Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Misy Miraharaha Sady Ampijalina ny Zokiolona

Tsy Misy Miraharaha Sady Ampijalina ny Zokiolona

Tsy Misy Miraharaha Sady Ampijalina ny Zokiolona

NANODIDINA an’ilay faritra nambenany, araka ny fanaony, ilay mpiambina, ary tsy nanampo hahita zavatra nampivarahontsana. Indreo vatana mangatsiaka no hitany teo ivelan’ny tranobe iray tsara tarehy. Mpivady efa zokiolona izy ireo, ary nitsambikina avy teny amin’ny varavarankelin’ny rihana fahafito. Zendana tokoa izay nahare fa namono tena izy ireo. Vao mainka anefa tsy nampino ny antony nanaovan’izy ireo izany. Nisy taratasy tao am-paosin’ilay lehilahy nanao hoe: “Aleonay mamono tena, satria mampijaly anay sy miady aminay foana ny zanakay lahy sy ny vinantovavinay.”

Tsy dia fandre loatra angamba ny toy izany, nefa maro tokoa ny zokiolona entina amin’ny fomba ratsy. Saika maneran-tany mihitsy no itrangan’izany. Diniho izao manaraka izao:

• Nilaza ny 4 isan-jaton’ireo zokiolona nadinadinina tany Kanada, fa ampijalin’olona izy na misy manararaotra. Ny fianakaviany ihany mazàna no manao izany. Menatra na matahotra loatra anefa ny zokiolona maro, ka tsy sahy mitantara ny manjo azy. Eo amin’ny 10 isan-jato latsaka kely eo ho eo angamba ny tena isan’izy ireo, hoy ny manam-pahaizana.

• Hoy ny gazetiboky Inde Ankehitriny (anglisy): “Toa mifandray tsara ny fianakaviana karàna rehefa jerena avy etỳ ivelany. Mihamikororosy anefa i Inde ankehitriny, satria mihamaro ny zokiolona ailiky ny zanany.”

• Araka ny tombantombana azo antoka indrindra, dia “Amerikanina eo anelanelan’ny 1 sy 2 tapitrisa, 65 taona na mihoatra, no efa naratra, nohararaotina, na nentina tamin’ny fomba ratsy hafa. Ary tsy iza no manao izany, fa ireo olona nantenainy hikarakara na hiaro azy”, hoy ny Foibem-pirenena Mikarakara ny Zokiolona Ampijalina. “Anisan’ny raharaha lehibe indrindra atrehin’ny manam-pahefana mpampihatra lalàna amin’izao andro izao, ny fampijaliana zokiolona”, hoy ny lefitry ny tonia mpampanoa lalàna iray any San Diego, Kalifornia. Hoy koa izy: “Ahiko hitombo foana io olana io mandritra ireo taona vitsivitsy ho avy.”

• Mihamampanahy ny manjo ny zokiolona any Cantorbéry, Nouvelle-Zélande. Hararaotin’ny havany mantsy izy ireo, indrindra fa ireo havany mpifoka zava-mahadomelina, na mpisotro toaka, na mpiloka. Nasehon’ny tatitra fa niakatra be ny isan’ny zokiolona ampijalina any Cantorbéry. Raha 65 izy ireo tamin’ny 2002, dia lasa 107 kosa tamin’ny 2003. Mety ho ampahany kely monja amin’ny tena izy anefa izany isa izany, hoy ny talen’ny fikambanana iray miezaka hisoroka ny fampijaliana zokiolona.

• Nilaza toy izao tao amin’ny gazety iray ny Fikambanan’ny Mpisolovava any Japon: ‘Mila fiahiana bebe kokoa ny zokiolona iharan’ny herisetra, raha mitaha amin’ny ankizy ampijalina na ny olona vonoin’ny vadiny.’ Nahoana? Izao no antony iray nolazain’ilay gazety: “Ela kokoa vao fantatr’olona ny herisetra ampiharina amin’ny zokiolona, raha ampitahaina amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy na ny vady. Anisan’ny mahatonga izany ny fiheveran’ny zokiolona, fa misy fahadisoany matoa mihetraketraka aminy ny zanany. Ny fitondram-panjakana sy ny tompon’andraikitra eo an-toerana koa moa mbola tsy nahita vahaolana mandaitra.”

Santionan’ny zava-misy eran-tany ireo, ary mahatonga antsika hanontany hoe: Nahoana no maro aoka izany ny zokiolona tsy misy miraharaha sady ampijalina? Mety hiova ihany ve izany toe-javatra izany? Inona no fampaherezana ho an’ny zokiolona?