Karakarao ity Voaloboka Ity!
Karakarao ity Voaloboka Ity!
NANDEHA nitety ny Tany Nampanantenaina ireo mpisafo tany 12. Nasain’i Mosesy nandinika ny mponina tao, sy nitondra santionany tamin’ny vokatr’ilay tany izy ireo. Inona no vokatra tena nanaitra azy ireo? Nahita voaloboka vaventy be tao amin’ny tanimboaloboka teo akaikin’i Hebrona izy ireo. Olona roa vao nahazaka sampahony iray tamin’izy io. Tena nanaitra an’ireo mpisafo tany izany, ka nantsoin’izy ireo hoe “Lohasaha Eskola” na “Sampahom-boaloboka”, io toerana mahavokatra io.—Nomery 13:21-24.
Hoy ny olona iray nitsidika an’i Palestina tamin’ireo taona 1800: ‘Mbola feno voaloboka ihany ao Eskola, ilay Lohasan’ny Voaloboka, ary ny voaloboka ao no tsara sy vaventy indrindra any Palestina.’ Namokatra voaloboka tsara i Palestina fahiny, na dia ny voalobok’i Eskola aza no tsara indrindra. Voalaza fa nanafatra divay avy tany Kanana ireo mpanjakan’i Ejipta.
“Be vato ny havoana [any Palestina] sady misy fasipasika sy talaky masoandro, mafana ny fahavaratra, ary mora maina ny oran-dririnina. Izany rehetra izany no mahatonga azy ho tany be voaloboka”, hoy ilay boky hoe Fandinihana ny Zavaboary Resahin’ny Baiboly (anglisy). Asehon’ny bokin’i Isaia fa misy faritra sasany nahitana foto-boaloboka arivo.—Isaia 7:23.
“Ilay tany be voaloboka”
Nilaza tamin’ny firenen’ny Israely i Mosesy fa honina ao amin’ny tany misy “voaloboka sy aviavy ary ampongabendanitra” izy ireo. (Deoteronomia 8:8) Milaza ny Rakipahalalan’i Baker Momba ny Zavamaniry Resahina ao Amin’ny Baiboly (anglisy), fa “tena be voaloboka tany Palestina fahiny, ka saika ny toerana rehetra nohadin’ny mpikaroka, raha tsy izy rehetra aza, no nahitana voam-boaloboka.” Vokatra be ny voaloboky ny Tany Nampanantenaina, matoa mbola “nanangona divay sy voankazo sesehena masaka fahavaratra” ihany ireo mponina sisa tao, taorian’ny nandravan’ny miaramilan’i Nebokadnezara an’i Joda tamin’ny 607 T.K.—Jeremia 40:12; 52:16.
Tsy maintsy nikarakara tsara ny voalobony ireo mpamboly israelita, mba hamokarana divay betsaka. Resahin’ny bokin’i Isaia izay ataon’ny mpamboly voaloboka israelita, alohan’ny hamboleny “karazam-boaloboka tsara.” Nolavahany ilay havoana, ary nesoriny ireo vato lehibe rehetra. Ireo avy eo no nataony fefy, mba tsy ho voahitsaky ny omby ilay tanimboaloboka, sady ho voaro amin’ny amboadia sy ny lambo ary ny mpangalatra. Nety ho nandavaka famiazam-boaloboka sy nanao tilikambo kely koa izy mba hipetrahany nandritra ny fotoam-piotazana, satria nila fikarakarana fanampiny ny voaloboka tamin’io fotoana io. Taorian’izany asa rehetra izany vao afaka nanantena vokatra tsara ilay mpamboly.—Isaia 5:1, 2. *
Raha te hahazo vokatra tsara ilay mpamboly, dia nila nandrantsana tsy tapaka an’ilay voaloboka, sy nihevo ny tany mba tsy hanirian’ny ahidratsy sy raozidia ary tsilo. Nety ho nanondraka koa izy nandritra ny vanin-taona mafana, raha tsy nahamando an’ilay tanimboaloboka ny oran-dohataona.—Isaia 5:6; 18:5; 27:2-4.
Fotoam-pifaliana lehibe ny fiotazana voaloboka, tamin’ny faran’ny vanin-taona mafana. (Isaia 16:10) Ahitana ilay teny hoe “Al-hagitith” ny teny mampiditra ny Salamo telo. (Salamo 8, 81, 84) Tsy tena azo antoka ny dikan’izy io, saingy nadika hoe “famiazam-boaloboka” izy io ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Mampiseho izany, fa angamba nohirain’ny Israelita tamin’ny fotoam-piotazana voaloboka ireo salamo ireo. Hanaovana divay no tena nilana ny voaloboka, kanefa nihinana azy io koa ny Israelita. Nohamaininy koa izy io mba hataony amin’ny mofomamy.—2 Samoela 6:19; 1 Tantara 16:3.
Noharina tamin’ny voaloboka ny Israely
Imbetsaka ny Baiboly no mampitaha ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny voaloboka, ary tena mety izany rehefa heverina ny hasarobidin’ny voaloboka teo amin’ny Israelita. Nampitahain’i Asafa tamin’ny voaloboka nambolen’i Jehovah tao Kanana ny firenen’ny Israely, ao amin’ny Salamo faha-80. Nodiovina ilay tany mba hamaka sy hitombo tsara ilay voaloboka an’ohatra. Nianjera anefa ilay fefy Salamo 80:8-15.
niaro azy, rehefa nandeha ny fotoana. Tsy natoky an’i Jehovah intsony ilay firenena, ka tsy narovany intsony. Nopotehin’ny firenena fahavalo foana ny fananany, toy ny ataon’ny lambo amin’ny tanimboaloboka. Nivavaka i Asafa mba hanampian’i Jehovah an’ilay firenena hahazo indray ny voninahiny taloha. Nitalaho izy hoe: “Vangio [karakarao] ity voaloboka ity.”—Nampitovin’i Isaia tamin’ny tanimboaloboka izay lasa namokatra “voalobo-dratsy” na voalobodia, araka ny fandikan-teny sasany, “ny taranak’Isiraely.” (Isaia 5:2, 7) Kely lavitra noho ny an’ny voaloboka ambolena ny voan’ny voalobodia, ary tsy dia misy ilana azy satria mila ho voany fotsiny. Sady tsy mety hanaovana divay ilay izy no tsy azo hanina. Mety tsara hilazana an’ilay firenena mpivadi-pinoana izany, satria fandikan-dalàna fa tsy fahitsiana no novokariny. Tsy ilay Mpamboly no nahatonga an’ilay voaloboka ho tsy nisy nilana azy. Nanao izay rehetra vitany i Jehovah mba hamoa voa tsara ilay firenena. “Inona moa no mbola azo natao tamin’ny tanimboaloboko, ka tsy efa nataoko taminy?”—Isaia 5:4.
Nampitandrina i Jehovah fa harodany ilay fefy naoriny hiarovana ny vahoakany, satria tsy namokatra izy ireo. Tsy handrantsana an’ilay voalobony an’ohatra intsony izy na hihevo ny taniny. Tsy hilatsaka ny oran-dohataona izay mamelona azy, ary hameno ilay tanimboaloboka ny tsilo sy ny ahidratsy.—Isaia 5:5, 6.
Naminany i Mosesy fa ho maina ny tanimboaloboky ny Israely, raha mivadi-pinoana izy ireo. “Hanao tanimboaloboka hianao ka hiasa azy, nefa tsy hisotro divay na hioty voaloboka hianao, satria ho lanin’ny fositra ireny.” (Deoteronomia 28:39) Andro vitsy monja dia halazo ny voaloboka iray, raha misy olitra mihinana azy ao amin’ny tahobeny.—Isaia 24:7.
Ilay “tena voaloboka”
Nampitaha ny Israelita tamin’ny voaloboka i Jehovah, ary nampiasa fanoharana nitovy tamin’izany koa i Jesosy. Hoy izy tamin’ny mpianany, tamin’ilay alina farany niarahany tamin’izy ireo: “Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.” (Jaona 15:1) Nampitahain’i Jesosy tamin’ny sampam-boaloboka ny mpianany. Ny tahobeny no ahazoan’ny sampam-boaloboka ara-bakiteny ny tanjany. Toy izany koa fa tsy maintsy tafaray hatrany amin’i Jesosy ny mpianany. “Tsy afaka manao na inona na inona mihitsy ... ianareo, raha misaraka amiko”, hoy i Jesosy. (Jaona 15:5) Mamboly voaloboka ny mpamboly iray mba hahazoana vokatra. Toy izany koa, fa nanantena i Jehovah hoe hamokatra teo amin’ny fanompoana azy ny vahoakany. Mampifaly sy manome voninahitra an’ilay Andriamanitra izay namboly azy ireo izany.—Jaona 15:8.
Arakaraka ny handrantsanana sy hanadiovana ny voaloboka no mampahavokatra azy, ary niresaka momba izany i Jesosy. Mety handrantsana ny voalobony
indroa isan-taona ny mpamboly mba hahazoana vokatra faran’izay betsaka. Mety hotapahin’ny mpamboly ny ankamaroan’ny sampam-boaloboka amin’ny ririnina. Sampany lehibe telo na efatra, izay misy tsiriny iray na roa avy, angamba sisa no hajanony. Ireo tsiriny kely vao mitsimoka avy tamin’ny sampany teo aloha ireo no hamokatra amin’ny vanin-taona mafana. Doran’ilay mpamboly ireo sampany nesorina, rehefa vita tanteraka ilay fandrantsanana.Izao no nilazalazan’i Jesosy an’io fandrantsanana lehibe io: “Raha misy miala amiko, dia toy ny sampany ariana eny ivelany izy, ka malazo. Ary angonin’ny olona ireny ka atsipiny ao anaty afo, ary may.” (Jaona 15:6) Toy ny efa tsy misy sampany intsony izao ilay voaloboka, nefa mbola horantsanana farany amin’ny lohataona.
Hoy i Jesosy: “Izay sampany rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny avokoa.” (Jaona 15:2) Ilay fandrantsanana farany no resahiny eo. Efa misy tsiriny vaovao maromaro mitombo eo amin’ilay voaloboka, ary efa hita tsara ireo sampahony kely. Dinihin’ilay mpamboly tsara ny sampany vaovao tsirairay, ary avahany izay misy voany, izany hoe mamokatra, sy izay tsy misy. Mitroka ny sakafo sy ny rano avy ao amin’ny tahony fotsiny ireo sampany tsy mamokatra raha avela eo. Tapahin’ilay mpamboly àry izy ireo, mba hankany amin’ireo sampany mamokatra ny sakafo ao amin’ilay foto-boaloboka.
Farany dia miresaka momba ny fanadiovana an’ilay voaloboka i Jesosy. Hoy ny fanazavany: “Izay mamoa kosa rantsanany hadio mba hamoa bebe kokoa.” (Jaona 15:2) Mandinika tsara ny tsirairay amin’ireo sampany mamokatra indray ilay mpamboly, raha vao voaesotra ireo sampany tsy mamokatra. Mahita tsiriny kely vaovao eo am-pototr’ilay sampany mamokatra izy matetika. Mila esorina koa ireny, satria hitroka ny rano ao amin’ilay voaloboka raha avela hitombo. Io rano io anefa no mahamando an’ilay voaloboka sy mamelona azy. Mety ho mila esorina koa ny ravina lehibe sasany mba ho azon’ny masoandro tsara ireo sampahom-boaloboka kely. Tena ilaina hatao ireo dingana rehetra ireo, raha te hahazo vokatra betsaka avy amin’ireo sampany mamokatra.
‘Mamoaza be hatrany’
Ny sampany amin’ilay “tena voaloboka” dia ireo Kristianina voahosotra. Tsy maintsy asehon’ny “ondry hafa” koa anefa fa mpianatr’i Kristy mahita vokatra izy ireo. (Jaona 10:16) Afaka ‘mamoa be’ amin’ny fanompoana izy ireo, ka hanome voninahitra an’ilay Rainy any an-danitra. (Jaona 15:5, 8) Mampahatsiahy antsika ilay fanoharan’i Jesosy momba ny tena voaloboka, fa tokony ho tafaray hatrany amin’i Kristy isika ary hamoa voa tsara, raha te ho voavonjy. Hoy i Jesosy: “Tsy miala amin’ny fitiavako ianareo, raha mitandrina ny didiko toy ny itandremako ny didin’ny Ray sy tsy ialako amin’ny fitiavany.”—Jaona 15:10.
Tamin’ny andron’i Zakaria dia nampanantena an’ireo sisa nahatoky teo amin’ny Israely Andriamanitra, fa mbola hisy “vokatry ny fiadanana” ao amin’ilay tany, ka “ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra.” (Zakaria 8:12) Entina ilazalazana ny fiadanan’ny vahoakan’Andriamanitra mandritra ny Fanjakana Arivo Taona koa ny voaloboka. Hoy i Mika mpaminany: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.”—Mika 4:4.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Milaza ny Rakipahalalana Judaica (anglisy) fa tian’ny Israelita kokoa ny namboly ilay karazam-boaloboka manopy volomparasy antitra, antsoina hoe sorek. Izy io no resahin’ny Isaia 5:2. Ahazoana divay mena sy mamy izy io.
[Sary, pejy 18]
Voaloboka vao nalazo
[Sary, pejy 18]
Fandrantsanana amin’ny ririnina
[Sary, pejy 18]]
Fandoroana ny sampany nesorina