Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka ny ho Sambatra Ianao

Afaka ny ho Sambatra Ianao

Afaka ny ho Sambatra Ianao

TSY mety mahita ny tena fahasambarana maharitra ny olona. Maro amin’izy ireny mantsy no diso lalana rehefa mikatsaka azy io. Raha mba nanana namana mahatoky, sy mahay manoro azy ny lalan’ny tena fahasambarana mantsy izy ireo!

Hahita izany lalana izany isika ao amin’ny Baiboly. Andeha isika handinika ny Salamo, boky iray ao amin’izy io. Fitambarana hira 150 natao hiderana an’i Jehovah Andriamanitra izy io, ary i Davida mpanjakan’ny Israely fahiny no nanoratra ny ampahany betsaka aminy. Zava-dehibe kokoa noho ny fahafantarana ny olona nanoratra azy anefa ny fahalalana fa i Jehovah, ilay Namantsika lehibe indrindra, no nampanoratra azy io. Afaka mahazo antoka àry isika olombelona fa mirakitra tari-dalana mahasoa avy amin’i Jehovah izy io, sady manoro ny lalan’ny fahasambarana.

Sambatra ny olona rehefa mifandray tsara amin’Andriamanitra, ary nahazo antoka ny amin’izany ny mpanao salamo. Hoy izy: “Sambatra ny olona izay matahotra an’i Jehovah.” (Salamo 112:1) Tsy ho sambatra toa an’ireo “manana an’i Jehovah ho Andriamaniny” ny olona iray, na manao ahoana na manao ahoana fifandraisany amin’ny hafa, na fananany, na zava-bitany. (Salamo 144:15) Manamarina izany ny zavatra niainan’ny mpanompon’Andriamanitra maro.

Anisan’ireny i Susanne, 40 taona mahery kely. * Hoy izy: “Maro ankehitriny no miditra amina fikambanana, satria mitovy ny tanjony, na ny zavatra mahaliana azy. Tsy mifampitondra toy ny mpinamana ny olona ao amin’ireny fikambanana ireny matetika. Tsy mba toy izany anefa ny vahoakan’i Jehovah. Mahatonga antsika hifankatia ny fitiavantsika an’i Jehovah. Tsy mifampihafahafa isika eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra, na aiza na aiza misy antsika. Tena manatsara ny fiainantsika izany firaisan-tsaina izany. Iza no afaka milaza fa manana namana avy amin’ny saranga sy fiaviana ary firenen-tsamy hafa toy ny vahoakan’i Jehovah? Afaka milaza amin’ny foko manontolo aho, fa mahasambatra ny hoe anisan’ny vahoakan’i Jehovah.”

Nahatsapa koa i Maree, teraka tany Ekosy, fa tena mila mifandray tsara amin’i Jehovah ny olona raha te ho sambatra. Hoy izy: “Tiako ny nijery filma mampatahotra, talohan’ny nianarako ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Fahita ao amin’ny ankamaroan’ireny filma ireny ny lolo na angatra mpitsentsitra ra. Tsy nahita tory àry aho rehefa alina raha tsy nitana lakroa. Tsy nijery filma toy ireny intsony aho rehefa nianatra Baiboly, ary tsy matahotra intsony rehefa hatory, satria mifandray tsara amin’i Jehovah. Sambatra aho manompo Andriamanitra iray izay mahery kokoa noho ny demonia, na ireo angatra foromporonin’ny saina.”

Sambatra isika rehefa mitoky amin’i Jehovah

Tsy misy isalasalana fa manana hery fara tampony sy fahendrena tsy manam-petra ny Mpamorona. Fantatr’i Davida fa afaka nitoky tanteraka tamin’i Jehovah izy, ary afaka nialoka taminy. Hoy izy: “Sambatra izay olona manao an’i Jehovah ho tokiny.”—Salamo 40:4.

Hoy i Maria: “Hitako tamin’ny zavatra niainako teto Espaina sy tany an-toeran-kafa, fa ny manaraka ny tari-dalan’i Jehovah no mahasoa indrindra, na dia zavatra hafa aza no tiantsika hatao. Mahasambatra izany satria ny tari-dalan’i Jehovah foana no tsara indrindra.”

Anti-panahy kristianina i Andreas, ary efa nanompo tany amin’ny firenena eoropeanina maromaro. Hitany tamin’ny zavatra niainany koa fa afaka mitoky amin’i Jehovah isika. Hoy izy: “Ny zokiko lahy, izay tsy mitovy finoana amiko, no tena namolavola ahy tamin’izaho mbola tanora. Nasainy niezaka aho mba hahazoako asa be karama. Diso fanantenana tanteraka izy rehefa nanao fanompoana manontolo andro aho. Tsy niantehitra tamin’ny asa ahazoana vola fisotroan-dronono, nolazaina fa hiantoka ny hoaviko mantsy aho. Nanana izay nilaiko foana anefa aho nandritra ny fotoana nanompoako manontolo andro, ary nahazo fitahiana maro izay toy ny nofinofy fotsiny ho an’ny hafa.”

Nasaina nanampy tamin’ny fanitarana ny tranon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Selters, any Alemaina, i Felix, tamin’ny 1993. Nasaina ho anisan’ny fianakavian’ny Betela tany an-toerana izy rehefa vita ilay asa. Inona no nataony? “Nekeko ilay fanasana, na dia nanahy kely ihany aza aho. Efa ho folo taona izao no nanompoako teto, ary miaiky aho fa namaly ny vavaka nataoko i Jehovah. Fantany izay tena hahasoa ahy. Nitoky tanteraka taminy aho, ary navelako hitari-dalana ahy izy. Izany no nahafahany nampiseho tamiko izay tiany hataoko.”

Naniry hanao ny asan’ny mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, i Susanne, ilay voaresaka teo aloha. Tsy nahita asa tapa-potoana anefa izy. Rehefa avy nitady nandritra ny herintaona àry izy, dia nanao zavatra avy hatrany sady nitoky tamin’i Jehovah. Hoy izy: “Nalefako ny fangatahana ho mpisava lalana maharitra. Efa nanangom-bola aho mba hisahanako izay ilaiko mandritra ny iray volana eo ho eo. Niavaka tokoa iny volana iny! Tena nahafaly ahy ny fanompoana, saingy maro tamin’ireo fangatahana asa nataoko no tsy nisy vokany. Tsy nandao ahy anefa i Jehovah, araka ny efa nampanantenainy. Nahita asa ihany aho ny andro farany tamin’ilay volana. Teo vao tsapako fa tena afaka mitoky amin’i Jehovah aho! Nanjary sambatra sy afa-po aho noho iny zavatra niainako voalohany teo amin’ny asan’ny mpisava lalana iny.”

Vao mainka ho sambatra isika raha manaiky ny torohevitr’Andriamanitra

Nanao fahotana lehibe i Davida Mpanjaka. Nila torohevitra feno fahendrena izy, indraindray. Vonona hanaiky torohevitra sy toromarika toa an’i Davida ve isika?

Tsapan’i Aida, avy any Frantsa, indray mandeha fa nanao fahotana lehibe izy. Hoy izy: “Ny hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisako tamin’i Jehovah no tena zava-dehibe tamiko. Tsy nahoako ny zavatra hafa.” Nangataka fanampiana tamin’ny anti-panahy kristianina izy. Efa 14 taona mahery izao no nanaovany fanompoana manontolo andro. Hoy izy: “Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho, satria namela ny fahadisoako izy!”

Afaka misoroka fahadisoana koa isika, raha manaiky ny torohevitra avy amin’Andriamanitra. Nanazava toy izao i Judith: “Niara-niasa tamin’ny lehilahy alemà iray aho tamin’izaho 20 taona, ary nataony izay hahatonga ahy ho raiki-pitia taminy. Babony tanteraka ny foko. Nohajain’ny hafa izy, ary tsara asa, saingy efa nanambady! Tsy maintsy nifidy aho, na hankatò ny lalàn’i Jehovah, na tsy hiraharaha Azy. Niresaka izany tamin’ny ray aman-dreniko aho. Tsy nitsitsy teny mihitsy i Dada rehefa nampahatsiahy ahy ny zavatra notakin’i Jehovah tamiko. Tsy niolakolaka mihitsy izy rehefa niresaka tamiko, ary izany indrindra no tena nilaiko! Na izany aza, dia mbola nitady fialan-tsiny ihany aho. I Neny indray no niresaka tamiko rehefa hariva, ka nilaza fa zava-dehibe sady mamonjy aina ny lalàn’Andriamanitra. Nanao izany nandritra ny herinandro maromaro izy. Tena faly aho satria voataona tsikelikely hanatona an’i Jehovah. Tena sambatra aho noho ny fananarany sy ny fampianarany. Efa an-taonany maro izao no nanaovako fanompoana manontolo andro, ary manana vady kristianina tia ahy sady tia an’i Jehovah amin’ny fony manontolo aho.”

Manamarina an’izao tenin’i Davida izao ireo fitantarana ireo: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka.”—Salamo 32:1, 2.

Sambatra isika rehefa miahy ny hafa

Hoy koa i Davida: “Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ny andro fahoriana. Jehovah hitandrina azy sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra” izy. (Salamo 41:1, 2) Niahy tamim-pitiavana an’i Mefiboseta kilemaina, zanak’i Jonatana, i Davida. Anisan’ny fomba tsara itondrana ny malahelo izany.—2 Samoela 9:1-13.

Mitory amin’ireo mpitsoa-ponenana avy any Afrika sy Azia ary Eoropa Atsinanana i Marlies, misionera nandritra ny 47 taona. Hoy izy: “Misedra olana isan-karazany izy ireo. Mahatsiaro ho tsy tian’ny olona izy ireo amin’ny ankapobeny ary hita fa tena voailikilika. Tena mahasambatra ny manampy olona toy izany.”

Nanoratra toy izao i Marina, 40 taona mahery kely: “Tsy manambady aho, ary tena mampahery ahy ny mahafantatra hoe misy namana vonon-kanampy. Izany no manosika ahy hampahery olona amin’ny alalan’ny telefaonina na taratasy. Maro no nankasitraka izany. Mahafaly ahy ny manampy ny hafa.”

Nilaza toy izao i Dimitar, 20 taona mahery: “Ny reniko irery no nitaiza ahy. Faly erỳ aho tamin’izaho mbola kely kokoa, satria nisy mpiandraikitra ny fianarana boky nitondra ahy teny amin’ny fanompoana isan-kerinandro, ary nampiofana ahy. Mbola misaotra azy aho noho ny fikirizany, satria tsapako fa tsy mora foana ny nandrisika ahy hazoto tamin’ny fanompoana.” Ho setrin’izany, dia manampy ny hafa koa i Dimitar ankehitriny. Hoy izy: “Miezaka mitondra tanora sy olona be taona kokoa noho izaho aho eny amin’ny fanompoana, fara fahakeliny indray mandeha isam-bolana.”

Miresaka lafin-javatra hafa mahasambatra koa ny bokin’ny Salamo. Anisan’izany ny hoe zava-dehibe ny miantehitra amin’ny herin’i Jehovah fa tsy amin’ny herin’ny tena manokana. Hoy izy io: “Sambatra izay olona manan-kery avy [amin’i Jehovah].”—Salamo 84:5.

Hitan’i Corinna fa marina izany. Nifindra tany amin’ny firenena iray nila mpitory maro kokoa izy. Hoy izy: “Tojo fiteny vaovao, kolontsaina vaovao, ary fomba fisaina vaovao aho. Toy ny hoe tany amin’ny planeta hafa aho. Natahotra be aho rehefa nieritreritra ny hitory tao amin’ilay faritra tsy nahazatra. Nangataka ny fanampian’i Jehovah aho. Ny hery nomeny no nahafahako nitory tao amin’ilay faritany mitokana, nandritra ny iray andro maninjitra. Lasa nandeha ho azy tamiko indray aza ilay izy, tatỳ aoriana. Nanomboka fampianarana Baiboly maro aho. Mbola mandray soa avy amin’izany zavatra niainako izany aho hatramin’izao. Hitako fa azontsika resena, na dia ny vato misakana toa tsy ho azo anoarana aza, rehefa miantehitra amin’ny herin’i Jehovah isika.”

Maro tokoa ny lafin-javatra mahasambatra, anisan’izany ny hoe miezaka ho tonga naman’Andriamanitra sy ny vahoakany, mitoky tanteraka amin’i Jehovah, manaiky ny toroheviny, ary miahy ny hafa. Ho sambatra sy hahazo sitraka amin’i Jehovah isika, raha mandeha amin’ny lalany sy mankatò ny lalàny.—Salamo 89:15; 106:3; 112:1; 128:1, 2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 12]

Maria

[Sary, pejy 13]

Maree

[Sary, pejy 13]

Susanne sy Andreas

[Sary, pejy 15]

Corinna

[Sary, pejy 15]

Dimitar