Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“An’i Jehovah ny Ady”

“An’i Jehovah ny Ady”

“Andriamanitra, fa Tsy Olona, no Tsy Maintsy Ankatoavinay Satria Izy no Mpitondra Anay”

“An’i Jehovah ny Ady”

NIFANATRIKA ireo tafika roa mpifahavalo, ary lohasaha no teo anelanelany. Nihorohoro nandritra ny 40 andro ny miaramila israelita, sady niaritra ny fanaratsian’i Goliata, miaramila filistinina kalazalahy.—1 Samoela 17:1-4, 16.

Nihantsy ady tamin’ny Israelita izy ka niantsoantso hoe: “Mifidiana lehilahy iray hianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko. Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay hianareo ka hanompo anay. ... Izaho efa nihaika ny miaramilan’ny Isiraely androany; amoahy lehilahy iray aho hiady amiko.”—1 Samoela 17:8-10.

Fanaon’ny tafika mpifanandrina fahiny ny manolotra miaramila iray avy, hisolo tena azy. Ireo no miady avy eo, ka mpandresy ny tafika misy an’izay mandresy. Niavaka anefa ity miaramila nihantsy ady tamin’ny Israelita ity. Goavam-be ilay fahavalo, ary nahery setra sy nampahatahotra. Nitady fahafatesana anefa izy rehefa naneso ny miaramilan’i Jehovah.

Tsy ady teo amin’ireo miaramila fotsiny mantsy ilay izy, fa ady teo amin’i Jehovah sy ireo andriamanitry ny Filistinina koa. Tsy nanana herim-po hitarihana ny tafiny hiady tamin’ny fahavalon’Andriamanitra anefa i Saoly mpanjakan’ny Israely, fa resin’ny tahotra.—1 Samoela 17:11.

Tovolahy iray natoky an’i Jehovah

Nankany amin’ny tafika notarihin’i Saoly ny tovolahy iray tamin’izay, mba hamangy ny rahalahiny. Davida no anarany, ary efa voahosotra ho mpanjakan’ny Israely izy. Hoy izy rehefa nandre ny tenin’i Goliata: “Zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan’Andriamanitra velona?” (1 Samoela 17:26) Nisolo tena ny Filistinina sy ireo andriamaniny i Goliata, araka ny fomba fijerin’i Davida. Rariny raha tezitra izy, ka naniry hiaro ny anaran’i Jehovah sy ny Israely ary hiady tamin’ilay goavam-be mpanompo sampy. Hoy anefa i Saoly Mpanjaka: “Tsy tohanao ny handeha hiady amin’io Filistina io, satria mbola zaza hianao.”—1 Samoela 17:33.

Tsy nitovy mihitsy ny fomba fijerin’i Saoly sy Davida! Ankizilahikely mpiandry ondry te hiady amin’ny lehilahy goavana iray mahery setra no fahitan’i Saoly an’i Davida. Lehilahy nila ady tamin’i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony, kosa no fahitan’i Davida an’i Goliata. Niaiky i Davida fa tsy avelan’Andriamanitra ho afa-maina izay manala baraka ny anarany sy ny vahoakany, ka nisikina herim-po izy. Nanana ny fomba fijerin’i Jehovah izy sady nitoky taminy, fa i Goliata kosa nirehareha tamin’ny tanjany.

“Manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah” aho

Nisy antony marim-pototra nahatonga an’i Davida hatoky an’Andriamanitra. Tsaroany fa efa nanampy azy hanavotra ny ondriny tamin’ny orsa sy ny liona Andriamanitra. Tena natoky àry ilay tovolahy mpiandry ondry fa hanampy azy hiady amin’ilay Filistinina, fahavalo goavana, i Jehovah. (1 Samoela 17:34-37) Antsamotady iray sy vato kilonjy dimy no nentin’i Davida niady tamin’i Goliata.

Niantehitra tamin’ny hery nomen’i Jehovah i Davida, ka niatrika ilay zava-tsarotra toa tsy ho resy. Sahy nilaza tamin’ilay Filistinina izy hoe: “Hianao manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefompohy; fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny miaramilan’ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. Anio no hanoloran’i Jehovah anao amin’ny tànako ... Ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. Ary ho fantatr’izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’i Jehovah; fa an’i Jehovah ny ady.”—1 Samoela 17:45-47.

Ahoana no niafarany? Hoy ny Soratra Masina: ‘Resin’i Davida tamin’ny vaton’antsamotady ilay Filistinina, fa namely ilay Filistinina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tanany.’ (1 Samoela 17:50) Tsy nisy sabatra teny an-tanany, nefa tena nanohana azy i Jehovah Andriamanitra! *

Nety mihitsy ny natokisan’i Davida an’i Jehovah tamin’iny ady iny! Mazava koa ny safidintsika, rehefa tsy maintsy mifidy isika hoe hatahotra olona sa hatoky ny hery mahavonjin’i Jehovah. ‘Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavintsika satria izy no mpitondra antsika.’ (Asan’ny Apostoly 5:29) Miatrika zava-tsarotra koa isika eo amin’ny fiainana. Na ny olana mampanahy be aza anefa dia tsy hoheverintsika hoe tsy ho zakantsika, raha manana ny fomba fijerin’i Jehovah isika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2006, Mey/Jona.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

NY HABEN’I GOLIATA

Milaza ny 1 Samoela 17:4-7 fa enina hakiho mahery, izany hoe telo metatra eo ho eo, i Goliata. Lehibe sy natanjaka tokoa izy, satria 57 kilao no lanjan’ny akanjo fiarovan-tratra varahina nanaovany! Lehibe tsy toy ny mahazatra ny tahon’ny lefony, ary fito kilao ny lelan’izy io. Tena mety ho navesatra noho i Davida àry ny fitaovam-piadian’i Goliata!