“Endrey ny Fitiavako ny Lalànao!”
“Endrey ny Fitiavako ny Lalànao!”
“Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.”—SALAMO 119:97.
1, 2. a) Inona no zava-tsarotra niainan’ny mpanoratra ny Salamo 119? b) Inona no nataony teo anatrehan’izany, ary nahoana?
NIATRIKA fitsapana mafy ny mpanoratra ny Salamo 119. Naneso sy namoron-dainga hamelezana azy ny fahavalo mpirehareha, izay nanao tsinontsinona ny lalàn’Andriamanitra. Nanenjika azy ny mpanapaka, sady nikaon-doha hanisy ratsy azy. Feno ratsy fanahy nanodidina azy, ary nifofo ny ainy izy ireo. ‘Nipotrapotra-dranomaso noho ny alahelo’ izy vokatr’izany. (Salamo 119:9, 23, 28, 51, 61, 69, 85, 87, 161) Na teo aza izany fitsapana izany, dia nihira ilay mpanao salamo hoe: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.”—Salamo 119:97.
2 Nahoana ny lalàn’Andriamanitra no nampionona ny mpanao salamo? Nahazo hery izy satria natoky fa niahy azy i Jehovah. Marina fa nanenjika azy ny fahavalony, kanefa nahatsiaro ho sambatra izy satria nandray soa avy tamin’ny fampiharana ny lalàna, izay nomen’Andriamanitra tamim-pitiavana. Niaiky izy fa nanisy soa azy i Jehovah. Tsy vitan’izany, fa lasa hendry noho ny fahavalony izy, rehefa nampihatra ny tari-dalana tao amin’ny lalàn’Andriamanitra. Niaro ny ainy mihitsy aza izany. Niadana sy nilamin-tsaina izy, satria nankatò ny lalàna.—Salamo 119:1, 9, 65, 93, 98, 165.
3. Nahoana no sarotra amin’ny Kristianina ny mankatò foana ny fitsipik’Andriamanitra, ankehitriny?
3 Iharam-pitsapana mafy koa ankehitriny ny finoantsika mpanompon’Andriamanitra. Marina aloha fa mety tsy hahatandindomin-doza ny aintsika ilay izy, toy ny nanjo ny mpanao salamo, nefa iaraha-mahalala fa miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika. Maro amin’ireo olona ifaneraserantsika no tsy miraharaha ny fitsipik’Andriamanitra. Tsy mitady afa-tsy izay hahasoa ny tenany izy ireo, matimatin-karena, mieboebo, ary tsy manaja ny hafa. (2 Timoty 3:1-5) Miatrika fitsapana sy fakam-panahy handika ny fitsipik’Andriamanitra foana ny tanora kristianina. Mety ho sarotra ny ho tia foana an’i Jehovah sy ny fitsipiny, amin’ny toe-javatra toy izany. Ahoana no hiarovantsika tena?
4. Inona no nataon’ny mpanao salamo, ka nahitana fa nankasitraka ny lalàn’Andriamanitra izy? Tokony hanao toy izany koa ve ny Kristianina?
4 Nanokana fotoana handalinana sy hisaintsainana ny lalàn’Andriamanitra ny mpanao salamo, ka izany no nanampy azy hiatrika ny zava-tsarotra niainany. Nanjary tia ny lalàn’Andriamanitra izy vokatr’izany. Saika ny andininy rehetra ao amin’ny Salamo 119 no miresaka ny lalàn’Andriamanitra amin’ny endriny samihafa. * Marina aloha fa tsy voatery hanaraka ny Lalàn’i Mosesy, izay nomen’Andriamanitra ny firenen’ny Israely fahiny, ny Kristianina ankehitriny. (Kolosianina 2:14) Na izany aza dia mahasoa foana ny toro lalana raketin’io Lalàna io. Nampionona ny mpanao salamo izy ireny, ary afaka mampionona ireo mpanompon’Andriamanitra miatrika olana amin’izao andro izao koa.
5. Inona ireo zavatra notakin’ny Lalàn’i Mosesy hodinihintsika?
5 Handinika zavatra telo notakin’ny Lalàn’i Mosesy isika, ary handray fampaherezana avy amin’izany. Ireto avy izy ireo: Ny lalàna momba ny Sabata, ny fitsipika momba ny fanangonam-bokatra, ary ny didy mandrara ny fitsiriritana. Hodinihintsika ny tsirairay amin’ireo, ary ho hitantsika fa zava-dehibe ny hahazoana ny toro lalana raketiny, raha tiantsika ny handresy ireo olana misy ankehitriny.
Mila mitady ny fitarihan’Andriamanitra isika
6. Inona avy no zavatra tena ilain’ny olona?
6 Misy zavatra maromaro tena ilain’ny olombelona eo amin’ny fiainana. Ilainy, ohatra, ny sakafo sy ny rano ary ny trano mba hahasalama tsara azy. Mila mitady ny fitarihan’Andriamanitra koa anefa izy. Tsy tena ho sambatra izy raha tsy izany. (Matio 5:3) Hitan’i Jehovah fa tena mila manao izany ny olombelona, ka nandidy ny vahoakany fahiny izy mba hanokana andro iray tsy hiasana ao anatin’ny herinandro, fa hanaovana zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.
7, 8. a) Inona no nampiavaka ny Sabata tamin’ny andro hafa? b) Inona no anton’ny Sabata?
7 Asongadin’ny lalàna momba ny Sabata, fa tena ilaina ny manokana fotoana hanatsarana ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Tamin’ny fotoana nanomezan’Andriamanitra ny mana tany an-tany efitra no niresahana voalohany ny teny hoe “sabata”, ao amin’ny Baiboly. Nilazana ny Israelita, fa mandritra ny enina andro izy ireo no tokony hanangona ilay sakafo mahagaga. Nasaina nanangona sakafo ampy ‘roa andro’ izy ireo, tamin’ny andro fahenina, satria tsy hisy mana hilatsaka amin’ny andro fahafito. “Fitsaharana masina ho an’i Jehovah” ny andro fahafito, ka tokony hipetraka any amin’ny fonenany avy ny tsirairay. (Eksodosy 16:13-30) Tsy mahazo manao asa na inona na inona ny olona amin’ny andro sabata, araka ny Didy Folo. Masina io andro io. Voaheloka ho faty izay tsy nankatò izany.—Eksodosy 20:8-11; Nomery 15:32-36.
8 Hita tamin’ny lalàna momba ny Sabata, fa nirin’i Jehovah ho salama sy hifandray tsara aminy ny vahoakany. ‘Natao ho an’ny olona ny sabata’, hoy i Jesosy. (Marka 2:27) Sady afaka niala sasatra ny Israelita tamin’io andro io, no afaka nanatona ny Mpamorona azy sy naneho ny fitiavany azy. (Deoteronomia 5:12) Natokana tanteraka hanompoana an’Andriamanitra io andro io. Tafiditra amin’izany ny fiarahan’ny fianakaviana midera an’Andriamanitra, sy mivavaka aminy, ary misaintsaina ny Lalàny. Io lalàna io no nisakana ny Israelita tsy hampiasa ny fotoanany sy ny heriny rehetra tamin’ny asa aman-draharaha. Ny fitandremana ny Sabata koa no nampahatsiahy azy ireo, fa ny fifandraisany tamin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra. Namerina izany toro lalana tsy miova izany i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Voasoratra hoe: ‘Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.’ ”—Matio 4:4.
9. Inona no ianaran’ny Kristianina avy amin’ny lalàna momba ny Sabata?
9 Mbola mandray lesona avy amin’ny lalàna momba ny Sabata ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny, na dia tsy voatery hanokana andro iray tsy hiasana aza ao anatin’ny herinandro. (Kolosianina 2:16) Mampahatsiahy antsika izy io fa ny zavatra ara-panahy no tsy maintsy ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana. Tsy mety raha avelantsika haka ny fotoana tokony hanaovana izany, ny asa aman-draharaha na ny fialam-boly. (Hebreo 4:9, 10) Tsara àry raha manontany tena isika hoe: “Inona no ataoko loha laharana eo amin’ny fiainana? Ataoko laharam-pahamehana ve ny fianarana samirery, vavaka, fanatrehana fivoriana, ary ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana? Sa zavatra hafa no maka ny fotoana tokony hanaovana an’ireo?” Manome toky antsika i Jehovah fa hahazo izay ilaina eo amin’ny fiainana isika, raha ataontsika loha laharana ny zavatra ara-panahy.—Matio 6:24-33.
10. Inona no soa raisintsika rehefa manokana fotoana hanaovana zavatra ara-panahy isika?
10 Manampy antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah, ny fotoana lanintsika ianarana ny Baiboly sy ireo boky aman-gazety, ary ny fisaintsainana lalina ny zavatra nianarantsika. (Jakoba 4:8) Efa 40 taona teo ho eo izay i Susan no nanomboka nanokana fotoana ianarana Baiboly tsy tapaka. Niaiky izy fa tsy mora izany tamin’ny voalohany, ary nahasorena azy mihitsy. Nanjary tiany anefa ilay izy, rehefa notohiziny foana. Malahelo izy izao, rehefa sendra tsy afaka mianatra samirery. Hoy izy: “Ny fianarana no nanampy ahy hahafantatra an’i Jehovah sy hihevitra azy ho toy ny Raiko. Afaka mitoky sy miantehitra aminy aho, ary tsy misalasala mivavaka aminy. Mampihetsi-po tokoa ny mahafantatra fa tena tia ny mpanompony i Jehovah. Faly koa aho rehefa mahita ny fomba ikarakarany sy anampiany ahy.” Mahafaly tokoa ny manokana fotoana tsy tapaka, mba hitadiavana ny fitarihan’Andriamanitra!
Lalàna momba ny fanangonam-bokatra
11. Hazavao ny lalàna momba ny fanangonam-bokatra.
11 Nisy lalàna hafa koa tao amin’ny Lalàn’i Mosesy, izay nahitana fa miahy izay hahasoa ny vahoakany Andriamanitra. Nomeny zo ny mahantra hitsimpona ny vokatra navelan’ny mpijinja. Nandidy i Jehovah fa tokony havela hanangona izay sisa tavela teny an-tsaha ny mahantra, rehefa nanangom-bokatra ny tantsaha israelita. Tsy navelan’i Jehovah hojinjaina tanteraka ny vokatra teny an-tsisim-boly, sady tsy tokony halaina intsony ny sisa tavela tamin’ny voaloboka na oliva notazana. Tsy tokony halaina intsony koa ireo fehezam-bokatra hadino tany an-tsaha. Izany dia fandaharana feno fitiavana nitsinjovana ny mahantra, ny vahiny, ny kamboty, ary ny vehivavy maty vady. Marina aloha fa tsy maintsy niasa mafy izy ireo rehefa nijinja na nitsimpona an’ireny vokatra ireny. Tsy voatery nangataka anefa izy ireo noho io fandaharana io.—Levitikosy 19:9, 10; Deoteronomia 24:19-22; Salamo 37:25.
12. Inona no azon’ny tantsaha israelita noporofoina, rehefa nankatò ilay lalàna momba ny fanangonam-bokatra izy?
12 Tsy nametra ny habetsahan’ny vokatra navela ho an’ny mahantra, ilay lalàna momba ny fanangonam-bokatra. Ny tantsaha no namaritra ny habetsahan’ny vokatra tsy hojinjainy teny an-tsisim-boly. Nampianatra azy ireo halala-tanana àry io lalàna io. Tamin’izany fomba izany no nanaporofoan’izy ireo ny fankasitrahany an’ilay Mpanome vokatra, satria ‘izay mamindra fo amin’ny mahantra dia manome voninahitra ny Mpanao azy.’ (Ohabolana 14:31) Anisan’ireo nalala-tanana i Boaza, izay tsara fanahy tamin’i Rota, vehivavy maty vady. Nataony izay hahazoan’izy io vokatra betsaka rehefa nitsimpona teny amin’ny sahany. Nalala-tanana i Boaza, ka tena namaly soa azy i Jehovah.—Rota 2:15, 16; 4:21, 22; Ohabolana 19:17.
13. Inona no ianarantsika avy amin’ilay lalàna fahiny momba ny fanangonam-bokatra?
13 Tsy niova ny toro lalana raketin’ilay lalàna momba ny fanangonam-bokatra. Tian’i Jehovah halala-tanana ny mpanompony, indrindra Lioka 6:38.
fa amin’ny mahantra. Arakaraka ny mampahalala-tanana antsika no hahabetsaka ny fitahiana ho azontsika. Hoy i Jesosy: “Aoka ianareo ho zatra hanome dia mba homena koa ianareo. Fatra tsara sy mifatratra sy nahintsana ary mihoatra no hararaka eo am-pofoanareo. Fa araka izay famarana ampiasainareo no hamarana ho anareo koa.”—14, 15. Ahoana no azontsika anehoana fahalalahan-tanana, ary inona no soa mety horaisintsika sy ireo ampiantsika?
14 Nampirisika antsika ny apostoly Paoly mba “hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” (Galatianina 6:10) Tsy isalasalana fa mila miahy an’ireo Kristianina namantsika isika, ka hanome azy tari-dalana ara-baiboly isaky ny iharam-pitsapana izy ireo. Mety hila karazana fanampiana hafa koa anefa ny mpiray finoana amintsika. Angamba izy mila olona hitondra azy any amin’ny Efitrano Fanjakana, na hiantsena ho azy. Misy zokiolona, na marary, na olona tsy afa-mivoaka ny tranony ve eo anivon’ny fiangonanareo? Nahoana raha mitsidika azy, na manampy azy amin’ny lafin-javatra sasany? Tena hankasitraka izany izy ireny. Raha miezaka mamantatra ny zavatra ilain’ny hafa toy izany isika, dia mety ho isika no hampiasain’i Jehovah mba hamaliana ny vavak’ireo mila fanampiana. Marina aloha fa adidin’ny Kristianina ny mifampiahy, nefa mandray soa koa ilay olona manome fanampiana. Tena mahafaly sy mahafa-po sady ahazoantsika ny fankasitrahan’i Jehovah, ny fanehoana fitiavana amin’ny mpiray finoana.—Ohabolana 15:29.
15 Fomba lehibe anehoan’ny Kristianina fiahiana ny hafa koa, ny fampiasany ny fotoanany sy ny heriny mba hiresahana momba ny fikasan’Andriamanitra. (Matio 28:19, 20) Tena faly ny Kristianina, rehefa mahavita manampy olona hatramin’ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah. Tsapany ny fahamarinan’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.
Didy mandrara ny fitsiriritana
16, 17. Inona no raran’ny didy fahafolo, ary nahoana?
16 Hodinihintsika farany ny didy fahafolo ao amin’ny Didy Folo, izay mandrara ny fitsiriritana. Izao ilay didy: “Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay Eksodosy 20:17) Tsy afaka manao ampamoaka ny namany momba io didy io ny olombelona, satria tsy mahafantatra ny ao am-po. Hita avy amin’izy io anefa, fa ambony noho ny lalàn’olombelona ny Lalàn’Andriamanitra. Fantatry ny Israelita avy tamin’izy io, fa samy hampamoahin’i Jehovah izy ireo, satria mahay mamantatra ny faniriana ao am-pon’ny olona izy. (1 Samoela 16:7) Nahariharin’io lalàna io koa ny antony mahatonga ny olona hanao ratsy.—Jakoba 1:14.
mety ho an’ny namanao akory aza.” (17 Mandrisika ny vahoakan’Andriamanitra mba tsy ho matimatin-karena sy tsy himenomenona noho ny zavatra iainany, ilay didy mandrara ny fitsiriritana. Miaro azy ireo amin’ny fakam-panahy hangalatra na haloto fitondran-tena koa izy io. Hisy foana ny olona manan-javatra mahafinaritra antsika, na toa mahomby kokoa noho isika amin-javatra sasany. Raha tsy voafehintsika ny fisainantsika amin’ny toe-javatra toy izany, dia mety tsy ho faly isika ary hitsiriritra. Lazain’ny Baiboly fa “toe-tsaina ratsy” ny fitsiriritana. Ho tsara lavitra ny fiainantsika raha halavirintsika io toe-tsaina io.—Romanina 1:28-30.
18. Inona no toe-tsaina manjaka eto amin’ity tontolo ity, ary inona no voka-dratsin’izany?
18 Manjaka ny fitiavan-karena sy ny toe-tsaina tia mifaninana eran-tany. Manao dokam-barotra ny mpivarotra mba hampirisihana ny olona haniry hahazo zava-baovao, ary toa te hilaza izy ireo matetika fa tsy ho sambatra isika raha tsy manana azy ireny. Izany toe-tsaina izany mihitsy anefa no melohin’ny Lalàn’i Jehovah. Mifandray amin’izany koa ny faniriana ho tafita eo amin’ny fiainana na inona na inona vokany, ary ny faniriana hangoron-karena. Nampitandrina toy izao ny apostoly Paoly: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanan-karena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny karazan-javatra ratsy rehetra. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.”—1 Timoty 6:9, 10.
19, 20. a) Inona no sarobidy indrindra amin’ny olona tia ny lalàn’i Jehovah? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
19 Miaiky ny olona tia ny lalàn’Andriamanitra fa mampidi-doza ny fitiavan-karena, ary voaro amin’izany izy ireo. Nivavaka tamin’i Jehovah toy izao, ohatra, ilay mpanao salamo: “Amporisiho ny foko ho amin’ny teni-vavolombelonao, fa tsy ho amin’ny fieremana. Ny lalàn’ny vavanao no mahatsara ahy mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.” (Salamo 119:36, 72) Mila miaiky isika fa marina ireo teny ireo. Izany no hanampy antsika hahay handanjalanja foana, ka tsy ho voafandriky ny fitiavan-karena sy ny faniriana tsy mety afa-po, ary tsy ho sorena amin’izay zavatra iainantsika. Ny “fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra” no hahazoana tombony be indrindra, fa tsy ny fanangonan-karena.—1 Timoty 6:6.
20 Ny toro lalana raketin’ny Lalàna nomen’i Jehovah ny firenen’ny Israely, dia mahasoa antsika amin’izao andro izao, toy ny tamin’ny fotoana nanomezana azy io an’i Mosesy ihany. Arakaraka ny ampiharantsika an’ireny toro lalana ireny no hampahazava azy ireny amintsika. Ary arakaraka ny itiavantsika azy ireny no hampitombo ny fahasambarantsika. Mirakitra lesona sarobidy maro ny Lalàna, ary mampahatsiahy antsika ny hasarobidin’izy ireny ny tantaram-piainan’ireo olona ao amin’ny Baiboly. Hiresaka ny sasany amin’izany isika, ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 4 Telo monja amin’ireo andinin-teny ao amin’ny Salamo 119 no tsy ahitana teny toy ny hoe didin’i Jehovah, fitsipiny, fitsarany, lalàny, teni-vavolombelony, teniny, na ny lalany.
Ahoana no Havalinao?
• Nahoana no tia ny lalàn’i Jehovah ilay mpanoratra ny Salamo 119?
• Inona no ianaran’ny Kristianina avy amin’ny lalàna momba ny Sabata?
• Nahoana no mbola sarobidy foana ny lalàn’Andriamanitra momba ny fanangonam-bokatra?
• Nahoana no miaro antsika ny didy mandrara ny fitsiriritana?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 21]
Inona no asongadin’ny lalàna momba ny Sabata?
[Sary, pejy 23]
Inona no ianarantsika avy amin’ny lalàna momba ny fanangonam-bokatra?