Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampiofana ny Mpiandry Ondriny i Jehovah

Mampiofana ny Mpiandry Ondriny i Jehovah

Mampiofana ny Mpiandry Ondriny i Jehovah

“Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.”—OHABOLANA 2:6.

1, 2. Nahoana ny rahalahy vita batisa no miezaka mandray andraikitra bebe kokoa eo anivon’ny fiangonana?

“FALY be aho tamin’izaho voatendry ho anti-panahy”, hoy i Nick izay nitana io andraikitra io hatramin’ny fito taona izao. Hoy koa izy: “Hitako fa fomba iray hanompoako bebe kokoa an’i Jehovah ilay izy. Naniry haneho ny fankasitrahako azy aho, noho ny zava-drehetra nataony ho ahy. Naniry hanao araka izay fara heriko koa aho, mba hanampiana ireo rahalahy sy anabavy, toy ny efa nanampian’ny anti-panahy ahy.” Somary nanahy ihany anefa i Nick tamin’izay, na dia faly aza. Hoy izy: “Mbola tsy ampy 30 taona akory aho tamin’izaho voatendry. Natahotra aho sao tsy hanana ny fahaizana ilaina, izany hoe tsy ho ampy fahazavan-tsaina sy fahendrena, ka tsy hahay hikarakara ny fiangonana.”

2 Manana antony maro hifaliana ireo rahalahy tendren’i Jehovah hikarakara ny andian’ondriny. Nilaza antony iray ny apostoly Paoly, rehefa namerina ireto tenin’i Jesosy ireto tamin’ny anti-panahin’i Efesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Afaka manome bebe kokoa ho an’i Jehovah sy ny fiangonana ny rahalahy iray, rehefa mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy. Miara-miasa amin’ny anti-panahy, ohatra, ny mpanampy amin’ny fanompoana. Manao asa maro tena ilaina koa izy ireo, na dia maka fotoana be aza ilay izy. Ny fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra sy ny olona no mahatonga azy hanao ireny asa tena mahasoa ireny.—Marka 12:30, 31.

3. Nahoana no misalasala ny ho tonga mpiandraikitra ny rahalahy sasany?

3 Misalasala ny ho tonga mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy anefa ny rahalahy sasany, satria mihevi-tena ho tsy mahay. Mety hanahy toa an’i Nick izy, hoe tsy manana ny fahaizana ilaina mba ho mpiandry mahita vokatra tsara. Raha rahalahy vita batisa ianao, izany koa ve no mampanahy anao? Ara-dalàna izany. Hampamoahin’i Jehovah mantsy ny mpiandry voatendry, arakaraka izay fomba itondrany ny andian’ondry. Hoy i Jesosy: “Izay nomena be dia hitakiana be, ary ilay nanankinan’olona zavatra betsaka dia bebe kokoa no hotakina aminy.”—Lioka 12:48.

4. Ahoana no anampian’i Jehovah ny rahalahy tendreny hikarakara ny ondriny?

4 Avelan’i Jehovah hiady irery ve ny rahalahy tendreny ho mpanampy amin’ny fanompoana sy anti-panahy? Tsia. Mifanohitra amin’izany aza, fa ampiany hahatontosa ny andraikiny izy ireo, sady ampiany hahita vokatra tsara. Omen’i Jehovah ny fanahiny masina izy ireo, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Ny vokatr’io fanahy io no manampy azy ireo hikarakara amim-pitiavana ny ondry. (Asan’ny Apostoly 20:28; Galatianina 5:22, 23) Ankoatra izany, dia omen’i Jehovah fahendrena sy fahalalana ary fahazavan-tsaina izy ireo. (Ohabolana 2:6) Amin’ny fomba ahoana? Andeha isika hijery fomba telo ampiofanan’i Jehovah ny rahalahy tendreny hikarakara ny ondriny.

Ampiofanin’ny mpiandry za-draharaha

5. Ahoana no nahatonga an’i Petera sy Jaona ho mpiandry nahita vokatra tsara?

5 ‘Olon-tsotra tsy dia nahita fianarana’ no niheveran’ny mpitsara ny apostoly Petera sy Jaona, rehefa nijoro teo anoloan’ny Fitsarana Avo izy ireo. Mazava ho azy fa nahay namaky teny sy nanoratra izy ireo, saingy tsy niofana tany amin’ny sekolin’ny mpitondra fivavahana. Na izany aza, dia tena nahay nampianatra i Petera sy Jaona sy ny mpianatr’i Jesosy hafa, ka maro tamin’ny olona nihaino azy ireo no tonga mpino. Ahoana no nahatonga ireo olon-tsotra ireo ho mpampianatra za-draharaha? Noho izy ireo “niaraka tamin’i Jesosy.” Niaiky an’izany ny mpitsara, rehefa avy nihaino an’i Petera sy Jaona. (Asan’ny Apostoly 4:1-4, 13) Marina fa nahazo ny fanahy masina izy ireo. (Asan’ny Apostoly 1:8) Kanefa niharihary fa nampiofana azy ireo i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany, ary niaiky izany na dia ireo mpitsara jamba ara-panahy aza. Tsy vitan’ny hoe nampianarin’i Jesosy hanangona ny ondry ny apostoly, fa nampianariny hikarakara ireo ondry voangona tao am-bala koa.—Matio 11:29; 20:24-28; 1 Petera 5:4.

6. Ahoana no nampiofanan’i Jesosy sy Paoly ny olon-kafa?

6 Mbola nampiofana foana an’ireo notendreny ho mpiandry i Jesosy, taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty. (Apokalypsy 1:1; 2:1–3:22) Izy mihitsy, ohatra, no nifidy an’i Paoly sy nikarakara ny fampiofanana azy. (Asan’ny Apostoly 22:6-10) Nankasitraka izany i Paoly, ary nampita izay nianarany tamin’ny anti-panahy hafa. (Asan’ny Apostoly 20:17-35) Niezaka mafy izy, ohatra, sady tsy nitsitsy fotoana mihitsy nampiofana an’i Timoty mba ho “mpiasa tsy mitsanga-menatra” eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. (2 Timoty 2:15) Lasa mpinamana be izy ireo, ary hoy i Paoly momba an’i Timoty: “Tahaka ny anompoan’ny zanaka ny rainy no nanompoany ahy teo amin’ny fampandrosoana ny vaovao tsara.” (Filipianina 2:22) Tsy ny hahatonga an’i Timoty na ny olon-kafa ho mpanara-dia azy no tanjon’i Paoly. Nampirisihiny kosa ny mpiray finoana taminy, mba ‘hanahaka azy tahaka ny anahafany an’i Kristy.’—1 Korintianina 11:1.

7, 8. a) Milazà tantara mampiseho fa mahita vokatra tsara ny anti-panahy, rehefa manahaka an’i Jesosy sy Paoly. b) Rahoviana no tokony hatomboka ny fampiofanana ireo rahalahy?

7 Manahaka an’i Jesosy sy Paoly ny mpiandry za-draharaha. Mampiofana ny rahalahy vita batisa izy ireo, ary mahita vokatra tsara koa. Diniho ny zavatra niainan’i Chad. Tsy Vavolombelona ny rainy, nefa voatendry ho anti-panahy izy vao haingana. Hoy izy: “Nisy anti-panahy za-draharaha nanampy ahy handroso ara-panahy foana, nandritra ny taona maro. Tsy Vavolombelona ny raiko, ka ireo rahalahy ireo no tena niahy ahy, ary lasa toy ny raiko ara-panahy. Nampiofana ahy teny amin’ny fanompoana izy ireo, ary nisy anti-panahy iray, tatỳ aoriana, nampiofana ahy hanao ny asa nankinina tamiko teo anivon’ny fiangonana.”

8 Hitantsika amin’izany fa tsara raha ampiofanina ho tonga mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy ireo rahalahy, ela be alohan’ny hahafenoany fepetra ho amin’izany. Nahoana? Satria milaza ny Baiboly fa tsy maintsy ho efa ampy fahalalana tsara sy manaraka fitsipi-pitondran-tena ambony ireo rahalahy, alohan’ny hanendrena azy ho mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy. Tsy maintsy ‘zahan-toetra izy mba ho hita raha mendrika.’—1 Timoty 3:1-10.

9. Inona no andraikitry ny anti-panahy matotra, ary nahoana?

9 Ara-drariny raha ampiofanina aloha ny rahalahy vita batisa, vao zahan-toetra. Eritrereto hoe hiatrika fanadinana sarotra ny mpianatra iray, nefa tsy nampianarin’ny mpampianatra na inona na inona. Ho afa-panadinana ve izy? Azo inoana fa tsia. Mila ampianarina aloha izy. Raha manao tsara ny asany ny mpampianatra, dia tsy hampianatra azy mba ho afa-panadinana fotsiny, fa hanoro azy ny fomba hampiharany ny fahalalana azony koa. Manahaka an’io mpampianatra io ny anti-panahy manao tsara ny asany. Ampianariny haneho ny toetra takina amin’ny mpiandraikitra ireo rahalahy vita batisa, ary omeny fampiofanana manokana momba izany. Tsy ny hahatonga azy ireo ho voatendry fotsiny anefa no anaovany izany, fa mba hahaizan’izy ireo mikarakara tsara ny andian’ondry koa. (2 Timoty 2:2) Mazava ho azy fa mila miezaka mafy koa ny rahalahy vita batisa, mba hahafeno ireo fepetra takina amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy. (Titosy 1:5-9) Mety handroso haingana kokoa anefa ireo rahalahy miezaka handray andraikitra eo anivon’ny fiangonana, raha mazoto mampiofana azy ny mpiandry za-draharaha.

10, 11. Inona no azon’ny anti-panahy atao, mba hampiofanana ireo rahalahy hiantsoroka andraikitra fanampiny?

10 Inona no azon’ny anti-panahy za-draharaha atao, mba hampiofanana ireo rahalahy hisahana andraikitra samy hafa eo anivon’ny fiangonana? Mila miahy manokana an’ireo rahalahy eo anivon’ny fiangonana izy aloha, ka hiara-miasa amin’izy ireo matetika eny amin’ny fanompoana, sy hanampy azy ireo hahay kokoa hanazava ny “tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.” (2 Timoty 2:15) Tsara raha resahiny amin’ireo rahalahy ny fifaliana azo rehefa manampy ny hafa. Azon’ny anti-panahy matotra atao koa ny mitantara ny fahafaham-po tsapany, noho izy nanana tanjona teo amin’ny fanompoana sy rehefa tratrany izany tanjona izany. Azony atao ny manome soso-kevitra voafaritra tsara sy amin-katsaram-panahy, momba ny lafin-javatra azon’ilay rahalahy ihatsarana mba hahatongavany ho “modely ho an’ny andian’ondry.”—1 Petera 5:3, 5.

11 Fahendrena ny hanohizana ny fampiofanana ny rahalahy iray, na dia rehefa voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana aza izy. Hoy i Bruce, izay efa anti-panahy nandritra ny 40 taona mahery: “Rehefa misy rahalahy voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana, dia mahafinaritra ahy ny miara-midinika aminy ireo toromarika navoakan’ny mpanompo mahatoky sy malina. Miara-mamaky ny toro lalana mahakasika ny andraikitra ankinina aminy izahay, ary miara-miasa aminy aho mandra-pahazatra azy amin’ilay andraikiny.” Azo ampiofanina hanao fitsidihan’ny mpiandry ny mpanampy amin’ny fanompoana, rehefa mitombo ny traikefany. Hoy ihany i Bruce: “Mitondra mpanampy amin’ny fanompoana aho indraindray, rehefa manao fitsidihan’ny mpiandry. Ampiako izy hifidy andinin-teny, izay hampahery sy handrisika an’ilay olona na fianakaviana tsidihinay. Mila mianatra mampiasa ny Baiboly mba hanohinana ny fon’ny olona ny mpanampy amin’ny fanompoana, raha te ho tonga mpiandry mahita vokatra tsara.”—Hebreo 4:12; 5:14.

12. Inona no azon’ny mpiandry za-draharaha atao mba hampiofanana ny anti-panahy vaovao?

12 Mandray soa be dia be koa ny anti-panahy vaovao rehefa omena fampiofanana fanampiny. Hoy i Nick, ilay voaresaka tetsy am-piandohana: “Tena nanampy ahy ny fampiofanana azoko avy tamin’ny rahalahy roa izay efa anti-panahy elaela. Efa fantatr’izy ireo, raha ny marina, ny fomba ikarakarana ny raharaha sasany, nefa nihaino ahy tsara foana izy ireo, sady nasiany fiheverana ny zavatra nolazaiko, na dia tsy niray hevitra tamiko aza izy. Hitako fa manetry tena sy manaja an’ireo rahalahy sy anabavy izy ireo, ka niana-javatra betsaka avy tamin’izany aho. Nantitranterin’izy ireo tamiko koa fa ilaina ny mahay mampiasa Baiboly, rehefa mamaha olana na mampahery ny hafa.”

Ampiofanin’ny Tenin’Andriamanitra

13. a) Inona no hanampy ny rahalahy iray ho tonga mpiandry mahita vokatra tsara? b) Nahoana i Jesosy no nilaza hoe: “Tsy ahy ny fampianarako”?

13 Misy lalàna sy toro lalana ary ohatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, mba hanampiana ny mpiandry ho “tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17) Mety ho nahita fianarana ny rahalahy iray, nefa ny fahalalany ny Soratra Masina sy ny fampiharany azy io, no hanampy azy ho tonga mpiandry mahita vokatra tsara. Diniho ny ohatr’i Jesosy. Tsy nisy mpiandry nanam-pahalalana sy fahazavan-tsaina ary fahendrena mihoatra noho izy teto an-tany. Tsy niantehitra tamin’ny fahendreny anefa izy, rehefa nampianatra ny ondrin’i Jehovah. Hoy izy: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy.” Nahoana i Jesosy no niaiky fa avy tamin’ny Rainy any an-danitra ny fampianarany? Nanazava izy fa ‘mitady voninahitra ho an’ny tenany izay miteny araka ny nahim-pony.’—Jaona 7:16, 18.

14. Inona no tokony hataon’ny mpiandry, mba tsy hitadiavany voninahitra ho an’ny tenany?

14 Tsy mitady voninahitra ho an’ny tenany koa ny mpiandry tsy mivadika. Ataony mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra ny torohevitra sy fampaherezana omeny, fa tsy amin’ny fahendreny manokana. Fantany fa ny hanampy ny ondry hanana ny “sain’i Kristy” no andraikitry ny mpiandry, fa tsy ny hahatonga azy ireo hanana ny sain’ny anti-panahy. (1 Korintianina 2:14-16) Aoka hatao hoe misy olana ny tokantranon’ny mpivady iray, ary miezaka manampy azy ireo ny anti-panahy iray. Mety ve raha ataony mifototra amin’ny zavatra niainany ny torohevitra omeny, fa tsy amin’ny toro lalan’ny Baiboly na ny fanazavana avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”? (Matio 24:45) Raha izany no ataony, dia mety hisy akony be eo amin’ny toroheviny ny fomba amam-panao eo an-toerana sy ny tsy fahampian’ny fahalalany. Marina fa tsy misy maha ratsy azy ny fanao sasany, ary mety ho efa betsaka ny zavatra niainan’ilay anti-panahy. Mandray soa faran’izay betsaka anefa ny ondry, rehefa ampirisihin’ny mpiandry hihaino ny feon’i Jesosy sy ny tenin’i Jehovah, fa tsy asainy manaraka ny hevitr’olombelona na ny fomba amam-panao eo an-toerana.—Salamo 12:6; Ohabolana 3:5, 6.

Ampiofanin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”

15. Inona no asa nasain’i Jesosy hataon’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, ary inona no antony iray mahatonga azy ireo hahomby amin’izany?

15 Anisan’ilay “mpanompo mahatoky sy malina” noresahin’i Jesosy, ny apostoly Petera, Jaona, ary Paoly. Ny mpanompo mahatoky dia fitambaran’ireo rahalahin’i Jesosy Kristy voahosotra eto an-tany, izay manantena hiara-manjaka aminy any an-danitra. (Apokalypsy 5:9, 10) Mihena araka ny efa nampoizina ny isan’ny rahalahin’i Kristy eto an-tany, amin’izao andro farany izao. Vao mainka mihabetsaka anefa ny asa ilaina hatao mifandray amin’ny fitoriana, izay nasain’i Jesosy hovitaina alohan’ny hahatongavan’ny farany. Mahagaga fa mahomby amin’ilay asa ny mpanompo mahatoky, na izany aza! Nahoana? Anisan’ny mahatonga izany ny fampiofanan’izy ireo ny “ondry hafa”, mba hanampy azy hitory sy hampianatra. (Jaona 10:16; Matio 24:14; 25:40) Ireo ondry hafa tsy mivadika ireo ankehitriny no manatontosa ny ankabeazan’ilay asa.

16. Ahoana no ampiofanan’ny mpanompo mahatoky an’ireo rahalahy voatendry?

16 Ahoana no anomezan’ny mpanompo mahatoky an’io fampiofanana io? Nanana solontena izy tamin’ny taonjato voalohany, ary nomeny alalana io solontena io hampiofana sy hanendry mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana. Ireo mpiandraikitra indray avy eo no nampiofana ny ondry. (1 Korintianina 4:17) Tsy misy hafa amin’izany ny ankehitriny. Misy anti-panahy voahosotra vitsivitsy antsoina hoe Filan-kevi-pitantanana, misolo tena ny mpanompo mahatoky. Io Filan-kevi-pitantanana io indray no manana solontena, izay omeny alalana hampiofana sy hanendry ny mpanampy amin’ny fanompoana sy anti-panahy, any anivon’ireo fiangonana an’aliny eran-tany. Manao sekoly fampiofanana koa ny Filan-kevi-pitantanana, ho an’ny Komitin’ny Sampana, ny mpiandraikitra mpitety faritany, ny anti-panahy, ary ny mpanampy amin’ny fanompoana. Atoro azy ireo amin’izany ny fomba tsara indrindra hikarakarana ny ondry. Ary mbola misy toromarika fanampiny omena amin’ny alalan’ny taratasy, lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, ary boky hafa toy ny Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah. *

17. a) Inona no mampiseho fa atokisan’i Jesosy ny mpanompo mahatoky? b) Ahoana no anaporofoan’ny mpiandry fa matoky ny mpanompo mahatoky izy ireo?

17 Tena matoky ny mpanompo mahatoky i Jesosy, ka nanendry azy hikarakara “ny fananany rehetra” eto an-tany. (Matio 24:47) Matoky an’ilay mpanompo koa ny mpiandry voatendry, ka manaraka ny toromarika omen’izy ireo amin’ny alalan’ny Filan-kevi-pitantanana. Mampisy firaisan-tsaina eo anivon’ny andian’ondry tokoa ny mpiandry rehefa mampiofana ny hafa, sy manaiky ampiofanin’ny Tenin’Andriamanitra, ary mampihatra ny fampiofanana omen’ny mpanompo mahatoky. Misaotra an’i Jehovah tokoa isika noho izy mampiofana lehilahy, izay tena miahy ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana kristianina!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 16 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no ataon’ny mpiandry matotra mba hampiofanana ny hafa?

• Nahoana no tsy ataon’ny mpiandry mifototra amin’ny heviny manokana ny fampianarany?

• Nahoana no tokony hatoky ny mpanompo mahatoky ny anti-panahy, ary ahoana no ampisehoan’izy ireo an’izany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 24, 25

Mampiofana ny tovolahy eo anivon’ny fiangonana ny anti-panahy

[Sary, pejy 26]

Betsaka ny fampiofanana omen’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ho an’ny anti-panahy