Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpiandry “Modely ho An’ny Andian’ondry”

Mpiandry “Modely ho An’ny Andian’ondry”

Mpiandry “Modely ho An’ny Andian’ondry”

‘Andraso an-tsitrapo sy amim-paharisihana ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo, mba ho modely ho an’ny andian’ondry ianareo.’—1 PETERA 5:2, 3.

1, 2. a) Inona no andraikitra nankinin’i Jesosy tamin’ny apostoly Petera, ary nahoana no tsy diso izy raha natoky azy? b) Ahoana no fihetseham-pon’i Jehovah amin’ireo mpiandry voatendriny?

NIHINANA ny sakafo maraina nokarakarain’i Jesosy teo amoron’ny Ranomasin’i Galilia i Petera sy ny mpianatra enina hafa, taloha kelin’ny Pentekosta taona 33. Tsy vao voalohany tamin’io no nahitan’i Petera an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty, ary tsy isalasalana fa tena faly izy rehefa nahafantatra hoe velona i Jesosy. Mety ho nitebiteby koa anefa izy. Nanda ampahibemaso ho tsy nahalala an’i Jesosy mantsy izy, andro vitsivitsy monja talohan’izay. (Lioka 22:55-60; 24:34; Jaona 18:25-27; 21:1-14) Nibedy an’i Petera, izay efa nibebaka, ve i Jesosy noho izy io nalemy finoana? Tsia. Nanankinany andraikitra kosa i Petera, dia ny hamahana sy hiandry ‘ny ondrikeliny.’ (Jaona 21:15-17) Porofoin’ny tantaran’ny Kristianina voalohany voarakitra ao amin’ny Baiboly, fa tsy diso i Jesosy raha natoky an’i Petera. Niandry na nikarakara ny fiangonana kristianina foana tokoa i Petera, niaraka tamin’ny apostoly hafa sy ny anti-panahy tao Jerosalema, nandritra ny fanenjehana mahery vaika sy rehefa nitombo haingana be ny isan’ny Kristianina.—Asan’ny Apostoly 1:15-26; 2:14; 15:6-9.

2 Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, dia manendry lehilahy mahafeno fepetra koa i Jehovah ankehitriny, mba ho mpiandry eo anivon’ny fiangonana. Mitari-dalana ny ondrin’i Jehovah izy ireo, amin’izao fotoan-tsarotra indrindra amin’ny tantaran’ny olombelona izao. (Efesianina 4:11, 12; 2 Timoty 3:1) Diso ve i Jehovah raha matoky an’ireo lehilahy ireo? Tsy diso mihitsy izy, rehefa jerena ny fihavanana sy ny firahalahiana misy eo amin’ny Kristianina eran-tany. Marina aloha fa olombelona tsy lavorary toa an’i Petera ireo mpiandry ireo. (Galatianina 2:11-14; Jakoba 3:2) Na izany aza anefa, dia matoky azy ireo i Jehovah, matoa asainy mikarakara ireo ondry “novidiny tamin’ny ran’ny Zanany” izy ireo. (Asan’ny Apostoly 20:28) Tena tia an’ireo lehilahy ireo i Jehovah, ary aminy dia “mendrika hahazo fanajana roa heny” izy ireo.—1 Timoty 5:17.

3. Inona no manampy ny mpiandry hiantsoroka ny andraikiny an-tsitrapo sy amim-paharisihana hatrany?

3 Inona no manampy ny mpiandry mba hiantsoroka ny andraikiny an-tsitrapo sy amim-paharisihana hatrany, ka ho modely ho an’ny andian’ondry? Miantehitra amin’ny fanahy masin’Andriamanitra izy ireo, toa an’i Petera sy ireo mpiandry tamin’ny taonjato voalohany. Manome azy ireo hery hanatontosany ny andraikiny io fanahy io. (2 Korintianina 4:7) Ny fanahy masina koa no mahatonga azy ireo haneho ny vokatry ny fanahy, dia ny “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” (Galatianina 5:22, 23) Afaka ny ho modely amin’ny fanehoana ireo toetra ireo ny mpiandry, rehefa mikarakara ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketany. Andeha isika hijery lafin-javatra sasany azon’izy ireo anaovana izany.

Tiavo ny fiangonana sy ny ondry tsirairay

4, 5. a) Ahoana no anehoan’i Jehovah sy Jesosy fitiavana ny andian’ondry? b) Ahoana avy no anehoan’ny mpiandry fa tia ny andian’ondry izy?

4 Ny fitiavana no toetra lehibe indrindra vokarin’ny fanahin’Andriamanitra. Hita fa tia ny andian’ondriny i Jehovah, satria omeny sakafo ara-panahy tondraka izy ireo. (Isaia 65:13, 14; Matio 24:45-47) Tsy hoe mamahana ny andian’ondry fotsiny anefa izy, fa tia sy miahy ny ondry tsirairay koa. (1 Petera 5:6, 7) Tia ny andian’ondry koa i Jesosy. Nanome ny ainy ho azy ireo izy, ary mahafantatra ny ondry tsirairay, “amin’ny anarany avy” mihitsy aza.—Jaona 10:3, 14-16.

5 Manahaka an’i Jehovah sy Jesosy ny mpiandry kristianina. Maneho fitiavana ny andian’ondrin’Andriamanitra izy ireo, ka ‘miezaka mafy amin’ny fampianarana’ ny fiangonana. Mamahana sy miaro ny andian’ondry izy ireo amin’ny alalan’ny lahateny mifototra amin’ny Baiboly, ary hitan’ny rehetra ny ezaka mafy ataony amin’io lafiny io. (1 Timoty 4:13, 16) Misy koa anefa asa mety tsy ho voamariky ny rehetra, nefa mahatonga ny fivorian’ny fiangonana sy ny fandaharana hafa hizotra “amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.” Anisan’izany asa izany ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ny fiangonana sy ny taratasy hafa, ny fanaovana fandaharana, ary ny asa madinidinika maro. (1 Korintianina 14:40) Tsy hitan’ny besinimaro ny ankamaroan’ireny asa ireny, ka mety ho vitsy ny haneho fankasitrahana. Fanompoana atao amim-pitiavana tanteraka izy ireny.—Galatianina 5:13.

6, 7. a) Inona no azon’ny mpiandry atao, mba hahafantarany bebe kokoa ny ondry? b) Nahoana indraindray no tsara ny miresaka ny fihetseham-pontsika amin’ny anti-panahy?

6 Miezaka mafy maneho fiheverana manokana ny ondry tsirairay eo anivon’ny fiangonana ny mpiandry be fitiavana. (Filipianina 2:4) Hahafantatra bebe kokoa ny ondry tsirairay ny mpiandry, raha miara-mitory aminy. Matetika i Jesosy no niara-nitory tamin’ny mpianany, ary nanararaotra ireny fotoana ireny mba hampaherezana azy ireo. (Lioka 8:1) Hoy ny anti-panahy za-draharaha iray: “Hitako fa ny fiarahana manompo amin’ny rahalahy iray na ny anabavy iray, no anisan’ny fomba tsara indrindra ahafantarana azy sy ampaherezana azy.” Raha efa elaela ianao no tsy niara-nanompo tamin’ny anti-panahy, nahoana raha manao fotoana mba hiarahana amin’ny iray amin’izy ireo ato ho ato?

7 Niara-paly sy niara-ory tamin’ny mpianany i Jesosy, satria tia azy ireo. Rehefa niverina tamim-pifaliana avy any am-pitoriana, ohatra, ny mpianany 70, indray mandeha, dia “faly aoka izany” i Jesosy. (Lioka 10:17-21) Rehefa maty kosa anefa i Lazarosy, ka hitan’i Jesosy ny vokatr’izany teo amin’i Maria sy ny fianakaviany ary ny namany, dia ‘nirotsaka ny ranomasony.’ (Jaona 11:33-35) Miombom-pihetseham-po amin’ny ondry koa ankehitriny ny mpiandry. Noho ny fitiavana, dia ‘miara-mifaly amin’izay mifaly’ izy, ary ‘miara-mitomany amin’izay mitomany.’ (Romanina 12:15) Aza misalasala àry miresaka ny fihetseham-ponao amin’ny anti-panahy, na fifaliana no tsapanao na alahelo. Hampahery azy ireo ny mandre ny zavatra mahafaly anao. (Romanina 1:11, 12) Ho afaka hampahery sy hampionona anao kosa izy ireo, raha fantany ny fitsapana atrehinao.—1 Tesalonianina 1:6; 3:1-3.

8, 9. a) Ahoana no nataon’ny anti-panahy iray, mba hahatsapan’ny vadiny hoe tia azy izy? b) Nahoana no tena zava-dehibe ny hitiavan’ny anti-panahy ny vady aman-janany?

8 Hita indrindra amin’ny fomba itondran’ny anti-panahy ny vady aman-janany, ny fitiavany ny andian’ondry. (1 Timoty 3:1, 4) Raha manambady izy, dia modely hotahafin’ny lehilahy manambady ny fitiavany sy ny fanomezany voninahitra ny vadiny. (Efesianina 5:25; 1 Petera 3:7) Diniho ny tenin’i Linda, vehivavy kristianina iray efa maty vady. Anti-panahy nandritra ny 20 taona mahery io vadiny io, talohan’ny nahafatesany. Hoy i Linda: “Be atao foana ny vadiko teo amin’ny fikarakarana ny fiangonana. Nataony anefa izay ahatsapako fa mpiara-miasa izahay. Matetika izy no naneho fankasitrahana ahy noho ny fanampiako azy, ary niaraka tamiko izy raha vao nanam-potoana. Tsapako avy tamin’izany fa tiany aho, ary tsy tezitra aho noho ny fotoana laniny nikarakarana ny fiangonana.”

9 Modely ho an’ny ray aman-dreny koa ny anti-panahy, rehefa mananatra amim-pitiavana ny zanany sy midera azy tsy tapaka. (Efesianina 6:4) Ny fitiavan’ny anti-panahy ny ankohonany, raha ny marina, no manaporofo fa mbola mendrika ny hitana ny andraikitra nanendren’ny fanahy masina azy izy.—1 Timoty 3:4, 5.

Mifampiresaha tsara mba hisian’ny fifaliana sy fiadanana

10. a) Inona no mety hanaisotra ny fifaliana sy fiadanana eo anivon’ny fiangonana? b) Inona no resaka saika nampisy korontana teo anivon’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany, ary ahoana no namahana ilay olana?

10 Afaka mampisy fifaliana sy fiadanana ao am-pon’ny Kristianina tsirairay, sy eo anivon’ireo anti-panahy, ary ny fiangonana manontolo, ny fanahy masina. Tsy hisy anefa izany fifaliana sy fiadanana izany, raha tsy misy fifampiresahana tsara. Hoy i Solomona, mpanjaka fahiny: “Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.” (Ohabolana 15:22) Mampisy fifaliana sy fiadanana ny fifampiresahana tsara sy amim-panajana. Saika niteraka korontana teo anivon’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany, ohatra, ny resaka famorana, ka nangataka ny fitarihan’ny fanahy masina ny filan-kevi-pitantanana tao Jerosalema. Samy naneho ny heviny momba ilay raharaha koa ireo anti-panahy ireo. Nisy fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny adihevitra nafana. Nampandrenesin’izy ireo ny fiangonana izany fanapahan-kevitra niombonany izany, ary “faly noho ilay fampaherezana” ireo rahalahy. (Asan’ny Apostoly 15:6-23, 25, 31; 16:4, 5) Nampisy fifaliana sy fiadanana izany.

11. Inona no azon’ny anti-panahy atao, mba hisian’ny fifaliana sy fiadanana eo anivon’ny fiangonana?

11 Manao izay hisian’ny fifaliana sy fiadanana eo anivon’ny fiangonana koa ankehitriny ny anti-panahy, ka miezaka mifampiresaka tsara. Mivory izy ireo rehefa misy olana mitady hampikorontana ny fiangonana, ary samy maneho ny heviny momba ilay raharaha. Mihaino amim-panajana ny anti-panahy hafa rehefa miteny ny namany. (Ohabolana 11:14; 18:13) Mivavaka izy ireo mba hahazo ny fanahy masina, ary avy eo mandray fanapahan-kevitra miorina amin’ny toro lalana ao amin’ny Baiboly sy ny boky navoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45-47; 1 Korintianina 4:6) Ahoana no tokony hataon’ny anti-panahy tsirairay, rehefa misy fanapahan-kevitra miorina amin’ny Baiboly noraisin’ny anti-panahy rehetra? Tokony hanaiky hotarihin’ny fanahy masina izy ka hanohana ilay fanapahan-kevitra, na dia tsy nekena aza ny hevitra narosony. Mampisy fifaliana sy fiadanana izany fanetren-tena izany, ary modely ho an’ny ondry, ahitany ny fomba iarahana mandeha amin’Andriamanitra. (Mika 6:8) Moa ve ianao manaiky amim-panetren-tena ny fanapahan-kevitra miorina amin’ny Baiboly, raisin’ny mpiandry eo anivon’ny fiangonana?

Aoka ianao hahari-po sy ho tsara fanahy

12. Nahoana no nila nahari-po sy tsara fanahy tamin’ny apostoly i Jesosy?

12 Nahari-po sy tsara fanahy tamin’ny apostoly i Jesosy, na dia namerimberina fahadisoana aza izy ireo. Imbetsaka, ohatra, i Jesosy no niezaka nandentika tao an-tsain’izy ireo fa ilaina ny manetry tena. (Matio 18:1-4; 20:25-27) Mbola nomeny lesona momba ny fanetren-tena ny apostoly, ka nanasa ny tongotr’izy ireo izy, tamin’ny alina farany niainany teto an-tany. Taorian’izay avy hatrany anefa, dia “nifanditra mafy ... izy ireo momba ny hoe iza no noheverina ho lehibe indrindra teo aminy.” (Lioka 22:24; Jaona 13:1-5) Nibedy ny apostoly ve i Jesosy? Tsia. Tsara fanahy izy, ka nampisaintsaina azy ireo hoe: “Iza moa no lehibe kokoa: ilay mandry mitehina ila hisakafo sa ilay manompo? Tsy ilay mandry mitehina ila ve? Fa izaho dia mpanompo teo aminareo.” (Lioka 22:27) Tamin’ny farany, dia nanohina ny fon’ny apostoly ny fahari-pon’i Jesosy sy ny hatsaram-panahiny ary ny modely nomeny.

13, 14. Rahoviana indrindra ny anti-panahy no tsy maintsy tsara fanahy?

13 Mety hila hamerimberina hanoro hevitra olona noho ny fahadisoana iray koa ny anti-panahy. Mety hanjary ho sosotra amin’ilay olona izy vokatr’izany. Rehefa ‘mananatra ny tsy laitra fehezina’ anefa izy, dia tokony hotadidiny fa manao fahadisoana koa ny tenany. Hahatonga azy hahari-po sy ho tsara fanahy amin’ny rahalahiny izany. Manahaka an’i Jesosy sy Jehovah izy raha manao izany. Maneho ireo toetra ireo amin’ny Kristianina rehetra mantsy i Jehovah sy Jesosy, ka anisan’izany ny anti-panahy.—1 Tesalonianina 5:14; Jakoba 2:13.

14 Mila mananatra mafy ny olona nanao fahotana lehibe ny anti-panahy indraindray. Raha tsy mibebaka izy io, dia tsy maintsy esorin’izy ireo tsy ho anisan’ny fiangonana. (1 Korintianina 5:11-13) Na izany aza anefa dia tokony ho hita amin’ny fomba itondran’ny anti-panahy an’ilay olona, fa ilay ota no halany fa tsy ilay nanota. (Joda 23) Mety ho mora kokoa, atỳ aoriana, ny hiverenan’ilay ondry nania ao amin’ny vala, raha maneho hatsaram-panahy ireo mpiandry.—Lioka 15:11-24.

Mandrisika hanao soa ny finoana

15. Ahoana no azon’ny anti-panahy anaovan-tsoa toy ny ataon’i Jehovah, ary inona no mandrisika azy ireo hanao izany?

15 “Manisy soa izao tontolo izao Jehovah”, na dia amin’ny olona tsy mankasitraka ny ataony aza. (Salamo 145:9; Matio 5:45) Tena manaporofo izany ny fanirahany ny vahoakany hitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.” (Matio 24:14) Manao soa toa an’Andriamanitra ny anti-panahy, ka loha laharana amin’io asa fitoriana io. Inona no mahatonga azy ireo tsy ho sasatra amin’izany? Matanjaka ny finoany an’i Jehovah sy ny fampanantenany.—Romanina 10:10, 13, 14.

16. Ahoana no azon’ny mpiandry “anaovan-tsoa” amin’ny ondry?

16 Manao ‘soa amin’ny rehetra’ ny anti-panahy rehefa mitory. Andraikiny koa anefa ny manao soa, ‘indrindra fa amin’ny mpiray finoana aminy.’ (Galatianina 6:10) Fomba iray anaovany izany ny fitsidihan’ny mpiandry, ka ny hampahery ny ondry no tanjony. Hoy ny anti-panahy iray: “Mahafinaritra ahy ny manao fitsidihan’ny mpiandry. Fotoana ahafahako midera ny rahalahy sy ny anabavy noho ny ezaka ataony izy ireny, sady hararaotiko mba hanampiana azy ireo hahatsapa fa sarobidy ny asa mafy ataony.” Mety hanome soso-kevitra hanatsaran’ny olona iray ny fanompoany an’i Jehovah koa ny anti-panahy indraindray. Manahaka ny apostoly Paoly ny anti-panahy hendry, rehefa manao toy izany. Diniho ny fomba nandrisihany an’ireo rahalahy tany Tesalonika. Hoy izy: “Matoky ao amin’ny Tompo izahay ny aminareo, fa efa manao izay andidianay ianareo, sady mbola hanao izany ihany.” (2 Tesalonianina 3:4) Nilaza ny fatokisany an’ireo rahalahy i Paoly. Mandrisika ny ondry ho amin’ny tsara ny fanaovana toy izany, ary manjary mora kokoa aminy ny ‘mankatò an’ireo mitarika.’ (Hebreo 13:17) Rehefa mahazo fampaherezana ianao noho ny fitsidihan’ny mpiandry, nahoana raha lazaina ny fankasitrahanao?

Mitaky fifehezan-tena ny fahalemem-panahy

17. Inona no lesona nianaran’i Petera tamin’i Jesosy?

17 Nalemy fanahy i Jesosy, na dia nisy nanao izay hampahatezitra azy aza. (Matio 11:29) Nalemy fanahy sy nifehy tena be mihitsy izy, ohatra, rehefa nisy namadika sy nisambotra azy. Avy hatrany i Petera tamin’izay dia nanatsoaka ny sabany sy namaly faty. Nampahatsiahy azy anefa i Jesosy hoe: “Heverinao [angaha] fa tsy azoko atao ny miangavy ny Raiko, ka izao ankehitriny izao ihany aho dia handefasany tafik’anjely misy andiany maherin’ny roa ambin’ny folo?” (Matio 26:51-53; Jaona 18:10) Niraikitra tao an-tsain’i Petera io lesona io, ka nampahatsiahy ny Kristianina izy, tatỳ aoriana, hoe: “Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo tsara ny diany. ... Rehefa notevatevaina izy, dia tsy mba nanevateva. Rehefa nijaly izy, dia tsy mba nandrahona.”—1 Petera 2:21-23.

18, 19. a) Rahoviana indrindra ny anti-panahy no tsy maintsy malemy fanahy sy mifehy tena? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika amin’ny manaraka?

18 Mahita vokatra tsara ny anti-panahy, raha malemy fanahy foana, na dia misy manao ny tsy rariny aminy aza. Mety hiezaka hanampy olona iray eo anivon’ny fiangonana izy, ohatra, nefa mety tsy hankasitraka izany izy io. Mety hanao “teny tsy tsaroana [izay] toy ny fanindron’ny sabatra” angamba ilay olona omeny torohevitra, raha malemy finoana na marary ara-panahy. (Ohabolana 12:18) Manahaka an’i Jesosy anefa ny anti-panahy, ka tsy mamaly faty na manao teny mandratra. Mifehy tena kosa izy sady miezaka foana hiara-miory amin’ilay olona. Mety hitondra soa ho an’ilay mila fanampiana izany. (1 Petera 3:8, 9) Manahaka ny anti-panahy ve ianao, ka malemy fanahy sy mifehy tena rehefa omena torohevitra?

19 Mpiandry an’arivony ankehitriny no mikarakara an-tsitrapo ny andian’ondrin’i Jehovah eran-tany. Tsy isalasalana fa tena mankasitraka ny asa mafy ataon’ireny mpiandry ireny i Jehovah sy Jesosy. Tena tian’izy ireo koa ireo mpanampy amin’ny fanompoana an’arivony, izay manampy ny anti-panahy amin’ny ‘fikarakarana ny olona masina.’ (Hebreo 6:10) Nahoana anefa no misalasala hanao izany “asa tsara” izany ny rahalahy vita batisa sasany? (1 Timoty 3:1) Ary ahoana no ampiofanan’i Jehovah an’ireo tendreny ho mpiandry? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.

Tadidinao Ve?

• Milazà fomba sasany anehoan’ny anti-panahy fa tia ny andian’ondry izy.

• Inona no azon’ny rehetra atao, mba hisian’ny fifaliana sy fiadanana eo anivon’ny fiangonana?

• Nahoana no mila mahari-po sy tsara fanahy ny anti-panahy, rehefa manome torohevitra?

• Ahoana no anehoan’ny anti-panahy finoana sy anaovany soa?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Ny fitiavana no manosika ny anti-panahy hikarakara ny fiangonana

[Sary, pejy 18]

Miara-miala voly amin’ny fianakaviany koa izy ireo ...

...sady miara-manompo aminy

[Sary, pejy 20]

Mampisy fifaliana sy fiadanana eo anivon’ny fiangonana ny anti-panahy, rehefa mifampiresaka tsara