Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Izaho no Momba Anareo”

“Izaho no Momba Anareo”

“Izaho no Momba Anareo”

‘Nanambara ny irak’i Jehovah hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.’ —HAGAY 1:13.

1. Inona no zava-nitranga fahiny, nolazain’i Jesosy fa faminaniana momba ny androntsika?

MIAINA ao anatin’ny vanim-potoana iray tena miavaka isika. Miaina amin’ny “andron’ny Tompo” isika nanomboka tamin’ny 1914, rehefa jerena ny fahatanterahan’ireo faminanian’ny Baiboly. (Apokalypsy 1:10) Hainao tsara angamba ireo faminaniana ireo, ka fantatrao fa nampitahain’i Jesosy tamin’ny “andron’i Noa” sy ny “andron’i Lota”, ny “andron’ny Zanak’olona.” (Lioka 17:26, 28) Ambaran’ny Baiboly, araka izany, fa faminaniana momba ny androntsika ireo zava-nitranga tamin’ny andron’i Noa sy Lota. Mbola misy zava-nitranga fahiny tokony hodinihintsika tsara koa anefa, satria faminaniana momba ny androntsika.

2. Nirahin’i Jehovah hanao inona i Hagay sy Zakaria?

2 Andeha isika hijery ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Hagay sy Zakaria, mpaminany hebreo. Inona no hafatra nampitain’ireo mpaminany nahatoky ireo, ka tokony hampiharin’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny? “Irak’i Jehovah” nitondra ny teniny tany amin’ireo Jiosy avy babo tany Babylona, i Hagay sy Zakaria. Nirahina izy mirahalahy mba hanome toky ny Israelita, fa hanampy azy ireo hanorina indray ny tempoly Andriamanitra. (Hagay 1:13; Zakaria 4:8, 9) Marina fa fohy ireo boky nosoratan’i Hagay sy Zakaria, kanefa anisan’ny ‘Soratra Masina iray manontolo avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra [izy ireo], ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.’—2 Timoty 3:16.

Tokony handinika ireo faminaniana ireo isika

3, 4. Nahoana isika no tokony ho liana amin’ny faminanian’i Hagay sy Zakaria?

3 Tsy isalasalana fa nahasoa an’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Hagay sy Zakaria ny hafatra nampitainy, ary tanteraka tamin’izany andro izany ny faminaniany. Nahoana anefa no tokony ho zava-dehibe amintsika ireo boky roa ireo ankehitriny? Manome antony iray ny Hebreo 12:26-29. Naverin’ny apostoly Paoly tao amin’ireo andininy ireo ny Hagay 2:6, izay milaza fa ‘hampihorohoro [na hanozongozona] ny lanitra sy ny tany’ Andriamanitra. ‘Hampihohoka ny seza fiandrianan’ny fanjakana’ izany fanozongozonana izany amin’ny farany, ary ‘hanafoana ny herin’ny fanjakan’ny firenena.’—Hagay 2:22.

4 Teny tao amin’ny Hagay no nalain’i Paoly mba hanazavana izay hitranga amin’ny “fanjakan’ny firenena”, sy mba hanasongadinana fa ambony kokoa ilay Fanjakana tsy azo hozongozonina ho azon’ny Kristianina voahosotra. (Hebreo 12:28) Hita amin’ny tenin’i Paoly fa mbola ho tanteraka amin’ny hoavy ny faminanian’i Hagay sy Zakaria, izany hoe aorian’ny taonjato voalohany, izay fotoana nanoratana ny bokin’ny Hebreo. Mbola eto an-tany koa ny sisa amin’ny Kristianina voahosotra, izay handova ny Fanjakan’ny Mesia miaraka amin’i Jesosy. Tena misy lesona ho antsika ankehitriny àry ao amin’ny bokin’i Hagay sy Zakaria.

5, 6. Nahoana Andriamanitra no naniraka an’i Hagay sy Zakaria?

5 Voalaza ao amin’ny bokin’i Ezra ny zava-nitranga talohan’ny naminanian’i Hagay sy Zakaria. Nody an-tanindrazana ny Jiosy tamin’ny 537 T.K., rehefa avy babo tany Babylona. Naorina ny fototry ny tempoly vaovao tamin’ny 536 T.K., ary nanara-maso izany i Zerobabela Governora sy Josoa (na Jesoa) Mpisoronabe. (Ezra 3:8-13; 5:1) Tena nahafaly ireo Jiosy izany, kanefa tsy ela dia raiki-tahotra izy ireo. Milaza mantsy ny Ezra 4:4 fa “nanao izay hampiraviravy tanana” azy ireo ny tompon-tany, sady “nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano.” Nanendrikendrika ny Jiosy ireo fahavalo ireo, indrindra fa ny Samaritanina. Nandresy lahatra ny mpanjakan’i Persa mihitsy aza izy ireo, mba handrara ny fanorenana ny tempoly.—Ezra 4:10-21.

6 Tsy narisika tamin’ny fanorenana ny tempoly intsony ny Jiosy. Izay hahametimety ny fiainany indray no nimasoany. Tamin’ny 520 T.K. anefa, izany hoe 16 taona taorian’ny nanorenana ny fototry ny tempoly, dia naniraka an’i Hagay sy Zakaria i Jehovah, mba hanentana ny vahoaka hanohy indray an’ilay fanorenana. (Hagay 1:1; Zakaria 1:1) Niverina nanohy ilay asa àry ny Jiosy rehefa nampaherezin’ireo irak’Andriamanitra, sady nahita porofo mazava fa nanampy azy ireo i Jehovah. Vita ilay tempoly tamin’ny 515 T.K.—Ezra 6:14, 15.

7. Inona ankehitriny no mifanitsy amin’izay nitranga tamin’ny andron’i Hagay sy Zakaria?

7 Hitanao ve ny ifandraisan’izany rehetra izany amin’ny fiainantsika? Manana asa tokony hovitaina koa isika, dia ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.” (Matio 24:14) Nantitranterina manokana io asa io taorian’ny Ady Lehibe I. Toa an’ireo Jiosy fahiny izay nafahana tamin’ny fahababoana tany Babylona, dia nafahana avy tao amin’i Babylona Lehibe na ny fivavahan-diso koa ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny. Niezaka mafy nitory sy nampianatra ary nitarika ny olona hanaraka ny fivavahana marina, ireo voahosotr’Andriamanitra. Mbola mitohy izany asa izany ankehitriny, ary vao mainka mitatra any amin’ny firenena maro kokoa. Mandray anjara amin’izany koa angamba ianao. Izao no fotoana hamitana ny asa fitoriana, satria efa tena akaiky ny faran’ity tontolo ratsy ity! Tsy maintsy tohizina io asa nanirahan’Andriamanitra io mandra-pahatongan’ny “fahoriana lehibe”, izay handraisan’i Jehovah an-tanana ny fitondrana ny tany. (Matio 24:21) Ho foana ny faharatsiana amin’izay, ary hanaraka ny fivavahana marina daholo ny olona rehetra.

8. Nahoana isika no matoky fa manohana ny asantsika Andriamanitra?

8 Hita ao amin’ny faminanian’i Hagay sy Zakaria, fa afaka mahazo antoka isika hoe manampy sy mitahy antsika i Jehovah, rehefa mandray anjara amin’ny fo manontolo amin’ny asa nanirahany isika. Mbola tsy nisy mihitsy fitondram-panjakana nahasakana ny fitaran’ny fitoriana ny vaovao tsara, na dia nisy aza ny niezaka nanakana na nandrara ny asan’ireo mpanompon’Andriamanitra. Eritrereto ny nanohanan’i Jehovah ny mpanompony taorian’ny Ady Lehibe I ka hatramin’izao. Hita mihitsy hoe nitatra ny asa fitoriana. Mbola betsaka anefa ny asa miandry.

9. Inona no zava-nitranga fahiny tokony hodinihintsika, ary nahoana?

9 Vao mainka mandrisika antsika hankatò ny didin’Andriamanitra hitory sy hampianatra, ny bokin’i Hagay sy Zakaria. Nahoana isika no milaza izany? Andeha isika handinika lesona sasany, azo raisina avy ao amin’ireo boky roa ao amin’ny Baiboly ireo. Diniho, ohatra, ny zava-nitranga sasany tamin’ny fanorenana ny tempoly. Tokony hamita azy io ireo Jiosy tafaverina tao Jerosalema, nefa nijanona teny antenatenany izy ireo, araka ny hitantsika teo. Tsy narisika intsony izy ireo, rehefa vita ny fototra. Inona no fiheveran-diso nananan’izy ireo? Ary inona no lesona raisintsika avy amin’izany?

Fanitsiana ny fisainana

10. Inona no fiheveran-diso nananan’ireo Jiosy, ary inona no vokany?

10 Hoy ireo Jiosy tafaverina tao Jerosalema: “Tsy mbola tonga ny andro.” (Hagay 1:2) Tsy niteny an’izany izy ireo, fony nanomboka nanangana ny tempoly ka nanao ny fototra, tamin’ny 536 T.K. Tsy ela anefa izy ireo dia niova hevitra, noho ny fanoheran’ireo firenena nanodidina sy ny fandraran’ny fitondram-panjakana. Ny tranony sy izay hampiadana azy indray no nanjary noheveriny ho zava-dehibe kokoa. Noravahan’izy ireo tamin’ny hazo sarobidy ny tranony, nefa ny tempoly tsy vita akory. Nanontany toy izao àry i Jehovah, rehefa nahita izany fahasamihafana lehibe izany: “Moa andro tokony hitoeran’ny tenanareo ao amin’ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?”—Hagay 1:4.

11. Nahoana i Jehovah no tsy maintsy nananatra an’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Hagay?

11 Niova tokoa ny zavatra nataon’ireo Jiosy laharam-pahamehana. Tsy nataony loha laharana intsony ny fikasan’i Jehovah hanorina ny tempoly, fa lasa nifantoka tamin’ny tenany sy ny tranony izy ireo. Nataony tsirambina ny fanorenana ny trano fivavahana tamin’Andriamanitra. Nampirisika an’ireo Jiosy àry i Jehovah, araka ny Hagay 1:5 hoe: “Hevero ny làlanareo.” Nasain’i Jehovah niato sy nandini-tena izy ireo, ary handinika ny vokany rehefa tsy nataony loha laharana teo amin’ny fiainany intsony ny fanorenana ny tempoly.

12, 13. Nanao ahoana ny fiainan’ireo Jiosy araka ny Hagay 1:6, ary inona no dikan’io andinin-teny io?

12 Azonao an-tsaina angamba fa nisy vokany teo amin’ny fiainana manokan’ireo Jiosy ny fiheveran-diso momba izay tokony ho loha laharana. Mariho izay nolazain’Andriamanitra, araka ny Hagay 1:6: “Efa namafy be hianareo, nefa kely no taomina: mihinana hianareo, nefa tsy voky; misotro hianareo, nefa tsy afa-po; mitafy hianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.”

13 Efa tao amin’ny tany nomen’Andriamanitra azy ny Jiosy, nefa tsy nahafa-po ny vokatra niakatra. Tsy notahin’i Jehovah izy ireo, ary efa nampitandrina izy. (Deoteronomia 28:38-48) Namafy izy ireo nefa zara raha nijinja, izany hoe tsy ampy ny sakafo, satria tsy nanampy azy ireo Andriamanitra. Tsy nanana akanjo mafana koa izy ireo, satria tsy notahin’i Jehovah. Na ny vola azon’izy ireo aza dia toy ny hoe niditra tao anatin’ny kitapo feno loaka, izany hoe tsy nahasoa an’ilay nikarama. Inona kosa no hevitr’ilay fitenenana hoe: “Misotro hianareo, nefa tsy afa-po”? (Hagay 1:6) Mbola hita amin’izany koa fa tsy nitahy an’ireo Jiosy Andriamanitra. Kely dia kely ny divay vitan’izy ireo, ka tsy afa-po ireo nisotro.

14, 15. Inona no lesona raisintsika ao amin’ny Hagay 1:6?

14 Tsy lesona momba izay tokony ho endriky ny tranontsika na ny fandravahana azy, no tokony hotsoahantsika avy amin’izany rehetra izany. Efa ela be talohan’ny naha babo ny Jiosy tany Babylona no niteny mafy an’ireo mpanankarena teo amin’ny Israely i Amosa mpaminany, noho izy ireo nipetraka tao amin’ny “trano ivory” sy natoritory ‘tamin’ny farafara ivory.’ (Amosa 3:15; 6:4) Tsy naharitra ireny trano nirenty sy fanaka voaravaka ireny. Norobain’ny fahavalo izy ireny. Taona maro tatỳ aoriana anefa, dia mbola tsy nandray lesona tamin’izany ihany ny maro tamin’ireo vahoakan’Andriamanitra, rehefa avy babo nandritra ny 70 taona. Ary isika? Tsara raha manontany tena isika tsirairay avy hoe: ‘Mifantoka be amin’ny fikarakarana ny tranoko sy ny fandravahana azy ve aho? Raha mieritreritra hanao fianarana fanampiny aho mba hahazoako ny asa tiako, mety handany taona maro ve izany, ka tsy hahafahako hanatontosa ireo lafiny lehibe amin’ny fanompoana an’Andriamanitra?’—Lioka 12:20, 21; 1 Timoty 6:17-19.

15 Mampahatsiahy antsika ny Hagay 1:6, fa mila ny fitahian’Andriamanitra isika. Tsy notahin’Andriamanitra ireo Jiosy fahiny, ka niharam-pahavoazana. Azo antoka fa ho simba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, raha tsy eo ny fitahiany, na manankarena isika na tsia. (Matio 25:34-40; 2 Korintianina 9:8-12) Ahoana anefa no hahazoantsika izany fitahiana izany?

Ampian’i Jehovah amin’ny alalan’ny fanahiny isika

16-18. Inona no hevitry ny Zakaria 4:6 ho an’ireo Jiosy fahiny?

16 Nanasongadina ny fitaovana nampiasain’i Jehovah mba handrisihana sy hitahiana ny olona be fandavan-tena tamin’ny androny, i Zakaria, mpaminany naman’i Hagay. Misongadina amin’izany koa ny fomba hitahian’i Jehovah anao ankehitriny. Izao no vakintsika: “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Zakaria 4:6) Mety ho efa nandre matetika an’io andinin-teny io ianao. Fantatrao ve anefa ny hevitr’izy io ho an’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Hagay sy Zakaria? Fantatrao koa ve ny hevitr’izy io ho anao?

17 Tadidio fa nisy vokany tsara tamin’ny olona tamin’ny andron’i Hagay sy Zakaria ny tenin’Andriamanitra nambaran’izy ireo. Nanjary narisika ireo Jiosy nahatoky. Nanomboka naminany i Hagay tamin’ny volana fahenina, tamin’ny 520 T.K. I Zakaria kosa nanomboka ny volana fahavalo, tamin’io taona io ihany. (Zakaria 1:1) Tamin’ny volana fahasivy, dia niverina nanorina ny fototry ny tempoly tamin’ny fony manontolo ireo Jiosy, araka ny hita ao amin’ny Hagay 2:18. Nanjary narisika indray izy ireo araka izany, ary nankatò an’i Jehovah sady natoky fa hanohana azy ireo izy. Miresaka ny fomba anampian’Andriamanitra ny vahoakany àry ny Zakaria 4:6.

18 Tsy nanana tafika ny Jiosy rehefa niverina tany an-tanindrazany tamin’ny 537 T.K. Na izany aza, dia niaro azy ireo i Jehovah, ary nitarika azy ireo tamin’ilay dia avy tany Babylona. Nitarika azy ireo koa ny fanahiny, rehefa nanomboka nanorina indray ny tempoly izy ireo, tsy ela tatỳ aoriana. Nanampy azy ireo tamin’ny alalan’ny fanahiny masina i Jehovah, raha vao nanomboka niasa tamin’ny fony manontolo izy ireo.

19. Inona no sakana lehibe noresen’ny fanahin’Andriamanitra?

19 Nanome fahitana valo an’i Zakaria i Jehovah, mba hanomezan-toky azy fa homba ny vahoakany izy, ka ho vitan’izy ireo hatramin’ny farany ilay tempoly. Ao amin’ny Zakaria toko fahatelo no misy ny fahitana fahefatra. Hita ao fa niasa mafy i Satana mba hanoherana ny ezak’ireo Jiosy hamitana ny tempoly. (Zakaria 3:1) Azo antoka mantsy fa tsy ho nahafaly azy ny hahita an’i Josoa Mpisoronabe hanao fanompoana ho an’ny vahoaka, ao amin’ny tempoly iray vaovao. Niasa mafy foana ny Devoly mba hanakanana ny Jiosy tsy hanorina ny tempoly. Nandray anjara lehibe tamin’ny fanesorana ireny sakana ireny anefa ny fanahin’i Jehovah, ary nanatanjaka ny Jiosy hanohy hiasa mandra-pahavitan’ny tempoly.

20. Ahoana no nanampian’ny fanahy masina ny Jiosy, mba hanatanterahany ny sitrapon’Andriamanitra?

20 Toy ny hoe nametraka sakana lehibe tsy ho azo anoarana ireo mpitondra fanjakana, rehefa nandrara ny fanorenana ny tempoly. Nampanantena anefa i Jehovah fa hesorina io sakana toy “tendrombohitra” io, ka ho lasa “tany lemaka.” (Zakaria 4:7) Ary nitranga tokoa izany! Rehefa nanao fikarohana ny Mpanjaka Dariosy I, dia nahita ny taratasy fanomezan-dalana hanorina indray ny tempoly, navoakan’i Kyrosy. Nofoanany àry ilay fandrarana. Nanome alalana koa izy mba hanomezana vola avy tao amin’ny rakitry ny mpanjaka ho an’ireo Jiosy, ho fandraisana anjara amin’izay lany amin’ilay fanorenana. Mahagaga tokoa izany fiovan-javatra izany! Nanana anjara tamin’izany ve ny fanahin’Andriamanitra? Tena azo antoka izany. Vita tanteraka ilay tempoly tamin’ny 515 T.K., taona fahenina nanjakan’i Dariosy I.—Ezra 6:1, 15.

21. a) Tamin’ny andro fahiny, ahoana no nanozongozonan’Andriamanitra ny firenena rehetra, ary ahoana no nisehoan’ireo zava-tsarobidy? b) Ahoana no ahatanterahan’io faminaniana io ankehitriny?

21 Nampahatsiahy an’ireo Jiosy ilay mpaminany, ao amin’ny Hagay 2:5, fa nanao fifanekena tamin’izy ireo teo amin’ny Tendrombohitra Sinay Andriamanitra, ary ‘nihorohoro mafy ny tendrombohitra rehetra’ tamin’izay. (Eksodosy 19:18) Nikasa hampihorohoro na hanozongozona ny fanjakana nisy tamin’ny andron’i Hagay sy Zakaria koa i Jehovah, araka ilay sarin-teny eo amin’ny andininy faha-6 sy faha-7. Tsy hilamina intsony ny toe-draharaha ao amin’ny Fanjakan’i Persa, kanefa ho vita hatramin’ny farany ny fananganana ny tempoly. Amin’ny farany dia ho tonga ny tsy Jiosy, izay lazaina hoe “irin’ny firenena rehetra” na zava-tsarobidy avy amin’ny firenena rehetra, ka hiaraka amin’ny Jiosy hanome voninahitra an’i Jehovah ao amin’io toeram-pivavahana io. Misy zava-mitranga lehibe lavitra noho izany ankehitriny. ‘Mampihorohoro [na manozongozona] ny firenena’ koa Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitoriana ataontsika, ary tonga mba hivavaka aminy miaraka amin’ny sisa voahosotra ireo zava-tsarobidy avy amin’ny firenena rehetra. Miara-mameno voninahitra ny tranon’i Jehovah tokoa ankehitriny ny voahosotra sy ny ondry hafa. Miandry ny fotoana hanozongozonan’Andriamanitra ny lanitra sy ny tany amin’ny heviny hafa indray ireo tena mpivavaka ireo, ary mino fa ho tonga izany. Ho rava sy ho foana ny herin’ny fanjakan’ireo firenena amin’izay.—Hagay 2:22.

22. Ahoana no anozongozonana ireo firenena ankehitriny, ary inona no vokany? Inona koa no mbola hitranga?

22 Ampahatsiahivina antsika fa nisy fanozongozonana nitranga teo amin’ny “lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina” izay raisina an’ohatra. Nisy fiovana lehibe naterak’izany. Anisan’izany ny nanipazana an’i Satana Devoly sy ny demoniany ho etỳ an-tany. (Apokalypsy 12:7-12) Azo antoka koa fa nanozongozona ny tany an’ohatra, na ity tontolo ity, ny fitoriana notarihin’ireo voahosotr’Andriamanitra. (Apokalypsy 11:18) Na izany aza anefa, dia nisy “vahoaka be” anisan’ireo zava-tsarobidy avy amin’ny firenena rehetra, tonga nanatevin-daharana ny Israely ara-panahy mba hanompo an’i Jehovah. (Apokalypsy 7:9, 10) Miara-miasa amin’ireo Kristianina voahosotra ny vahoaka be, ka mitory ny vaovao tsara. Ambaran’izy ireo fa tsy ho ela dia hanozongozona ireo firenena Andriamanitra, ao Hara-magedona. Hatao tonga lafatra ny fivavahana marina aorian’izay.

Tadidinao Ve?

• Oviana i Hagay sy Zakaria no naminany, ary inona no zava-nitranga tamin’izany?

• Ahoana no azonao ampiharana ny hafatra nampitain’i Hagay sy Zakaria?

• Nahoana no mampahery anao ny Zakaria 4:6?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 20]

Manome toky antsika ny bokin’i Hagay sy Zakaria fa manampy antsika Andriamanitra

[Sary, pejy 23]

“Moa andro tokony hitoeran’ny tenanareo ao amin’ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?”

[Sary, pejy 24]

Manangona ireo zava-tsarobidy avy amin’ny firenena ny vahoakan’i Jehovah