Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Tanteraka Tsy ho Ela ny Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany

Ho Tanteraka Tsy ho Ela ny Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany

Ho Tanteraka Tsy ho Ela ny Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany

IZAO no baiko nomen’Andriamanitra an’i Adama sy Eva, tamin’izy ireo mbola tao amin’ny Paradisa: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.”—Genesisy 1:28.

Tsy hoe mikarakara na mamboly faritra kely iray eto an-tany fotsiny ny hoe mampanompo ny tany na manjaka aminy. Nasaina nanitatra ny Paradisa hanerana ny tany manontolo i Adama sy Eva sy ny taranany. Nanota anefa izy mivady ireo, ary noroahina avy tao amin’ny Saha Edena. (Genesisy 3:23, 24) Tsy midika anefa izany hoe tsy hanjaka amin’ny tany intsony ny olombelona.

Ho afaka hanjaka amin’ny tany ny olombelona mankatò an’Andriamanitra, any aoriana any, satria hotahiny. Nahavokatra tsara ny tanimbolin’ny Israelita sy ny saham-boankazony fahiny, rehefa notahin’Andriamanitra izy ireo. Toy izany koa no hitranga rehefa hiova tsikelikely ho paradisa ny tany. Nampanantena Andriamanitra, ao amin’ny Baiboly, fa ‘hahavokatra ny tany [ary] hitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.’ (Salamo 67:6) Hifaly ny saha rakotra ahi-maitso sy ny tendrombohitra, ny hazo sy ny voninkazo, ary ny renirano sy ny ranomasina. (Salamo 96:11-13; 98:7-9) Ho feno zavamaniry, vorona maro loko, biby mahavariana, ary olona tsara fanahy ity tany misy antsika ity.

Hisy tontolo vaovao iray tsy ho ela!

Nampanantena tontolo vaovao iray i Jehovah Andriamanitra, ary efa antomotra izy io. Hoy ny apostoly Petera: “Misy ... lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.” (2 Petera 3:13) Mety hisy hilaza fa tsy ho lasa paradisa mihitsy ity tany ity, raha ireo tenin’i Petera ireo no jerena. Mety hieritreritra izy hoe hosoloana ny lanitra sy ny tany. Marina ve izany?

Inona io “lanitra vaovao” io? Tsy io lanitra noforonin’Andriamanitra hitantsika io akory no hosoloana. (Salamo 19:1, 2) Niresaka “lanitra” an’ohatra i Petera ao amin’ireo andininy eo aloha, ary ny tiany holazaina amin’izany dia ny fitondram-panjakan’olombelona izay ambony noho ny olom-peheziny. (2 Petera 3:10-12) Tsy nahay nitondra ny olombelona io “lanitra” io, ka holevonina. (Jeremia 10:23; Daniela 2:44) Ny Fanjakan’Andriamanitra no “lanitra vaovao” hisolo azy. I Jesosy Kristy no ho mpanjakan’izy io, miaraka amin’ny olona 144 000, izay ho any an-danitra rehefa hatsangana amin’ny maty.—Romanina 8:16, 17; Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3.

Tsy planeta vaovao ilay “tany vaovao” noresahin’i Petera. Nataon’Andriamanitra lavorary mba hiainan’ny olona mandrakizay mantsy ity tany ity. (Salamo 104:5) Olona indraindray no tiana holazaina amin’ny hoe “tany”, ao amin’ny Baiboly. (Genesisy 11:1) Ilay tany hopotehina tsy ho ela dia ny olona ratsy fanahy rehetra. Efa nisy famongorana toy izany tamin’ny andron’i Noa. Ringana tamin’ny Safodrano ny olona tsy natahotra an’Andriamanitra tamin’izay. (2 Petera 3:5-7) Inona àry ilay “tany vaovao”? Fiaraha-monina vaovao ahitana olona “mahitsy fo” sy tena mpivavaka amin’Andriamanitra izy io. (Salamo 125:4; 1 Jaona 2:17) Ilay “lanitra vaovao” no hamoaka ny lalàna rehetra hifehy ilay “tany vaovao.” Hanao izay hanarahana azy ireny ny olombelona mahatoky eto an-tany.

Hisy fiovana tena hahafinaritra!

Tena namboarin’i Jehovah tsara ny tany mba honenantsika olombelona. Izy mihitsy no nilaza hoe “tsara indrindra” ny asany rehetra teto an-tany. (Genesisy 1:31) Nitaona an’i Adama sy Eva hikomy tamin’Andriamanitra anefa i Satana Devoly. (Genesisy 3:1-5; Apokalypsy 12:9) Na izany aza dia hanao zavatra tsy ho ela Andriamanitra, mba hahazo ny “tena fiainana” ny olona manao izay mahitsy. “Fiainana mandrakizay” ao anatin’ny toe-piainana tonga lafatra ao amin’ny Paradisa izany tena fiainana izany. (1 Timoty 6:12, 19) Andeha isika handinika ny fitahiana sasany hankafizin’ny olombelona amin’izay fotoana izay.

Hogadraina i Satana mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, ka tsy ho afaka hitondra loza ho an’ny olombelona. Hoy ny apostoly Jaona: “Hitako fa nisy anjely [Mikaela arkanjely, na Jesosy Kristy] nidina avy tany an-danitra, ary ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka sy rojo vy lehibe no teny an-tanany. Ary nosamboriny ilay dragona, ilay menarana tany am-boalohany, dia ny Devoly sy Satana, ka nofatorany arivo taona, dia natsipiny mafy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Ary nohidian’ilay anjely sy nasiany tombo-kase ilay lavaka, mba tsy hahafahan’ilay dragona hamitaka ny firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona.” (Apokalypsy 20:1-3; 12:12) Tsy ho afaka hitaona ny olona intsony i Satana ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Hahazo fitahiana maro hafa ny olona, rehefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra.

Tsy hisy intsony ny faharatsiana, ny herisetra, ary ny ady. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; handinika ny fonenany hianao, fa tsy ho hita izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana. Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:10, 11, 29) ‘Hampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany’ i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 46:9) Manome antoka antsika izany fa tena hisy ny filaminana sy ny fandriampahalemana!

Ho tondraka ny sakafo mahasalama sy matsiro. Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza.” (Salamo 72:16) Tsy hisy olona hijaly noho ny mosary amin’izay fotoana izay.

Tsy harary intsony ny olona. “Tsy hisy amin’ny mponina ... hilaza hoe: Marary aho.” (Isaia 33:24; 35:5, 6) Nanasitrana ny boka sy ny kilemaina ary ny jamba i Jesosy Kristy, tamin’izy tetỳ an-tany. (Matio 9:35; Marka 1:40-42; Jaona 5:5-9) Alao sary an-tsaina àry izay hataony ao amin’ilay tontolo vaovao! Eritrereto ny hasambarana rehefa ho sitrana ny jamba, ny marenina, ny kilemaina, ary ny moana.

Ho lavorary tsikelikely ny olombelona mankatò, ka hanjavona ny voka-dratsin’ny fahanterana. Tsy hilaina intsony ny solomaso, ny tehina, ny seza misy kodiarana, ny hopitaly, ary ny fanafody. Hatanjaka toy ny tamin’ny andro fahatanoranao indray ianao! (Joba 33:25) Havitribitrika sy ho vonona hanao asa mahafaly ianao isa-maraina, rehefa avy matory tsara amin’ny alina.

Hatsangana amin’ny maty ireo havan-tiantsika sy ny olon-kafa, ka ho faly ny fontsika. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15) Tena hahafaly tokoa ny hiarahaba an-dry Abela, Noa, Abrahama, Saraha, Joba, Mosesy, Rota, Davida, Elia, Estera, ary ny maro hafa! Hisy olon-kafa an-tapitrisany koa anefa hatsangana amin’ny maty. Mbola tsy nianatra momba an’i Jehovah mihitsy ny ankamaroan’izy ireny, kanefa ho vonona hampianatra azy momba an’Andriamanitra sy ny fikasany ary i Jesosy Kristy Zanany, ny olona hitsena azy. Ho feno fahalalana an’i Jehovah tokoa ny tany, rehefa hanjary hahafantatra ny Mpamorona azy ny olona natsangana tamin’ny maty.

Ny tsara indrindra dia ho afaka hanompo an’ilay hany Andriamanitra marina isika mandrakizay. Hahazo tombontsoa ‘hanompo an’i Jehovah amin’ny fifaliana’ isika, ary hiara-miasa amim-piraisan-tsaina rehefa hanorina trano tsara tarehy sy hamboly. Hanjaka amin’ny tany manontolo isika amin’ny farany. (Salamo 100:1-3; Isaia 65:21-24) Hamokatra sy hilamina ary ho tsara tarehy ny tany rehefa ho lasa paradisa, sady hitondra voninahitra ho an’ny anarana masin’i Jehovah. Tena hahafinaritra tokoa ny hiaina mandrakizay ao amin’izany toerana izany!—Salamo 145:21; Jaona 17:3.

Fitsapana farany

Hanjaka mandritra ny arivo taona i Jesosy, ary hitondra soa ho an’ny olombelona mankatò rehetra ny sorom-panavotany. Ho foana tanteraka ny ota, amin’ny farany, ary ho lavorary ny olona. (1 Jaona 2:2; Apokalypsy 21:1-4) Tsy ho hita soritra eo amin’izy ireo intsony ny vokatry ny fahotan’i Adama, ka hanana vatana sy saina lavorary izy ireo. Hahavita hankatò tanteraka ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena sy ny fivavahana koa izy ireo. Izay izy ireo vao tena ho azo lazaina hoe “velona.” (Apokalypsy 20:5) Tena hanome voninahitra an’i Jehovah tokoa ny fahatanterahan’izany sy ny tany paradisa!

Fotoana fohy aorian’ny hahataperan’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, dia hovahana avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka nigadrany i Satana Devoly sy ny demoniany, na ireo anjely ratsy. (Apokalypsy 20:1-3) Havela hiezaka farany izy ireo mba hampiala ny olona amin’Andriamanitra. Tsy hahomby anefa io fikomiana io, na dia ho resin’ny fanirian-dratsy aza ny olona sasany. Hovonoin’i Jehovah ireo mpikomy tia tena sy Satana ary ny demoniany rehetra. Ho foana ny faharatsiana. Hanjavona mandrakizay ny mpanao ratsy rehetra, ary hiaina mandrakizay ny olona marina.—Apokalypsy 20:7-10.

Hahita ny Paradisa ve ianao?

Fahasambarana mandrakizay no miandry ny olona tia an’i Jehovah Andriamanitra. Tsy hanorisory mihitsy ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa. Hanjary hahaliana kokoa ny fiainana arakaraka ny fandehan’ny fotoana, satria tsy manam-petra ny fahalalan’i Jehovah Andriamanitra. (Romanina 11:33) Hanan-java-baovao hianarana foana ianao, ary halalaka ny fotoana handraisanao fahalalana. Nahoana? Satria hiaina mandrakizay ianao, fa tsy 70 na 80 taona monja.—Salamo 22:26; 90:10; Mpitoriteny 3:11.

Ho faly foana ianao hanao ny sitrapon’Andriamanitra, raha tia azy. Nanoratra ny apostoly Jaona hoe: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny itandremantsika ny didiny. Tsy mavesatra anefa ny didiny.” (1 Jaona 5:3) Manaova ny marina àry mba hampifaliana ny fon’i Jehovah Andriamanitra. Aza avela hisy hanakana anao tsy hanao izany. Tadidio ilay fanantenana kanto atolotry ny Tenin’Andriamanitra anao. Aoka ianao ho tapa-kevitra hanao ny sitrapon’i Jehovah, ary aza miala amin’izany. Ho eo ianao amin’izay rehefa ho tanteraka eto an-tany ny fikasan’Andriamanitra, ka ho lasa paradisa mandrakizay ity tany fonenantsika ity.

[Sary, pejy 4]

Nahavokatra be ny tanin’ny Israely, rehefa notahin’Andriamanitra izy ireo

[Sary, pejy 7]

Inona avy no fitahiana tianao ho azo ao amin’ny Paradisa?