Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny tamin’i Nikodemosy izy hoe: “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy tany, dia ny Zanak’olona”?—Jaona 3:13

Teto an-tany i Jesosy tamin’izay, fa mbola tsy niakatra, na niverina tany an-danitra. Mety hanampy antsika hahatakatra ny tiany holazaina anefa ny zavatra fantatsika momba azy, sy ny teny manodidina an’io andinin-teny io.

‘Nidina avy tany an-danitra’ i Jesosy. Niara-nipetraka tamin’ny Rainy tany mantsy izy taloha. Nafindra tao an-kibon’i Maria anefa ny ain’io Zanak’Andriamanitra io, rehefa tonga ny fotoana voatondro ho amin’izany, ka lasa olombelona. (Lioka 1:30-35; Galatianina 4:4; Hebreo 2:9, 14, 17) Natsangana tamin’ny maty i Jesosy taorian’ny nahafatesany, ka lasa anjely, ary niverina niara-nipetraka tamin’i Jehovah. Izany no nahatonga azy hivavaka toy izao, taloha kelin’ny namonoana azy: “Ray ô, omeo voninahitra eo anilanao aho, dia ilay voninahitra nananako teo anilanao fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.”—Jaona 17:5; Romanina 6:4, 9; Hebreo 9:24; 1 Petera 3:18.

Mbola tsy niverina tany an-danitra anefa i Jesosy, tamin’izy niresaka tamin’i Nikodemosy, izay Fariseo sy mpampianatra teo amin’ny Israely. Ary mbola tsy nisy mihitsy olona maty talohan’izay, ka niakatra tany an-danitra. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa mpaminanin’Andriamanitra tena niavaka i Jaona Mpanao Batisa, nefa ‘izay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy.’ (Matio 11:11) Nilaza koa ny apostoly Petera fa tsy niakatra tany an-danitra na dia i Davida Mpanjaka aza, nefa olona nahatoky izy. Mbola ao am-pasana izy. (Asan’ny Apostoly 2:29, 34) Nisy antony matoa tsy niakatra tany an-danitra ny olona maty talohan’i Jesosy, toa an’i Davida, Jaona Mpanao Batisa, ary ny olon-kafa nanam-pinoana. Mbola tsy nisantatra ny lalana mankany mantsy i Jesosy tamin’izy ireo maty, izany hoe mbola tsy nialoha lalana ho any an-danitra, mba hisy olona hatsangana ho any koa. Nilaza ny apostoly Paoly, fa toy ny mpialoha lalana i Jesosy, ka ‘nisantatra lalam-baovao sy velona’ mankany an-danitra.—Hebreo 6:19, 20; 9:24; 10:19, 20.

Koa satria mbola tsy maty sy natsangana tamin’ny maty i Jesosy tamin’izy niresaka tamin’i Nikodemosy, inona àry no tiany holazaina rehefa niteny taminy izy hoe: “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy ilay nidina avy tany, dia ny Zanak’olona”? (Jaona 3:13) Diniho ny teny manodidina, izany hoe ny resaka nifanaovan’izy ireo.

Hoy i Jesosy, rehefa tonga tao aminy tamin’ny andro alina io mpitondra jiosy io: “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa tsy afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraka indray.” (Jaona 3:3) Nanontany àry i Nikodemosy hoe: ‘Ahoana no hetezan’izany? Hataon’ny olona ahoana no hateraka indray?’ Tsy azony ny fampianaran’Andriamanitra momba ny fidirana ao amin’ilay Fanjakana. Mety ho nisy fomba nahafahany nahafantatra izany ve? Mazava ho azy fa tsy olombelona no afaka mampianatra azy momba izany. Mbola tsy nisy olona tany an-danitra mantsy, ka ho afaka hanazava amin’i Nikodemosy sy ny hafa momba ny fidirana any amin’ilay Fanjakana. I Jesosy irery ihany no mahay manao izany, satria nidina avy tany an-danitra izy.

Misy lesona tena lehibe momba ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra àry azontsika raisina avy amin’izany. Tsy tokony ho sosotra isika raha misy andinin-teny tsy azontsika tsara. Tsy maintsy ampifandraisina amin’ny andinin-teny hafa ilay izy, satria mifanaraka foana ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly. Mety hanampy antsika hahita fanazavana marina momba ny andinin-teny sarotra iray koa matetika ny teny manodidina azy, izany hoe ilay tantara, na ilay foto-kevitra resahina.