Ho Afa-po Ianao Raha Mampihatra ny Toro Lalan’ny Baiboly
Ho Afa-po Ianao Raha Mampihatra ny Toro Lalan’ny Baiboly
AZO antoka fa efa nahita saka natoritory ianao. Toy ny hoe afa-po erỳ ny fahitana azy. Azo inoana fa tena tiantsika koa ny hatoritory toy izany sady ho afa-po! Sarotra ho an’ny olona maro anefa ny mahita fahafaham-po. Ary miserana ihany izany raha misy aza. Nahoana?
Satria tsy lavorary isika, ka matetika no manao fahadisoana. Tsy maintsy mizaka ny fahadisoan’ny hafa koa isika. Ankoatra izany, dia milaza ny Baiboly fa miaina amin’ny “andro farany” isika, ary “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izy io. (2 Timoty 3:1-5) Mety ho nahafa-po antsika ihany angamba ny fiainantsika tamin’ny mbola kely. Tena ‘sarotra’ anefa ny fiainan’ny ankamaroantsika ankehitriny. Afaka ny ho afa-po àry ve isika?
Mariho fa tsy milaza ny Soratra Masina hoe tsy azo setraina izao fotoan-tsarotra izao. Lazainy kosa fa tsy mora setraina izy io. Ho vitantsika ny hiatrika azy io raha manaraka ny toro lalan’ny Baiboly isika. Mety tsy ho voavahantsika foana ny olana manjo antsika, nefa ho afa-po ihany isika. Andeha isika handinika toro lalana telo hanampy antsika ho afa-po.
Tadidio foana fa voafetra ny zavatra vitanao
Mba ho afa-po, dia tsy maintsy mitadidy foana isika fa voafetra ny zavatra vitantsika sy ny olon-kafa. Hoy mantsy ny apostoly Paoly, ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23) Tena tsy takatry ny saintsika ny lafiny maro amin’ny voninahitr’i Jehovah. Jereo fotsiny, ohatra, ity zavatra tsotra voalazan’ny Genesisy 1:31 ity: “Hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” Isaky ny mitodika ny lasa i Jehovah, ka mijery ny zavatra nataony, dia afaka miteny foana izy fa “tsara indrindra izany.” Tsy afaka miteny toy izany foana anefa ny olombelona. Mila miaiky àry isika fa voafetra ny zavatra vitantsika. Izany no tokony hatao voalohany raha te ho afa-po. Misy zavatra hafa ilaintsika hatao koa anefa. Mila fantatsika sy ekentsika ny fiheveran’i Jehovah antsika.
Midika ara-bakiteny hoe “tsy mahavoa an’izay kendrena” ny teny grika nadika hoe “ota.” Indro misy ohatra, mba hanazavana izany: Asaina mitifitra zavatra amin’ny zana-tsipìka ny olona iray, ary homena loka raha mahavita izany. Afaka mitifitra intelo izy. Tsy voa ilay zavatra, amin’ny voalohany, fa misy elanelany iray metatra. Miezaka mitifitra tsara kokoa izy avy eo, nefa mbola misy elanelany 30 santimetatra. Miezaka mifantoka tanteraka izy amin’ny farany, ka roa santimetatra sisa no tsy nahavoa an’ilay zavatra. Efa saika voatifitra ilay izy, nefa indrisy fa mbola tsy voa foana!
Diso fanantenana ilay mpilalao. Toy izany koa isika rehetra. Toa tsy mahavita zavatra tsara mihitsy isika indraindray. Toy ny hoe ‘tsy voantsika’ mihitsy ‘izay kendrentsika.’ Mahavita zavatra tsara kokoa isika amin’ny fotoana hafa, nefa mbola tsy afa-po ihany. Sorena isika, satria
efa niezaka mafy nefa mbola tsy tsara ihany ny zavatra vitantsika. Andeha hiverenantsika kely ilay mpilalao.Kivy izy ka miala moramora. Tena naniry hahazo an’ilay loka mantsy izy. Tampoka teo anefa dia miantso azy ny tompon’andraikitra amin’ilay lalao ka manome azy loka, sady miteny hoe: “Tiako homena anao ity, satria mahafinaritra ahy ianao. Hitako koa hoe niezaka mafy ianao.” Faly erỳ ilay mpilalao!
Ho faly toy izany koa izay rehetra mahazo an’ilay “fanomezana” avy amin’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay sy lavorary! (Romanina 6:23) Ho tonga lafatra daholo ny zavatra hataon’izy ireo aorian’izay. Toy ny hoe ho voany foana izay kendreny, ka ho afa-po tanteraka izy. Raha mitadidy izany isika mandra-pahatongan’io fotoana io, dia ho afa-po kokoa amin’ny zava-bitantsika sy ny an’ny hafa.
Ekeo fa mila fotoana ny zava-drehetra
Mila fotoana ny zava-drehetra. Voamarikao anefa ve fa sarotra ny ho afa-po, rehefa toa ela kokoa tsy araka ny nantenainao ny zavatra andrasanao? Na koa toa maharitra ela kokoa tsy araka ny noeritreretinao, ny toe-javatra mahasorena anao? Afa-po ihany anefa ny olona sasany, na dia ao anatin’ny toe-javatra toy izany aza. Diniho ny ohatr’i Jesosy.
Nankatò foana izy tany an-danitra, ka nanome modely niavaka. Teto an-tany anefa izy vao “nianatra nankatò.” Tamin’ny fomba ahoana? “Avy tamin’ny zavatra niaretany.” Mbola tsy nijaly mihitsy izy taloha, fa nahita ny olona nijaly fotsiny. Niatrika zava-tsarotra maro anefa izy teto an-tany, indrindra nanomboka tamin’ny batisany tao Jordana, ka hatramin’ny nahafatesany tany Golgota. Tsy fantatsika amin’ny an-tsipiriany ny zavatra tsy maintsy nianarany, mba hahatonga azy ho “lavorary” teo amin’ny fankatoavana. Mazava ho azy anefa fa nila fotoana izany.—Hebreo 5:8, 9.
Nahomby i Jesosy satria nieritreritra “ilay fifaliana natao teo anoloany”, dia ny valisoa ho azony raha tsy mivadika izy. (Hebreo 12:2) Indraindray anefa dia ‘nitalaho sy niangavy, ary nitaraindraina mafy sy nitomany’ izy. (Hebreo 5:7) Mety hanao toy izany koa isika indraindray rehefa mivavaka. Ahoana no fahitan’i Jehovah an’izany? Milaza ilay andininy fa nihaino an’i Jesosy izy. Hihaino antsika koa àry izy. Nahoana?
Satria fantatr’i Jehovah ny fetran’ny zavatra vitantsika, ka manampy antsika izy. Misy fetrany ny zavatra azontsika tsirairay zakaina. Misy ohabolana toy izao, ohatra, atsy Bénin, Afrika: “Na ny sahona aza dia ho faty raha be loatra ny rano.” Fantatr’i Jehovah tsara rehefa manomboka tsy zakantsika intsony ny manjo antsika. Isika aza mbola tsy mahalala izany mihoatra noho izy. Tia antsika izy, ka ‘mamindra fo sy maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, mba hahazoantsika fanampiana amin’ny fotoana mety.’ (Hebreo 4:16) Nanao izany tamin’i Jesosy izy, ary mbola manao izany amin’ny olona maro be koa. Nahatsapa izany i Monika.
Tsy mba nanana olana firy i Monika, tamin’ny mbola kely. Navitrika sy falifaly koa izy. Taitra be izy tamin’ny 1968, tamin’izy vao 20 taona mahery kely, rehefa nahafantatra fa voan’ny
aretina atao hoe sclérose en plaques. Mampahalemy ny faritra sasany amin’ny vatana io aretina io mazàna. Nanova tanteraka ny fiainany izany, ary nahatonga azy tsy maintsy nanao fanovana lehibe teo amin’ny fanompoany manontolo andro. Fantany fa haharitra ela ilay aretina. Hoy izy, 16 taona tatỳ aoriana: “Mbola tsy misy fanafany ny aretiko, ary mety tsy ho sitrana mihitsy mandra-pahatongan’ny tontolo vaovao. Ho vaovao mantsy ny zava-drehetra amin’izay.” Niaiky izy fa tsy mora ny miatrika an’ilay izy. Hoy izy: ‘Marina fa milaza ny namako hoe mbola falifaly sy be fanantenana foana aho. Fantatry ny namako akaiky indrindra anefa, fa migogogogo be aho indraindray.’Hoy anefa izy: “Nianatra ny hanam-paharetana aho. Nianatra ny hifaly koa aho raha vao mihatsara ny fahasalamako, na dia kely aza. Lasa nanatona kokoa an’i Jehovah aho, rehefa nahita fa tena tsy afa-manoatra ny olombelona, manoloana ny aretina. I Jehovah ihany no afaka mitondra tena fanasitranana.” Mbola afa-po foana i Monika, noho ny fanampian’i Jehovah. Mahatsiaro ireo 40 taona mahery nanompoany manontolo andro izy izao.
Marina fa tsy mora ny toe-javatra toy izay nanjo an’i Monika. Azo antoka anefa fa ho afa-po kokoa ianao, raha manaiky fa mety hila fotoana kokoa noho ny noeritreretinao ny zavatra sasany. Afaka matoky toa an’i Monika ianao, fa hanome “fanampiana amin’ny fotoana mety” i Jehovah.
Aza mampitaha tena amin’ny hafa ary manàna tanjona azo tratrarina
Tsy misy olona mitovy tanteraka aminao. Hoy ny ohabolana afrikanina iray: “Tsy mitovy ny halavan’ny rantsantanana rehetra.” Ho hadalana àry ny hampitaha azy ireo. Azo inoana fa tsy tianao hampitaha anao amin’ny olon-kafa i Jehovah, ary tsy hanao izany mihitsy koa izy. Fanaon’ny olombelona anefa ny mampitaha ny tenany amin’ny hafa. Mety hahatonga azy tsy ho afa-po izany. Mariho ny fomba nampisehoan’i Jesosy izany mazava tsara, ao amin’ilay fanoharana ao amin’ny Matio 20:1-16.
Niresaka momba ny “lehilahy” iray nitady olona hiasa any an-tanimboalobony izy. Nahita olona vitsivitsy tsy nanana asa ilay lehilahy, ary nanakarama azy ireo vao “maraina be”, angamba tamin’ny enina ora. Vola denaria iray no karama nifaneken’izy ireo. Izany no karama fanome an’izay niasa adiny 12, na tontolo andro. Azo antoka fa faly ireo lehilahy ireo satria nahita asa, sady hahazo karama iray andro. Mbola nahita olon-kafa tsy nanana asa ilay lehilahy tamin’ny 9 ora maraina sy tamin’ny 12 ora ary tamin’ny 3 ora hariva, ka nanakarama azy ireo koa. Nisy mihitsy aza tamin’ny dimy ora hariva. Tsy nisy niasa tontolo andro ireo farany ireo. Nampanantena ilay lehilahy fa ‘izay karama ara-drariny tokony ho azy ireo’ no homeny, ary nanaiky ireo mpiasa.
Nasain’ilay lehilahy nantsoin’ny lehiben’ny mpiasa ireo niasa rehetra, nony hariva ny andro, ary naloa ny karamany. Ireo niasa farany no nasainy nomena karama voalohany. Adiny iray monja izy ireo no niasa, nefa nahagaga fa karama iray andro no azony. Azontsika sary an-tsaina angamba ny kotaba naterak’izany. Nanantena ireo niasa adiny 12, fa hahazo vola bebe kokoa. Denaria iray koa anefa no azony.
Nanao ahoana ny fihetsik’izy ireo? “Nimonomonona tamin’ilay tompon’ny tanimboaloboka izy ireo nony nahazo izany, ka nilaza hoe: ‘Ireo farany ireo niasa adiny iray monja, kanefa nataonao nitovy taminay izay nisasatra nandritra ny andro sy niaritra ny hafanana mandoro!’ ”
Hafa anefa ny hevitr’ilay tompon’ny tanimboaloboka. Nilaza izy fa izay karama nifanekena no azon’izy ireo, fa tsy latsaka noho izany. Nifidy ny hanome karama iray andro ho an’ireo mpiasa hafa kosa izy, ary betsaka noho ny noeritreretin’izy ireo izany. Tsy nisy nahazo karama latsaka noho izay nifanekena àry ny mpiasa rehetra. Nahazo betsaka kokoa noho izay nantenainy aza ny maro taminy. Tamin’ny farany dia nanontany ilay lehilahy hoe: “Tsy mahazo manao izay tiako amin’ny fananako ve aho?”
Inona anefa no ho nitranga raha ireo tonga niasa voalohany aloha no nomena karama, ary
nandeha avy hatrany avy eo? Mety ho afa-po izy ireo. Lasa tsy afa-po anefa izy ireo, satria hitany fa nitovy ny karamany sy ny an’ireo niasa fotoana fohy kokoa. Tezitra izy ireo, ka nimonomonona tamin’ilay lehilahy mihitsy aza. Azo inoana anefa fa nankasitraka an’io lehilahy io izy ireo tamin’ny voalohany, satria nanome asa ho azy izy io.Hita tsara avy amin’io fanoharana io izay mitranga, rehefa mampitaha tena amin’ny hafa isika. Ho afa-po kosa ianao, raha misaintsaina ny fifandraisanao amin’i Jehovah sy mankasitraka ny fomba nitahiany anao. Aza mampitaha ny fiainanao amin’ny fiainan’ny hafa. Miaraha mifaly aminy raha hitanao fa nanome zavatra bebe kokoa ho azy, i Jehovah.
Misy zavatra antenain’i Jehovah ataonao anefa. Inona izany? Hoy ny Galatianina 6:4: ‘Aoka ny tsirairay samy handinika izay ataony avy, ary amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy.’ Manàna àry tanjona azonao tratrarina. Mieritrereta zavatra azonao antoka fa ho vitanao, ary ataovy izay hahatratrarana an’ilay izy. “Hanana antom-pifaliana” ianao raha mahatratra ilay tanjona, ary ho afa-po.
Hahazo valisoa ianao
Hita avy amin’ireo toro lalana telo ireo, fa ho afa-po tokoa isika raha manaraka ny toro lalan’ny Baiboly, na dia amin’izao andro farany izao aza, ary na tsy lavorary aza. Nahoana raha mikaroka an’ireny toro lalana ireny, rehefa mamaky Baiboly isan’andro? Mety ho hitanao avy hatrany izy ireny, na mila karohina ao anaty tantara na fanoharana.
Raha tsapanao fa mihatsy afa-po ianao, dia miezaha mamantatra ny tena antony. Karohy avy eo ireo toro lalana azonao ampiharina mba hanitsiana izany. Mety ho azonao jerena, ohatra, ny pejy faha-110-111 ao amin’ny boky “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa.” * Fakafakaina ao ny bokin’ny Ohabolana, ary misy lohatenikely 12 miresaka toro lalana sy torohevitra maro ao. Manome fanazavana tena tsara koa ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah * sy ny Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny CD-ROM. * Ho mora aminao ny hahita toro lalana azo ampiharina, rehefa ampiasainao matetika ireny fitaovana ireny.
Ho avy ny fotoana hanomezan’i Jehovah fiainana mandrakizay sy lavorary ho an’izay mendrika. Hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany izy ireo, ary ho afa-po tanteraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 30 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
^ feh. 30 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
^ feh. 30 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
[Teny notsongaina, pejy 12]
“Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.”—Romanina 3:23
[Teny notsongaina, pejy 13]
“Nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany” i Jesosy.—Hebreo 5:8, 9
[Teny notsongaina, pejy 15]
“Hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.”—Galatianina 6:4