Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niezaka Mafy Izy Nampiely ny Baiboly

Niezaka Mafy Izy Nampiely ny Baiboly

Niezaka Mafy Izy Nampiely ny Baiboly

Maty tao anatin’ny hatsiaka namirifiry tany amin’ny faritra atsinanan’i Siberia izy, sady nambanina sy nalam-baraka. Vitsy no mahatsiaro fa anisan’ireo olona tena nanampy ny Grika mpiray tanindrazana taminy hahalala bebe kokoa an’Andriamanitra izy. Seraphim no anaran’io lehilahy tsy nisy niraharaha io. Maty noho ny ezaka mafy nataony hampielezana ny Baiboly izy.

ANISAN’NY Fanjakana Tiorka fahiny i Gresy, tamin’ny fotoana niainan’i Seraphim. Nilaza i George Metallinos, manam-pahaizana grika, fa “tsy dia nisy sekoly tsara” tamin’izany, ary “tsy nianatra firy ny ankamaroan’ny olona”, eny fa na ny mpitondra fivavahana aza.

Samy hafa be tamin’ny koine (fiteny grika tsotra), ny teny grika sy tenim-paritra fampiasan’ny olona andavanandro. Vao mainka nitombo izany fahasamihafana izany, ka lasa tsy hain’ny olona tsy nahita fianarana ny koine, izay teny nanoratana ny Soratra Grika Kristianina na Testamenta Vaovao. Niteraka adihevitra izany, nefa nanapa-kevitra hampiasa io teny grika tsy hain’ny olona io ny eglizy.

Tao anatin’izany toe-javatra izany no teraka i Stephanos Ioannis Pogonatus, tamin’ny 1670 tany ho any. Zanaky ny fianakaviana malaza iray tany amin’ny nosin’i Lesbos, any Gresy, izy. Nahantra sy tsy nahita fianarana ny ankamaroan’ny olona tao amin’ilay nosy. Tsy ampy ny sekoly ka tsy maintsy nianatra tao amin’ny monasitera teo an-toerana i Stephanos. Mbola kely izy dia efa natokana ho diakônin’ny Eglizy Ortodoksa Grika, ary nomena anarana hoe Seraphim.

Nangetaheta fahalalana i Seraphim, ka nankany Constantinople (Istanbul, any Torkia, ankehitriny), tamin’ny 1693 tany ho any. Lasa nohajain’ny olona ambony tany Gresy izy noho ny fahaizany. Taoriana kelin’izay, dia naniraka azy hitondra hafatra ho an’i Pierre Lehibe, Mpanjakan’i Rosia, ny antoko grika miafina iray tia tanindrazana. Nandalo toerana maro tany Eoropa izy, rehefa nankany Moscou sy niverina avy tany, ka nahita hevi-baovao momba ny fivavahana sy ny zavatra hafa. Nankany Angletera izy tamin’ny 1698, ary maromaro ny olona ambony lasa nifankahalala taminy tao Londres sy Oxford. Anisan’izany ny Arsevekan’i Cantorbéry, filohan’ny Eglizy Anglikanina. Nandray soa noho ny nahalalany azy io izy, tsy ela taorian’izay.

Namoaka Baiboly

Nanatsoaka hevitra i Seraphim tamin’izy tany Angletera, fa tena mila havaozina sy atao amin’ny fiteny mora azon’ny Grika ny “Testamenta Vaovao.” Ny Baiboly nadikan’ilay moanina atao hoe Maxime, 50 taona mahery talohan’izay, no nampiasainy mba hamoahana Baiboly vaovao tsy misy diso sy mora azo kokoa. Nazoto be izy nanomboka ilay asa, nefa vetivety dia lany ny volany. Velom-panantenana anefa izy, rehefa nampanantena hanome ny vola nilaina ny Arsevekan’i Cantorbéry. Nandrisika azy izany, ka nividy taratasy izy, ary nifanaraka tamin’ny mpanao pirinty.

Hatreo amin’ny antsasaky ny Filazantsaran’i Lioka ihany anefa no vita pirinty, dia lany ilay vola. Tsy afaka nanome vola intsony koa ny Arsevekan’i Cantorbéry, noho ny fiovana ara-politika tany Angletera. Tsy kivy anefa i Seraphim fa nitady fanampiana tamin’ny mpanankarena sasany, ka vitany ny namoaka ilay Baiboly nohavaozina tamin’ny 1703. Nandoa ny vola sasany nilainy ny Fikambanana Mampiely ny Filazantsara Amin’ny Teny Vahiny.

Lehibe sy navesatra ilay Baiboly tranainy kokoa nadikan’i Maxime. Boky roa ilay izy, sady nahitana ny Testamenta Vaovao tamin’ny teny grika nanoratana azy voalohany. Kely kokoa anefa ny soratra tamin’ilay Baibolin’i Seraphim, ary fandikan-teny grika maoderina ihany no tao, ka kely sy mora vidy kokoa ilay izy.

Nampirongatra adihevitra

Hoy i George Metallinos: “Tena nanome izay nilain’ny olona ilay Baiboly nohavaozina. Nohararaotin’i Seraphim anefa ilay izy mba hamelezana an’ireo mpitondra fivavahana nanohitra ny fandikana [Baiboly].” Romotra izy ireo rehefa nolazain’i Seraphim tao amin’ny sasin-tenin’ilay Baiboly, hoe ny antony namoahany azy io dia ‘ho an’ny pretra sy presbytera sasany tsy mahay teny grika [koine]. Ho afaka hamaky sy hahazo ny hevitry ny soratra tany am-boalohany izy ireo amin’izay, noho ny fanampian’ny Fanahy Masina, ka ho afaka hampita izany amin’ny Kristianina rehetra.’ (Fandikana ny Baiboly ho Amin’ny Teny Grika Maoderina Tamin’ny Taonjato Faha-19) Lasa tafiditra lalina tamin’ilay adihevitra nafotaka tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika, momba ny fandikana Baiboly àry i Serphim.

Teo ireo niaiky fa nila namaky Baiboly ny olona, raha te hifandray tsara amin’Andriamanitra sy ho tsara fitondran-tena. Tsapan’izy ireo fa tokony hianatra bebe kokoa ny Soratra Masina ny mpitondra fivavahana. Nino koa ny olona nampirisika ny handikana ny Baiboly, fa azo ambara amin’ny fiteny rehetra ny fahamarinana ao amin’izy io.—Apokalypsy 7:9.

Nilaza kosa ny mpanohitra fa rehefa adika ny Baiboly dia mihen-danja ny zavatra raketiny, ary lasa tsy manana fahefana hilaza ny hevitry ny teny sy ny foto-pinoana ao anatiny ny eglizy. Ny tena natahoran’izy ireo anefa dia hoe hampiasa ny fandikana ny Baiboly ny Protestanta, mba hakana tsikelikely ny fahefan’ny Eglizy Ortodoksa Grika. Maro ny mpitondra fivavahana nihevitra fa adidiny ny manohitra izay rehetra mety hampandroso ny Fivavahana Protestanta, ka anisan’izany ny ezaka natao hahatonga ny Baiboly ho mora azon’ny sarambabem-bahoaka. Ny fandikana Baiboly àry no tena nampiady hevitra ny Protestanta sy ny Ortodoksa.

Sahy nampiharihary ny tsy fahalalana sy ny tsy fandeferan’ny mpitondra fivavahana nanohitra azy i Seraphim, na dia tsy nieritreritra ny hiala tamin’ny Eglizy Ortodoksa aza. Hoy izy ao amin’ny sasin-tenin’ilay “Testamenta Vaovao” nadikany: “Mila mamaky ny Baiboly Masina ny Kristianina rehetra matahotra an’Andriamanitra”, mba ‘hanahafany an’i Kristy sy hankatoavany ny fampianarany.’ Nanizingizina i Seraphim fa avy tamin’ny Devoly ny fandrarana ny fianarana Baiboly.

Niharan’ny fanoherana nahery vaika

Nampihetsika ny hatezeran’ny Eglizy Ortodoksa ilay Baiboly navoakan’i Seraphim, rehefa tonga tany Gresy. Voarara ilay izy ary nisy aza nodorana. Norahonana horoahina tao amin’ny Eglizy izay nanana na namaky azy io. Tsy navelan’ny Eveka Gabriel III hiparitaka ilay Baibolin’i Seraphim, ary nolazainy fa tsy ilaina sy tsy mahasoa.

Tsy kivy i Seraphim nefa takany fa nila nitandrina izy. Nisy mpitondra fivavahana sy mpivavaka nankasitraka an’ilay Baiboly, na teo aza ny fandrarana ofisialy nataon’ny eglizy. Tena niely ilay izy. Tsy tapitra hatreo anefa ny fanoheran’ireo fahavalo natanjaka.

Ny olana nitarika ho amin’ny fahafatesany

Ankoatra ny fampielezana ny Baiboly, dia anisan’ireo olona tia tanindrazana niezaka nitondra fiovana ara-politika i Seraphim. Niverina tany Moscou àry izy tany antenatenan’ny taona 1704. Lasa mpinamana be tamin’i Pierre Lehibe izy tany, ary nampianatra tao amin’ny Akademiam-panjakana Rosianina. Nanahy ny amin’izay mety hitranga tamin’ilay Baiboly navoakany anefa izy, ka niverina tany Constantinople tamin’ny 1705.

Naveriny natao pirinty ilay Baiboly tamin’io taona io, saingy nesoriny aloha ilay sasin-teny nanakiana, ary nampiany teny tsotra nampirisika ny olona hamaky Baiboly. Niely be io Baiboly io ary tsy nisy mpitondra fivavahana nanohitra azy io.

Tamin’ny 1714 anefa, dia namely azy mafy i Alexander Helladius, grika iray mpanohitra ny fandikana Baiboly. Nanakiana mafy ny mpandika Baiboly sy ny fandikana azy io izy, tao amin’ilay bokiny hoe Status Præsens Ecclesiæ Græcæ (Ny Eglizy Grika Ankehitriny). Nanoratra toko iray manontolo mihitsy izy momba an’i Seraphim, ary nolazainy tao fa mpangalatra, mpisoloky, ary mpisandoka tsy nahita fianarana sy ratsy fitondran-tena izy. Marina ve ilay fiampangany? Nilaza ilay mpanoratra atao hoe Stylianos Bairaktaris, fa anisan’ny nialoha lalana tamin’ny fandikana Baiboly ho amin’ny fiteny azon’ny sarambabem-bahoaka i Seraphim, ary nenjehina satria nahalala zavatra kokoa noho ny mpiara-belona taminy. Miombon-kevitra amin’izany ny manam-pahaizana maro. Na izany aza, dia nampalahelo ny niafaran’i Seraphim, noho ilay bokin’i Helladius.

Nahiahin’ny olona

Efa maty i Pierre Lehibe, rehefa niverina tany Rosia i Seraphim tamin’ny 1731, ka tsy nisy olona ambony niaro azy intsony. Ny Mpanjakavavy Anna Ivanovna no nitondra tamin’izay, ary nitandrina mafy tamin’izay nety ho nanohintohina ny fanjakany izy. Niely ny tsaho tany Saint-Pétersbourg tamin’ny Janoary 1732, fa nisy Grika mpitsikilo nitady hanongam-panjakana, ka i Seraphim no nahiahina. Nosamborina izy ary nalaina am-bavany tany amin’ny monasiteran’i Nevsky. Nisy an’ilay bokin’i Helladius miampanga an’i Seraphim ho nanao heloka bevava samihafa, tao amin’ilay monasitera. Nanoratra taratasy telo i Seraphim hanaporofoana fa diso ireo fiampangana ireo. Naharitra dimy volana teo ho eo ilay fakana am-bavany, ary sarotra taminy ny niaro tena noho izy nahiahin’ny olona.

Tsy voaheloka ho faty i Seraphim, satria tsy marim-pototra ny fiampangana azy. Tsy sahy nanafaka azy anefa ny manam-pahefana, noho ny fanendrikendrehan’i Helladius. Voaheloka halefa sesitany mandra-pahafatiny tany Siberia àry i Seraphim. Nilaza ilay didim-pitsarana fa meloka izy, noho ny fiampangana tao amin’ilay “lahatsoratra nosoratan’i Helladius, mpanoratra grika.” Tonga tany amin’ny faritra atsinanan’i Siberia i Seraphim, nifatotra gadra vy, tamin’ny Jolay 1732, ary nampidirina tao amin’ny fonja malaza ratsin’i Okhotsk.

Maty tsy nisy nahatsiaro sy nafoy tanteraka izy, telo taona teo ho eo taorian’izay. Marina fa diso sy tsy mailo tsara izy indraindray tamin’ny fanapahan-keviny sy ny fomba nanatanterahany izany. Iray amin’ireo Baiboly maro amin’ny teny grika maoderina misy ankehitriny anefa ilay Baibolin’i Seraphim. * Anisan’ireo Baiboly amin’ny teny grika maoderina koa Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, izay misy amin’ny fiteny maro hafa. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra tokoa isika satria narovany ny Teniny, ka afaka ‘manana fahalalana marina tsara ny fahamarinana’ ny olona, na aiza na aiza.—1 Timoty 2:3, 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 26 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ady mba Hamoahana Baiboly Amin’ny Teny Grika Maoderina”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 2002, pejy 26-29.

[Sary, pejy 12]

Pierre Lehibe

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Sary: Courtesy American Bible Society