Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sahy Miteny ve Ianao?

Sahy Miteny ve Ianao?

Sahy Miteny ve Ianao?

OLONA enina tapitrisa mahery, any amin’ny tany 235, no manana ilay antsoin’ny Baiboly hoe ‘fahasahiana miteny.’ Adika koa hoe fitenenana amim-pahatsorana na amim-pieritreretana madio izy io, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. (Filipianina 1:20; 1 Timoty 3:13; Hebreo 3:6; 1 Jaona 3:21) Inona avy no tafiditra amin’ny hoe fahasahiana miteny? Inona no hanampy antsika ho sahy hiteny? Ary amin’ny lafiny inona avy izany no ilaintsika, mba hahatonga antsika tsy hiahotra rehefa miteny?

Milaza ny diksionera iray fa ilay teny grika nadika hoe fahasahiana miteny, dia milaza “fahalalahana haneho hevitra, firesahana tsy misy fihambahambana, ... fitenenana amin-kerim-po, fa tsy amin-tahotra. Izy io koa àry dia midika hoe fananana fatokisan-tena, na herim-po miharo hafaliana, na fahasahiana, ka noho izany dia tsy voatery hifandray amin’ny fitenenana foana.” (Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao, anglisy) Tsy midika hoe mivantambantam-piteny na tsy mahalala fomba anefa ny hoe sahy miteny. “Aoka ho teny mahafinaritra ... foana no holazainareo”, hoy ny Baiboly. (Kolosianina 4:6) Mandinika tsara izay holazainy àry ny olona sahy miteny, nefa koa tsy miahotra ny miteny, na dia eo aza ny toe-javatra mahakivy na ny tahotra olona.

Efa zontsika hatramin’izay ve ny maneho fahasahiana miteny? Diniho ny tenin’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina tany Efesosy. Hoy izy: “Izaho izay kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra no nanehoana izany hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izany, mba hitoriako amin’ny hafa firenena ny vaovao tsara momba ny harena tsy hita fetran’i Kristy.” Nilaza koa i Paoly fa i Jesosy Kristy no ahafahantsika “miteny amim-pahasahiana sy manatona an’Andriamanitra amin-toky, noho isika mino azy.” (Efesianina 3:8-12) Tsy zontsika efa hatramin’izay àry ny maneho fahasahiana miteny, fa vokatry ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra, noho ny finoantsika an’i Jesosy Kristy. Andeha hojerentsika hoe inona no hanampy antsika ho sahy hiteny. Hodinihintsika koa hoe inona no tokony hatao mba ho sahy hiteny, rehefa mitory sy mampianatra ary mivavaka.

Inona no manampy antsika ho sahy hitory?

I Jesosy Kristy no modely tsara indrindra, raha ny fahasahiana miteny no resahina. Be zotom-po izy, ka nanararaotra nitory foana. Nanararaotra niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra foana izy, na rehefa niala sasatra, na nisakafo tany amin’olona, na teny an-dalana. Nisy ny naneso sy nanohitra azy mivantana, nefa tsy nampahatahotra na nampangina azy izany. Mifanohitra amin’izany aza, fa sahiny ny nampiharihary ny fahadisoan’ny mpitondra tao amin’ny fivavahan-diso tamin’ny androny. (Matio 23:13-36) Tsy natahotra ny hiteny i Jesosy, na dia rehefa nosamborina sy notsaraina aza.—Jaona 18:6, 19, 20, 37.

Nanjary sahy niteny toy izany koa ny apostolin’i Jesosy. Anisan’izany i Petera, izay sahy niresaka tamin’ny olona 3 000 mahery, tafavory tamin’ny Pentekosta taona 33. Mahagaga tokoa izany, satria natahotra be izy taloha kelin’izay, rehefa nisy mpanompovavy iray nahafantatra azy. (Marka 14:66-71; Asan’ny Apostoly 2:14, 29, 41) Tsy raiki-tahotra koa i Petera sy Jaona, rehefa nentina nanoloana ny mpitondra fivavahana. Tsy nisalasala izy ireo tamin’izay, fa sahy nijoro ho vavolombelon’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. Izany fahasahiana izany aza no nahatonga ny mpitondra fivavahana hiaiky fa niaraka tamin’i Jesosy izy ireo. (Asan’ny Apostoly 4:5-13) Inona no nanampy azy ireo ho sahy hiteny toy izany?

Nampanantena ny apostoliny i Jesosy hoe: “Rehefa atolony anefa ianareo, dia aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo na izay holazainareo, fa homena anareo amin’izany ora izany izay tokony holazainareo. Fa tsy ianareo ihany no miteny, fa ny fanahin’ny Rainareo no miteny amin’ny alalanareo.” (Matio 10:19, 20) Ny fanahy masina no nanampy an’i Petera sy ny hafa, mba handresy ny henatra sy ny tahotra, izay mety ho nisakana azy ireo tsy haneho hevitra an-kalalahana. Afaka manampy antsika toy izany koa io hery lehibe io ankehitriny.

Ankoatra izany, dia i Jesosy mihitsy no naniraka ny mpanara-dia azy mba hanao mpianatra. Mety tokoa izany, satria “nomena ... ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany” izy, sady nampanantena fa ‘hiaraka amin’izy ireo.’ (Matio 28:18-20) Nitadidy izany ny mpianany tamin’ny taonjato voalohany, ka tsy natahotra rehefa teo anoloan’ireo manam-pahefana, izay tapa-kevitra hisakana azy ireo tsy hitory. (Asan’ny Apostoly 4:18-20; 5:28, 29) Tsy misy hafa amin’izany ny vokany ankehitriny, rehefa tadidintsika fa manohana antsika i Jesosy.

Mbola nanome antony iray hafa manampy antsika ‘hiteny amim-pahatsorana’ i Paoly. Tsy inona izany fa ny fanantenana. (2 Korintianina 3:12; Filipianina 1:20) Nanana hafatra mahavelom-panantenana tokoa ny Kristianina tamin’ny androny, ary tsara loatra izy io, ka tsy vitan’izy ireo ny nihazona izany ho azy samirery. Mahatonga antsika ho sahy hiteny koa ankehitriny ny fanantenantsika.—Hebreo 3:6.

Fahasahiana mitory

Inona no hanampy antsika ho sahy hitory, na dia rehefa misy toe-javatra mety hampahatahotra aza? Diniho ny modely nomen’ny apostoly Paoly. Rehefa nigadra tany Roma izy, dia nangatahiny hivavaka ho azy ny mpiray finoana taminy, mba ho ‘afaka hiteny izy rehefa misoka-bava, ary ho sahy hiteny amin’ny fahasahiana araka ny tokony hitenenany.’ (Efesianina 6:19, 20) Nivaly ve izany vavaka izany? Izany tokoa! Na mbola tany am-ponja aza i Paoly, dia nanohy “nitory ny fanjakan’Andriamanitra ... tamim-pieritreretana madio, sady tsy nisy fanakantsakanana.”—Asan’ny Apostoly 28:30, 31.

Ny fahaizantsika manararaotra mitory any am-piasana na any am-pianarana, na mandritra ny dia ataontsika, no ahitana raha tena sahy miteny isika. Mety tsy hahavita hiloa-bava isika, satria menatra, na matahotra ny fomba handraisan’ny olona an’ilay hafatra, na mihevi-tena ho tsy mahay. Mbola nanome modely ho antsika indray ny apostoly Paoly amin’io lafiny io. Hoy izy: “Nisikina herim-po tamin’ny alalan’Andriamanitsika [izahay] mba hitory taminareo ny vaovao tsaran’Andriamanitra, tao anatin’ny ady mafy.” (1 Tesalonianina 2:2) Ny fianteheran’i Paoly tamin’i Jehovah ihany no nahavitany an’izany, fa tsy noho ny fahaizany manokana.

Ny vavaka koa no nanampy ny vehivavy iray atao hoe Sherry, mba ho sahy hitory tsy ara-potoana. Teo am-piandrasana ny vadiny izy indray mandeha, raha nahita vehivavy iray niandry olona koa. Hoy i Sherry: “Kendakenda mihitsy aho fa natahotra, ka nivavaka tamin’i Jehovah mba hanana herim-po.” Nanatona an’ilay ramatoa i Sherry avy eo, ary tamin’izay indrindra no tonga ny mpitondra fivavahana batista iray. Tsy nanampo hihaona tamina mpitondra fivavahana i Sherry. Nivavaka indray izy, ka nahavita nitory ihany. Nahapetraka boky tamin’ilay ramatoa izy, ary nanao fotoana mba hitsidika azy indray. Afaka matoky àry isika fa hanampy antsika ho sahy hiteny ny fianteherana amin’i Jehovah, rehefa miezaka hitory isika.

Rehefa mampianatra

Ilaina koa ny fahasahiana miteny, rehefa mampianatra. Hoy ny Baiboly momba ireo “manompo amin’ny fomba tsara” eo anivon’ny fiangonana: “Mahazo laza tsara ho an’ny tenany [izy ireo], sady afaka miteny amim-pieritreretana madio, ao amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy.” (1 Timoty 3:13) Hanana fahasahiana miteny izy ireo, raha ny tenany mihitsy no mampihatra izay ampianariny. Miaro sy manatanjaka ny fiangonana izy ireo, rehefa manao izany.

Rehefa isika mihitsy no mampihatra ny torohevitra omentsika ny hafa, dia mandaitra kokoa ilay izy, ary azo inoana kokoa fa harahin’izy ireo. Mety ho tafintohina ny olona, raha toa ireo mampianatra ny fiangonana ka tsy mampihatra izay lazainy. Rehefa manome modely kosa izy ireo, dia mahita ny fomba hampiharana izay ampianarina azy ny olona, ka marisika hanao toy izany koa. Raha manome modely toy izany ny mpiandraikitra, dia hanana fahasahiana miteny, ka ho afaka ‘hanitsy ny rahalahiny’, dieny mbola tsy lasa lavitra izy ireny. (Galatianina 6:1) Raha tsy mampihatra izay toriny kosa izy ireo, dia mety hisalasala ny hiteny, satria hahatsapa hoe tsy tsara toerana mba hanome torohevitra. Mety hisy vokany tena ratsy anefa, raha mitaredretra isika amin’ny fanomezana torohevitra.

Tsy midika hoe manakiana ny hafa na manizingizina ny hevitry ny tena anefa ny hoe sahy miteny. “Noho ny fitiavana” no nananaran’i Paoly an’i Filemona. (Filemona 8, 9) Azo inoana fa nisy vokany tsara ny tenin’i Paoly. Ny fitiavana foana koa no tokony hanosika ny anti-panahy hanome torohevitra ny hafa!

Azo antoka fa ilaina ny fahasahiana miteny, rehefa manome torohevitra. Ilaina koa anefa izany amin’ny toe-javatra hafa. Nanoratra toy izao ho an’ny fiangonana tao Korinto i Paoly: “Tena afaka miteny amim-pahatsorana aminareo aho. Lehibe ny reharehako ny aminareo.” (2 Korintianina 7:4) Tsy nisalasala nanao teny fiderana tamin’ny mpiray finoana taminy i Paoly, rehefa hitany fa mendrika izany izy ireo. Tena tia azy ireo izy, ka nifantoka tamin’ny toetra tsarany, na dia fantany aza fa nanana ny fahalemeny izy ireo. Mampahery ny fiangonana koa ny anti-panahy ankehitriny, rehefa tsy misalasala manao teny fiderana sy mampahery ny mpiray finoana aminy.

Mila mampihatra izay ampianariny ny Kristianina rehetra, raha tiany hisy vokany tsara ny fampianarany. Naniry hampirisika ny zanany mba hitory tany am-pianarana i Sherry, ilay voaresaka tetsy aloha. Hoy izy: “Notezaina tao amin’ny fahamarinana aho, nefa tsy nitory firy tany am-pianarana. Ary na amin’izao fotoana izao aza dia mahalana aho vao mba mitory tsy ara-potoana. Nieritreritra aho hoe: ‘Izany ve no modely omeko ny zanako?’ ” Izany no nahatonga an’i Sherry hiezaka bebe kokoa mba hitory tsy ara-potoana.

Mandinika izay ataontsika tokoa ny hafa, ary hitany rehefa tsy mampihatra izay ampianarintsika isika. Aoka àry isika hampifanaraka ny ataontsika amin’izay lazaintsika, mba ho sahy hiteny.

Rehefa mivavaka

Tena ilaina indrindra ny fahasahiana miteny, rehefa mivavaka amin’i Jehovah. Malalaka tanteraka isika ny hamboraka aminy izay rehetra ao am-pontsika, sady matoky fa hihaino antsika izy ary hamaly ny vavaka ataontsika. Mahatonga antsika hiraiki-po sy hifandray akaiky amin’ilay Raintsika any an-danitra izany. Tsy tokony hihevi-tena ho tsy misy vidiny mihitsy isika, ka hisalasala hiresaka amin’i Jehovah. Ahoana anefa raha tsy sahy milaza aminy izay ao am-pontsika isika, satria mahatsiaro tena ho meloka noho ny fahalementsika na ny fahotantsika? Mbola afaka miresaka malalaka amin’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao ihany ve isika, na izany aza?

Afaka matoky isika fa hihaino ny vavaka ataontsika izy, noho ilay toerana ambony tanan’i Jesosy amin’ny maha Mpisoronabe azy. Izao no vakintsika ao amin’ny Hebreo 4:15, 16: “Tsy mba mpisoronabe tsy mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika no ananantsika, fa izay efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika koa, nefa tsy nanota. Koa aoka àry isika hanatona ny seza fiandrianan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, ary ho sahy hiteny rehefa manao izany. Amin’izay isika dia hahazo famindram-po ary hanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, mba hahazoana fanampiana amin’ny fotoana mety.” Izany no voka-tsoa azontsika noho ny fahafatesan’i Jesosy sy ny maha Mpisoronabe azy.

Afaka matoky isika fa hihaino antsika i Jehovah, raha miezaka ny hankatò azy amin’ny fo manontolo isika. Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona: “Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia afaka miteny amin’Andriamanitra amim-pieritreretana madio isika. Koa na inona na inona angatahintsika dia raisintsika avy aminy izany, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.”—1 Jaona 3:21, 22.

Azontsika lazaina amin’i Jehovah ao anatin’ny vavaka daholo ny zava-drehetra, na inona izany na inona. Azontsika lazaina aminy izay mampahatahotra, na mampanahy, na mampitebiteby antsika. Afaka matoky isika fa hanongilan-tsofina amin’ny vavaka vokatry ny fo ataontsika foana izy. Na dia mety ho nanao fahotana lehibe aza isika, ka mahatsiaro tena ho meloka, dia afaka miresaka malalaka aminy, raha tena mibebaka.

Fanomezana tena sarobidy tokoa ny fahasahiana miteny. Izy io no ahafahantsika manome voninahitra an’Andriamanitra, rehefa mitory sy mampianatra. Izy io koa no ahafahantsika mivavaka aminy, ka mahatonga antsika ho akaiky kokoa azy. Aoka àry isika tsy ‘hanary ny fahasahiana miteny, fa mitondra valisoa lehibe izany’, dia ny fiainana mandrakizay.—Hebreo 10:35.

[Sary, pejy 13]

Sahy niteny ny apostoly Paoly

[Sary, pejy 15]

Tokony hifanaraka amin’izay lazaintsika ny ataontsika, raha tiantsika hisy vokany ny fampianarantsika

[Sary, pejy 16]

Tena ilaina ny fahasahiana miteny rehefa mivavaka