Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manambara “Ny Farany Hatramin’ny Voalohany” i Jehovah

Manambara “Ny Farany Hatramin’ny Voalohany” i Jehovah

Manambara “Ny Farany Hatramin’ny Voalohany” i Jehovah

“Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory.”—ISAIA 46:10.

1, 2. Inona no mahavariana momba ireo zava-nitranga tamin’ny fandravana an’i Babylona, ary inona no asehon’izany momba an’i Jehovah?

EFA alina be tamin’izay. Nitsaitsaika nita ny Reniranon’i Eofrata ny miaramila fahavalo, mba hanafika an’i Babylona. Tsy nampoizin’izy ireo ny zavatra hitany, rehefa tonga teo akaikin’io tanàna mahery io izy. Navela nidanadana ny vavahady ben’i Babylona! Niakatra avy teo amin’ilay renirano izy ireo, ary niditra tao an-tanàna. Vetivety dia resy i Babylona. Tsy ela dia nandray fahefana i Kyrosy, ilay mpitari-tafika fahavalo. Namoaka didy hanafahana ny Israelita babo tao Babylona izy, avy eo. Israelita an’arivony no nody tany Jerosalema, mba hamerina tamin’ny laoniny ny fivavahana tamin’i Jehovah.—2 Tantara 36:22, 23; Ezra 1:1-4.

2 Manaiky ny mpahay tantara fa tena nitranga izany, tamin’ny 539-537 T.K. Mahavariana fa efa fantatra 200 taona mialoha tany ho any ireo zavatra ireo. Tamin’izany fotoana izany, dia efa nasain’i Jehovah nanoratra momba ny faharavan’i Babylona i Isaia mpaminaniny. (Isaia 44:24–45:7) Tsy ny zavatra hitranga amin’ny fandravana an’i Babylona ihany no nampahafantariny, fa ny anaran’ilay mpitari-tafika handresy azy koa. * Hoy i Jehovah tamin’ny Israelita, izay vavolombelony tamin’izany andro izany: “Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy, izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory.” (Isaia 46:9, 10a) Mahay mamantatra mialoha izay hitranga tokoa i Jehovah Andriamanitra.

3. Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

3 Inona avy no zavatra fantatr’Andriamanitra mialoha? Fantany mialoha ve izay hataontsika tsirairay? Efa voalahatra ve ny hoavintsika? Hojerentsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka, ny amalian’ny Baiboly izany sy ny fanontaniana hafa mifandray aminy.

Andriamanitry ny faminaniana i Jehovah

4. Avy amin’iza ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly?

4 Mahay mamantatra ny hoavy i Jehovah, ka nampiasa ny mpanompony fahiny mba hanoratra faminaniana maro, hahafantarantsika mialoha izay kasainy hatao. Hoy izy: “Ny amin’ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; ary zava-baovao kosa no toriko izao; na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.” (Isaia 42:9) Tena voninahitra ho an’ny vahoakan’Andriamanitra tokoa izany!

5. Inona no andraikitry ny olona mahafantatra mialoha izay hataon’i Jehovah?

5 Manome toky antsika i Amosa mpaminany hoe: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” Lasa manana andraikitra ny olona iray mahafantatra mialoha izay hataon’i Jehovah. Mariho ny fanoharana mafonja nampiasain’i Amosa taorian’izay. Hoy izy: “Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra?” Manao zavatra avy hatrany ny olona sy ny biby manodidina, rehefa mandre liona mierona. Tonga dia nanambara izay nolazain’i Jehovah koa ireo mpaminany toa an’i Amosa, rehefa nandre ny teniny. “Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?”—Amosa 3:7, 8.

Tsy maintsy tanteraka ny ‘tenin’i’ Jehovah

6. Ahoana no nahatanterahan’ny ‘fikasan’i’ Jehovah momba ny fandravana an’i Babylona?

6 Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra.” (Isaia 46:10b) Nanana ‘fikasana’ momba an’i Babylona Andriamanitra. Anisan’izany ny fiantsoana an’i Kyrosy avy any Persa, mba handresy sy handrava azy. Efa nambaran’i Jehovah ela be mialoha izany fikasany izany. Ary hitantsika teo fa tanteraka tokoa ilay izy, tamin’ny 539 T.K.

7. Nahoana isika no matoky fa tsy maintsy tanteraka ny ‘tenin’i’ Jehovah?

7 Efajato taona teo ho eo talohan’ny nandresen’i Kyrosy an’i Babylona, dia niady tamin’ny tafika amonita sy moabita i Josafata, mpanjakan’i Joda. Natoky an’i Jehovah izy, ka nivavaka hoe: “Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra? Eny, Hianao no manapaka amin’ny fanjakan’ny jentilisa rehetra, ary eo an-tànanao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.” (2 Tantara 20:6) Natoky an’i Jehovah koa i Isaia, ka nilaza hoe: “Jehovah, Tompon’ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?” (Isaia 14:27) Rehefa nody ny sain’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, taorian’ny nahalasa adala azy, dia nanetry tena izy ary niaiky hoe: “Tsy misy mahasakana [an’Andriamanitra], na manao aminy hoe: Inona no ataonao?” (Daniela 4:32) Manome toky ny vahoakany tokoa i Jehovah hoe: ‘Tsy hiverina amiko foana ny teniko, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.’ (Isaia 55:11) Afaka matoky isika fa tanteraka foana ny ‘tenin’i’ Jehovah. Tsy maintsy to ny fikasany.

“Fikasana mandrakizay” an’Andriamanitra

8. Inona ilay “fikasana mandrakizay” an’Andriamanitra?

8 Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Kristianina tao Efesosy, dia nilaza ny apostoly Paoly fa manana “fikasana mandrakizay” Andriamanitra. (Efesianina 3:11) Mety hidika hoe fisainana mialoha, ny teny hoe fikasana. Tsy voatery hisaina mialoha izay hataony anefa Andriamanitra. Ilay “fikasana mandrakizay” resahina eo kosa dia ny fahatapahan-kevitr’i Jehovah hanatanteraka izay nokasainy tany am-boalohany momba ny olombelona sy ny tany. (Genesisy 1:28) Andeha isika handinika ny faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly, mba hahitana fa tsy maintsy ho to ny fikasan’i Jehovah.

9. Inona no ifandraisan’ny Genesisy 3:15 amin’ny fikasan’Andriamanitra?

9 Hita amin’ilay fampanantenana ao amin’ny Genesisy 3:15, fa raha vao nanota i Adama sy Eva dia nanapa-kevitra i Jehovah hoe tsy maintsy hanan-taranaka na zanakalahy ilay vehivavy, vadiny an’ohatra. Fantany mialoha koa ny ho vokatry ny fifandrafiana eo amin’ilay vehivavy sy Satana, ary eo amin’ny taranak’izy ireo. Havelan’i Jehovah hotorotoroina ny ombelahin-tongotry ny Taranak’ilay vehivavy vadiny. Hanorotoro ny lohan’ilay menarana, na i Satana Devoly, kosa anefa io Taranaka io, amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra. Teo am-piandrasana izany, dia tsy nisy nahasakana ny fikasan’i Jehovah. Nanomboka tanteraka ilay izy rehefa nipoitra tsikelikely ireo olona nofidiny ho razamben’ny Mesia, ka teraka i Jesosy, ilay Mesia nampanantenaina.—Lioka 3:15, 23-38; Galatianina 4:4.

Inona no efa voalahatr’i Jehovah?

10. Efa voalahatr’i Jehovah hatramin’ny voalohany ve fa hanota i Adama sy Eva? Hazavao.

10 Niresaka momba ny anjara asan’i Jesosy tao amin’ny fikasan’Andriamanitra ny apostoly Petera, rehefa nanoratra hoe: “Efa fantatra mialoha i Kristy, talohan’ny nanorenana izao tontolo izao. Naseho anefa izy tamin’izao fotoana farany izao, noho ianareo.” (1 Petera 1:20) Efa voalahatr’i Jehovah hatramin’ny voalohany ve fa hanota i Adama sy Eva, ka hila ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy ny olombelona? Tsia. Ilay teny grika nadika hoe ‘fanorenana’ dia midika ara-bakiteny hoe “fametrahana”, ary misy ifandraisany amin’ny fananana anaka. Efa nanana anaka ve i Adama sy Eva talohan’ny nanotany? Tsia. Efa avy nanota izy ireo vao niteraka. (Genesisy 4:1) Araka izany, dia nandahatra ny hisian’ilay ‘taranaka’ i Jehovah, taorian’ny nikomian’i Adama sy Eva, saingy talohan’ny niterahan’izy ireo. Ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fitsanganany tamin’ny maty no nahazoana ny vidim-panavotana, izay nomena tamim-pitiavana mba hanafoanana ny ota nolovana tamin’i Adama, ary hamongorana ny asan’i Satana rehetra.—Matio 20:28; Hebreo 2:14; 1 Jaona 3:8.

11. Inona no efa voalahatr’i Jehovah, mba hanatanterahany ny fikasany?

11 Nisy zavatra hafa efa voalahatr’Andriamanitra koa, mba hanatanterahany ny fikasany. Noresahin’i Paoly tamin’ny Efesianina izany, rehefa nilaza izy fa Andriamanitra dia ‘hanangona indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny eto an-tany.’ “Ny zavatra any an-danitra” dia ireo olom-boafidy mpiray lova amin’i Kristy. Nanazava toy izao i Paoly, momba azy ireo: ‘Notendrena mialoha isika araka ny fikasan’Andriamanitra. Izy mantsy no mampandeha ny fiasan’ny zava-drehetra araka izay kasain’ny sitrapony.’ (Efesianina 1:10, 11) Araka izany, dia efa voalahatr’Andriamanitra fa hisy olona vitsivitsy ho lasa taranaka faharoan’ilay vehivavy vadiny. Hiara-miasa amin’i Kristy izy ireo, mba handraisan’ny olona soa avy amin’ny vidim-panavotana. (Romanina 8:28-30) Nantsoin’ny apostoly Petera hoe “firenena masina” izy ireo. (1 Petera 2:9) Nampahafantarina ny apostoly Jaona tamin’ny alalan’ny fahitana iray, fa 144 000 no ho isan’ireo mpiray lova amin’i Kristy. (Apokalypsy 7:4-8; 14:1, 3) Hiara-manompo amin’i Kristy Mpanjaka izy ireo, mba “ho fiderana [ny voninahitr’Andriamanitra].”—Efesianina 1:12-14

12. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy voalahatra hoe iza no ho anisan’ireo 144 000?

12 Na efa voalahatra aza fa hisy ny 144 000, dia tsy voalahatra kosa hoe iza no ho anisan’izy ireo, ka hanompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana. Ireo fampitandremana ao amin’ny Soratra Grika Kristianina aza dia natao voalohany indrindra ho an’ny voahosotra, mba hitari-dalana sy hampahery azy ireo tsy hivadika sy ho mendrika foana ny fiantsoana ho any an-danitra. (Filipianina 2:12; 2 Tesalonianina 1:5, 11; 2 Petera 1:10, 11) Marina fa fantatr’i Jehovah mialoha hoe hisy olona 144 000 hahafeno fepetra, mba handray anjara amin’ny fanatanterahana ny fikasany. Ny fomba fiaina fidin’ny tsirairay amin’ireo voantso anefa no hamaritra raha ho anisan’ny 144 000 tokoa izy na tsia. Miankina amin’ilay olona izany.—Matio 24:13.

Inona no fantatr’i Jehovah mialoha?

13, 14. Mifanaraka amin’ny inona foana ny famantaran’i Jehovah ny hoavy, ary nahoana?

13 Koa satria Andriamanitry ny faminaniana i Jehovah sady mpanatanteraka ny fikasany, ahoana no ampiasany ny fahaizany mamantatra ny hoavy? Tsy misy isalasalana aloha, fa manao ny marina sy ny rariny ary maneho fitiavana foana Andriamanitra. Rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina hebreo tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Paoly, dia nanamafy fa “zavatra roa tsy mety miova sady tsy hain’Andriamanitra andaingana” ny fianianany sy ny fampanantenany. (Hebreo 6:17, 18) Naveriny indray izany, rehefa nanoratra tamin’i Titosy izy hoe: “Tsy mahay mandainga” Andriamanitra.—Titosy 1:2.

14 Ankoatra izany, dia manao ny rariny foana i Jehovah, na dia tsy manam-petra aza ny heriny. Nilaza i Mosesy fa “Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4) Mifanaraka amin’ny toetra tsarany daholo ny zava-drehetra ataony. Hita amin’ny ataony fa mifandanja tsara ny fanehoany ireo toetrany lehibe indrindra, dia ny fitiavana, ny fahendrena, ny fanaovana ny rariny, ary ny hery.

15, 16. Inona avy no safidy nomen’i Jehovah an’i Adama tao amin’ny saha Edena?

15 Hitantsika amin’ny zava-niseho tao amin’ny saha Edena, ny fomba nanehoan’i Jehovah ireo toetrany ireo. Ray be fitiavana izy, ka nomeny izay rehetra nilainy ny olombelona. Nomeny fahaiza-misaina sy mamakafaka ary manatsoaka hevitra i Adama. Afaka nanao safidy izy, fa tsy toy ny biby izay mazàna baikoin’ny faniriany voajanahary fotsiny. Rehefa avy namorona an’i Adama Andriamanitra, dia nojereny avy tany amin’ny seza fiandrianany any an-danitra “izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.”—Genesisy 1:26-31; 2 Petera 2:12.

16 Nandidy an’i Adama i Jehovah, mba tsy hihinana ny voan’ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” Nomeny toromarika ampy tsara i Adama tamin’izay, mba hahafahany hanapa-kevitra momba izay tokony hataony. Navelany hihinana ny voan’ny ‘hazo rehetra teo amin’ny saha’ izy. Voan’ny hazo iray ihany no tsy azony nihinanana, fa raha tsy izay dia ho faty izy. (Genesisy 2:16, 17) Nampahafantariny an’i Adama izay ho vokatry ny safidy hataony. Inona no nataon’i Adama?

17. Nahoana isika no afaka milaza fa mifidy ny zavatra tiany hofantarina mialoha i Jehovah?

17 Toa nifidy ny tsy hamantatra mialoha izay hataon’i Adama sy Eva i Jehovah, na dia mahay mamantatra mialoha izay rehetra hitranga aza. Ny tokony hoeritreretintsika àry dia tsy hoe mahay mamantatra mialoha izay hitranga ve i Jehovah, fa hoe misafidy ny hanao izany ve izy. Andriamanitra fitiavana koa i Jehovah, ka tsy ho ratsy fanahy sy hanao fanahy iniana handahatra mialoha ny hikomian’i Adama sy Eva, izay niteraka fahavoazana be. (Matio 7:11; 1 Jaona 4:8) Hitantsika amin’izany fa fidin’i Jehovah ny zavatra tiany hofantarina mialoha.

18. Na dia mifidy izay tiany hofantarina mialoha aza i Jehovah, nahoana izany no tsy midika fa tsy lavorary izy?

18 Koa satria mifidy izay tiany hofantarina mialoha i Jehovah, midika ve izany fa tsy lavorary izy? Tsia. Niantso an’i Jehovah hoe “Vatolampy” i Mosesy, ary nilaza fa “tanteraka ny asany.” Tsy tompon’andraikitra amin’ny vokatry ny fahotan’ny olombelona izy. Noho i Adama tsy nankatò no mahatonga antsika rehetra hijaly. Nanazava ny apostoly Paoly fa ‘avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’—Deoteronomia 32:4, 5; Romanina 5:12; Jeremia 10:23.

19. Inona avy no fanontaniana hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Hitantsika tamin’ity lahatsoratra ity, fa tsy manao ny tsy rariny i Jehovah. (Salamo 33:5) Entiny manatanteraka ny fikasany kosa ny fahaizany sy ny toetra tsarany ary ny fitsipiny. (Romanina 8:28) Andriamanitry ny faminaniana izy, ka manambara “ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory.” (Isaia 46:9, 10) Hitantsika teo koa fa mifidy ny zavatra tiany hofantarina mialoha izy. Nahoana izany no mahakasika antsika? Ahoana no handraisantsika fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny fikasana feno fitiavan’Andriamanitra? Ary inona no soa horaisintsika, raha mandray fanapahan-kevitra toy izany isika? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Jereo ny bokikely Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, pejy 28, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no zava-nitranga fahiny, manaporofo fa tanteraka foana ny tenin’Andriamanitra?

• Inona avy no efa voalahatr’i Jehovah, mba hanatanterahany ny ‘fikasany mandrakizay’?

• Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny fahaizany mamantatra mialoha izay hitranga?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 22]

Natoky an’i Jehovah i Josafata

[Sary, pejy 23]

Nilaza mialoha Andriamanitra fa ho faty sy hitsangana amin’ny maty i Jesosy

[Sary, pejy 24]

Efa voalahatr’i Jehovah ve izay hataon’i Adama sy Eva?