Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no mahatonga ny olona “irin’ny firenena rehetra” hanaraka ny fivavahana marina?—Hagay 2:7.

Nilaza mialoha tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany i Jehovah hoe: “[Hanozongozona ny firenena rehetra aho, Kat.], ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity.” (Hagay 2:7) Ny fanozongozonana “ny firenena rehetra” ve no mahatonga ny olona “irin’ny” firenena, na ny olona tso-po, hanaraka ny fivavahana marina? Tsia.

Inona tokoa moa no manozongozona an’ireo firenena, ary inona no vokatr’izany? Hoy ny Baiboly: “Mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena.” (Salamo 2:1) “Inona ilay “anoano” na zava-poana saintsainin’ireo firenena mandrakariva? Tsy “misaina” na tsy mieritreritra afa-tsy izay hampaharitra ny fahefany izy ireo. Tsy misy mampihozongozona azy ireo mihoatra noho ny hoe misy olona mitady hanala azy eo amin’ny fitondrana.

Mihozongozona àry izy ireo noho ny hafatra torin’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany momba ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina. ‘Hanorotoro sy handevona ny fanjakan’[olombelona] rehetra’ mantsy ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Jesosy Kristy, ilay Mesia. (Daniela 2:44) Manambara didim-pitsarana isika rehefa mitory, ka manozongozona an’ireo firenena izany. (Isaia 61:2) Vao mainka mihozongozona izy ireo, arakaraka ny hitaran’ny asa fitoriana sy hanakoakoan’izy io. Inona àry no dikan’ilay fanozongozonana nambara mialoha ao amin’ny Hagay 2:7?

Izao no vakintsika ao amin’ny Hagay 2:6: “Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia [hohozongozoniko, Kat.] ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina.” Nanonona an’io andinin-teny io ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra hoe: “Izy nampanantena hoe: ‘Indro, hohozongozoniko indray mandeha indray, tsy ny tany ihany, fa ny lanitra koa.’ Ilay fitenenana hoe ‘indray mandeha indray’ dia midika fa hesorina izay zavatra hozongozonina, izany hoe ny zavatra natao, mba hitoeran’izay zavatra tsy hozongozonina [izany hoe ilay Fanjakana].” (Hebreo 12:26, 27) Hesorina àry ity tontolo ratsy ankehitriny ity, mba hisy toerana ho an’ny tontolo vaovao avy amin’Andriamanitra.

Tsy ny fanozongozonana ny firenena anefa no mahasarika ny olona tso-po hanaraka ny fivavahana marina, fa ny fitoriana maneran-tany momba ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina. Tsy manozongozona ny firenena fotsiny mantsy io hafatra io, fa misarika ny olona manana toe-po tsara hanatona an’i Jehovah sy hivavaka aminy koa. Mahasarika ny olona toy izany hivavaka amin’ilay tena Andriamanitra tokoa ny “vaovao tsara mandrakizay”, dia ilay “vaovao mahafaly.”—Apokalypsy 14:6, 7.

Sady didim-pitsarana àry ny hafatra momba ilay Fanjakana no hafatra mitondra famonjena. (Isaia 61:1, 2) Misy vokany roa ny fitoriana azy io maneran-tany: mampihozongozona an’ireo firenena, ary mahatonga ny olona irin’ny firenena hiditra ao an-tranon’i Jehovah, ka hanome voninahitra azy.