Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana II

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana II

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana II

EFA ampoizintsika mpanompon’i Jehovah ny fitsapana. Hoy mantsy ny apostoly Paoly: “Henjehina koa izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 3:12) Inona no hanampy antsika hiaritra fitsapana sy fanenjehana, ka hanaporofo ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra?

Hanampy antsika amin’izany ny fizarana faharoa amin’ireo fizarana dimy amin’ny salamo. Asehon’ny Salamo 42 ka hatramin’ny 72 fa raha maniry hiaritra fitsapana isika, dia tsy maintsy matoky tanteraka an’i Jehovah, sy mianatra miandry azy mba hamonjy antsika. Lesona sarobidy ho antsika tokoa izany! Tena “velona sy mahery” ny Tenin’Andriamanitra manontolo, na dia ankehitriny aza, anisan’izany ny hafatra ao amin’io Boky Faharoa amin’ny Salamo io.—Hebreo 4:12.

JEHOVAH NO “ARO SY HERY” HO ANTSIKA

(Salamo 42:1–50:23)

Tany an-tsesitany ny Levita iray, ary nalahelo fa tsy afaka nanompo an’i Jehovah tao amin’ny tempoliny. Nampahery tena izy, ary nilaza hoe: “Nahoana no mitanondrika hianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra hianao.” (Salamo 42:5, 11; 43:5) Ireo teny miverimberina ireo no manambatra ho tononkalo iray ihany, an’ireo fizarana telo ao amin’ny Salamo 42 sy 43. Fitalahoana ho an’ny firenen’i Joda, izay tao anatin’ny fahoriana, ny Salamo 44. Nandrahona ny hanafika an’io firenena io angamba ny Asyrianina, tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka.

Hira momba ny fampakaram-badin’ny mpanjaka kosa ny Salamo 45, sady faminaniana momba ny Fanjakan’ny Mesia. Ireo salamo telo manaraka dia milazalaza an’i Jehovah ho “aro sy hery” ho antsika, “mpanjaka lehibe ambonin’ny tany rehetra”, ary “fiarovana avo.” (Salamo 46:1; 47:2; 48:3) Kanto erỳ ireo teny ao amin’ny Salamo 49, izay nentina hampisehoana fa “tsy misy [olona] mahavotra ny rahalahiny”! (Salamo 49:7) Ny zanak’i Kora no heverina fa namorona ireo salamo valo voalohany, amin’io fizarana faharoa amin’ny bokin’ny Salamo io. I Asafa kosa no namorona ny fahasivy, izany hoe ny Salamo 50.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

44:19—Inona ilay hoe “fitoeran’ny amboadia”? Lasa sakafon’ny amboadia ireo maty teo amin’ny toeram-piadiana iray. Io toerana io angamba no noresahin’ny mpanao salamo.

45:13, 14a—Iza ilay “zanakavavin’ny mpanjaka” izay “entina ho ao amin’ny mpanjaka”? Zanakavavin’i Jehovah Andriamanitra, ilay “Mpanjakan’ny mandrakizay”, izy io. (Apokalypsy 15:3) Izy io dia ny fiangonana be voninahitry ny Kristianina 144 000, izay nohosoran’i Jehovah tamin’ny fanahiny sy natsangany ho zanany. (Romanina 8:16) Io ‘zanakavavin’i’ Jehovah io dia “voaomana tahaka ny ampakarina mihaingo hihaona amin’ny vadiny”, dia ny Mesia Mpanjaka.—Apokalypsy 21:2.

45:14b, 15—Iza no mifanitsy amin’ireo “zazavavy”? Izy ireo dia ilay “vahoaka be” mpanaraka ny fivavahana marina, izay manohana sy miaraka amin’ny sisa voahosotra. Tafavoaka velona “avy tamin’ny fahoriana lehibe” izy ireo, ka ho eto an-tany rehefa hatao any an-danitra ny fampakaram-badin’ny Mesia Mpanjaka. (Apokalypsy 7:9, 13, 14) ‘Hifaly sy hiravoravo’ izy ireo, amin’izay fotoana izay.

45:16—Ahoana no hetezan’ny hoe hisolo toerana an’ireo razamben’ny mpanjaka ny zanany? Nanana razambe olombelona i Jesosy, rehefa teraka teto an-tany. Ho lasa zanany ireny rehefa hatsangany amin’ny maty, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Hotendrena ho “mpanapaka” na andriana manerana ny tany manontolo ny sasany amin’izy ireo.

50:2—Nahoana i Jerosalema no antsoina hoe “tena fahatsaran-tarehy”? Tsy ny hatsaran’ny tanànan’i Jerosalema no nahatonga izany, fa noho izy io nataon’i Jehovah kanto ka nampiasainy ho toerana nisy ny tempoliny sy ho tanànan’ny mpanjakany.

Lesona ho antsika:

42:1-3. Maniry mafy hahazo rano ny dieravavy any an-tany efitra, ary toy izany koa fa maniry mafy an’i Jehovah ilay Levita. Nalahelo mafy izy rehefa tsy afaka nanompo an’i Jehovah tao amin’ny tempoliny. ‘Ny ranomasony no fiahiny [na sakafony] andro aman’alina’, izany hoe nanjary tsy nahahinan-kanina izy. Moa ve isika koa tsy tokony hankasitraka lalina ny fanompoana an’i Jehovah, miaraka amin’ireo mpiray finoana amintsika?

42:4, 5, 11; 43:3-5. Raha tafasaraka vetivety amin’ny fiangonana kristianina isika, noho ny antony tsy miankina amintsika, dia hanohana antsika ny fitadidiana ny fiarahana nahafaly tamin’ireo rahalahy. Mety ho vao mainka hahatsiaro ho manirery isika, amin’ny voalohany. Hampahatsiahy antsika anefa izany fa Andriamanitra no aro ho antsika, ary mila miandry azy isika mba hahazoana fanamaivanana.

46:1-3. Tsy maintsy matoky tanteraka isika fa “Andriamanitra no aro sy hery ho antsika”, na inona na inona loza atrehintsika.

50:16-19. Tsy manana zo hisolo tena an’Andriamanitra, ny olona mamitaka sy zatra manao ratsy.

50:20. Tokony hanadino ireo fahadisoan’ny hafa isika, fa tsy ho mailaka hiresaka izany.—Kolosianina 3:13.

MIANDRASA AN’ANDRIAMANITRA IANAO, RY FANAHIKO

(Salamo 51:1–71:24)

Manomboka amin’ny vavaka vokatry ny fo nataon’i Davida taorian’ny nanotany tamin’i Batseba, ireo Salamo ireo. Hita ao amin’ny Salamo 52 ka hatramin’ny 57, fa hafahan’i Jehovah ny olona mametraka ny entany aminy sy miandry ny famonjeny. Nanao an’i Jehovah ho fialofany tamin’ny fahoriany rehetra i Davida, araka ny Salamo 58-64. Nihira izy hoe: “[Miandrasa an’Andriamanitra] tokoa hianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.”—Salamo 62:5.

Tokony handrisika antsika ‘hankalaza ny voninahitry ny anarany’, ny fifandraisantsika akaiky amin’ilay Mpamonjy antsika. (Salamo 66:2) Midera an’i Jehovah noho ny fahalalahan-tanany ny Salamo 65, noho ny famonjeny ny Salamo 67 sy 68, ary noho ny maha Mpanafaka azy ny Salamo 70 sy 71.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

51:12—An’iza ilay “fanahy mazoto” nangatahin’i Davida hanohana azy? Tsy ny fahavononan’i Jehovah hanampy na ny fanahiny masina no tian’i Davida holazaina eo, fa ny toe-tsainy ihany. Mangataka amin’Andriamanitra izy mba hanome azy faniriana hanao ny marina.

53:1—Nahoana no lazaina fa “adala” ny olona tsy mino an’Andriamanitra? Tsy olona marary saina no tondroina amin’izany, fa olona adala eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena. Manaporofo izany ny firesahan’ny Salamo 53:1-4 momba ny fitondran-tena ratsy aterak’izany.

58:3-5—Nahoana ny ratsy fanahy no lazaina fa sahala amin’ny bibilava? Toy ny poizin’ny menarana ny lainga lazainy momba ny hafa. Manimba ny laza tsaran’ny olona izy, toy ny animban’ny poizin’ny menarana ny vatana. “Tahaka ny vipera marenina izay manentsin-tadìny” ny ratsy fanahy, ka tsy mihaino tari-dalana na fanitsiana.

58:7—Nahoana no lazaina fa “ritra tahaka ny rano-trambo” ny ratsy fanahy? Ireo lohasaha falehan-driaka sasany tao amin’ny Tany Nampanantenaina angamba no tao an-tsain’i Davida. Niakatra ny haavon’ny rano teo amin’ireny lohasaha ireny, rehefa nisy ranotrambo. Ritra sy nanjavona vetivety anefa izany. Nivavaka àry i Davida teo, mba hanjavona vetivety toy izany ny ratsy fanahy.

68:13—Ahoana no nahatonga ny ‘ela-boromailala hiravaka volafotsy, ary ny volony hiravaka volamena tsara’? Miloko manga manopy volondavenona ny voromailala sasany, ka mamirapiratra ny faritra sasany amin’ny volony. Mangirana toy ny vy mivolondavenona ireny volo ireny, rehefa azon’ny tara-masoandro mivolombolamena. Nampitahain’i Davida tamin’ireny voromailala ireny angamba ireo miaramila israelita tonga avy nandresy, satria sady nahery nanidina no namirapiratra ny voromailala. Misy manam-pahaizana milaza fa mety hanondro zavakanto azo babo sy natao fahatsiarovana koa io filazalazana io. Na ahoana na ahoana, dia noresahin’i Davida teo ny fandresena nomen’i Jehovah ny vahoakany nanoloana ny fahavalony.

68:18—Iza ireo “fanomezana teo amin’ny olombelona”? Anisan’ireo olona nentina ho babo nandritra ny nanafihana ny Tany Nampanantenaina ireo lehilahy ireo. Notendrena hanampy ny Levita tamin’ny asany izy ireo, tatỳ aoriana.—Ezra 8:20.

68:30—Inona no tiana holazaina amin’ilay fangatahana hoe “teneno mafy ny biby eny anaty zozoro”? Noharin’i Davida tamin’ny biby, na bibidia, ny fahavalon’ny vahoakan’i Jehovah. Nangatahiny àry Andriamanitra mba hiteny mafy azy ireny, izany hoe hametra ny fahafahany manisy ratsy.

69:23—Inona no dikan’ny hoe ‘mampangozohozo ny valahan’ny fahavalo’? Tena ilaina ny hozatra ao amin’ny valahana, na andilana, rehefa manao asa mafy toy ny fibatana sy fitondrana enta-mavesatra. Raha mangozohozo ny andilana dia midika izany fa mihena ny herin’ilay olona. Nivavaka àry i Davida teo, mba hihenan’ny herin’ny fahavalony.

Lesona ho antsika:

51:1-4, 17. Tsy voatery hampanalavitra antsika amin’i Jehovah Andriamanitra ny fanaovana fahotana. Afaka matoky isika fa hamindrany fo, raha mibebaka.

51:5, 7-10. Nandova ota isika ka afaka mangata-pamelana amin’i Jehovah, raha nanota. Tokony hivavaka aminy koa isika mba hanadio sy hamerina antsika, hanampy antsika hanaisotra ao am-po ny fironan-dratsy hanota, ary hanome toe-tsaina miorina tsara.

51:18. Nandrahona ny fiadanan’ilay firenena manontolo ny fahotan’i Davida. Nivavaka àry izy mba hankasitrahan’Andriamanitra an’i Ziona. Matetika koa no manala baraka ny anaran’i Jehovah sy ny fiangonana ny fahotana lehibe ataontsika. Mila mivavaka amin’Andriamanitra àry isika, mba hanaisotra izay voka-dratsy mety ho nateraky ny zavatra nataontsika.

52:8. Afaka ny ho toy ny “hazo oliva maitso ao an-tranon’Andriamanitra” isika, izany hoe akaiky an’i Jehovah sy mahita vokatra eo amin’ny fanompoana, raha mankatò azy sy manaiky an-tsitrapo ny famaizany.—Hebreo 12:5, 6.

55:4, 5, 12-14, 16-18. Nalahelo mafy i Davida rehefa nikomy taminy i Absaloma zanany, ary namadika azy i Ahitofela mpanolo-tsaina nitokisany. Tsy nampihena ny fatokisany an’i Jehovah anefa izany. Tsy tokony havelantsika hampihena ny fatokisantsika an’Andriamanitra ny alahelo mafy.

55:22. Ahoana no ametrahantsika amin’i Jehovah ny entantsika? Manao izany isika, raha 1) mivavaka aminy momba izay mampanahy antsika, 2) miantehitra amin’ny Teniny sy ny fandaminany mba hitari-dalana sy hanampy, ary 3) manao araka izay azontsika atao mba hanamaivanana izay mitranga.—Ohabolana 3:5, 6; 11:14; 15:22; Filipianina 4:6, 7.

56:8. Tsy ny manjo antsika ihany no takatr’i Jehovah, fa ny fiantraikan’izany eo amin’ny toe-pontsika koa.

62:11. Tsy mila miantehitra amin’ny hery hafa ivelan’ny tenany Andriamanitra, satria izy mihitsy no loharanon’ny hery. “An’Andriamanitra ny hery.”

63:3. “Tsara noho ny aina ny famindrampon[’Andriamanitra]”, satria zava-poana ny fiainana raha tsy misy azy io. Hendry isika raha miezaka hinamana amin’i Jehovah.

63:6. Fotoana mety tsara mba hisaintsainana ny alina, satria mangina sy tsy misy fanelingelenana.

64:2-4. Manaratsy laza ny tsy manan-tsiny ny fifosana. Tsy tokony hihaino na hampiely fosafosa isika.

69:4. Fahendrena indraindray ny ‘manonitra’, ka miala tsiny, mba hitandroana ny fihavanana, na dia tsy resy lahatra aza isika hoe nanao ny tsy mety.

70:1-5. Henon’i Jehovah ny antso vonjy ataontsika. (1 Tesalonianina 5:17; Jakoba 1:13; 2 Petera 2:9) Avelan’Andriamanitra hitohy ny fitsapana, indraindray, nefa hanome fahendrena sy hery ho antsika izy, mba hiaretana an’ilay toe-javatra. Tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika izy.—1 Korintianina 10:13; Hebreo 10:36; Jakoba 1:5-8.

71:5, 17. Nanana herim-po sy tanjaka i Davida tamin’izy mbola tanora, satria natoky an’i Jehovah, na dia talohan’ny niadiany tamin’ilay Filistinina goavam-be atao hoe Goliata aza. (1 Samoela 17:34-37) Tokony hitoky amin’i Jehovah ny tanora, amin’ny zava-drehetra ataony. 

“Aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny”

Mahakasika ny fitondran’i Solomona ny Salamo 72, izay hira farany ao amin’ilay fizarana faharoa amin’ny bokin’ny Salamo. Milaza mialoha momba ny toe-piainana hisy mandritra ny fotoana hanjakan’ny Mesia koa izy io. Fitahiana tena lehibe tokoa no lazaina ao, satria hisy ny tena fiadanana, hifarana ny fampahoriana sy herisetra, ary hamokatra be ny tany! Ho anisan’ireo hahazo an’izany sy ny fitahiana hafa hoentin’ilay Fanjakana ve isika? Ho anisan’izy ireo tokoa isika, raha faly miandry an’i Jehovah, toy ny nataon’ny mpanao salamo, ka manao azy ho aro sy hery ho antsika.

“Tapitra” amin’izao teny izao ny ‘vavak’i Davida’: “Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; izy irery ihany no manao fahagagana; ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.” (Salamo 72:18-20) Aoka koa isika hidera an’i Jehovah sy hankalaza ny anarany malaza, amin’ny fontsika manontolo.

[Sary, pejy 9]

Fantatrao ve hoe iza no mifanitsy amin’ilay “zanakavavin’ny mpanjaka”?

[[Sary, pejy 10, 11]

Fantatrao ve hoe nahoana i Jerosalema no antsoina hoe “tena fahatsaran-tarehy”?