Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana Momba ny Fiheveran-tena ho Ambony sy ny Fanetren-tena

Fianarana Momba ny Fiheveran-tena ho Ambony sy ny Fanetren-tena

Fianarana Momba ny Fiheveran-tena ho Ambony sy ny Fanetren-tena

ASONGADIN’NY zava-nitranga iray teo amin’ny fiainan’i Davida Mpanjaka ny fifanoheran’ny tena fanetren-tena amin’ny fiheveran-tena ho ambony. Avy nandresy an’i Jerosalema izy tamin’izay, ary nanao azy io ho renivohitra. Nihevitra izy fa i Jehovah no tena Mpanjakan’ny Israely, ka nafindrany tao Jerosalema ny fiaran’ny fifanekena, izay nanaporofo ny fanatrehan’i Jehovah. Fotoan-dehibe tamin’i Davida tokoa izany, ka nasehony tamin’ny rehetra ny fifaliany, rehefa niaraka tamin’ireo mpisorona nitondra ilay Fiara izy. “Nibitaka” sy “nitsinjaka mafy dia mafy” izy, ary nahita izany ny mponin’i Jerosalema.—1 Tantara 15:15, 16, 29; 2 Samoela 6:11-16.

Tsy mba niara-nifaly tamin’ny olona anefa i Mikala vadiny. Nitazana teo am-baravarankely izy, ary tsy nankasitrahany ny fomba nideran’i Davida an’i Jehovah, ka “nikizaka [nanamavo] azy tao am-pony” izy. (2 Samoela 6:16) Nahoana i Mikala no nanao izany? Niharihary fa nihevitra be loatra ny toerana nananany izy. Zanakavavin’i Saoly, ilay mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, mantsy izy, ary vadin’i Davida, ilay mpanjaka faharoa, izao. Nihevitra angamba izy fa tsy tokony ho niara-nanao ilay fankalazana tamin’ny sarambabem-bahoaka ny vadiny, satria nampietry izany. Niharihary izany fomba fisainany feno avonavona izany, rehefa tonga tao an-trano i Davida ka noharabainy. Hoy izy naneso: “Akory ity voninahitry ny mpanjakan’ny Isiraely andro-any! ilay nanary lamba anikeheo teo imason’ny zanakavavin’ny mpanompony, tahaka ny adala manary lamba ka tsy manan-kenatra.”—2 Samoela 6:20.

Ahoana no namalian’i Davida an’izany? Niteny mafy an’i Mikala izy, ary nilaza fa nolavin’i Jehovah i Saoly rainy, ka nosoloany azy. Hoy ihany i Davida: “Mbola hivazina kokoa noho izany aza aho, ka hataoko tsinontsinona ny tenako; nefa hiaraka hanam-boninahitra amin’ireo tovovavy nantsoinao ireo kosa aho.”—2 Samoela 6:21, 22.

Tapa-kevitra hanohy ny fanompoana an’i Jehovah tamim-panetren-tena tokoa i Davida. Mazava amintsika àry ny antony niantsoan’i Jehovah azy hoe ‘lehilahy araka ny fony.’ (1 Samoela 13:14; Asan’ny Apostoly 13:22) Tena nanahaka an’i Jehovah Andriamanitra, ilay be fanetren-tena indrindra, izy. Mahaliana fa ny fototeny hebreo niavian’ilay tenin’i Davida tamin’i Mikala hoe: “Hataoko tsinontsinona ny tenako”, dia ampiasaina koa mba hilazana ny fomba fijerin’Andriamanitra ny olombelona. I Jehovah no lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao. Milaza anefa ny Salamo 113:6, 7 fa: ‘miondrika [midina avy amin’ny toerana ambony ananana mba hifandray amin’ny olona ambany] mijery ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany izy, ary manangana ny malahelo hiala amin’ny vovoka sy manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ny zezika.’

Manetry tena i Jehovah, ka tsy mahagaga raha halany ny olona manambony tena, izay manana “maso miavonavona.” (Ohabolana 6:16, 17) Nanana izany toetra ratsy izany i Mikala sady tsy nanaja ilay mpanjaka nofidin’Andriamanitra, ka tsy afaka nanan-janaka tamin’i Davida, fa maty momba. Tena andraisantsika fianarana lehibe izany! Tsy maintsy manaraka ireto teny ireto izay rehetra te hahazo sitraka amin’Andriamanitra: “Misikìna fanetren-tena ianareo eo amin’ny fifampitondranareo, satria Andriamanitra manohitra ny manambony tena, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa amin’ny manetry tena.”—1 Petera 5:5