny andro.” (Hagay 1:2; 2 Timoty 3:1) Nilaza mialoha i Jesosy fa hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy hanao mpianatra, ireo mpianany tsy mivadika. Tsy maintsy mitandrina isika mba tsy hanao tsirambina izany tombontsoam-panompoantsika izany. Natomboka indray ny asa fitoriana sy fampianarana tamin’ny 1919, rehefa nitsahatra vetivety noho ny fanoheran’ity tontolo ity. Mbola tsy vita izy io, kanefa azo antoka fa ho vita!

9, 10. Inona no fepetra raha tiantsika ny hotahin’i Jehovah, ary inona avy izany fitahiana izany?

9 Handray fitahiana isika, na isam-batan’olona izany na miaraka, raha mazoto manohy ny fanompoantsika. Mariho ny fampanantenana azo ianteherana omen’i Jehovah. Izao no nolazainy, raha vao niverina nanompo azy tamin’ny fo manontolo ireo Jiosy, ka nazoto nanorina indray ny fototr’ilay tempoly: “Hatramin’izao andro anio izao no hitahiako anareo.” (Hagay 2:19) Nankasitraka tanteraka azy ireo indray i Jehovah. Diniho izao ny fitahiana nampanantenain’Andriamanitra. Hoy izy: “Hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin’ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany.”—Zakaria 8:9-13.

10 Nitahy an’ireo Jiosy ireo teo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo i Jehovah. Hitahy antsika koa izy, raha mazoto sy faly manao ilay asa nampanaoviny isika. Anisan’izany fitahiana izany ny fihavanana eo anivontsika, filaminan-tsaina, fanambinana, ary ny fifandraisana tsara aminy. Azo antoka anefa fa tsy hahazo izany fitahiana izany isika, raha tsy ataontsika araka ny anirian’i Jehovah azy ilay asa ao amin’ny tempoly ara-panahy.

11. Ahoana no azontsika andinihan-tena?

11 Izao no fotoana tokony ‘hiheverantsika ny lalantsika.’ (Hagay 1:5, 7) Tsara raha maka fotoana isika, mba handinihana hoe inona marina no ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana. Miankina amin’ny fanamasinantsika ny anaran’i Jehovah, sy ny fanohizantsika ilay asa ao amin’ny tempoly ara-panahy, no hitahiany antsika ankehitriny. Tsara àry raha manontany tena ianao hoe: ‘Niova ve ny zavatra ataoko loha laharana eo amin’ny fiainako? Manao ahoana ny zotom-poko ho an’i Jehovah sy ny fahamarinany ary ny asany, raha mitaha amin’ny zotom-poko tamin’izaho vao vita batisa? Mihena ve ny fotoana atokako ho an’i Jehovah sy ny Fanjakany, noho ny faniriako hanana fiainana mampiadana? Tsy sahy midera ny anaran’i Jehovah ve aho, satria matahotra momba izay mety ho fiheveran’ny olona ahy?’—Apokalypsy 2:2-4.

12. Nanao ahoana ny fiainan’ireo Jiosy, araka ny asongadin’ny Hagay 1:6, 9?

12 Tsy irintsika ny hoe tsy hahazo fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah satria nanao tsirambina ny fiderana ny anarany. Tadidio fa tena nazoto nanorina ny tempoly ny Jiosy tamin’ny voalohany, nefa avy eo ‘samy nihazakazaka nanao ny tranony avy’, araka ny Hagay 1:9. Nanjary variana tamin’ny fiainany sy ny zavatra nilainy andavanandro izy ireo. Vokatr’izany dia ‘kely no notaomina’, izany hoe tsy ampy ny sakafo sy zava-pisotro ary akanjo mafana. (Hagay 1:6) Tsy nitahy azy ireo intsony i Jehovah. Inona no ianarantsika avy amin’izany?

13, 14. Ahoana no hampiharantsika ny lesona raketin’ny Hagay 1:6, 9, ary nahoana izany no zava-dehibe?

13 Raha te hotahin’i Jehovah foana isika, dia tsy maintsy mitandrina mba tsy ho variana mitady izay hahasoa ny tenantsika, ka ho lasa ambanin-javatra ny fanompoana azy. Mety hahavarimbariana antsika, ohatra, ny fikatsahana harena, ny fomba hahazoam-bola be haingana, ny fanaovana fianarana ambony mba ho tafita eto amin’ity tontolo ity, na ny fitadiavana izay hahafa-po antsika fotsiny.

14 Marina fa tsy ota ireo zavatra ireo, kanefa tena “asa maty”, izay tsy manampy antsika hahazo ny fiainana mandrakizay. (Hebreo 9:14) Nahoana? Asa very maina, na tsy misy vokany ireo, satria tsy mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ho faty ny finoan’ny olona mikiry manao asa maty. Niharan’izany ny Kristianina voahosotra sasany tamin’ny andron’ny apostoly. (Filipianina 3:17-19) Niharan’izany koa ny Kristianina sasany amin’izao andro izao. Angamba ianao mahafantatra olona sasany niala tsikelikely tamin’ny asa kristianina sy ny fiangonana, ka tsy te hiverina hanompo an’i Jehovah intsony ankehitriny. Manantena isika fa mbola hiverina amin’i Jehovah ireny olona ireny. Izao anefa no tokony hotadidina: Tsy hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny fitahiany ny olona iray, raha manohy manao “asa maty.” Tena hampalahelo tokoa izany. Tsy hahita fifaliana sy fiadanana, izay vokatry ny fanahin’Andriamanitra, intsony izy. Ary eritrereto koa ny fatiantoka, rehefa tsy mifandray am-po intsony amin’ireo rahalahy kristianina izy!—Galatianina 1:6; 5:7, 13, 22-24.

15. Nahoana no tsy tokony hohamaivanina ny fomba hanaovantsika ny fanompoantsika, rehefa jerena ny Hagay 2:14?

15 Tsy azo hamaivanina izany, rehefa jerena ny voalazan’ny Hagay 2:14. Hitantsika ao ny fiheveran’i Jehovah an’ireo Jiosy nanao tsirambina ny tempoly, fa variana nanisy valin-drihana na nandravaka ny tranon’izy ireo, na ara-bakiteny izany na tsia. Izao no voalaza ao: “Tahaka izany eo anatrehako ireto olona ireto, ary tahaka izany ity firenena ity, hoy Jehovah; ary tahaka izany koa ny asan’ny tànany rehetra; fa izay ateriny ao dia maloto.” Tsy nisy neken’i Jehovah ny fanatitra nataon’ny Jiosy teo amin’ilay alitara vonjimaika tao Jerosalema, raha mbola nanao tsirambina ny fivavahana marina izy ireo. Tsy nanompo an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo mantsy izy ireo, fa nanao fanatitra anarany fotsiny.—Ezra 3:3.

Azo antoka ny fanampian’Andriamanitra

16. Inona no azon’ireo Jiosy antoka, noho ireo fahitana azon’i Zakaria?

16 Nahazo fahitana valo i Zakaria mba hanomezana toky ny Jiosy nankatò izay nanorina indray ny tempoly, fa hanampy azy ireo Andriamanitra. Nanome toky ilay fahitana voalohany fa ho vita ny tempoly ary hahazo fanambinana i Jerosalema sy Joda, raha mankatò sy manohy ny asa ny Jiosy. (Zakaria 1:8-17) Nampanantenaina tao amin’ilay fahitana faharoa, fa haringana daholo ireo fitondram-panjakana manohitra ny fivavahana marina. (Zakaria 2:1-4) Ireto avy ny fanomezan-toky tao amin’ireo fahitana hafa: Hiaro ny mpanorina ny tempoly Andriamanitra, hirohotra ho ao amin’ny trano fivavahana amin’i Jehovah ny olona avy amin’ny firenena maro rehefa vita izy io, hanjaka ny tena fiadanana sy filaminana, ho foana ny vato misakana lehibe saika hampitsahatra ilay asa nampanaovin’Andriamanitra, ho foana ny faharatsiana, ary hanara-maso ny asa ny anjely sady hiaro ny vahoaka. (Zakaria 2:9, 15; 3:10; 4:7; 5:6-11; 6:1-8) Nanome antoka Andriamanitra fa hanampy ny vahoakany. Tsy mahagaga àry raha nanitsy ny fomba fiainany ireo olona nankatò, ary nifantoka tamin’ny asa fanorenana, satria izany no antony nanafahan’Andriamanitra azy tamin’ny fahababoana.

17. Koa satria azo antoka ny soa horaisintsika, inona no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika?

17 Azontsika antoka koa fa tsy maintsy handresy ny fivavahana marina, ka tokony hazoto amin’ny fanompoana isika, sady hihevitra ny trano fivavahana amin’i Jehovah ho zava-dehibe. Manontania tena hoe: ‘Raha mino aho fa izao no fotoana tokony hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy hanaovana mpianatra, moa ve mifanaraka amin’izany ny tanjoko sy ny fomba fiainako? Moa ve aho manokana fotoana ampy tsara mba hianarana ny Teny faminanian’Andriamanitra? Mihevitra ireo faminaniana ho zava-dehibe ve aho, ary miresaka azy ireny amin’ny mpiara-manompo sy ny olon-kafa?’

18. Inona no hitranga amin’ny hoavy, araka ny Zakaria toko faha-14?

18 Miresaka momba ny fandringanana an’i Babylona Lehibe sy ny ady Hara-magedona koa i Zakaria. Hoy izy: ‘Hisy andro iray, izay fantatr’i Jehovah, tsy andro na alina; nefa, raha hariva ny andro, dia hisy mazava.’ Andron’i Jehovah io andro io. Tena hanjombona sy hangatsiaka tokoa izy io, ho an’ireo fahavalony eto an-tany! Hahazo ny fahazavana sy ny fankasitrahan’i Jehovah foana anefa ireo mpivavaka mahatoky. Milaza koa i Zakaria fa hanambara ny fahamasinan’i Jehovah avokoa ny zava-drehetra ao amin’ny tontolo vaovao. Ny fivavahana marina ao amin’ny tempoly ara-panahin’Andriamanitra ihany sisa no ho tavela eto an-tany. (Zakaria 14:7, 16-19) Fanomezan-toky re izany! Hanatri-maso ny fahatanterahan’ireo faminaniana ireo isika, ary hahita ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra. Tsy hisy toa azy tokoa io andron’i Jehovah io!

Fitahiana tsy hanam-pahataperana

19, 20. Nahoana ny Zakaria 14:8, 9 no mampahery?

19 Aorian’izany fisehoan-javatra mahatalanjona izany, dia hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ireo demoniany, ary tsy ho afaka hanao na inona na inona. (Apokalypsy 20:1-3, 7) Ho tondraka ny fitahiana mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Hoy ny Zakaria 14:8, 9: “Amin’izany andro izany dia hisy rano velona hivoaka avy any Jerosalema, ka ny antsasany hankany amin’ny ranomasina atsinanana, ary ny antsasany hankany amin’ny ranomasina andrefana, na amin’ny fahavaratra na amin’ny ririnina dia samy hisian’izany. Ary Jehovah ho Mpanjakan’ny tany rehetra; amin’izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany.”

20 Ny “rano velona” na “reniranon’ny ranon’aina” dia mifanitsy amin’ny fanampiana isan-karazany homen’i Jehovah, mba hahafahan’ny olona hiaina mandrakizay. Hiboiboika tsy misy farany avy ao amin’ny foiben’ny Fanjakan’ny Mesia io rano io. (Apokalypsy 22:1, 2) Ho afaka amin’ny fanamelohana ho faty, vokatry ny fahotan’i Adama, ny vahoaka be mpivavaka amin’i Jehovah, izay ho tafavoaka velona amin’ny Hara-magedona. Handray soa na dia ireo nindaosin’ny fahafatesana aza, satria hatsangana izy ireo. Hisy fiovana àry manomboka eo, satria i Jehovah no hitondra ny tany. Hiaiky ny olona rehetra eran-tany fa i Jehovah no Mpanjakan’izao Rehetra Izao, ary izy irery ihany no mendrika hivavahana.

21. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

21 Tena manana antony tsara hanohizana ny asa nasain’i Jehovah natao ao amin’ny tokotanin’ny tempoliny ara-panahy isika, rehefa jerena izay nambaran’i Hagay sy Zakaria, sy izay rehetra efa tanteraka tamin’izany. Ho tonga lafatra ny fivavahana marina amin’ny hoavy. Mandra-pahatongan’izany, dia enga anie isika rehetra hiezaka mafy hanao ny asan’ilay Fanjakana ho loha laharana foana eo amin’ny fiainantsika. Mampirisika antsika ny Zakaria 8:9 hoe: “Aoka hatanjaka ny tànanareo izay mandre izany teny izany amin’izao andro izao avy amin’ny vavan’ny mpaminany.”

Tadidinao Ve?

• Zava-nitranga inona tamin’ny andron’i Hagay sy Zakaria no mampiseho fa ilaintsika ankehitriny ny boky nosoratan’izy ireo?

• Inona no tokony hataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana, araka ny resahin’ny bokin’i Hagay sy Zakaria?

• Nahoana ny fandinihana ny Hagay sy Zakaria no manampy antsika hibanjina ny hoavy amin-toky?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Nampirisihin’i Hagay sy Zakaria ny Jiosy, mba hiasa tamin’ny fony manontolo ka handray fitahiana

[Sary, pejy 27]

‘Mihazakazaka manao ny tranonao’ ve ianao?

[Sary, pejy 28]

Nampanantena i Jehovah fa handrotsaka fitahiana, ary nanao izany tokoa izy