Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompoa An’i Kristy Mpanjaka ary Aza Mivadika Aminy

Manompoa An’i Kristy Mpanjaka ary Aza Mivadika Aminy

Manompoa An’i Kristy Mpanjaka ary Aza Mivadika Aminy

“Nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy.”—DANIELA 7:14.

1, 2. Ahoana no ahafantarantsika fa mbola tsy nandray fahefana feno i Kristy, tamin’ny taona 33?

IZA no mpitondra nahavita nanolotra ny ainy ho an’ny olom-peheziny, nefa velona indray avy eo ka lasa mpanjaka? Iza no mpanjaka niaina teto an-tany, nanao izay hahatonga ny olom-peheziny hatoky azy sy tsy hivadika aminy, ary avy eo manjaka avy any an-danitra? I Jesosy Kristy ihany no nahavita izany, sady nahatontosa zavatra maro hafa koa. (Lioka 1:32, 33) Tamin’ny Pentekosta taona 33, izany hoe taorian’ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty ary niakarany tany an-danitra, dia nataon’Andriamanitra “lohan’ny zavatra rehetra izy, raha ny amin’ny fiangonana.” (Efesianina 1:20-22; Asan’ny Apostoly 2:32-36) Nanomboka nanjaka i Kristy tamin’io fotoana io, saingy teo amin’ny Kristianina voahosotra ihany. Ireo Israely ara-panahy na “Israelin’Andriamanitra” ireo, no voalohany amin’ny olom-peheziny.—Galatianina 6:16; Kolosianina 1:13.

2 Tokony ho 30 taona taorian’ny Pentekosta taona 33, dia nanamafy ny apostoly Paoly fa mbola tsy nandray fahefana feno i Kristy. Nolazainy fa “nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra [i Kristy]” ary “nanomboka tamin’izay, dia niandry ... mandra-panao ny fahavalony ho fitoeran-tongony.” (Hebreo 10:12, 13) Tamin’ireo taona 90, dia nahazo fahitana ny apostoly Jaona be taona, ary naseho azy mialoha ny fametrahana an’i Kristy Jesosy ho Mpanjakan’ilay Fanjakana vao niorina tany an-danitra. I Jehovah, ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao, no hitany nametraka an’i Jesosy teo amin’io toerana io. (Apokalypsy 11:15; 12:1-5) Ankehitriny kosa isika, dia mahita miharihary ireo porofo mampiaiky fa efa nandray fahefana i Kristy ka lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’ny Mesia any an-danitra, nanomboka tamin’ny 1914. *

3. a) Inona ilay hafatra mahafaly fanampiny notorina nanomboka tamin’ny 1914? b) Inona no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika?

3 Nisy hafatra mahafaly fanampiny nambara àry tamin’ny 1914. Nanjary anisan’ny vaovao tsaran’ilay fanjakana notorina ny hoe lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Kristy, izany hoe nandray fahefana feno, na dia mbola eo aza ny ‘fahavalony.’ (Salamo 110:1, 2; Matio 24:14; Apokalypsy 12:7-12) Tena manaiky ny fahefany ireo olom-peheziny tsy mivadika maneran-tany, ka mandray anjara amin’ny fampianarana Baiboly, izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’izay. (Daniela 7:13, 14; Matio 28:18) Manompo amin’ny maha “ambasadaoro solon’i Kristy” ireo Kristianina voahosotra, na “zanak’ilay fanjakana.” Manohana azy ireo sy tsy mivadika aminy ny “ondry hafa” izay mitombo isa hatrany. Iraky ny Fanjakan’Andriamanitra no andraikitra tanan’ny ondry hafa. (Matio 13:38; 2 Korintianina 5:20; Jaona 10:16) Na izany aza, dia mila mandini-tena ny tsirairay avy amintsika raha tena manaiky ny fahefan’i Kristy. Tsy mivadika aminy ve isika na inona na inona mitranga? Ahoana no anehoantsika tsy fivadihana amin’ny Mpanjaka iray mitondra avy any an-danitra? Andeha aloha hojerentsika hoe nahoana i Kristy no mendrika hanehoana tsy fivadihana.

Mpanjaka mendrika hanehoana tsy fivadihana

4. Inona no efa nasehon’i Jesosy sahady nandritra ny fanompoany teto an-tany?

4 Tsy mivadika amin’i Kristy isika, satria mankasitraka ny zavatra nataony sy ny toetrany faran’izay tsara. (1 Petera 1:8) Efa voatendry ho mpanjaka i Kristy fony izy teto an-tany, saingy mbola tsy nandray fahefana. Efa nasehony anefa ny santionan’ny zavatra hataony eran-tany, rehefa hanjaka izy amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra. Namahana ny noana izy, nampahiratra ny jamba, nanasitrana ny marary, ny kilemaina, ny marenina ary ny moana. Nanangana ny maty mihitsy aza izy. (Matio 15:30, 31; Lioka 7:11-16; Jaona 6:5-13) Fantatsika avy amin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany koa ny ho toetrany, rehefa hanjaka amin’ny tany izy amin’ny hoavy. Ny fitiavany feno fahafoizan-tena no miavaka indrindra. (Marka 1:40-45) Niresaka momba ny toetran’i Jesosy i Napoléon Bonaparte. Hoy izy: “Samy nanorina fanjakana matanjaka na izaho, na i Alexandre, na i César, na i Charlemagne. Tamin’ny alalan’ny fampiasan-kery anefa no nahavitanay izany. I Jesosy Kristy irery no nanorina ny fanjakany tamin’ny alalan’ny fitiavana, ary olona an-tapitrisany ankehitriny no vonona ho faty ho azy.”

5. Nahoana no tena nanintona ny toetran’i Jesosy?

5 Nalemy fanahy sy nanetry tena am-po i Jesosy, ka nahatsiaro ho velombelona ny olona, rehefa nandre ny fampianarany mampahery sy nahita ny toetrany mahafinaritra. Maro tamin’ireo nihaino azy mantsy no kivy noho ny adin-tsaina sy ny fahasahiranana. (Matio 11:28-30) Tsy natahotra an’i Jesosy ny ankizy. Tsy nisalasala ny ho tonga mpianany ny olona nanetry tena sy nahay nandinika. (Matio 4:18-22; Marka 10:13-16) Be fiahiana sy nanaja olona izy, ka vehivavy maro natahotra an’Andriamanitra no lasa tsy nivadika taminy. Nanokana ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany ny sasany tamin’izy ireny, mba hikarakarana izay nilain’i Jesosy tamin’izy nanatontosa ny fanompoany.—Lioka 8:1-3.

6. Inona no fihetseham-pon’i Jesosy hita niharihary rehefa maty i Lazarosy?

6 Nasehon’i Jesosy ny sasany tamin’ny fihetseham-pony lalina indrindra rehefa maty i Lazarosy, ilay sakaiza tsy foiny. Tena nampihetsi-po azy ny nahita ny fahorian’i Maria sy Marta, ka nisento lalina izy, ary ‘nirotsaka ny ranomasony.’ “Vonton’alahelo” izy na dia fantany aza fa hatsangany amin’ny maty i Lazarosy, afaka fotoana fohy. Voatosiky ny fitiavana sy ny fangorahana i Jesosy, avy eo, ka nampiasa ny fahefana nomen’Andriamanitra azy, mba hananganana an’i Lazarosy.—Jaona 11:11-15, 33-35, 38-44.

7. Nahoana i Jesosy no mendrika hanehoantsika tsy fivadihana? (Jereo koa ny efajoro eo amin’ny pejy 31.)

7 Talanjona isika rehefa mahita ny fitiavan’i Jesosy ny fahamarinana, sy ny fankahalany ny fihatsarambelatsihy sy faharatsiana. Indroa izy no nandroaka ny mpivarotra tia vola tao amin’ny tempoly, ary hita tamin’izany ny herim-pony. (Matio 21:12, 13; Jaona 2:14-17) Niatrika fahasahiranana isan-karazany koa izy fony teto an-tany, ary tsapany avy tamin’izany ny adin-tsaina sy ny olana atrehintsika. (Hebreo 5:7-9) Efa hitany koa izany hoe niharan’ny fankahalana sy ny tsy rariny izany. (Jaona 5:15-18; 11:53, 54; 18:38–19:16) Nanaiky hovonoina tamin’ny fomba tsy nifaditrovana izy tamin’ny farany, mba hahatanteraka ny sitrapon’ny Rainy, sy hahazoan’ny olom-peheziny fiainana mandrakizay. (Jaona 3:16) Tsy mandrisika anao hanohy hanompo an’i Kristy sy tsy hivadika aminy ve ireo toetrany sy zavatra niainany ireo? (Hebreo 13:8; Apokalypsy 5:6-10) Inona anefa no takina amin’izay te ho olom-pehezin’i Kristy Mpanjaka?

Fepetra takina amin’ny olom-peheziny

8. Inona no takina amin’izay te ho olom-pehezin’i Kristy?

8 Eritrereto ity fampitahana ity: Mila mahafeno fepetra sasany ny olona iray mazàna, raha te ho olom-pirenena any an-tany hafa. Mety hisy fepetra takina, ohatra, eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana sy ara-pitondran-tena. Toy izany koa izay te ho olom-pehezin’i Kristy. Tokony ho salama ara-panahy sy ara-pitondran-tena izy ireo.—1 Korintianina 6:9-11; Galatianina 5:19-23.

9. Ahoana no ampisehoantsika fa tsy mivadika amin’i Kristy isika?

9 Tian’i Jesosy Kristy tsy hivadika aminy sy ny Fanjakany koa ny olom-peheziny, ary rariny izany. Maneho izany tsy fivadihana izany izy ireo, rehefa mankatò izay nampianarin’i Jesosy teto an-tany. Ny asan’ilay Fanjakana sy ny sitrapon’Andriamanitra, ohatra, no ataon’izy ireo loha laharana eo amin’ny fiainany, fa tsy ny fikatsahana harena. (Matio 6:31-34) Miezaka mafy izy ireo maneho ny toetran’i Kristy, na dia ao anatin’ny fotoana faran’izay sarotra aza. (1 Petera 2:21-23) Manahaka ny modely nomen’i Kristy koa ny olom-peheziny, ka manao soa ho an’ny hafa.—Matio 7:12; Jaona 13:3-17.

10. Ahoana no ampisehoantsika fa tsy mivadika amin’i Kristy isika, eo anivon’ny a) fianakaviana sy ny b) fiangonana?

10 Tsy mivadika amin’i Jesosy koa ny mpanara-dia azy, rehefa maneho ny toetran’i Kristy eo anivon’ny fianakaviany. Tsy mivadika amin’ilay Mpanjakany any an-danitra, ohatra, ny lehilahy manambady, rehefa maneho ny toetran’i Kristy eo amin’ny fifandraisany amin’ny vady aman-janany. (Efesianina 5:25, 28-30; 6:4; 1 Petera 3:7) Tsy mivadika amin’i Kristy ny vehivavy manambady, rehefa manana fitondran-tena madio sady maneho “toetra tony sy malemy paika.” (1 Petera 3:1-4; Efesianina 5:22-24) Tsy mivadika amin’i Kristy ny zanaka, rehefa mankatò ray aman-dreny toy ny nataon’i Jesosy. Nankatò ny ray aman-dreniny foana mantsy izy tamin’ny mbola kely, na dia tsy lavorary aza izy ireo. (Lioka 2:51, 52; Efesianina 6:1) Tsy mivadika amin’i Kristy koa ny olom-peheziny rehefa miezaka manahaka azy, ka ‘miara-miory’ amin’ny hafa, ‘mifankatia tahaka ny mpirahalahy’, ary ‘mangoraka.’ Miezaka ho tahaka an’i Kristy izy ireo, ka ‘manetry tena’, tsy “mamaly ratsy ny ratsy na manevateva rehefa misy manevateva.”—1 Petera 3:8, 9; 1 Korintianina 11:1.

Mankatò ny lalàn’i Kristy ny olom-peheziny

11. Inona no lalàna tokony hankatoavin’ny olom-pehezin’i Kristy?

11 Mankatò ny lalàn’ny tany vao nifindrany ny olona iray, raha te ho olom-pirenena ao. Mila mankatò ny “lalàn’i Kristy” koa ny olom-peheziny, izany hoe miaina mifanaraka amin’izay rehetra nampianariny sy nandidiany. (Galatianina 6:2) Singanina amin’izany ny “mpanjakan’ny lalàna”, dia ny lalàn’ny fitiavana, izay tokony harahin’izy ireo foana. (Jakoba 2:8) Inona avy no tafiditra amin’izany lalàna izany?

12, 13. Ahoana no ampisehoantsika fa mankatò “ny lalàn’i Kristy” isika?

12 Tsy lavorary ny olom-pehezin’i Kristy ary mety hanao fahadisoana. (Romanina 3:23) Noho izany, dia mila miezaka foana izy ireo mba hanana “fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy.” ‘Hifankatia fatratra amin’ny fo’ izy ireo raha manao izany. (1 Petera 1:22) Mety hanana antony hitarainana momba ny sasany ny Kristianina indraindray. Mankatò ny lalàn’i Kristy foana anefa izy ireo rehefa mitranga izany, ka ‘mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka.’ Tsy hifantoka amin’ny tsy fahalavorarian’ny hafa izy ireo raha manao izany, fa hahita antony hifankatiavana foana. Tena mahafinaritra antsika tokoa ny miaraka amin’ireo Kristianina mitafy ny fitiavana, izay “fatorana mampiray tonga lafatra.” Ny tsy fivadihany amin’ilay Mpanjaka be fitiavana mantsy no mahatonga azy ireo ho toy izany.—Kolosianina 3:13, 14.

13 Nanazava i Jesosy fa ambony kokoa noho ny fitiavana asehon’ny ankamaroan’ny olona ny fitiavany. (Jaona 13:34, 35) Tsy hisy ‘hampiavaka [antsika] amin’ny hafa’, raha ny olona tia antsika ihany no tiantsika. Hisy tsininy sy tsy ho feno ny fitiavantsika raha izany. Nampirisihin’i Jesosy isika hanahaka ny fitiavan’ny Rainy, ka haneho fitiavana miorina amin’ny toro lalana, na dia amin’ireo fahavalo mankahala sy manenjika antsika aza. (Matio 5:46-48) Io fitiavana io koa no manosika ny olom-pehezin’ilay Fanjakana hanohy ilay asa lehibe indrindra nankinina tamin’izy ireo. Inona izany asa izany?

Tsapaina ny tsy fivadihantsika

14. Nahoana no tena zava-dehibe ny asa fitoriana?

14 Nirahina ‘hanazava tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra’ ny olom-pehezin’i Kristy, ary izany no asa lehibe tokony hataon’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 28:23) Tena ilaina io asa io, satria ny Fanjakan’ny Mesia no hanaporofo fa i Jehovah no manan-jo ho Mpanjakan’izao Rehetra Izao. (1 Korintianina 15:24-28) Afaka mifidy ny ho tonga olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny olona, rehefa itoriantsika ny vaovao tsara. Miankina amin’ny fandraisany an’io hafatra io koa no hitsaran’i Kristy Mpanjaka azy. (Matio 24:14; 2 Tesalonianina 1:6-10) Zava-dehibe àry ny hankatoavantsika an’ilay didin’i Kristy hitory ilay Fanjakana, satria izany no fomba lehibe indrindra hampisehoantsika fa tsy mivadika aminy isika.—Matio 28:18-20.

15. Nahoana no iharam-pitsapana ny tsy fivadihan’ny Kristianina?

15 Mazava ho azy fa manao izay rehetra azony atao i Satana, mba hanoherana ny asa fitoriana. Ny mpitondra fanjakana koa, etsy an-danin’izany, tsy manaiky ny fahefana nomen’Andriamanitra an’i Kristy. (Salamo 2:1-3, 6-8) Noho izany, dia nampitandrina ny mpianany i Jesosy hoe: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Manao ady ara-panahy àry ny mpanara-dia an’i Kristy, ary mitsapa ny tsy fivadihan’izy ireo izany.—2 Korintianina 10:3-5; Efesianina 6:10-12.

16. ‘Mandoa amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra’ ny olom-pehezin’ilay Fanjakana. Ahoana no anaovan’izy ireo an’izany?

16 Na izany aza, dia tsy mivadika amin’ilay Mpanjakany any an-danitra ny olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra, nefa koa manaja ny manam-pahefana eto an-tany. (Titosy 3:1, 2) Hoy i Jesosy: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.” (Marka 12:13-17) Mankatò ny lalàn’olombelona àry ny olom-pehezin’i Kristy, rehefa tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany. (Romanina 13:1-7) Indray mandeha anefa, dia nanohitra ny lalàn’Andriamanitra ny fitsarana avo jiosy, satria nandrara ny mpianatr’i Jesosy tsy hitory intsony. Namaly tamin’ny fomba hentitra sy feno fanajana ireo mpianatra tamin’izay, hoe: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”—Asan’ny Apostoly 1:8; 5:27-32.

17. Nahoana isika no afaka miatrika amin-kerim-po ny fitsapana ny tsy fivadihantsika?

17 Mazava ho azy fa mila herim-po lehibe ny olom-pehezin’i Kristy, raha tsy te hivadika amin’ilay mpanjakany, rehefa iharam-panenjehana. Hoy anefa i Jesosy: “Sambatra ianareo raha omen’ny olona tsiny sy enjehiny ary amoronany lainga ho nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa fatratra, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra.” (Matio 5:11, 12) Tsapan’ny mpanara-dia an’i Kristy voalohany fa marina ireo teny ireo. Nokapohina izy ireo satria tsy nitsahatra nitory momba ilay Fanjakana. Na izany aza dia ‘faly [izy ireo] satria natao mendrika ny ho afa-baraka noho ny anaran’i Kristy. Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba [azy] izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly izany na isan-trano.’ (Asan’ny Apostoly 5:41, 42) Mendri-piderana tokoa ianareo satria manana toe-tsaina toy izany, ka tsy mivadika rehefa miaritra fahasahiranana, aretina, fahoriana, na fanenjehana.—Romanina 5:3-5; Hebreo 13:6.

18. Inona no dikan’ny tenin’i Jesosy tamin’i Pontio Pilato?

18 Izao no nohazavain’i Jesosy tamin’i Pontio Pilato Governora Romanina, fony izy tetỳ an-tany: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako. Raha anisan’ity tontolo ity ny fanjakako, dia ho niady ny oloko mba tsy ho natolotra tamin’ny Jiosy aho. Tsy avy amin’izany anefa ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Tsy mandray fitaovam-piadiana hamonoana na iza na iza àry ny olom-pehezin’ny Fanjakan’ny lanitra, sady tsy momba ny atsy na ny aroa rehefa misy ady. Tsy mivadika amin’ilay “Andrian’ny fiadanana” izy ireo, ka tsy mitsabaka mihitsy amin’ny raharahan’izao tontolo izao.—Isaia 2:2-4; 9:5, 6.

Hahazo fiainana mandrakizay ireo tsy mivadika

19. Nahoana no matoky ny hoavy ny olom-pehezin’i Kristy?

19 I Kristy no “Mpanjakan’ny mpanjaka”, ary matoky ny hoavy ireo olom-peheziny tsy mivadika aminy. Tsy ho ela i Jesosy dia hampiseho ny heriny lehibe eto an-tany, ary miandrandra mafy ny hahatongavan’izany ireo olom-peheziny ireo. (Apokalypsy 19:11–20:3; Matio 24:30) Tsy andrin’ireo “zanak’ilay fanjakana”, na ireo sisa voahosotra tsy mivadika, ny hahazoany ny lovany sarobidy, dia ny hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (Matio 13:38; Lioka 12:32) Ny “ondry hafa” tsy mivadika kosa, dia miandry fatratra ny fotoana hanehoan’i Kristy Mpanjaka ny fankasitrahany azy ireo. Amin’izay izy dia hilaza hoe: “Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay nomanina ho anareo hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao.” (Jaona 10:16; Matio 25:34) Aoka àry ny olom-pehezin’ilay Fanjakana ho tapa-kevitra hanompo hatrany an’i Kristy Mpanjaka sy tsy hivadika aminy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Jereo Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina (navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah), pejy 93-96, eo amin’ny lohatenikely hoe: “Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no milaza fa tafaorina tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra?”

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana i Kristy no mendrika hanehoantsika tsy fivadihana?

• Ahoana no ampisehoan’ny olom-pehezin’i Kristy fa tsy mivadika aminy izy ireo?

• Nahoana isika no tsy te hivadika amin’i Kristy Mpanjaka?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 31]

TOETRAN’I KRISTY FARAN’IZAY TSARA

Tsy mizaha tavan’olona—Jaona 4:7-30.

Mangoraka—Matio 9:35-38; 12:18-21; Marka 6:30-34.

Maneho fitiavana feno fahafoizan-tena—Jaona 13:1; 15:12-15.

Tsy mivadika—Matio 4:1-11; 28:20; Marka 11:15-18.

Mahay miara-miory—Marka 7:32-35; Lioka 7:11-15; Hebreo 4:15, 16.

Mahay mandanjalanja—Matio 15:21-28.

[Sary, pejy 29]

Mankatò an-tsakany sy an-davany “ny lalàn’i Kristy” isika, rehefa mifankatia

[Sary, pejy 31]

Mandrisika anao hanompo an’i Kristy sy tsy hivadika aminy ve ny fahalalanao ny toetrany?