Tadidinao Ve?
Tadidinao Ve?
Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:
• Nahoana no be dia be toy izao ny faharatsiana?
Mirona hanao ratsy ny olona ka anisan’ny mahatonga ny faharatsiana izany. (Genesisy 8:21) Manao ratsy koa ny ankamaroan’ny olona satria tsy tena mahalala ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo. Ankoatra izany, dia mbola mitsabaka be amin’izay ataon’ny olona i Satana, ilay fototry ny faharatsiana.—1/1, pejy 4-6.
• Inona avy no vokany tsara avy amin’ny fanaovana teny soa amin’ny fotoana mety? (Ohabolana 12:25)
Mahatonga ilay olona hatoky tena izany, ka mampahery sy mandrisika azy ary mahatonga azy hahatsapa tena ho tsy miady irery. Manampy antsika hahita ny toetra tsaran’ny hafa koa ny faniriana hanao teny fiderana.—1/1, pejy 16-17.
• Inona no tao anatin’ny vata misy ny fifanekena?
Ireo takela-bato roa nisy ny Lalàna ary mana no tao anatiny. Napetraka tao anatin’io Vata io koa ny tehin’i Arona, taorian’ny fikomian’i Kora, mba ho porofo nanameloka ilay taranaka. (Hebreo 9:4) Angamba nesorina tao ilay tehina sy ny mana talohan’ny nitokanana ny tempolin’i Solomona.—15/1, pejy 31.
• Nahoana ny Jiosy tamin’ny andron’i Nehemia no nasaina nitondra kitay tao amin’ny tempoly?
Tsy notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny fanatitra hazo. Nisy kitay nilaina foana anefa tamin’ny andron’i Nehemia mba handoroana an’ireo fanatitra teo amin’ny alitara.—1/2, pejy 11.
• Inona ny Sombin-taratasin’i Muratori?
Ampahany amin’ny boky sora-tanana amin’ny teny latinina izy io. Nadika avy tamin’ny andalan-tsoratra tamin’ny teny grika izy io, tany amin’ny faramparan’ny taonjato faharoa tany ho any. Mitanisa ireo boky anisan’ny Soratra Grika Kristianina izy io. Hazavaina ao koa ny mombamomba ireo boky ireo sy ny mpanoratra azy.—15/2, pejy 13-14.
• Nahoana i Vasty, vadi-mpanjaka persanina, no tsy nety nankeo anatrehan’ny mpanjaka? (Estera 1:10-12)
Tsy milaza ny antony nahatonga izany ny Baiboly. Misy manam-pahaizana milaza fa tsy nety izy, satria tsy te hampietry tena teo anoloan’ireo vahiny mamo nasain’ny mpanjaka. Na mety ho efa mpikomy mihitsy io vadi-mpanjaka tsara tarehy io, ka namela ohatra ratsy ho an’ireo vehivavy manambady tao amin’ny Fanjakana Persanina.—1/3, pejy 9.
• Manafaka antsika amin’inona ny vidim-panavotana?
Manafaka ny tena Kristianina amin’ny ota nolovana sy ny fahafatesana ny soron’i Jesosy. (Romanina 6:23) Mahatonga azy tsy henjehin’ny eritreritra koa izy io. Ary manafaka antsika amin’ny tahotra sao tsy hankasitrahan’Andriamanitra, ny finoana ny vidim-panavotana. (1 Jaona 2:1)—15/3, pejy 8.
• Inona no ianarantsika avy amin’ilay lalàna hoe “Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny”? (Eksodosy 23:19)
Toa fanaon’ny mpanompo sampy mba hampisy orana ny fandrahoana zanaka biby toy izany. (Levitikosy 20:23) Nataon’Andriamanitra hamelomana sy hampitomboana an’ilay zanaka biby ny rononon-dreniny. Ho fanaovana tsinontsinona ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, izay naorin’Andriamanitra àry ny fandrahoana ilay zanak’osy amin’io ronono io. Mampiseho ny fangoraham-pon’Andriamanitra ny lalàna mandrara an’izany.—1/4, pejy 31.