Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompo Amim-pifaliana na dia Marary Aza

Manompo Amim-pifaliana na dia Marary Aza

Tantaram-piainana

Manompo Amim-pifaliana na dia Marary Aza

NOTANTARAIN’I VARNAVAS SPETSIOTIS

Lasa nalemy tanteraka aho tamin’ny 1990, tamin’izaho 68 taona. Efa ho 15 taona anefa aho izao no faly mitory manontolo andro eto amin’ny nosin’i Chypre. Ahoana no ahazoako hery mba hanompoana an’i Jehovah foana, na dia marary aza aho?

TERAKA tamin’ny 11 Oktobra 1922 aho. Sivy mianadahy izahay, efa-dahy sy dimy vavy. Nipetraka tao amin’ny tanànan’i Xylophagou, eto Chypre, izahay. Nila niasa mafy teny an-tsaha ny ray aman-dreniko mba hamelomana fianakaviana maro anaka toy izany, na dia azo lazaina aza fa nanan-karena izy ireo.

Tia nianatra sy tia karokaroka i Antonis raiko. Nitsidika an’ilay mpampianatra tao an-tanàna izy taoriana kelin’ny nahaterahako, ka nahita an’ilay taratasy mivalona hoe Polipitran’ny Vahoaka, izay navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny). Nanomboka namaky izy, ary tsy ela dia liana be tamin’izay voalaza tao. Vokatr’izany, dia i Dada sy Andreas Christou namany no anisan’ny olona voalohany nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, teto Chypre.

Nihabetsaka na dia nisy nanohitra aza

Nahazo boky sy gazety hafa avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dada sy Andreas, tatỳ aoriana. Tsy ela izy ireo dia voatosika hilaza ny fahamarinana nianarany avy tao amin’ny Baiboly, tamin’ny mpiray tanàna taminy. Nanohitra be ny fitorian’izy ireo ny mpitondra fivavahana tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika, sy ireo olona nihevitra fa nanimba ny finoan’ny hafa ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanaja an’ireo mpampianatra Baiboly ireo anefa ny olona maro tao an-tanàna. Nalaza ho tsara fanahy sy nalala-tanana i Dada. Matetika izy no nanampy ireo fianakaviana nahantra. Nitsaitsaika niala tao an-trano izy indraindray, tamin’ny alina be, mba hanatitra varimbazaha na mofo teny am-baravaran’ny fianakaviana sahirana. Vao mainka nanintona ny olona ny hafatra notorin’izy mirahalahy, noho izany fahafoizan-tena hanampy ny hafa izany.—Matio 5:16.

Olona 12 teo ho eo àry no liana tamin’ny hafatry ny Baiboly. Nitombo ny fahalalan’izy ireo ny fahamarinana, ka tsapany fa tokony hiara-mivory mba hianatra Baiboly izy ireo. Natao tany an-tranon’olona samihafa izany. Tonga teto Chypre i Nikos Matheakis, mpitory manontolo andro avy any Gresy, ary niara-nivory tamin’ireo olona maromaro tao Xylophagou, tamin’ny 1934 tany ho any. Nanana faharetana sy fikirizana ny Rahalahy Matheakis, ka nanoro azy ireo izay tokony hataony sy nanampy azy hahalala tsara kokoa ny Soratra Masina. Izy ireo no lasa anisan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany teto Chypre.

Nila toeram-pivoriana raikitra izy ireo, rehefa nandroso ny asa fitoriana ary nihamaro ny olona nanaiky ny fahamarinana. Nomen’i George zokiko lahimatoa sy Eleni vadiny mba hivoriana ny trano fasian’izy ireo sakafom-biby, teo akaikin’ny tranony. Namboarina sy novana izy io, mba ho lasa toerana mendrika ny hivoriana. Io no Efitrano Fanjakana voalohany teto Chypre. Velom-pankasitrahana tokoa ireo rahalahy, ka lasa narisika be, ary vao mainka nisy ny fitomboana!

Nandray am-po ny fahamarinana aho

Nanapa-kevitra ny ho mpandrafitra aho tamin’ny 1938, tamin’izaho 16 taona. Nalefan’i Dada tany Nicosie, renivohitr’i Chypre àry aho. Tena malina izy, ka nataony izay hipetrahako tany amin’i Nikos Matheakis. Ny zotom-pon’io rahalahy mahatoky io sy ny fitiavany nandray vahiny no mbola ahatsiarovan’ny olona eto Chypre azy. Be hafanam-po sy herim-po izy, ary tena nilain’ny Kristianina teto Chypre ireo toetra ireo tamin’izany fotoana izany.

Tena nanampy ahy hahalala tsara ny Baiboly sy handroso ara-panahy, ny Rahalahy Matheakis. Nanatrika ny fivoriana rehetra natao tao an-tranony aho, tamin’izaho niara-nipetraka taminy. Tamin’izany aho vao nahatsapa hoe nitombo ny fitiavako an’i Jehovah, ka lasa tapa-kevitra hifandray tsara taminy aho. Nanontaniako ny Rahalahy Matheakis, taorian’ny volana vitsivitsy, raha afaka niara-nitory taminy aho. Tamin’ny 1939 izany.

Nody aho tatỳ aoriana, mba hitsidika ny fianakaviako. Vao mainka aho nino fa nahita ny fahamarinana sy ny antony iainantsika, rehefa niaraka tamin’i Dada nandritra ny fotoana kelikely. Nipoaka ny Ady Lehibe II, tamin’ny Septambra 1939. Tovolahy maro nitovy taona tamiko no nanolo-tena handeha hiady. Izaho kosa nanaraka ny toromariky ny Baiboly ka tsy nandeha. (Isaia 2:4; Jaona 15:19) Nanolo-tena ho an’i Jehovah aho tamin’io taona io, ary natao batisa tamin’ny 1940. Tamin’izay vao tsapako hoe tsy natahotra olona intsony aho!

Nanambady an’i Efprepia aho tamin’ny 1948, ary nanan-janaka efatra izahay. Tsy ela dia takatray fa tsy maintsy niezaka mafy izahay, mba hitaiza azy ireo “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efesianina 6:4) Nivavaka mafy izahay sady nikely aina, mba hananan’izy ireo fitiavana lalina an’i Jehovah ary hanajany ny lalàny sy ny toro lalany.

Nanahiran-tsaina ahy ny aretiko

Nanomboka reko hoe donto ny tanako sy ny ranjoko havanana tamin’ny 1964, tamin’izaho 42 taona. Nitatra tsikelikely tany amin’ny ilako havia izany. Aretin-kozatra tsy azo sitranina no nahazo ahy, ary malemy tanteraka izay voan’izy io, amin’ny farany. Kivy ratsy aho rehefa nahalala izany. Tampoka loatra ilay izy ary tsy nampoiziko! Sorena sy tezitra be aho, ary nieritreritra hoe: ‘Nahoana aho no voan’izany? Fa inona no tsy nety nataoko?’ Vitako ihany ny niatrika izany rehetra izany, rehefa nandeha ny fotoana. Tototry ny fanahiana sy nisafotofoto indray anefa aho tatỳ aoriana. Nisy fanontaniana maro nibosesika tao an-tsaiko. Halemy tanteraka ve aho ka tsy maintsy hiankina amin’ny hafa foana? Ahoana no hiatrehako izany? Mbola ho afaka hamelona ny vady aman-janako ve aho? Nitebiteby be aho nieritreritra an’izany. 

Tamin’izany fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainako izany no tena nahatsapako hoe nila nivavaka tamin’i Jehovah aho, ka namboraka taminy izay rehetra nampanahy sy nampitebiteby ahy. Nivavaka andro aman’alina aho, sady nirotsaka ny ranomasoko. Tsy ela aho dia nahazo hery. Tena tsapako ny fahamarinan’ilay teny mampionona ao amin’ny Filipianina 4:6, 7 hoe: “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”

Ahoana no iatrehako ilay aretina?

Niharatsy foana ny fahasalamako. Takatro fa nisy zavatra tsy maintsy novako haingana teo amin’ny fiainako, noho izaho marary. Tsy afaka nandrafitra intsony aho, ka tapa-kevitra hitady asa tsy dia mafy loatra sy tratran’ny heriko, nefa mbola mahavelona ny fianakaviako. Nivarotra gilasy tamin’ny kamiaonety aho tamin’ny voalohany. Naharitra enin-taona teo ho eo izany. Vao mainka nihanalemy anefa aho ka tsy maintsy nampiasa seza misy kodiarana. Niovaova asa àry aho, ka izay asa maivamaivana vitako no nataoko.

Mbola nihamafy ihany ny aretiko nanomboka tamin’ny 1990, ka tsy afaka niasa intsony aho. Mila fanampiana foana aho izao rehefa hanao zavatra, na dia ny zavatra mahazatra fanaon’ny olona salama aza, toy ny mandeha matory sy misasa ary miakanjo. Rehefa handeha hivory aho, dia tsy maintsy atosika amin’ny seza misy kodiarana hatreo amin’ny fiara ary bataina mankao anaty fiara. Bataina avy ao indray aho rehefa tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana, apetraka eo amin’ny seza misy kodiarana, ary atosika miditra ao amin’ny efitrano. Misy fitaovana elektrika apetraka eo akaikiko mandritra ny fivoriana, mba hampahafana ny tongotro foana.

Saika afaka manatrika ny fivoriana rehetra foana aho, na dia malemy aza. Takatro fa any no ampianaran’i Jehovah antsika, ary tena miaro sy manampy ary mampahery ahy ny miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy. (Hebreo 10:24, 25) Manohana ahy foana koa ny mpiray finoana matotra, izay mitsidika ahy tsy tapaka. Toa an’i Davida, dia tena tsapako hoe ‘feno dia feno ny kapoakako.’—Salamo 23:5.

Tena nanampy ahy ny vady malalako nandritra ireny taona rehetra ireny, ary toy izany koa ny zanako. Efa an-taonany maromaro izao izy ireo no manampy ahy amin’izay ilaiko isan’andro. Tsy mora izany, ary mihasarotra foana koa ny fikarakarana ahy. Fakan-tahaka tokoa ny faharetan’izy ireo sy ny fahafoizan-tenany, ary mivavaka amin’i Jehovah aho mba hitahiany azy ireo foana.

Fanomezana faran’izay tsara avy amin’i Jehovah mba hanatanjahana ny mpanompony koa ny vavaka. (Salamo 65:2) Namaly ny fitalahoako mafy taminy i Jehovah, ka nanome ahy hery haharetana amin’ny finoana, nandritra ireny taona rehetra ireny. Rehefa tena kivy aho, dia tsapako fa manamaivana an’izany ny vavaka, sady manampy ahy ho faly foana. Velombelona aho ary vonona hanohy ny fanompoana indray, rehefa miresaka tsy tapaka amin’i Jehovah. Miaiky tanteraka aho fa mihaino ny vavaky ny mpanompony i Jehovah, ary manome azy ny fiadanan-tsaina ilainy.—Salamo 51:17; 1 Petera 5:7.

Ambonin’izany rehetra izany, dia mihavao ny heriko isaky ny mieritreritra aho fa hositranin’Andriamanitra ny olona rehetra ao amin’ny Paradisa, eo ambanin’ny fitondran’i Jesosy Kristy Zanany. Matetika aho no mirotsa-dranomasom-pifaliana, rehefa mieritreritra izany fanantenana mahatalanjona izany.—Salamo 37:11, 29; Lioka 23:43; Apokalypsy 21:3, 4

Lasa mpitory manontolo andro

Nandinika ny fiainako aho tamin’ny 1991 tany ho any, ka hitako fa ny fahazotoana mitory ny vaovao tsara sarobidy, no fomba tsara indrindra hanampy ahy tsy hitsetra tena. Nanomboka nitory manontolo andro àry aho, tamin’io taona io.

Fitoriana an-taratasy no tena ataoko noho izaho malemy. Tsy mora amiko anefa ny manoratra, fa mitaky ezaka be. Sahirana aho mitazona stylo, satria malemy ny tanako noho ilay aretin-kozatra. Nikiry ihany anefa aho sady nivavaka, ka efa ho 15 taona mahery izao no nitoriako an-taratasy. Mitory an-telefaonina koa aho. Tsy hadinoko mihitsy ny miresaka momba ilay fanantenako tontolo vaovao sy Paradisa an-tany, rehefa misy havana sy namana ary mpiara-monina mitsidika ahy.

Maro ny zavatra mampahery niainako noho izany. Faly be, ohatra, aho nahita ny zafikeliko iray nandroso ara-panahy sy nankasitraka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Nampianariko Baiboly izy, 12 taona lasa izay. Nanaraka ny feon’ny fieritreretany nampiofanin’ny Baiboly izy, ka tsy nanaiky hanao raharaha miaramila mihitsy.

Ny tena mahafaly ahy dia rehefa mamaly ny taratasiko ireo olona anoratako, ka mitady fanazavana ara-baiboly fanampiny. Mangataka boky na gazety fanampiny ny sasany indraindray. Nitelefaonina ahy, ohatra, ny vehivavy iray, ary nisaotra ahy noho ilay taratasy nampahery nalefako ho an’ny vadiny. Tena nahaliana azy ny hevitra tao amin’izy io. Vokatr’izany dia tonga tatỳ an-tranoko imbetsaka izy mivady, mba hiara-midinika ny Baiboly tamiko.

Manantena hoavy mahafinaritra

Hitako ny nitomboan’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana teto Chypre, nandritra ireo taona maro lasa. Nitarina sy nohavaozina imbetsaka ilay Efitrano Fanjakana kely teo akaikin’ny tranon’i George rahalahiko. Toeram-pivavahana tsara tarehy izao ilay izy, ary fiangonana roa an’ny Vavolombelon’i Jehovah no mampiasa azy.

Maty teo amin’ny faha-52 taonany i Dada, tamin’ny 1943. Tena lehibe anefa ny lova ara-panahy navelany! Nanaiky ny fahamarinana ny valo tamin’ny zanany, ary mbola manompo an’i Jehovah. Misy fiangonana telo koa izao ao Xylophagou, tanàna nahaterahan’i Dada, sy ny manodidina azy, ary 230 no tontalin’ny mpitory ao amin’izy ireo!

Loharanom-pifaliana lehibe ho ahy izany rehetra izany. Efa 83 taona aho izao, ary matoky ny tenin’ilay mpanao salamo hoe: “Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana; fa izay mitady an’i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.” (Salamo 34:10) Tsy andriko mihitsy ny fotoana hahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 35:6 hoe: “Hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa.” Tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah amim-pifaliana foana aho mandra-pahatongan’izany, na dia marary aza.

[Sarintany, pejy 17]

(Jereo ny gazety)

TORKIA

SYRIA

LIBAN

CHYPRE

Nicosie

Xylophagou

Ranomasina Mediterane

[Sary, pejy 17]

Efitrano Fanjakana voalohany tao Xylophagou, ary mbola ampiasaina hatramin’izao

[Sary, pejy 18]

Izahay sy Efprepia, tamin’ny 1946 sy ankehitriny

[Sary, pejy 20]

Mahafaly ahy ny mitory an-telefaonina sy an-taratasy