Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo i Jesosy ka Ampio ny Mahantra

Tahafo i Jesosy ka Ampio ny Mahantra

Tahafo i Jesosy ka Ampio ny Mahantra

EFA nisy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ny fahantrana sy ny fampahoriana. Nomen’Andriamanitra Lalàna hiarovana ny mahantra sy hanamaivanana ny fahoriany, ny Israelita. Tsy nankatò an’izany anefa izy ireo matetika. (Amosa 2:6) Nanameloka azy ireo àry i Ezekiela mpaminany noho ny fomba nitondran’izy ireo ny mahantra. Hoy izy: “Ny vahoaka manao an-keriny sy mandroba ka mampahory ny malahelo sy ny mahantra; ary ny vahiny dia ampahoriny tsy an-drariny.”—Ezekiela 22:29.

Nisy fahantrana sy fampahoriana koa tamin’i Jesosy teto an-tany. Tsy niraharaha ny mahantra mihitsy ireo mpitondra fivavahana. Voalaza fa “tia vola” izy ireo, ka ‘nandany ny tao an-tranon’ny vehivavy mpitondratena.’ Ny fanarahana ny fomban-drazana koa no zava-dehibe kokoa taminy, fa tsy ny fanampiana ny be taona sy ny mahantra. (Lioka 16:14; 20:47; Matio 15:5, 6) Misy zavatra tsara homarihina koa ao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ilay Samaritanina tsara fanahy. Tsy nanampy an’ilay lehilahy naratra hitany teny an-dalana ilay mpisorona sy Levita, fa niampita sy nandalo fotsiny.—Lioka 10:30-37.

Nanampy ny mahantra i Jesosy

Hita avy amin’ireo fitantarana ny fiainan’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara, fa nahatakatra tsara ny zava-tsarotra iainan’ny mahantra izy. Fantany tsara koa izay nilain’izy ireo, ary tena nangoraka azy ireo izy. Anjely nipetraka tany an-danitra izy, nefa nanaiky ho tonga olombelona, ka ‘tonga nahantra noho ny amintsika.’ (2 Korintianina 8:9) “Nangoraka izy” nony nahita ny vahoaka, “satria nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo.” (Matio 9:36) Hita avy amin’ny tantaran’ilay mpitondratena mahantra koa, fa ny vola kely nomeny no nanaitra an’i Jesosy, fa tsy ny fanomezana betsaka nataon’ny mpanankarena “avy tamin’ny ambim-bavany.” Nanohina ny fon’i Jesosy ny nataon’ilay mpitondratena, satria “nandatsaka ny fivelomany rehetra” izy “na mahantra aza.”—Lioka 21:4.

Tsy nangoraka ny mahantra fotsiny anefa i Jesosy, fa nanampy azy ireo koa. Nanokana vola homena ny Israelita mahantra izy sy ny apostoliny. (Matio 26:6-9; Jaona 12:5-8; 13:29) Nataon’i Jesosy izay hahatakaran’ireo te hanara-dia azy, fa manana adidy hanampy ny mahantra izy ireo. Hoy izy tamin’ny manam-pahefana tanora iray nanan-karena: “Amidio avokoa ny fanananao, ka zarao amin’ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao. Ary andao hanara-dia ahy.” Tsy te hamoy ny fananany anefa ilay tovolahy, ka hita fa izany no tiany kokoa noho ny olona sy Andriamanitra. Tsy nanana ny toetra takina amin’izay te ho mpianatr’i Jesosy àry izy.—Lioka 18:22, 23.

Manampy ny mahantra ny mpanara-dia an’i Kristy

Mbola nanampy ny mahantra teo amin’izy ireo foana ny apostoly sy ny mpanara-dia an’i Kristy hafa, taorian’ny nahafatesany. Nivory niaraka tamin’i Jakoba sy Petera ary Jaona, ny apostoly Paoly, tamin’ny taona 49 tany ho any. Noresahin’izy ireo ny momba ny fanendren’i Jesosy Kristy Tompo an’i Paoly, hitory ny vaovao tsara. Niara-niaiky izy ireo fa tokony handeha hitory any amin’ny “hafa firenena” i Paoly sy Barnabasy. Nampirisika an’i Paoly sy Barnabasy “hahatsiaro foana ny mahantra” anefa i Jakoba sy ireo namany, ka ‘niezaka mafy nanao’ izany izy ireo.—Galatianina 2:7-10.

Nisy mosary mafy tany amin’ny faritra maro nanerana ny Fanjakana Romanina, tamin’ny fotoana nanjakan’i Claude Mpanjaka. “Tapa-kevitra” àry ny Kristianina tany Antiokia, fa “handefa fanampiana, araka izay vitany avy ho an’ireo rahalahy nonina tany Jodia. Dia nataony tokoa izany, ka i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin’ny anti-panahy.”—Asan’ny Apostoly 11:28-30.

Takatry ny tena Kristianina ankehitriny koa, fa tsy maintsy manampy ny mahantra izy ireo, indrindra fa ny mpiray finoana aminy. (Galatianina 6:10) Manome izay ilain’ny sahirana àry izy ireo. Tratran’ny hain-tany mafy, ohatra, ny ankamaroan’ny faritra avaratratsinanan’i Brezila, tamin’ny 1998. Simba be ny vary sy ny voamadinika ary ny katsaka, ka faritra maro no azon’ny mosary. Io no mafy indrindra tao anatin’ny 15 taona. Zara raha nisy rano fisotro madio tany amin’ny faritra sasany. Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky avy hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah, tany amin’ny faritra hafa tany Brezila. Vetivety dia nahangona sakafo an-taoniny maro izy ireo. Naloan’izy ireo koa ny saran’ny nitaterana izany.

Nanoratra toy izao ireo Vavolombelona nanome fanampiana: “Tena faly izahay fa afaka nanampy ny rahalahinay, indrindra satria fantatray fa nahafaly an’i Jehovah izany. Tsy hadinonay mihitsy ny Jakoba 2:15, 16.” Izao no voalazan’io andinin-teny io: “Raha misy rahalahy na anabavy tsy manana fitafiana sady tsy ampy sakafo isan’andro, nefa misy aminareo milaza aminy hoe: ‘Mirary soa e! Enga anie ka hafana sy ho voky tsara foana ianareo!’, kanefa tsy omenareo azy izay ilain’ny vatany, inona moa no soa azo avy amin’izany?”

Mahantra ny Vavolombelon’i Jehovah iray manetry tena sy be zotom-po ary mazoto miasa, any São Paulo. Miasa mafy izy matetika vao mahita hohanina. Hoy izy: “Marina fa mahantra aho, nefa tena nahatonga ny fiainako hisy dikany ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Tsy haiko izay ho nanjo ahy, raha tsy nanampy ahy ireo Vavolombelona mpiray finoana amiko.” Nila fandidiana io vehivavy kristianina io, indray mandeha, nefa tsy nanam-bola. Tamin’izay indrindra no nanampy azy ny rahalahy sy anabavy kristianina teo anivon’ny fiangonana nisy azy, ka nandoa ny saram-pitsaboana. Manampy ny mpiray finoana aminy mahantra ny tena Kristianina maneran-tany.

Mahafaly tokoa ny ezaka tsara nataon’ireo Kristianina ireo, nefa tsy hahafoana ny fahantrana izany. Mbola tsy mahavita manafoana an’io olana efa nisy hatramin’ny ela io mantsy, na dia ny firenena matanjaka sy ny fikambanana lehibe iraisam-pirenena mpanao asa soa aza. Voafetra ihany ny zava-bitan’izy ireo. Mipetraka àry ity fanontaniana ity: Inona no tena vahaolana amin’ny fahantrana sy ireo olana hafa mianjady amin’ny olombelona?

Manome fanampiana maharitra ny Baiboly

Tantarain’ny Filazantsara fa nanao asa soa foana i Jesosy Kristy, mba hanampiana ny mahantra sy ny olon-kafa. (Matio 14:14-21) Inona anefa no asa tena nimasoany? Hoy izy tamin’ny mpianany, indray mandeha, rehefa avy nikarakara olona maro nila fanampiana: “Andeha isika ho any an-toeran-kafa, ho any amin’ny tanàna manodidina, mba hitoriako any koa.” Nahoana no najanon’i Jesosy ny fanasitranana ny marary sy ny fikarakarana ny mahantra, fa naleony nitory? Hoy izy: “Izany [hitory] no nahatongavako.” (Marka 1:38, 39; Lioka 4:43) Ny hitory ny Fanjakan’Andriamanitra no tena asa nanirahana azy, na dia zava-dehibe taminy aza ny nanao asa soa mba hanampiana ny olona.—Marka 1:14.

Mampirisika ny Kristianina ny Baiboly mba ‘hanaraka tsara ny dian[’i Jesosy]’, ka hiezaka hanampy ny olona. Misy tari-dalana mazava tsara arahin’izy ireo anefa amin’izany. (1 Petera 2:21) Manampy ny mahantra izy ireo, toy ny nataon’i Jesosy. Ny fampianarana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly anefa no tena imasoan’izy ireo, toy ny nataon’i Jesosy ihany. (Matio 5:14-16; 24:14; 28:19, 20) Nahoana anefa ny fitoriana ny hafatra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no tokony ho zava-dehibe kokoa noho ny fanampiana hafa?

Hita avy amin’ny zavatra tena niainan’ny olona maro eran-tany, fa vonona kokoa hiatrika ny olana manjo azy isan’andro ny olona, rehefa mahalala sy manaraka ny torohevitra mahasoa ao amin’ny Baiboly. Anisan’ireny olana ireny ny fahantrana. Manome fanantenana koa ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra torin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mahatonga ny olona hankamamy ny fiainana io fanantenana io na dia miatrika olana faran’izay sarotra aza izy. (1 Timoty 4:8) Inona izany fanantenana izany?

Izao no toky omen’ny Tenin’Andriamanitra antsika momba ny hoavy: ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenan[’Andriamanitra].’ (2 Petera 3:13) Ny olona mipetraka eto an-tany no antsoin’ny Baiboly hoe “tany”, indraindray. (Genesisy 11:1) Vahoaka ankasitrahan’Andriamanitra àry ilay “tany vaovao” ampanantenaina antsika. Mampanantena koa ny Baiboly fa hiaina mandrakizay eto amin’ny tany ho lasa paradisa ny olona ankasitrahan’Andriamanitra, rehefa hitondra i Kristy. Hahafa-po ny fiainan’izy ireo. (Marka 10:30) Afaka ny hanana izany fiainana faran’izay tsara izany ny olona rehetra, anisan’izany ny mahantra. Tsy hisy hahantra intsony ao amin’io “tany vaovao” io.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

AHOANA NO HAMONJEN’I JESOSY NY MAHANTRA?—Salamo 72:12

RARINY: “Hitsara ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.” (Salamo72:4) Hahazo rariny ny olona rehetra, rehefa hitondra ny tany i Kristy. Tsy hisy intsony ny kolikoly, izay mampahory ny olona sy mampahantra firenena maro tokony hanan-karena.

FIADANANA: “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.” (Salamo 72:7) Ny ady sy ny tsy fifanarahana no tena mahatonga ny fahantrana eran-tany. Ho foana anefa ireny, satria hitondra tena fiadanana eto an-tany i Kristy.

FANGORAHANA: “Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany.” (Salamo 72:12-14) Ho lasa anisan’ny fianakaviambe iray sambatra sy miray saina, ny mahantra sy ny ampahorina ary ireo heverina ho ambany, rehefa hanjaka eto i Jesosy Kristy.

ZAVA-TSOA BETSAKA: “Hahavoka-bary betsaka ny tany.” (Salamo 72:16) Ho betsaka ny zavatra hahafa-po ny olona, rehefa hanjaka i Kristy. Tsy hijaly noho ny tsy fahampian-tsakafo sy ny mosary intsony ny olona. Izany mantsy matetika no mampahantra ny olona ankehitriny.

[Sary, pejy 4, 5]

Nanampy ny mahantra i Jesosy

[Sary, pejy 6]

Manome fanantenana azo antoka ny hafatra ao amin’ny Baiboly