Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?

Inona no Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany?

NAHOANA no mahafinaritra anao ny mitsangantsangana any ambanivohitra, na ny mandehandeha eny amin’ny zaridaina feno voninkazo mamerovero? Nahoana no falifaly erỳ ianao rehefa mahita farihy tsara tarehy na havoana mitomandavana? Nahoana ianao no voasariky ny siokan’ny vorona eny ambony hazo? Ary nahoana no ravoravo aoka izany ianao mahita gidro mitsambikimbikina any anaty ala, na omby maromaro miraoka ahitra eny an-tampon-tanety?

Iray ihany no valin’ireo fanontaniana ireo. Natao hiaina ao amin’ny Paradisa isika! Tao no niaina i Adama sy Eva razambentsika, tamin’ny voalohany. Avy amin’izy ireo ny faniriantsika hiaina ao amin’ny Paradisa. I Jehovah Andriamanitra, ilay namorona azy ireo, no nametraka izany faniriana izany tao aminy. Fantatr’Andriamanitra fa ho sambatra isika olombelona ao amin’ny Paradisa, satria noforoniny hahita fahafinaretana ao amin’ny fonenana kanto toy izany eto an-tany isika.

Nahoana i Jehovah no namorona ny tany? ‘Nataony honenan’ny’ olombelona izy io. (Isaia 45:18) Nanamboatra paradisa iray tsara tarehy “Ilay nanao ny tany”, mba honenan’i Adama sy Eva. Ny Saha Edena izany. (Jeremia 10:12; Genesisy 2:7-9, 15, 21, 22) Azo antoka fa nahafinaritra azy ireo ny renirano sy ny voninkazo ary ny hazo tao! Azo inoana koa fa nahatazana vorona tsara tarehy teny ana habakabaka izy ireo, sady nahita biby isan-karazany nandehandeha teny an-tanety. Tsy nisy nampidi-doza izy ireny. Nivezivezy tao anatin’ireo rano madio mangalahala koa ny trondro sy ny zavaboary hafa. Fa ny tsara indrindra? I Adama sy Eva niaraka. Afaka ny hiteraka izy ireo, ka rehefa hihamaro ny taranany, dia ho faly izy mianakavy hanitatra ilay Paradisa fonenany.

Marina fa tsy paradisa ny tany ankehitriny, nefa azo ampitahaina amin’ny trano faran’izay tsara onenan’ny fianakaviana sambatra iray. Misy izay rehetra ilaintsika eto amin’ity tany nomen’Andriamanitra honenantsika ity. Ao ny hazavana, hafanana, rano, ary sakafo. Tena mahafinaritra antsika tokoa ny hazavana sy ny hafanan’ny masoandro, ary ny taratra malefaky ny volana amin’ny alina! (Genesisy 1:14-18) Ahitana zavatra ahazoana angovo koa ao anatin’ny tany ao, toy ny arintany sy ny solika, izay ampiasaintsika hahazoana hafanana. Mahazo rano koa isika, noho ny fisian’ny renirano, ny farihy, ny ranomasina, ary ny fiforonan’ny orana eny ana habakabaka. Ary toy ny karipetra mandrakotra ny tany ny ahi-maitso.

Ankoatra izany, dia manana tahirin-tsakafo betsaka ny tany, toy ny trano iray misy fitahirizan-tsakafo. Maro ny vokatra eny an-tanimboly sy ny voankazo eny an-tsaha. ‘Manome antsika taon-jina’ tokoa i Jehovah, ary ‘mahavoky ny fontsika amin’ny fifaliana.’ (Asan’ny Apostoly 14:16, 17) Raha efa fonenana kanto toy izany ny tany ankehitriny, tsy vao mainka ve izy io ho tsara lavitra rehefa hanova azy ho paradisa i Jehovah, “ilay Andriamanitra falifaly”!—1 Timoty 1:11.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

FONONY: Tany: NASA photo; Kintana: NASA, ESA and AURA/Caltech