Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ilay Ravak’i Galilia”

“Ilay Ravak’i Galilia”

“Ilay Ravak’i Galilia”

ENINA kilaometatra sy sasany monja tany avaratrandrefan’i Nazareta, tanàna nahabe an’i Jesosy, no nisy an’ilay tanàna izay tsy resahin’ny Filazantsara mihitsy. Nidera azy io anefa i Flavius Josèphe, mpahay tantara jiosy nalaza tamin’ny taonjato voalohany, ka niantso azy hoe “ilay ravak’i Galilia.” I Sepphoris io tanàna io. Inona no fantatra momba azy io?

Nikomy tamin’ny Romanina ny mponin’i Sepphoris rehefa maty i Heroda Lehibe, angamba tamin’ny taona 1 T.K., ka niafara tamin’ny fandravana an’ilay tanàna. I Antipasy zanakalahin’i Heroda no nandova an’i Galilia sy Pere, ka nataony renivohitra vaovao i Sepphoris, ary naorina indray. Natao nitovy endrika tamin’ny tanàna grika sy romanina ilay izy, saingy Jiosy ihany ny ankamaroan’ny mponina tao. Nilaza ny Profesora Richard Batey fa lasa “foibe nitantanana ny fanjakan’i Galilia sy Pere” izy io, hatramin’ny taona 21 tany ho any. Nanorina an’i Tiberiasy mantsy i Antipasy tamin’io taona io, ka i Tiberiasy indray no nataony renivohitra. Tamin’izany no nipetraka teny akaikin’i Sepphoris i Jesosy.

Nikaroka ireo sisan-javatra tao amin’ny tanànan’i Sepphoris ny Profesora James Strange, ka nino fa nisy arisiva, toeram-pitahirizana zava-tsarobidy sy fitaovam-piadiana, banky, ary tranom-panjakana tao. Nisy fivarotana fitaratra, firavaka, sakafo isan-karazany, ary fitaovana vita amin’ny seramika sy metaly koa tao. Nisy mpanenona sy mpivarotra akanjo tao amin’ilay tanàna, ary nahitana fivarotana lehibe nisy harona, fanaka, ranomanitra, ary entana hafa. Notombanana fa nisy mponina 8 000 ka hatramin’ny 12 000 tao amin’ilay tanàna, tamin’izany.

Efa mba tao amin’io tanàn-dehibe io ve i Jesosy, satria lalana adiny iray an-tongotra monja avy tao Nazareta izy io? Tsy mamaly izany ny Filazantsara. Milaza anefa Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy), fa “tokony ho nandalo tao Sepphoris, ny lalana avy tao Nazareta nankany Kana, any Galilia.” (Jaona 2:1; 4:46) Tazana avy ao Nazareta ny havoana nisy an’i Sepphoris, satria efa ho 120 metatra ny haavony. Misy mihevitra fa i Sepphoris angamba no tao an-tsain’i Jesosy, rehefa nanao ilay fanoharana momba ny ‘tanàna tsy takona afenina eo an-tampon-tendrombohitra’ izy.—Matio 5:14.

Rehefa rava i Jerosalema tamin’ny taona 70, dia i Sepphoris no lasa tanàna jiosy lehibe indrindra tany Galilia. Tao koa no nisy ny Fitsarana Avo Jiosy tatỳ aoriana. Nandroso be koa ilay tanàna, satria foiben’ny fampianarana ambony jiosy, tamin’ny fotoana sasany.

[Sarintany/​Sary, pejy 32]

(Jereo ny gazety)

Ranomasin’i Galilia

GALILIA

Kana

Tiberiasy

SEPPHORIS

Nazareta

PERE

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Zavatra vita amin’ny tanimanga: Excavated by Wohl Archaeological Museum, Herodian Quarter, Jewish Quarter. Owned by Company for the Reconstruction of the Jewish Quarter in the Old City of Jerusalem, Ltd