Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Ny Fampahatsiahivanao no Tian’ny Foko’

‘Ny Fampahatsiahivanao no Tian’ny Foko’

‘Ny Fampahatsiahivanao no Tian’ny Foko’

“Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika.” —ROMANINA 15:4.

1. Ahoana no anomezan’i Jehovah fampahatsiahivana antsika, ary nahoana isika no mila azy ireny?

MANOME fampahatsiahivana ho an’ny vahoakany i Jehovah amin’izao fotoan-tsarotra izao, mba hanampiana azy ireo hiatrika olana. Mahazo fampahatsiahivana, ohatra, isika rehefa mamaky Baiboly samirery, na rehefa mandre ireo fanazavana na valin-teny any am-pivoriana. Tsy vaovao amintsika ny ankamaroan’ny zavatra vakintsika na rentsika amin’ny fotoana toy ireny. Mety ho efa nianarantsika ilay izy teo aloha. Mora manadino anefa isika, ka mila ampahatsiahivina antsika foana ny fikasan’i Jehovah sy ny lalàny ary toromariny. Tokony hankasitraka ny fampahatsiahivan’Andriamanitra isika. Mampahery antsika izy ireny, satria manampy antsika hitadidy ny antony anarahantsika fomba fiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Izany no nahatonga ny mpanao salamo hihira ho an’i Jehovah hoe: “Ny fampahatsiahivanao ... no tian’ny foko.”—Salamo 119:24, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

2, 3. a) Nahoana i Jehovah no nirakitra tantaran’olona ao amin’ny Baiboly? b) Ny tantaran’iza avy no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

2 Mahery ny Tenin’Andriamanitra, na dia efa ela be aza no nosoratana. (Hebreo 4:12) Mitantara fiainan’olona tena nisy fahiny izy io. Marina aloha fa hafa mihitsy ny fanao sy ny fisainan’ny olona tamin’izany fotoana izany. Kanefa matetika no misy itoviana amin’ny olana mahazo antsika ny nanjo azy ireo. Maro ny tantara noraketina ao amin’ny Baiboly mba hahasoa antsika. Manohina ny fo ny tantaran’ireo olona tia an’i Jehovah sy nanompo azy tamim-pahatokiana na dia niatrika olana aza. Ahafantarana ny fitondran-tena halan’Andriamanitra kosa ny tantara hafa. Noraketin’i Jehovah tao amin’ny Baiboly, na ny tantaran’ny olona nanao ny tsara na ny an’ireo nanao ny ratsy, mba ho fampahatsiahivana sy handraisantsika lesona. Nilaza tokoa ny apostoly Paoly hoe: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.”—Romanina 15:4.

3 Andeha isika izao handinika tantara telo avy ao amin’ny Soratra Masina: ny tantaran’i Davida tamin’izy nenjehin’i Saoly, ny tantaran’i Ananiasy sy Safira, ary ny fitondran-tenan’i Josefa nanoloana ny vadin’i Potifara. Samy andraisantsika lesona sarobidy ireo.

Tsy nivadika tamin’ny fandaharan’Andriamanitra i Davida

4, 5. a) Tantarao ny zava-nisy teo amin’i Saoly Mpanjaka sy Davida. b) Inona no nataon’i Davida nanoloana ny fankahalan’i Saoly azy?

4 Nivadika tamin’i Jehovah i Saoly Mpanjaka, ka nanjary tsy mendrika hitondra ny vahoakany intsony. Tsy nankasitraka azy intsony Andriamanitra, ka naniraka an’i Samoela mpaminany mba hanosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely. Nankalazain’ny olona i Davida satria tena nahay niady sy be herim-po. Nandrafy azy i Saoly nanomboka teo, ary nitady hamono azy foana. Tsy nahomby anefa i Saoly, satria niaro an’i Davida i Jehovah.—1 Samoela 18:6-12, 25; 19:10, 11.

5 Tsy maintsy nandositra i Davida nandritra ny taona maro. Afaka namono an’i Saoly izy, indray mandeha. Nampirisika azy hanao izany mihitsy aza ny namany, ka nilaza fa efa natolotr’i Jehovah teo an-tanany ny fahavalony. Nanda anefa i Davida, noho izy tsy nivadika tamin’i Jehovah sy nanaja an’i Saoly, izay Mpanjaka voahosotr’Andriamanitra hitondra ny vahoakany. Tsy i Jehovah tokoa ve no nanendry an’i Saoly ho mpanjakan’ny Israely? Noho izany, dia i Jehovah ihany no hanala azy amin’io toerana io, amin’ny fotoana mety. Nihevitra àry i Davida fa tsy anjarany ny manao izany. Nilaza toy izao izy rehefa avy nanao izay rehetra azony natao mba hampitonena an’i Saoly: “Aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin’ny ady izy, ka any no hahafaty azy. Sanatria amiko eo anatrehan’i Jehovah, raha haninjitra ny tànako hamely ny voahosotr’i Jehovah aho.”—1 Samoela 24:4-16; 26:7-20.

6. Inona no lesona azontsika ampiharina avy amin’ny tantaran’i Davida sy Saoly?

6 Andraisantsika lesona lehibe io tantara io. Mety ho sahiran-tsaina ianao, ohatra, noho ny olana sasany mitranga eo anivon’ny fiangonana kristianina. Angamba manao zavatra tsy mety ny olona iray, ary mahasosotra anao ilay izy, na dia tsy fahotana lehibe aza. Ahoana no tokony hataonao? Azonao atao angamba ny miresaka amin’ilay olona amin-katsaram-panahy mba handaminana ilay olana, noho ianao miahy azy sy tsy mivadika amin’i Jehovah. Ahoana anefa raha mbola mitohy ilay olana? Azonao apetraka eo am-pelatanan’i Jehovah ilay izy, rehefa nanao araka izay azonao natao ianao. Izany no nataon’i Davida.

7. Ho fanahafana an’i Davida, inona no tokony hataontsika rehefa iharan’ny tsy rariny isika na avakavahan’ny olona?

7 Mety hiharan’ny tsy rariny eo amin’ny fiaraha-monina koa ianao, na havakavahan’ny olona noho ny fivavahanao. Tsy afa-manoatra angamba ianao. Mety ho tena sarotra ny miaritra an’izany. Andraisantsika lesona anefa izay nataon’i Davida tamin’izy niharan’ny tsy rariny. Hita ao amin’ilay salamo manohina ny fo nosoratany, fa nivavaka tamim-pahatsorana izy mba tsy ho voasambotr’i Saoly. Nahariharin’io salamo io koa anefa fa tsy nivadika tamin’i Jehovah izy, ary zava-dehibe taminy ny fanomezam-boninahitra ny anaran’Andriamanitra. (Salamo 18:1-6, 25-27, 30-32, 48-50; 57:1-11) Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Davida, na dia nanao ny tsy rariny taminy aza i Saoly nandritra ny taona maro. Tsy tokony hivadika amin’i Jehovah sy ny fandaminany koa àry isika, na dia miaritra ny tsy rariny sy izay ataon’ny hafa aza. Mahazo matoky isika fa hitan’i Jehovah avokoa izay rehetra mitranga.—Salamo 86:2.

8. Inona no nataon’ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Mozambika rehefa niharam-pitsapana ny tsy fivadihany?

8 Misy Kristianina tsy mivadika amin’i Jehovah koa ankehitriny, na dia iharam-pitsapana aza. Anisan’izany ireo Vavolombelon’i Jehovah any Mozambika. Tamin’ny 1984, dia niverimberina nanafika ny tanàna nisy azy ireo ny mpikomy mitam-piadiana, izay nandroba sy nandoro trano ary namono olona. Toa tsy afaka niaro tena mihitsy ireo Kristianina ireo. Noteren’ny mpikomy hitam-piadiana ny mponina tao amin’ilay tanàna, na notereny hanohana azy tamin’ny fomba hafa. Tsy nety nanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah, noho izy ireo tsy anisan’izao tontolo izao. Romotra ny mpikomy noho izany. Vavolombelona 30 be izao no novonoina tamin’ny fotoana nisian’io korontana io. Tsy nivadika tamin’Andriamanitra anefa ny vahoakany na dia norahonana ho faty aza. * Niaritra ny tsy rariny toa an’i Davida izy ireo, nefa nivoaka ho mpandresy.

Fampahatsiahivana ho fampitandremana

9, 10. a) Inona no soa raisintsika avy amin’ny tantaran’ny olona sasany ao amin’ny Baiboly? b) Inona no zava-dratsy nataon’i Ananiasy sy Safira?

9 Mampahatsiahy antsika momba ny fitondran-tena tokony hohalavirina, ny tantaran’ny olona sasany ao amin’ny Baiboly. Maro ny tantaran’olona nanao ratsy voarakitra ao, ary nizaka ny vokatry ny nataony izy ireny. Nisy tamin’izy ireny aza mpanompon’Andriamanitra. (1 Korintianina 10:11) Anisan’izany i Ananiasy sy Safira, mpivady teo anivon’ny fiangonana kristianina tao Jerosalema, tamin’ny taonjato voalohany.

10 Taorian’ny Pentekosta taona 33, dia nila nomena fanampiana ara-bola ireo vao tonga mpino nijanona tao Jerosalema, mba handraisan’izy ireo soa avy amin’ny fifaneraserana tamin’ny apostoly. Nivarotra ny taniny àry ny olona sasany anisan’ny fiangonana, mba hisy vola hozaraina, ka hanana izay ilainy ny rehetra. (Asan’ny Apostoly 2:41-45) Nivarotra ny taniny i Ananiasy sy Safira, ary nitondra ny ampaham-bidin’izy io tany amin’ny apostoly. Nilaza izy ireo fa ny vola rehetra vidin’ny tany io nataony fanomezana io. Marina aloha fa izy mivady ihany no afaka nanapaka hoe ohatrinona ny vola homeny. Ratsy saina anefa izy ireo ary tsy nanao ny marina. Te hanaitra ny sain’ny fiangonana izy ireo, ary mody niseho ho nanome vola be. Noho ny fanampian’ny fanahy masina, dia nampibaribary ny lainga sy ny fihatsarambelatsihin’izy ireo ny apostoly Petera, ary novonoin’i Jehovah izy ireo.—Asan’ny Apostoly 5:1-10.

11, 12. a) Milazà andinin-teny sasany izay mampahatsiahy antsika mba hanao ny marina. b) Inona no soa raisin’ny olona manao ny marina?

11 Enga anie isika hitadidy tsara ny tantaran’i Ananiasy sy Safira, rehefa alaim-panahy handainga mba hisehoana ho tsara eo imason’ny olona. Ny olona no azontsika fitahina fa tsy i Jehovah. (Hebreo 4:13) Imbetsaka ny Soratra Masina no mampirisika antsika mba hanao ny marina. Tsy hiaina ao amin’ny tany hanjakan’ny fahamarinana mantsy ny mpandainga. (Ohabolana 14:2; Apokalypsy 21:8; 22:15) Mazava ny anton’izany. I Satana Devoly no mpampiroborobo ny karazan-dainga rehetra.—Jaona 8:44.

12 Mandray soa maro isika rehefa manao ny marina foana. Tsy manenjika antsika, ohatra, ny eritreritsika ary faly isika satria atokisan’ny olona. Kristianina maro no nahita asa, na tsy voaroaka tamin’ny asany, satria nanao ny marina. Tsy vitan’izay anefa fa lasa sakaizan’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ny olona manao ny marina, ary izany no soa lehibe indrindra.—Salamo 15:1, 2.

Nadio fitondran-tena foana i Josefa

13. Inona no nanjo an’i Josefa, ary inona no nataony?

13 Namidy ho andevo i Josefa, zanak’i Jakoba, tamin’izy 17 taona. Niasa tao an-tranon’i Potifara, tandapa ejipsianina, izy tatỳ aoriana. Nanjary voasarika tamin’i Josefa ny vadin’io tompony io, ka naniry hanao firaisana taminy. Tovolahy tsara tarehy mantsy i Josefa. Nilaza taminy toy izao foana io vehivavy io isan’andro: “Avia handry amiko.” Lavitra ny fianakaviany i Josefa ary tsy nisy nahafantatra azy ny olona tao amin’ilay tany. Mety ho azony natao àry ny nanao firaisana tamin’io vehivavy io, nefa tsy hisy hahalala. Nisambotra azy mihitsy aza ny vadin’i Potifara tamin’ny farany. Nandositra anefa izy.—Genesisy 37:2, 18-28; 39:1-12.

14, 15. a) Nahoana no mahasoa antsika ny tantaran’i Josefa? b) Nahoana no velom-pankasitrahana ny Kristianina iray noho izy nanaraka ny fampahatsiahivan’Andriamanitra?

14 Nobeazina teo anivon’ny fianakaviana matahotra an’Andriamanitra i Josefa. Fantany fa tsy mety raha manao firaisana ny olona tsy mpivady. Hoy izy tamin’ny vadin’i Potifara: “Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” Hita tamin’izany fa toa nahafantatra ny fitsipika nomen’Andriamanitra tany Edena izy, dia ny hoe iray ihany no tokony ho vadin’ny olona. (Genesisy 2:24) Handray soa ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny, raha misaintsaina izay nataon’i Josefa tamin’io fotoana io. Mihevitra mantsy ny olona any amin’ny faritra sasany, fa tsy mampaninona ny manao firaisana na dia tsy mpivady aza, hany ka esoin’ny namany ny tanora tsy mety manao izany. Fahita koa ny olona manitsakitsa-bady. Tena ilaintsika àry ny tantaran’i Josefa, satria mampahatsiahy lesona lehibe. Mbola fahotana foana ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady, araka ny fitsipik’Andriamanitra. (Hebreo 13:4) Maro tamin’ireo olona resin’ny fakam-panahy hijangajanga no miaiky fa tena misy antony tsy tokony hanaovana izany. Menatra olona, ohatra, izy, enjehin’ny eritreriny, ary tsy atokisan’ny hafa. Mety ho bevohoka koa izy, na ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Marina tokoa ny fampahatsiahivan’ny Soratra Masina, fa ny mpijangajanga dia “manota amin’ny vatany ihany.”—1 Korintianina 5:9-12; 6:18; Ohabolana 6:23-29, 32.

15 Tena mankasitraka ny fampahatsiahivan’i Jehovah i Fanny, * Vavolombelon’i Jehovah mbola mpitovo. Niseho ho raiki-pitia taminy ny tovolahy iray bikàna niara-niasa taminy. Rehefa hitany fa tsy niraika i Fanny, dia vao mainka izy nanao zavatra betsaka mba hamaboana azy. Niaiky i Fanny hoe: “Niady mafy aho mba tsy ho solafaka, satria mahafinaritra izany hoe misy mpitia izany.” Hitany anefa fa ny hanao firaisana taminy fotsiny no tanjon’ilay lehilahy, toy ny efa nataony tamin’ny vehivavy maro. Rehefa nitady ho resin’ny fakam-panahy i Fanny, dia nitalaho tamin’i Jehovah izy mba hanampy azy tsy hivadika. Nanao fikarohana tao amin’ny Baiboly sy ireo boky aman-gazety izy, ary nahatsapa fa nandrisika azy tsy hilavo lefona ireo fampahatsiahivana hitany. Anisan’izany ny tantaran’i Josefa sy ny vadin’i Potifara. Hoy izy: “Nataoko an-tsaina foana ny fitiavako an’i Jehovah. Ny fanaovako izany no nahatonga ahy hino, fa tsy hanao izany ratsy lehibe izany aho ka hanota amin’Andriamanitra.”

Araho ny fampahatsiahivan’Andriamanitra!

16. Inona no soa raisintsika raha mamerina mijery sy misaintsaina ireo tantaran’olona voarakitra ao amin’ny Baiboly isika?

16 Vao mainka hitombo ny fankasitrahantsika ny fitsipik’i Jehovah, raha ezahintsika fantarina ny antony niraketany ny tantara sasany ao amin’ny Baiboly. Eritrereto, ohatra, hoe: Inona no lesona ampitain’izy ireny? Inona no toetra na toe-tsaina nasehon’ireo olona ao amin’ny Baiboly, ka tokony hotahafintsika na hohalavirintsika? Olona an-jatony no voatantara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Afaka mandray soa ny olona rehetra tia ny fampianaran’i Jehovah, raha miezaka ho tia ny fahendrena manome fiainana. Anisan’izany ny lesona avy amin’ireo tantaran’olona noraketin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly. Matetika ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana no ahitana lahatsoratra momba ireny olona ireny, izay azontsika andraisana lesona. Nahoana raha mamerina mijery azy ireny indray?

17. Ahoana no fahitanao ny fampahatsiahivan’i Jehovah, ary nahoana ianao no mihevitra toy izany?

17 Velom-pankasitrahana an’i Jehovah tokoa isika, satria tia sy miahy ny olona miezaka manao ny sitrapony izy! Mazava ho azy fa tsy lavorary isika, ary toy izany koa ireo lehilahy sy vehivavy voaresaka ao amin’ny Baiboly. Tena sarobidy amintsika anefa ny tantaram-piainan’izy ireny. Raha manaraka ny fampahatsiahivan’i Jehovah isika, dia tsy hanao fahadisoana lehibe, sady ho afaka hanahaka ny ohatra tsara navelan’ireo nandeha tamin’ny lalan’ny fahamarinana. Ho afaka hihira toa an’ilay mpanao salamo isika amin’izay, ka hanao hoe: “Sambatra ireo mitandrina ny fampahatsiahivan[’i Jehovah]. Amin’ny fo manontolo no itadiavan’ireny azy hatrany. Notandremako ny fampahatsiahivanao, ary tiako loatra ireny.”—Salamo 119:2, 167, TV.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Novana ny anarana.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no ianarantsika avy tamin’izay nataon’i Davida, rehefa nenjehin’i Saoly izy?

• Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Ananiasy sy Safira?

• Nahoana ny tantaran’i Josefa no tena mahasoa antsika ankehitriny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Nahoana no tsy navelan’i Davida hovonoina i Saoly?

[Sary, pejy 27]

Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Ananiasy sy Safira?

[Sary, pejy 28]

Nahoana i Josefa no tsy nanaiky ho resin’ny fakam-panahy hijangajanga?