Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mihamaro ny Vahoakan’i Jehovah any Ouganda

Mihamaro ny Vahoakan’i Jehovah any Ouganda

Mihamaro ny Vahoakan’i Jehovah any Ouganda

MIZARA roa ilay lohasaha atao hoe Rift Valley atsy Afrika Atsinanana, ka eo afovoany no misy an’i Ouganda. Mandalo eo amin’io tany io koa ny ekoatera. Tena kanto i Ouganda, satria ahitana toerana isan-karazany mahafinaritra sy biby mahavariana ary zavamaniry maitso mavana. Antonony tsara koa ny toetrandro any Ouganda, noho izy eo amin’ilay lembalemba avo sy midadasika atsy Afrika. Feno havoana mitomandavana sy mahavariana koa any, ary mahatratra an-jatony kilaometatra ny halavan’izy ireny.

Vitsy ny firenena manana toetany toa an’i Ouganda. Kely izy nefa ahitana faritra mangatsiaka be sy faritra mafana. Misy lanezy, ohatra, ny tendron’ireo tendrombohitra any andrefana, dia ny Tendrombohitry ny Volana na Tendrombohitra Ruwenzori. Tsy dia misy orana kosa ny faritra atsinanana. Ahitana elefanta sy ombidia ary liona eny amin’ny lemak’i Ouganda. Misy rajako isan-karazany sy karazam-borona 1 000 mahery koa any an-tendrombohitra sy any anaty ala mikitroka. Tsy mba mijaly noho ny hain-tany sy ny mosary, toy ny ankamaroan’ny firenena atsy Afrika, i Ouganda. Manana renirano sy farihy maro mantsy izy, ka anisan’izany ny Farihy Victoria. Io no farihy lehibe indrindra faharoa eran-tany. Mivarina mankao amin’ny Reniranon’i Nil io farihy io avy atỳ avaratra. Tsy mahagaga àry raha niantso an’i Ouganda hoe “vatosoan’i Afrika” i Winston Churchill, mpitondra fanjakana britanika.

Mamiratra ankehitriny ilay “vatosoa”

Ny mponina ao aminy anefa no tena mahatonga an’i Ouganda hahasarika olona. Isan-karazany izy ireo, ary sariaka sy mahay mandray vahiny. “Kristianina” ny ankamaroany. Ahitana foko maro be any, ary mbola samy manana ny fomba amam-panao sy ny fitafiana mampiavaka azy hatramin’izao.

Mihabetsaka tato ho ato ny olona mihaino ny vaovao tsara momba ny fotoana hisian’ny fiadanana maharitra maneran-tany. (Salamo 37:11; Apokalypsy 21:4) Tsy mora ny mitondra an’io hafatra ara-baiboly io any amin’ny olona manerana an’i Ouganda. Efa ho ny antsasak’i Madagasikara mantsy ny haben’io tany io.

Vitsy na “kely” ny Vavolombelon’i Jehovah tany Ouganda tamin’ny voalohany. Iray monja mantsy no nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa tao amin’ny Farihy Victoria, tamin’ny 1955. Tsy mitsaha-mitombo anefa ny vahoakan’i Jehovah nanomboka tamin’izay, ka lasa arivo izy ireo tamin’ny 1992. Mifanaraka amin’izao toky nomen’Andriamanitra izao izany: “Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.”—Isaia 60:22.

Mitory amin’ny fiteny samihafa

Ny teny anglisy no fiteny ofisialy sy be mpampiasa any Ouganda, indrindra fa any am-pianarana. Tsy io anefa no fitenin-drazan’ny ankamaroan’ny olona any. Miezaka mitory amin’ny fiteny hafa fampiasan’ny olona koa àry ny Vavolombelona. Hita fa ilaina izany, satria miisa 25 tapitrisa ny mponina any Ouganda, nefa mipetraka any ambanivohitra sy any amin’ny tanàna kely ny ankamaroany, ary ny tenin-drazany no tena fampiasany isan’andro. Mitaky ezaka be ny mitory sy mampianatra Baiboly an’ireny olona ireny.

Miezaka mafy manao izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mitory amin’ny olona amin’ny fitenin-drazany. Mandika boky sy gazety ara-baiboly amin’ny fiteny samihafa koa izy ireo ao amin’ny biraon’ny sampana ao Kampala renivohitra. Adika amin’ny fiteny efatra ny boky sy gazety, dia ny acholi, lhukonzo, luganda, ary runyankore. Atao amin’ny fiteny samihafa koa ny fivoriambe kristianina, ka maro be no tonga manatrika azy ireny. Mihoatra avo roa heny noho ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny isan’ny mpanatrika. Tena mampitombo haingana ny isan’ny vahoakan’i Jehovah àry ny ezaka atao mba hitoriana amin’ny fiteny samihafa! Mbola misy antony hafa koa anefa.

Mitarika ny asa ny mpisava lalana

Misy fandaharana atao any isan-taona, hitoriana any amin’ny faritra lavitra, mandritra ny telo volana eo ho eo. Faly mandray anjara amin’izany ireo fiangonana. (Asan’ny Apostoly 16:9) Mihamaro ny tanora mpisava lalana na mpitory manontolo andro be zotom-po, mitarika io asa io, ka mankany amin’ny faritra lavitra. Mbola tsy nitoriana ny vaovao tsara mihitsy ny toerana sasany.

Nisy Vavolombelona roa voatendry ho mpisava lalana manokana nandritra ny telo volana tany amin’ny tanàna kelin’i Bushenyi, any andrefana. Iray monja ny Vavolombelona tany. Niara-nitory sy nanao fivoriana àry izy ireo. Nisy olona 40 niara-nianatra Baiboly tsy tapaka tamin’ireo mpisava lalana, tao anatin’ny iray volana, ary nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny 17 taminy. Mitantara ireo mpisava lalana hoe: “Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia tonga tao an-tranonay ny olona sasany nametrahanay ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? * Nitondra taratasy maromaro izy ireo, ary efa nosoratany tao ny valin’ireo fanontaniana tao amin’ilay bokikely. Tiany ho fantatra raha marina na tsia ny valiny hitany.” Misy fiangonana iray manana Efitrano Fanjakana izao any amin’io tanàna io.

Nisy mpisava lalana roa hafa nankany andrefana, tany amin’ny toerana mbola tsy nitoriana ny vaovao tsara mihitsy. Hoy izy ireo: “Tena mangetaheta ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny olona. Nandritra izay telo volana naha teto anay izay, dia 86 ny olona nampianarinay Baiboly.” Tsy ela dia nisy Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy tao amin’io faritra io.

Mpitory hafa be zotom-po

Nisy efa nitory an-taonany maro tamin’ireo mpisava lalana be zotom-po ireo. Mpitsoka mozika tao amin’ny tafika ana habakabak’i Ouganda i Patrick, talohan’ny nahatongavany ho Vavolombelon’i Jehovah. Atoa Idi Amin no mpitondra tamin’izany. Natao batisa tamin’ny 1983 i Patrick, ary nirotsaka ho mpitory manontolo andro, enim-bolana taorian’izay. Mpiandraikitra mpitety faritany izy izao, ary mitsidika sy mampahery fiangonana.

Natao batisa tamin’ny 1962 i Margaret. Efa ho 80 taona izy izao, ary tsy afa-mihetsika firy fa marary ny andilany. Mandany 70 ora isam-bolana anefa izy mba hiresahana amin’ny mpiara-belona aminy, momba ny fampanantenan’ny Baiboly tontolo vaovao iray hanjakan’ny fiadanana. Ataony eo ambony dabilio eo ivelan’ny tranony ny boky sy gazety, ary iresahany izay mpandalo te hihaino ny vaovao tsara.

Efa nandritra ny 16 taona no nitady ny fahamarinana i Simon, tantsaha iray any amin’ny faritra atsinanan’i Ouganda. Nahita boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny 1995. Nanjary te hahalala bebe kokoa momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny zavatra tena tsara kasain’i Jehovah hatao eto an-tany izy, rehefa avy namaky izany. Tsy nisy Vavolombelona tany Kamuli, tanàna nipetrahany, ka nanao dia 140 kilaometatra teo ho eo nankany Kampala izy, mba hitadiavana azy ireo. Misy fiangonana iray izao ao an-tanànany.

“Tsy hiala eto intsony izahay”

Toy ny any amin’ny faritra hafa atỳ Afrika, dia maro no mihevitra fa tokony hanana toeram-pivavahana mendrika ny fivavahana iray. Tsy afa-nanoatra anefa ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah sasany, satria tsy nanam-bola hanorenana Efitrano Fanjakana mendrika. Tsy hay lazaina àry ny fankasitrahan’ireo rahalahy rehefa nisy fandaharana natomboka, tamin’ny faramparan’ny 1999. Izany dia ny fanorenana Efitrano Fanjakana haingana, atao maneran-tany. Nisy 40 ny Efitrano Fanjakana vaovao vita tany Ouganda, tao anatin’ny dimy taona nanaraka. Efa ho ny fiangonana rehetra any ankehitriny no manana efitrano tsotra nefa mendrika. Toa te hiteny amin’ny olona eo an-toerana ny Vavolombelona hoe: “Tsy hiala eto intsony izahay.” Anisan’ny mampitombo ny isan’ny vahoakan’i Jehovah any koa àry ny fanorenana Efitrano Fanjakana.

Teo ambany hazo manga midoroboka no nivory taloha ny fiangonana kely iray, any avaratr’i Ouganda. Nahazo tany anorenana Efitrano Fanjakana anefa izy ireo, ary nandroso haingana ilay fanorenana. Niaraka nanao ilay asa ireo rahalahy mpanao fanorenana sy ny Vavolombelona teo an-toerana. Gaga ny mpanao politika malaza iray rehefa nahita izany. Nomeny hanaovana fivoriana àry ny garaziny mandra-pahavitan’ilay Efitrano Fanjakana. Nanaiky hiara-mianatra Baiboly tamin’ny mpanao fanorenana iray koa izy. Mpitory vita batisa be zotom-po izy izao. Faly erỳ izy manompo an’i Jehovah ao amin’io Efitrano Fanjakana vaovao tsara tarehy io!

Nisy Efitrano Fanjakana iray naorina koa tany amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Ouganda. Tena gaga ny mpanao trano iray satria tsara fanahy sy tia miara-miasa ary mifankatia ireo rahalahy, ka nirotsaka an-tsitrapo nanampy izy. Niasa nandritra ny alina manontolo mihitsy aza izy rehefa akaiky ho vita ilay efitrano, mba ho azo tokanana ny ampitson’iny. Hoy izy: “Ianareo irery no tena mifankatia. Tsy an-tendro-molotra fotsiny ny fifankatiavanareo.”

Mbola antenaina hihamaro na dia eo aza ny korontana

Mihamaro hatrany ny Vavolombelona any Ouganda, ary mihabetsaka ny olona mifanerasera amin’ny fiangonana, noho ny fitoriana any amin’ireo faritany vaovao. Miady an-trano koa ireo firenena manodidina azy, ka be dia be izao ny mpitsoa-ponenana mirohotra mankany Ouganda, ary misy amin’izy ireo Vavolombelon’i Jehovah. Mila fikarakarana maika daholo izy ireny. Tena matoky an’i Jehovah ny Vavolombelona any amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana. Nisy manam-pahefana ambony avy ao amin’ny tany iray eo akaikin’i Ouganda, nanenjika ny Vavolombelona, tamin’ny mbola voarara ny asan’izy ireo tany. Nanan-karena be io lehilahy io tamin’izany. Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny mpitsoa-ponenana iray anefa izy tany Ouganda, ary lasa Vavolombelona. Hoy izy: “Tsy misy vidiny ny harena sy ny toerana ambony eto amin’ity tontolo ity. Tsara kokoa noho ny taloha izao ny fiainako, na dia mahantra sy tsy salama aza aho. Mahafantatra an’i Jehovah aho, ary faly fa afaka mivavaka aminy. Manana fanantenana mafy orina momba ny hoavy koa aho, ary fantatro ny antony tsy maintsy hiaretantsika zava-tsarotra amin’izao andro izao. Mbola tsy nilamin-tsaina toy izao mihitsy aho hatramin’izay.”

Tena mahavokatra ny tanin’i Ouganda, ka misy milaza hoe raha manatsatoka rantsankazo eo ianao amin’ny hariva, dia hisy fakany ilay izy amin’ny maraina. Tena mahita vokatra koa ny vahoakan’i Jehovah any, satria mihabetsaka ny olona mianatra Baiboly. Isaorantsika i Jehovah satria namela fotoana izy mba hahafahan’ny karazan’olona maro kokoa any Ouganda hianatra momba ny Fanjakany. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny “vatosoa iray sarobidy” ilay Fanjakana, ary mihamaro hatrany ny olona mahatakatra izany any Ouganda.—Matio 13:45, 46.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sarintany, pejy 8]

(Jereo ny gazety)

SOUDAN

OUGANDA

Reniranon’i Nil

Kamuli

Tororo

Kampala

Bushenyi

Farihy Victoria

KENYA

TANZANIA

RWANDA

[Sary, pejy 9]

Telo amin’ireo mpisava lalana be zotom-po

[Sary, pejy 10]

Patrick

[Sary, pejy 10]

Margaret

[Sary, pejy 10]

Simon

[Sary, pejy 10]

Fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Tororo

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]]

Sary eo andamosina: © Uganda Tourist Board