Fahantrana ny Zava-misy Ankehitriny
Fahantrana ny Zava-misy Ankehitriny
MATETIKA no hita mitarika sarety mavesa-be eny amin’ny araben’i São Paulo, any Brezila, i Vicente. * Manangona baoritra sy fatifatim-by ary plastika no asany. Mamelatra baoritra ao ambanin’ny saretiny izy, rehefa mihamaizina ny andro, ary eo izy no matory amin’ny alina. Toa tsy reny akory ny tabataban’ireo fiara sy bisy maro be mivezivezy eo amin’ilay arabe atoriany. Nanana asa sy trano ary fianakaviana ihany izy taloha. Tsy misy ananany intsony anefa izany izao. Eny amin’ny arabe izy sisa no miady mafy amin’ny fiainana.
Mampalahelo fa olona an-tapitrisany no mahantra faraidiny, toa an’i Vicente. Maro no voatery mipetraka eny amin’ny arabe na amin’ny trano tsizarizary, any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Fahita ny mpangataka, ka misy amin’izy ireny kilemaina, na jamba, na vehivavy mampinono. Mihazakazaka eny anelanelan’ny fiara mijanona koa ny ankizy rehefa mitohana ny fifamoivoizana. Mangataka izy ireo na mivarobarotra, sitrany ahay vola kely.
Tsy mazava mihitsy hoe nahoana no mbola misy ny fahantrana toy izany. Hoy mantsy ny gazetiboky britanika Toe-karena (anglisy): “Vao mainka afaka miady amin’ny fahantrana ny olombelona ankehitriny. Manankarena noho ny hatramin’izay mantsy izy, ary ampy fahaizana kokoa, na eo amin’ny lafiny fitsaboana na teknolojia.” Marina aloha fa efa maro no mandray soa avy amin’ny fahaizan’ny olombelona. Feno fiara vaovao tsara tarehy, ohatra, ny araben’ny tanàn-dehibe, any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sasany. Feno fitaovana maoderina nivoaka farany koa any amin’ny magazay, ary be dia be hatrany ny olona te hividy azy ireny. Nanao fandaharana manokana, ohatra, ny fivarotana lehibe roa any Brezila, mba hisarihana ny olona hividy ny entany sasany. Nivoha nandritra ny alina izy ireo tamin’ny 23 sy 24 Desambra 2004. Nanakarama mpandihy mihitsy aza ilay fivarotana iray mba hisarihana ny mpividy, ka efa ho 500 000 no tonga!
Maro be anefa no tsy manankarena toy ny sasany. Misy elanelana be eo amin’ny mahantra sy * Toy ny hoe efa fandrosoana sahady izany. Nilaza anefa io gazetiboky io ihany fa “sarotra ny mino hoe hisy hanohana ireny soso-kevitra ireny, ary maro ny anton’izany. Tsy te hanome vola mantsy ny ankamaroan’ireo firenena, satria mahalana izany vao tonga any amin’ny olona tena tokony homena azy.” Mampalahelo tokoa fa tsy tonga mihitsy any amin’ny olona tena mila azy ny ankamaroan’ny vola omen’ny fanjakana sy ireo fikambanana iraisam-pirenena ary olon-tsotra. Maro loatra mantsy ny dingana tsy maintsy arahina, ary manjaka ny kolikoly.
ny manana, ka olona maro no manatsoaka hevitra fa ilaina maika ny miady amin’ny fahantrana. Hoy ny gazetiboky brezilianina Veja: “Ny ady amin’ny fahantrana no tokony ho raharaha lehibe indrindra hodinihin’ny mpitondra eran-tany amin’ity taona [2005] ity.” Nilaza koa ny Veja fa nisy nanolo-kevitra hoe tokony hasiana fandaharana iray vaovao, hanarenana ny toe-karen’ireo firenena faran’izay mahantra, indrindra fa any Afrika.Fantatr’i Jesosy fa ho olana mitohy ny fahantrana. Hoy izy: “Ho eo aminareo foana ny mahantra.” (Matio 26:11) Midika ve izany fa hisy mahantra foana eto an-tany? Tsy misy azo atao ve mba hanamaivanana an’io olana io? Inona no azon’ny Kristianina atao mba hanampiana ny mahantra?
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 Novana ny anarany.
^ feh. 5 Efa nanao fandaharana toy izany koa i Etazonia taorian’ny Ady Lehibe II, mba hanampiana ireo firenena tany Eoropa hanarina ny toe-kareny. Nantsoina hoe Planina Marshall izy io.