Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sambatra ve Ianao?

Sambatra ve Ianao?

Sambatra ve Ianao?

MBA diniho kely hoe! Sambatra ve no fahitanao ny tenanao? Miezaka mafy ny manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, mba hamantatra ny fahasambaran’ny tsirairay, anisan’izany ny anao. Tsy mora anefa izany, toy ny mahasarotra ny mamantatra hoe manao ahoana ny halalin’ny fitiavan’ny lehilahy iray ny vadiny, na ny hamafin’ny alahelo tsapan’ny fianakaviana namoy havan-tiana. Tsy azo refesina mantsy ny fihetseham-po. Na izany aza dia miaiky ny manam-pahaizana fa afaka ny ho sambatra ny olona rehetra.

Misy olana lehibe maro anefa manimba ny fahasambarantsika. Diniho, ohatra, izao: Any amin’ny tanàna sasany dia be dia be no matin’ny SIDA, ka tsy omby intsony ny fasana. Voatery sokafana àry ireo fasana tranainy mba handevenana ireo maty vao haingana. Anisan’ny asa be mpanao ny fanamboarana vatam-paty any amin’ny faritra sasany atsy Afrika. Ary na aiza na aiza misy anao, dia voamarikao angamba fa malok’endrika ny olona marary mafy, sy ireo maty havana na namana.

Ahoana indray ny any amin’ny tany manankarena kokoa? Mety ho sahirana tampoka ny olona noho ny fiovan-javatra tsy ampoizina. Maro amin’ireo be antitra any Etazonia, ohatra, no voatery niverina niasa, satria tsy nahazo vola fisotroan-dronono intsony. Lany amin’ny saram-pitsaboana koa mazàna ny tahirim-bolan’ny fianakaviana sasany. Hoy ny mpanolo-tsaina iray: “Efa bokan’ny trosa indraindray ny olona tonga eto amiko, sady izay mbola marary koa. Hontsa mihitsy ny foko. Matetika aho no tsy maintsy manoro hevitra azy ireo mba hivarotra ny tranony.” Ahoana kosa ny amin’ireo tsy sahirana ara-bola? Mety tsy ho sambatra koa ve izy ireny?

Mitovy amin’ny fiainan’ilay mpamoron-kira malaza atao hoe Richard Rodgers ny fiainan’ny sasany amin’ireny olona ireny. Hoy ny olona momba azy: “Vitsy no nahavita nitondra fahafinaretana be ho an’ny olona maro hoatran’i Rodgers.” Kivy tanteraka anefa izy, na dia olona maro aza no nankafy ny hirany. Tratrany ny tanjona irin’ny olona maro hotratrarina, dia ny vola sy ny laza, kanefa sambatra ve izy? Hoy ny olona iray nitantara ny fiainan’i Rodgers: ‘Tena nahomby tamin’ny asany izy, tsy ory na inona na inona, ary nahazo loka roa lehibe. Tsy sambatra anefa izy fa ketraka lava.’

Tsikaritrao angamba fa matetika no diso fanantenana ny olona, rehefa ny harena no katsahiny mba hahasambatra azy. Nilaza ny mpanao gazety iray ao amin’ny Gilaoby sy Taratasy (anglisy), any Kanada, fa maro amin’ny olona manan-katao no “mahatsiaro ho manirery sy mihevitra fa tsy misy dikany ny fiainany.” Nilaza koa ny mpanolo-tsaina iray, fa matetika ny fanomezan’ny ray aman-dreny mpanankarena vola sy zavatra be dia be ho an-janany no “mahatonga azy ireny hijaly rehefa lehibe.”

Inona no tena fototry ny fahasambarana?

Mila tany tsara sy rano ary toetrandro mety aminy ny voninkazo, raha tiana handrobona tsara. Miaiky ny mpikaroka fa misy zavatra sasany koa ilain’ny olona mba hahasambatra azy. Anisan’izany ny fahasalamana sy asa mahafa-po, ary sakafo sy trano mbamin’ny fitafiana tsara. Ilaina koa ny fanomezana fahafaham-po ny faniriana hamoron-javatra, ary ny tena namana.

Ekenao angamba fa ilaina mba hahasambatra ny olona ireo. Mbola zava-dehibe kokoa noho ireo anefa ny fahalalana an’ilay “Andriamanitra falifaly”, izay atao hoe Jehovah. (1 Timoty 1:11) Nahoana? Satria izy no Mpamorona antsika ary nametraka tao amintsika ny fahafahana ho sambatra. Fantany àry izay tena hahasambatra antsika. Manome torohevitra izy mba hahasambatra ny olona mandrakizay, na inona na inona fari-piainany amin’izao fotoana izao, ary na aiza na aiza misy azy. Hanazava izany ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 4]

Toy ny voninkazo ny fahasambarana, ka misy zavatra sasany ilaina mba hampitombo azy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

© Gideon Mendel/CORBIS