Fandresena Vato Misakana ao Panama
Fandresena Vato Misakana ao Panama
“PANAMA, ilay tetezana mampifandray an’izao tontolo izao.” Dimampolo taona lasa izay, dia io no teny filamatra re tao amin’ny radio, tao amin’ny fandaharana be mpitia iray tany Panama, any Amerika Afovoany. Toy izany koa no fiheveran’ny maro an’io firenena io ankehitriny.
Mampifandray an’i Amerika Atsimo sy Avaratra mantsy i Panama, izay eo afovoan’izy ireo. Misy ilay atao hoe Tetezan’i Amerika koa any atsimony. Ankoatra izany, dia malaza ny Lakandranon’i Panama, izay manomboka any amin’ny farany atsimon’i Panama ka tonga any amin’ny farany avaratra, ary mampitohy ny ranomasimbe Pasifika sy Atlantika. Raha tokony haharitra andro na herinandro maromaro mihitsy aza ny dian’ireo sambo avy any amin’ny firenena maro, dia vita ao anatin’ny ora vitsivitsy monja izany, noho io lakandrano io. Tsy diso àry ilay fitenenana hoe tetezana mampifandray an’izao tontolo izao i Panama.
Tafaray noho ny vaovao tsara ny olona samy hafa fiaviana
Samy hafa be ny mponina ao amin’io tany tsara tarehy io. Mifangaro ao ny teratany sy olona avy amin’ny foko sy firenen-kafa. Tsy mitovy ny fari-piainana, kolontsaina, fivavahana, ary ny fitenin’izy ireo. Ho resy ve ireo vato misakana ireo, ka hiray saina sy hitovy tanjona ireo olona rehetra ireo, noho ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?
Izany tokoa. Asehon’ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Efesianina 2:17, 18, fa tena nampiray ny Kristianina jiosy sy hafa firenena tamin’ny taonjato voalohany, ny soron’i Kristy. Hoy i Paoly: “Tonga [i Jesosy] ka nitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana taminareo izay lavitra, ary fihavanana tamin’izay akaiky koa, satria amin’ny alalany no ahafahantsika roa tonta manatona ny Ray amin’ny fanahy iray ihany.”
Izany koa no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Panama ankehitriny. Mitory ny “vaovao tsaran’ny fihavanana” amin’ny olona avy lavitra sy avy amin’ny fivavahana samihafa izy ireo. Mahafinaritra fa manjary tafaray ny olona “manatona” an’i Jehovah ao amin’io toerana io. Vokatr’izany, dia misy fiangonana maromaro mampiasa fiteny enina ao Panama: espaniola, sinoa, tenin’ny tanana (baiko moana) any Panama, anglisy, ary fitenim-paritra kuna sy ngobere (guaymí). Hampahery ny hahafantatra hoe ahoana no nahatonga an’ireo olona samy hafa fiteny ireo, ho tafaray ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
Ireo vato misakana tao amin’ny comarca
Ny Ngobe no foko lehibe indrindra amin’ireo foko valo any Panama. Miisa 170 000 eo ho eo izy ireo, ary mipetraka ao amin’ny comarca ny ankamaroany. Io no anarana nomena vao haingana an’ilay faritra midadasika be natokana ho azy ireo. Feno tendrombohitra be vato sy rakotra ala, izay tsy maintsy andehanana an-tongotra, ao amin’ilay faritra. Ahitana toerana mahafinaritra amoron-tsiraka koa anefa ao, ary sambo no ahatongavana any. Ny ankamaroan’ny olona dia mipetraka eny amoron’ny ranomasina sy ny renirano, izay ataony lalana sy
fitaomana entana. Kely fidiram-bola ny olona maro, izay mivelona amin’ny fambolen-kafe eny an-tendrombohitra, ny fanjonoana, ary ny fiompiana sy ny asa tany. Betsaka no manaraka ny fivavahana kristianina. Misy koa anefa anisan’ilay fivavahana antsoina hoe Mama Tata. Ny hafa indray mitady fitsaboana any amin’ny sukia, na mpitaiza, rehefa marary na ampijalin’ny fanahy ratsy. Ny ngobere no fiteny manavanana ny olona, na dia maro aza no mahay teny espaniola.Nivoy lakana mba hampitana ny vaovao tsara
Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy ampy fotsiny ny mampita fahalalana, rehefa mampianatra ny fahamarinana. Ilaina koa ny manohina ny fo, satria izany no hanosika ny olona hanova ny fiainany, mba hifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Noho izany, dia nisy mpitory manontolo andro manokana nianatra niteny ngobere tamin’ny Vavolombelona teo an-toerana. Nirahina hitory tao amin’ireo faritra valo amin’ny comarca mantsy izy ireo.
Misy fiangonana 14 izao ao amin’io faritra io, ary mbola mety hitombo be izany. Taona vitsivitsy lasa, ohatra, dia notendrena ho any Tobobe i Dimas sy Gisela, mpisava lalana manokana. Nisy mpitory 40 teo ho eo tao amin’io tanàna amoron-tsiraka io. Tsy maintsy nivezivezy matetika tamin’ny lakana izy mivady, mba hitoriana tamin’ireo mahantra mipetraka eny amoron-tsiraka, ary tsy mora ny nizatra tamin’izany. Miova tampoka koa ny onjan-dranomasina indraindray, ka atahorana hampidi-doza. Matetika narary ny sandry sy lamosin’izy mivady, noho izy ireo nivoy lakana rehefa nifindrafindra tanàna. Zava-tsarotra hafa tsy maintsy natrehiny ny fianarana ny fiteny teo an-toerana. Novalian-tsoa anefa ny fahafoizan-tenany sy ny fikirizany, satria olona 552 teo ho eo no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 2001.
Misy tanàna iray atao hoe Punta Escondida eny ampitan’i Tobobe. Rehefa tsara ny andro, dia niampita lakana ny antoko-mpitory tao amin’io tanàna io, mba hivory tany Tobobe. Hita tamin’ny tatitra anefa fa azo asiana fiangonana tany, ka nafindra tany indray i Dimas sy Gisela. Tsy ampy roa taona akory, dia lasa fiangonana ilay antoko-mpitory. Nisy mpitory 28 tao, ary 114 teo ho eo ny mpanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro isan-kerinandro. Faly erỳ izy ireo fa 458 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 2004.
Fampitana ny vaovao tsara amin’ireo tsy mahay taratasy
Maro ny olona tso-po afaka nifandray akaiky tamin’i Jehovah, rehefa nianatra namaky teny sy nanoratra. Anisan’izany i Fermina, renim-pianakaviana tanora nipetraka tany amin’ny faritra be tendrombohitra any amin’ny comarca. Tena nihaino tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana izy, rehefa nitory tany amin’io toerana mitokana io ny misionera Vavolombelon’i Jehovah. Nanaiky izy rehefa nanontaniana raha te hianatra Baiboly. Nisy olana anefa, satria tsy nahay namaky teny sy nanoratra izy, na dia nahay niteny espaniola sy ngobere aza. Nampianatra azy namaky *
teny sy nanoratra àry ny iray tamin’ireo misionera, tamin’ny alalan’ilay bokikely hoe Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra.Mpianatra nahafatra-po i Fermina. Nazoto nanomana izy, nanao ny entimody rehetra, ary nilofo tamin’ny fianarana nanoratra. Nandroso tsara izy tao anatin’ny herintaona monja, ka afaka nianatra ilay bokikely hoe Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! * Nasiana fivoriana tao amin’ilay toerana nisy an’i Fermina, ary nanomboka nanatrika izany izy. Nahantra anefa izy, ka tena sahirana vao nahita vola hatao saran-dalana hamonjena fivoriana niaraka tamin’ny zanany. Rehefa nahalala izany ny mpisava lalana iray, dia nanoro hevitra azy mba hanjaitra sy hivarotra akanjom-behivavy ngobe. Nanaraka ny soso-keviny i Fermina, ary natokany mba hamonjena fivoriana ny vola azony, na dia nisy zavatra hafa nilainy aza. Nifindra monina izy mianakavy tatỳ aoriana, ary mbola mandroso tsara izy. Faly tokoa izy ireo fa lasa mahay mamaky teny sy manoratra. Ny fahafantarany an’i Jehovah anefa no tena mahafaly azy.
Ezaka manokana mba hitoriana amin’ny marenina
Maro ny fianakaviana mahatsiaro ho menatra any Panama, satria misy marenina ao aminy. Tsy nalefa nianatra mihitsy aza ny sasany aminy. Sarotra be ny mifandray amin’ireny marenina ireny, ka maro no lasa mahatsiaro ho manirery sy ailika.
Nisy ezaka tsy maintsy natao àry, mba hitoriana ny vaovao tsara tamin’ny marenina. Maromaro ny mpisava lalana sy mpitory mazoto nanomboka nianatra tenin’ny tanana, rehefa nampirisihin’ny mpiandraikitra mpitety faritany. Novalian-tsoa ny ezaka manokana nataon’izy ireo.
Lasa nisy antoko-mpitory nampiasa tenin’ny tanana tao an-drenivohitr’i Panama, tamin’ny faramparan’ny 2001. Nahatratra 20 ny mpanatrika. Nanjary nahay kokoa an’io fiteny io ireo rahalahy sy anabavy, ka afaka nitory ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny marenina maro, izay mbola tsy “nandre” izany mihitsy. Maro koa ireo Vavolombelona nanan-janaka marenina, no nanomboka nanatrika fivoriana amin’ny tenin’ny tanana, niaraka tamin’ny zanany. Hitan’izy ireo fa lasa mora mahazo kokoa ny fampianarana ara-baiboly ny zanany, ka manjary tia kokoa ny fahamarinana. Mazàna ireo ray aman-dreny no nianatra tenin’ny tanana, ka afaka nifandray kokoa tamin’ny zanany sy nanampy azy ireny hihavana amin’i Jehovah. Lasa nifankatia kokoa ny mpianakavy. Mampiseho izany tsara ny tantaran’i Elsa sy Iraida, zanany vavy.
* Tena nahafinaritra an’i Iraida izay nianarany avy tamin’ireo sarin’ny tontolo vaovao tao amin’io bokikely io, ary natomboka tamin’izy io ny fianarana Baiboly. Ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? * no nanohizana azy avy eo. Nanomboka teo, dia nangataka an-dreniny hanampy azy hanomana ilay fianarana sy hanazava izany i Iraida.
Ren’ny Vavolombelona iray tao amin’ilay fiangonana mampiasa tenin’ny tanana, fa misy ankizivavy marenina atao hoe Iraida. Notsidihiny izy, ary nomeny ilay bokikely hoe Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!Sady tsy nahay tenin’ny tanana anefa i Elsa reniny, no tsy nahalala ny fahamarinana ara-baiboly, satria tsy Vavolombelon’i Jehovah. Nisy nilaza taminy koa fa ny zanany no tokony hianatra hiteny, fa tsy izy no hanao tenin’ny tanana. Zara raha nifampiresaka àry izy mianaka. Nanohina ny fon’i Elsa anefa ny fangatahan’i Iraida, ka nangataka Vavolombelona hampianatra Baiboly azy izy. Hoy izy: “Ho an-janako no mahatonga ahy hangataka hianatra. Izay mantsy vao mba nisy zavatra tena mahaliana azy toy izao.” Niara-nianatra Baiboly tamin’ny zanany koa i Elsa, sady nianatra tenin’ny tanana. Nanokana fotoana bebe kokoa ho an-janany koa izy, ka lasa nifandray tsara kokoa izy mianaka. Nanjary nahay nifidy namana kokoa i Iraida, ary olona anisan’ny fiangonana no nataony namana. Mivory tsy tapaka izao izy mianaka. Natao batisa vao haingana i Elsa, ary efa mandroso ho amin’izany i Iraida. Nilaza i Elsa fa izay izy vao mifankahalala amin’ny zanany. Nambarany koa fa afaka miresaka momba ny zava-dehibe maro tena mahafinaritra azy izy ireo izao.
Lasa fiangonana ilay antoko-mpitory mampiasa tenin’ny tanana, tamin’ny Aprily 2003. Mahatratra 50 eo ho eo ny mpitory ilay Fanjakana ao aminy, ary mihoatra an’izany ny mpanatrika fivoriana. Maherin’ny ampahatelony amin’ireo no marenina. Lasa nisy antoko-mpitory mampiasa tenin’ny tanana koa, tany amin’ny tanàna telo hafa ivelan’ny renivohitra. Marina fa mbola betsaka ny tokony hatao. Efa betsaka koa anefa no vita mba handresena ireo vato misakana, ka hahatonga ny marenina hifandray amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona be fitiavana.
Santionany fotsiny amin’ny zava-mitranga any Panama ireo voatantara ireo. Maro ny olona tafaray amin’ny fanompoana an’ilay hany Andriamanitra marina, na dia samy hafa aza ny kolontsainy sy fiteniny ary fiaviany. Nahatohitra an’ireny vato misakana ireny ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’i Jehovah, ka tafita soa aman-tsara any amin’ny mponin’io tany lazaina fa “tetezana mampiray an’izao tontolo izao” io.—Efesianina 4:4.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
^ feh. 16 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
^ feh. 21 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
^ feh. 21 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Sarintany, pejy 8]
(Jereo ny gazety)
RANOMASINA KARAIBA
PANAMA
Tobobe
OSEANA PASIFIKA
Lakandranon’i Panama
[Sary, pejy 8]
Vehivavy kuna mitazona lamba “molas”
[Sary, pejy 9]
Misionera mitory amin’ny vehivavy ngobe
[Sary, pejy 10]
Vavolombelona ao Ngobe, handeha lakana hamonjy fivoriambe manokana
[Sary, pejy 11]
Tafita soa aman-tsara ny fahamarinana ara-baiboly, na dia eo aza ny kolontsaina sy fiteny samihafa
[Sary, pejy 12]
Fianarana “Tilikambo” amin’ny tenin’ny tanana
[Sary, pejy 12]
Afaka mifandray tsara i Elsa sy Iraida zanany
[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]
Sambo sy vehivavy kuna: © William Floyd Holdman/Index Stock Imagery; tanàna: © Timothy O’Keefe/Index Stock Imagery