Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Niomana ve Ianao mba ho Voavonjy?

Efa Niomana ve Ianao mba ho Voavonjy?

Efa Niomana ve Ianao mba ho Voavonjy?

“Midira ao anatin’ny sambo-fiara hianao mbamin’ny ankohonanao rehetra, satria hianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’izao olona miara-belona aminao izao.”—GENESISY 7:1.

1. Inona no nataon’Andriamanitra mba hamonjena ny olona tamin’ny andron’i Noa?

TAMIN’NY andron’i Noa i Jehovah dia “nahatonga safodrano teo amin’ny tontolon’ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra.” Nanao zavatra koa anefa izy mba hamonjena ny olona. (2 Petera 2:5) Nasain’i Jehovah nanorina sambofiara iray i Noa, lehilahy marina, mba hitsimbinana aina mandritra ilay safodrano haneran-tany. Natorony azy tamin’ny an-tsipiriany ny fomba hanorenana azy io. (Genesisy 6:14-16) Mpanompon’i Jehovah nahatoky i Noa, ka ‘nanao araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy.’ Eny, “nataon’i Noa” tokoa izany. Ny fankatoavan’i Noa aza no anisan’ny antony mahavelona antsika ankehitriny.—Genesisy 6:22.

2, 3. a) Nanao ahoana ny fihetsiky ny mpiara-belona tamin’i Noa, rehefa nahita ny zavatra nataony? b) Inona no natokisan’i Noa, ka nahatonga azy hiditra tao anatin’ilay sambofiara?

2 Tsy mora ny nanamboatra an’ilay sambofiara. Azo inoana fa olona maro no talanjona, rehefa nahita ny zavatra nataon-dry Noa mianakavy. Na izany aza, dia tsy resy lahatra izy ireo hoe ny fidirany ao amin’ilay sambofiara no hahavonjy ny ainy. Tsy afaka naneho faharetana tamin’ilay tontolo ratsy intsony Andriamanitra tamin’ny farany.—Genesisy 6:3; 1 Petera 3:20.

3 Rehefa avy niasa mafy nandritra ny am-polony taona ry Noa mianakavy, dia hoy i Jehovah tamin’i Noa: “Midira ao anatin’ny sambo-fiara hianao mbamin’ny ankohonanao rehetra, satria hianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’izao olona miara-belona aminao izao.” Natoky ny tenin’i Jehovah i Noa, ka niditra tao izy “sy ny vadiny aman-janany mbamin’ny vinantoni-vavy.” Nohidian’i Jehovah ny varavarana, mba hiarovana ireo mpanompony ireo. Ilay sambofiara nampanaovin’Andriamanitra ihany no azo nianteherana sy tena nahavonjy, rehefa tonga ny Safodrano.—Genesisy 7:1, 7, 10, 16.

Inona no itovizan’ny androntsika sy ny andron’i Noa?

4, 5. a) Nampitahain’i Jesosy tamin’ny inona ny fanatrehany? b) Inona no itovizan’ny androntsika sy ny andron’i Noa?

4 “Toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.” (Matio 24:37) Nasehon’i Jesosy tamin’ireo teny ireo, fa hitovy amin’izay nitranga tamin’ny andron’i Noa, ny zavatra hitranga mandritra ny fanatrehany tsy hita maso. Tanteraka tokoa izany. Nisy fampitandremana toy ilay nambaran’i Noa, notorina tamin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra, indrindra fa nanomboka tamin’ny 1919. Tsy misy hafa amin’ny fihetsiky ny olona tamin’ny andron’i Noa, ny fihetsik’izy ireo amin’ny ankapobeny.

5 Naringan’i Jehovah tamin’ny alalan’ny Safodrano ilay tontolo “heni-doza”, na feno herisetra. (Genesisy 6:13) Tsy niafina tamin’ny manodidina, fa tsy mba nandray anjara tamin’ireny herisetra ireny ry Noa mianakavy, fa nanohy tamim-pilaminana ny fanorenana an’ilay sambofiara. Misy zavatra mitovy amin’izany koa amin’izao andro izao. Hitan’ny olona tso-po ankehitriny ny “tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.” (Malakia 3:18) Ny olona tsy mitsara an-tendrony dia miaiky volana noho ny fanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny marina, ny hatsaram-panahiny, ny filaminany, ary ny zotom-pony. Mampiavaka ny vahoakan’Andriamanitra amin’ity tontolo ity ireo toetra ireo. Tsy mankasitraka ny karazana herisetra rehetra ny Vavolombelona, fa manaraka ny tari-dalan’ny fanahin’i Jehovah. Manjaka eo aminy ny fiadanana, vokatr’izany. Izany koa no mahatonga azy ireo hiezaka hanao ny marina.—Isaia 60:17.

6, 7. a) Inona no tsy fantatry ny mpiara-belona tamin’i Noa, ary inona no mitovy amin’izany ankehitriny? b) Eken’ny olona mazàna fa miavaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Manomeza ohatra.

6 Tsy fantatry ny mpiara-belona tamin’i Noa fa nampian’Andriamanitra izy sady nanaraka ny tari-dalany. Noho izany, dia tsy noheverin’izy ireo ho zava-dehibe ny hafatra notorin’i Noa, ary tsy narahiny koa ny fampitandremany. Ary ankehitriny? Tsy heverin’ny ankamaroan’ny olona ho zava-dehibe koa ny vaovao tsara sy ny fampitandreman’ny Baiboly, na dia maro aza no talanjona rehefa mahita ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fitondran-tenany. Mety hidera ny tena Kristianina, ohatra, ny mpiray tanàna aminy, na ny mpampiasa azy, na ny havany, noho izy ireo manana toetra tsara. Mety hilaza koa anefa izy ireo hoe: “Ny tsininy fotsiny dia ny maha Vavolombelon’i Jehovah azy!” Tsy fantany fa ny fitarihan’ny fanahy masin’Andriamanitra no mahatonga ny Vavolombelona hanana toetra tsara toy ny fitiavana, fiadanana, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena. (Galatianina 5:22-25) Ny fanehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’ireo toetra ireo no vao mainka tokony hinoan’ny olona ny hafatra toriny.

7 Nanorina Efitrano Fanjakana, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah tany Rosia. Nijanona teo amin’io toerana io ny lehilahy iray, ary nanatona ny iray tamin’ireo mpiasa. Hoy izy: “Hafakely koa ity toeram-panorenana ity. Tsy misy olona mifoka sigara, na miteny ratsy, sady tsy misy olona mamo! Vavolombelon’i Jehovah angaha ianareo?” Nanontany azy ilay mpiasa hoe: “Hino ahy ve ianao, raha ilazako hoe tsy Vavolombelon’i Jehovah izahay?” Namaly avy hatrany ilay lehilahy hoe: “Tsy hampino loatra aloha e!” Niaiky volana ny ben’ny tanàna iray, tao amin’ny tanàna rosianina hafa, rehefa nahita Vavolombelona nanorina ny efitranon’izy ireo vaovao. Nihevitra, hono, izy taloha hoe mitovy daholo ny fivavahana rehetra. Niova hevitra anefa izy, rehefa nahita fa tena mahafoy tena ny Vavolombelon’i Jehovah. Ohatra roa monja ireo, mba hampisehoana fa tsy mitovy amin’ireo tsy manaraka ny fitsipiky ny Baiboly ny vahoakan’i Jehovah.

8. Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny ho tafavoaka velona amin’ny faran’ity tontolo ratsy ity?

8 ‘Nitory ny fahamarinana’ foana i Noa, nandritra ny fotoana farany nisian’ilay “tontolo fahiny”, izay rava tamin’ny Safodrano. (2 Petera 2:5) Mampahafantatra ny fitsipika marin’i Jehovah koa ny vahoakany amin’izao andro faran’ity tontolo ity izao. Ankoatra izany, dia mitory ny vaovao tsara izy ireo, izany hoe milaza amin’ny olona fa afaka ny ho voavonjy sy hiaina ao amin’ny tontolo vaovao izy ireo. (2 Petera 3:9-13) Voavonjy i Noa sy ny ankohonany izay natahotra an’Andriamanitra, satria tao anatin’ny sambofiara. Ho tafavoaka velona koa ny olona miaina amin’izao andro izao, raha manam-pinoana sy miaraka hatrany amin’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany.

Ilaina ny finoana mba hahavoavonjy

9, 10. Nahoana ny finoana no tena ilaina, raha tiantsika ny ho tafavoaka velona amin’ny faran’ity tontolon’i Satana ity?

9 Inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray raha te ho voavonjy izy, rehefa horinganina ity tontolo eo ambany fahefan’i Satana ity? (1 Jaona 5:19) Tsy maintsy miaiky aloha izy hoe mila fiarovana. Tsy maintsy manao zavatra izy avy eo, mba hahazoana an’izany fiarovana izany. Nanohy ny fiainany andavanandro ihany ny mpiara-belona tamin’i Noa, fa tsy nihevitra mihitsy hoe nila narovana tamin’ilay loza nananontanona. Tsy nino an’Andriamanitra koa izy ireo.

10 Tsapan’i Noa sy ny ankohonany kosa fa nila fiarovana sy famonjena izy ireo. Naneho finoana an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao, koa izy ireo. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’[i Jehovah], satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.” Hoy koa i Paoly: “Finoana no nanehoan’i Noa tahotra an’Andriamanitra sy nanamboarany sambo fiara hamonjena ny ankohonany, rehefa nahazo fampitandremana avy tamin’Andriamanitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hitany izy. Ary izany finoana izany no nanamelohany an’izao tontolo izao, ka tonga mpandova an’ilay fahamarinana izay araka ny finoana izy.”—Hebreo 11:6, 7.

11. Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba namonjen’i Jehovah ny olony fahiny?

11 Tsy ampy ny mino hoe horinganina ity tontolo ratsy ity, raha tiantsika ny ho tafavoaka velona amin’izany. Tsy maintsy maneho finoana isika, ka mampiseho izany amin’ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny fandaharana rehetra ataon’Andriamanitra mba hamonjena antsika. Mazava ho azy fa mila maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, isika. (Jaona 3:16, 36) Tokony hotadidintsika anefa, fa izay tao anatin’ny sambofiaran’i Noa ihany no tafavoaka velona tamin’ny Safodrano. Ho an’ireo nahafaty olona tsy nahy teo amin’ny Israely indray, dia ireo nandositra tany amin’ny tanàna fandosirana sy nijanona tao mandra-pahafatin’ny mpisoronabe ihany no voaro. (Nomery 35:11-32) Ary rehefa namely an’i Ejipta ny loza fahafolo tamin’ny andron’i Mosesy, dia tsy nisy maty ny lahimatoan’ny Israelita, fa maty kosa ny lahimatoan’ny Ejipsianina. Nahoana? Izao no toromarika nomen’i Jehovah an’i Mosesy ho an’ny Israelita: “Hanalany ny [ran’ny zanak’ondrin’ny Paska], ka hatentiny amin’ny tolam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanany azy. ... Ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ny tranonareo avy hianareo ambara-pahamarain’ny andro.” (Eksodosy 12:7, 22) Iza tamin’ny zanaka lahimatoan’ny Israelita no ho sahy hanao tsinontsinona an’izany toromarika nomen’Andriamanitra izany, ka hivoaka ny trano nisy varavarana voatentina ra?

12. Inona no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika, ary nahoana?

12 Tokony handini-tena tsara àry isika. Moa ve isika manaraka an-tsakany sy an-davany ny fandaharana rehetra ataon’i Jehovah mba hiarovana antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy? Ho latsa-dranomaso noho ny fifaliana sy fankasitrahana izay nitady an’izany fiarovana izany, rehefa tonga ny fahoriana lehibe. Ny hafa kosa hitomany noho ny alahelo sy ny nenina.

Manomana antsika ireo fanitsiana miandalana

13. a) Inona no antony nanaovana ny fanitsiana teo anivon’ny fandaminana? b) Hazavao ny sasany tamin’ireo fanitsiana miandalana.

13 Nanao fanitsiana miandalana teo anivon’ny fandaminany eto an-tany i Jehovah. Nanatsara ny fomba hiarovany antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy ireny fanitsiana ireny. Ny fiangonana no nifidy ny anti-panahy sy ny diakônina, nanomboka tamin’ireo taona 1870 ka hatramin’ny 1932. Najanona ny fifidianana anti-panahy tamin’ny 1932, fa komitin’ny fanompoana indray no nofidin’ny fiangonana mba hanampy an’izay talen’ny fanompoana voatendry. Notendrena araka ny fepetra ao amin’ny Baiboly kosa ny mpiandraikitra rehetra teo anivon’ny fiangonana, tamin’ny 1938. Atao eo ambany fitarihan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanolorana anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana, nanomboka tamin’ny 1972. Raha ekena ilay izy, dia mandray taratasy manendry an’ireo mahafeno ny fepetra takin’Andriamanitra ny fiangonana. Nitombo ny andraikitry ny Filan-kevi-pitantanana, rehefa nandeha ny fotoana, ka nisy fanovana natao mba hanamorana ny asan’izy ireo.

14. Inona ilay fandaharam-panofanana natomboka tamin’ny 1959?

14 Nisy fandaharam-panofanana natomboka tamin’ny taona 1950, vokatry ny fandinihana tsara ny Salamo 45:16. Izao no voalaza ao: “Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin’ny tany rehetra izy.” Ampiofanina ireo anti-panahy mitarika eo anivon’ny fiangonana, mba hahafahany hiantsoroka ireo andraikitra ankinin’Andriamanitra aminy, amin’izao andro izao sy aorian’ny Hara-magedona. (Apokalypsy 16:14, 16) Natomboka tamin’ny 1959 ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Naharitra iray volana ilay sekoly tamin’izany, ary natokana ho an’ny mpikarakara ny fiangonana, araka ny niantsoana ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha tamin’izany. Natao hampiofanana ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana rehetra kosa io sekoly io ankehitriny. Ireo rahalahy ireo indray avy eo no mampiofana ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay, eo anivon’ny fiangonana misy azy avy. Noho izany, dia mahazo fanampiana ara-panahy ny rehetra, sady ampiana koa mba hahita vokatra kokoa amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.—Marka 13:10.

15. Inona ireo fomba roa itandrovana ny fahadiovan’ny fiangonana?

15 Tsy maintsy mahafeno fepetra izay te ho anisan’ny fiangonana kristianina. Tsy ekena ho anisan’ny fiangonana ny mpaneso, toy ny tsy namelana azy ireny hiditra tao amin’ny sambofiaran’i Noa. (2 Petera 3:3-7) Narahin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fomba feno kokoa ny fandaharana iray natao hiarovana ny fiangonan’izy ireo, nanomboka tamin’ny 1952. Tsy inona izany fa ny fandroahana ireo mpanota tsy mety mibebaka. Mazava ho azy fa ampiana amim-pitiavana ireo mpanota tena mibebaka, mba ‘hanao lala-mahitsy halehan’ny tongony.’—Hebreo 12:12, 13; Ohabolana 28:13; Galatianina 6:1.

16. Manao ahoana ny vahoakan’i Jehovah eo amin’ny lafiny ara-panahy?

16 Tsy tongatonga ho azy na tsy nampoizina, ny fandrosoan’ny vahoakan’i Jehovah eo amin’ny lafiny ara-panahy. Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Indro, ny mpanompoko hihinana, fa hianareo kosa ho mosarena; indro, ny mpanompoko hisotro, fa hianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa hianareo kosa ho menatra; indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa hianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.” (Isaia 65:13, 14) Omen’i Jehovah sakafo ara-panahy mahasalama tondraka sy ara-potoana foana isika, ary manampy antsika hanana finoana matanjaka hatrany izy ireny.—Matio 24:45.

Miomàna mba ho voavonjy

17. Inona no hanampy antsika hiomana mba ho voavonjy?

17 Amin’izao fotoana izao indrindra isika no tokony “hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery.” (Hebreo 10:23-25) Tokony hifandray akaiky amin’ny iray amin’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 98 000 mahery isika, sady hazoto hanompo miaraka amin’izy io, satria hanampy antsika hiomana mba ho voavonjy izany. Manohana antsika ny mpiray finoana amintsika, rehefa miezaka maneho ny “toetra vaovao” isika, sady miezaka amin’ny fontsika manontolo mba hanampy ny hafa hahafantatra ilay fomba hamonjen’i Jehovah ny olona.—Efesianina 4:22-24; Kolosianina 3:9, 10; 1 Timoty 4:16.

18. Nahoana ianao no tapa-kevitra ny hifandray akaiky hatrany amin’ny fiangonana kristianina?

18 Maniry mafy hitaona antsika hiala amin’ny fiangonana kristianina i Satana sy ny tontolony. Na izany aza, dia afaka mijanona eo anivon’ny fiangonana isika, ka ho tafavoaka velona amin’ny faran’ity tontolo ratsy ity. Enga anie ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny fankasitrahantsika ny fanampiany feno fitiavana, ka hahatonga antsika ho tapa-kevitra kokoa hanohitra ny ezaka ataon’i Satana. Vao mainka isika ho tapa-kevitra ny hanao izany, raha misaintsaina ny fitahiana ananantsika ankehitriny. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny sasany amin’izy ireny.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no itovizan’ny andron’i Noa sy ny androntsika?

• Inona no toetra ilaina mba hahazoana famonjena?

• Inona ireo fanitsiana miandalana izay nanatsara ny fomba hiarovan’i Jehovah antsika?

• Inona no fiomanana azontsika tsirairay atao mba hahavoavonjy antsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 22]

Tsy nihevitra ny tenin’i Noa ho zava-dehibe ny mpiara-belona taminy

[Sary, pejy 23]

Mahasoa ny mihevitra ny fampitandreman’Andriamanitra ho zava-dehibe

[Sary, pejy 24]

Inona no antony nanaovana ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana?

[Sary, pejy 25]

Izao no fotoana tokony hifandraisana akaiky amin’ny fiangonana kristianina