Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tari-dalana Azo Antoka mba Hahasambatra

Tari-dalana Azo Antoka mba Hahasambatra

Tari-dalana Azo Antoka mba Hahasambatra

MANAN-JO “hikatsaka Fahasambarana” ny olombelona rehetra. Izany no hevitr’ireo olona nanoratra ny Fanambarana ny Fahaleovan-tenan’i Etazonia. Tsy mitovy anefa ny hoe mikatsaka zavatra iray sy ny hoe mahazo azy io. Maro, ohatra, ny tanora miezaka mafy mba hahazo asa eo amin’ny sehatry ny zavakanto sy ny fanatanjahan-tena. Firy amin’izy ireo anefa no mahatanteraka izany faniriany izany? “Mety tsy ho vitanao izany”, hoy ny mpihira malaza iray, izay nifofotra mafy vao nahomby tamin’ny asany.

Mety hihevitra koa ianao fa tsy ho tanteraka mihitsy ny fanirianao ho sambatra. Aza kivy anefa, satria misy fomba tsara hikatsahana fahasambarana. Ary tena ho sambatra ianao raha manao izany. Voalaza tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha mantsy fa “Andriamanitra falifaly” i Jehovah. (1 Timoty 1:11) Manome tari-dalana amin’ny alalan’ny Baiboly izy, mba tsy ho very maina ny ezaka ataonao hikatsahana fahasambarana. Afaka manampy anao izy mba handresy ny alahelo vokatry ny olana mpitranga eo amin’ny fiainana. Diniho, ohatra, ny fampiononana omeny ho an’ny olona nidonam-pahoriana.

Rehefa nodimandry ny olona iray tianao

Tsy misy mahatsara ny fahafatesana, na kely aza. Manasaraka ny ray aman-dreny amin’ny zanany izy io, na ny zanaka amin’ny ray aman-dreniny. Manasaraka ny mpinamana akaiky koa izy io, ary mampiady saina ireo mpiara-monina tsy misara-mianakavy. Mety ho tototry ny alahelo ny fianakaviana sambatra iray, rehefa indaosin’ny fahafatesana ny mpianakavy iray.

Ekentsika rehetra fa tena mampahory ny fahafatesana. Tsy miray hevitra amin’izany anefa ny olona sasany, ary milaza fa fitahiana izy io. Mariho, ohatra, izay nitranga tamin’ny Aogositra 2005, taorian’ny namelezan’ny Rivo-doza Katrina ny faritra manamorona ny Hoalan’i Meksika. Nilaza toy izao ny mpitondra fivavahana iray, nandritra ny fandevenana ny olona iray matin’ilay rivo-doza: “Tsy i Katrina no namono azy, fa nantsoin’Andriamanitra hody any aminy izy.” Tamin’ny fotoana hafa indray, dia nodimandry ny renin’ny ankizivavy iray. Nampionona azy tamim-pahatsorana ny mpiasan’ny hopitaly iray tamin’izay, ka nilaza taminy fa nalain’Andriamanitra ho any an-danitra ny reniny. Nitomany ilay ankizivavy sady niteny hoe: “Fa maninona izahay no nosarahiny?”

Hita fa mazàna no tsy mampionona an’ireo nidonam-pahoriana ireo hevi-diso ireo. Nahoana? Satria tsy izany no marina momba ny fahafatesana. Ny tena ratsy aza, izany hevi-diso izany dia toa milaza fa maka an-keriny an’ilay olona Andriamanitra, ary manao izany amin’ny fomba mahatsiravina sy mampanaintaina. Manjary toy ny hoe tsy mifaditrovana ilay Andriamanitra loharanon’ny fampiononana. Milaza ny marina momba ny fahafatesana anefa ny Tenin’Andriamanitra.

Antsoin’ny Baiboly hoe fahavalo ny fahafatesana, ary ampitahainy amin’ny mpanjaka mifehy ny olombelona. (Romanina 5:17; 1 Korintianina 15:26) Fahavalo tena mahery izy io ka tsy misy mahatohitra azy ny olombelona, ary ny havantsika maty dia anisan’ireo olona tsy tambo isaina efa resiny. Rariny sy ara-dalàna àry raha malahelo be sy mahatsiaro ho tsy afa-manoatra ny olona nidonam-pahoriana, rehefa jerena ireo fahamarinana ara-baiboly ireo. Mampiasa an’io fahavalo io ve anefa Andriamanitra, mba hakana ny havantsika ho any an-danitra? Aleo ny Baiboly no hamaly izany.

Hoy ny Mpitoriteny 9:5, 10: “Ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona ... Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita [na Sheola] izay alehanao.” Inona ny Sheola? Ny fasana misy ny maty rehetra izy io. Tsy manao na inona na inona mihitsy ny maty ao am-pasana. Tsy mihetsika izy, tsy mahatsiaro tena, ary tsy mieritreritra, fa toy ny olona matory be. * Hazavain’ny Baiboly àry fa tsy alain’Andriamanitra hiaraka aminy any an-danitra ny havantsika maty. Ao am-pasana izy ireo, ary tsy miaina intsony.

Nanamafy izany i Jesosy taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy namany. Nampitoviny tamin’ny torimaso ny fahafatesana. Tsy tsara fanahy i Jesosy raha toa ka efa niaraka tamin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra tany an-danitra i Lazarosy, nefa nampidininy ho etỳ an-tany indray, ary mbola ho faty ihany avy eo. Milaza ny Soratra Masina, fa niantso mafy toy izao i Jesosy teo amin’ilay toeram-pandevenana: “Ry Lazarosy, mivoaha! Dia nivoaka ilay lehilahy efa maty.” Velona indray i Lazarosy. Fantatr’i Jesosy fa tsy niala teto an-tany mihitsy izy, fa tao am-pasana foana.—Jaona 11:11-14, 34, 38-44.

Hitantsika amin’io fitantarana io fa tsy fomba hamindran’Andriamanitra ny olona ho any an-danitra ny fahafatesana. Voasarika hanatona an’Andriamanitra àry isika satria tsy izy no mahatonga ny fahoriantsika. Mahazo matoky koa isika fa fantany tsara ny alahelontsika, sy ny fahavoazana ateraky ny fahafatesana eo amintsika. Porofoin’ny fahamarinana ara-baiboly momba ny maty, fa tsy mijaly any amin’ny afobe na afofandiovana izy ireny, fa ao am-pasana fotsiny, ary tsy miaina intsony. Rehefa mahatsiaro ireo havantsika nodimandry àry isika, dia tsy tokony hankahala an’Andriamanitra na hanahy momba izay manjo azy ireny. Manome fampiononana hafa koa i Jehovah ao amin’ny Baiboly.

Mahasambatra ny fanantenana

Hitantsika tamin’ireo andinin-teny nojerentsika teo, fa mila fanantenana ny olona mba ho tena sambatra. Midika hoe miandry amim-patokisana zavatra tsara, ny teny hoe “fanantenana” ao amin’ny Baiboly. Hiverenantsika kely ilay tantaran’ny fananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty, mba hahitana hoe nahoana ny fanantenana no mahasambatra.

Misy antony roa, fara fahakeliny, nanaovan’i Jesosy an’iny fahagagana iny. Voalohany, mba hanesorana ny alahelon’i Marta sy Maria ary ireo naman’i Lazarosy. Afaka niaraka tamin’io havan-tiany io indray izy ireo. Mbola lehibe kokoa noho izany anefa ny antony faharoa, izay nolazain’i Jesosy tamin’i Marta. Hoy izy: “Tsy efa nilazako moa ianao fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr’Andriamanitra?” (Jaona 11:40) “Zava-mahatalanjona hain’Andriamanitra atao” no ilazana an’io tapany farany io, ao amin’ny Testamenta Vaovao Amin’ny Teny Anglisy Maoderina nosoratan’i J. Phillips. Nampiseho ny santionan’ny zavatra hain’Andriamanitra atao sy ny mbola hataony i Jesosy, rehefa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty. Andeha isika handinika lalindalina kokoa momba izany “zava-mahatalanjona hain’Andriamanitra atao” izany.

Hoy i Jesosy ao amin’ny Jaona 5:28, 29: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.” Midika izany fa ho velona ireo maty rehetra ao amin’ny Sheola, anisan’izany ireo havan-tiantsika. Manazava bebe kokoa momba izany fisehoan-javatra mahatalanjona izany ny Asan’ny Apostoly 24:15, manao hoe: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” Mety mbola hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra àry na dia ireo “tsy marina” aza, izany hoe ireo olona maro tsy nahalala sy tsy nanompo azy.

Aiza anefa no hitsangana ny maty? Hoy ny Salamo 37:29: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” Alao sary an-tsaina ange izany e! Hihaona eto an-tany indray ireo mpianakavy sy mpinamana nosarahin’ny fahafatesana. Azo inoana fa tena mahasambatra tokoa, na dia ny mieritreritra fotsiny aza hoe hiaraka indray amin’ireo olona maminao efa nodimandry ianao.

Tian’i Jehovah ho sambatra ianao

Hitantsika teo fa misy fomba roa anampian’i Jehovah anao mba ho sambatra kokoa, na dia manana olana aza ianao. Voalohany, manome anao fahalalana sy tari-dalana izy ao amin’ny Baiboly, mba hanampiana anao hiatrika zava-tsarotra. Sady manampy anao hizaka ny alahelo vokatry ny fahafatesana ny torohevitry ny Baiboly, no manampy anao hiatrika ny fahasahiranana ara-bola sy ny aretina. Afaka manome anao hery hiaretana ny korontana ara-politika, sy ny tsy rariny eo amin’ny fiaraha-monina koa izy io. Afaka manampy anao hamaha ny olana hafa eo amin’ny fiainanao izy io, raha ampiharinao ny tari-dalana ao anatiny.

Manaraka izany, rehefa mianatra Baiboly ianao, dia manjary manana fanantenana, izay tsara lavitra noho ny zava-drehetra mety ho azonao avy amin’ny olombelona. Anisan’ny fanantenana omen’ny Baiboly ny fananganana ny namantsika sy ny havantsika efa maty. Manome tsipiriany bebe kokoa momba izany ny Apokalypsy 21:3, 4, manao hoe: “Andriamanitra mihitsy no ho eo [amin’ny olombelona]. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” Midika izany fa tsy ho ela, dia ho foana mandrakizay ny zavatra rehetra miteraka alahelo ho anao. Tsy maintsy tanteraka ny fampanantenan’ny Baiboly, ary hahafaly anao ny hahita izany. Manamaivana ny hakiviana na dia ny mahafantatra fotsiny aza hoe ho tsara kokoa ny fiainana amin’ny hoavy. Mahasambatra ny mahafantatra fa tsy hijalijaly mandrakizay isika raha sanatria maty.

Manamarina izany ity tantara ity, izay nitranga taona vitsivitsy lasa izay: Voan’ny kansera ny vadin’i Maria, ary nijaly be vao maty. Mbola tao anatin’ny alahelo mafy i Maria no tratran’ny fahasahiranana ara-bola, ka voatery niala tamin’ny tranony niaraka tamin’ny zanany telo vavy. Voan’ny kansera koa i Maria, roa taona tatỳ aoriana. Nisy fandidiana lehibe roa natao taminy ary manaintaina mafy izy isan’andro. Mijery lafy tsaran-javatra foana anefa izy, ka izany no mahatonga azy hampahery ny hafa. Ahoana no mahasambatra azy foana?

Hoy i Maria: “Miezaka ny tsy hieritreritra be loatra momba ny tenako aho rehefa manana olana. Esoriko ao an-tsaiko ny fanontaniana toy ny hoe: ‘Nahoana no mitranga amiko izao? Nahoana aho no marary sy mijaly toy izao?’ Lany ny heriko rehefa mieritreritra zavatra mahakivy aho. Aleoko kosa mampiasa izany, mba hanompoana an’i Jehovah sy hanampiana ny hafa. Izany no mahasambatra ahy.”

Inona no vokatry ny fananana fanantenana eo amin’i Maria? Mampanantena i Jehovah fa hanafoana ny aretina sy ny olana hafa mahazo ny olombelona. Izany hoavy izany no tena andrandrain’i Maria. Miresaka izany fanantenany izany amin’ny olon-kafa voan’ny kansera izy, rehefa mitsabo tena any amin’ny hopitaly. Manary toky tanteraka mantsy ireny olona ireny indraindray. Manao ahoana ny hasarobidin’io fanantenana io amin’i Maria? Hoy izy: “Matetika aho no mieritreritra ny voalazan’ny Baiboly ao amin’ny Hebreo 6:19, izay ilazan’i Paoly fa vatofantsiky ny aintsika ny fanantenana. Ho very hevitra ianao raha tsy manana an’io vatofantsika io, ka ho lasa toy ny sambo avezivezin’ny rivo-mahery. Manjary milamin-tsaina anefa ianao rehefa mifikitra amin’io vatofantsika io, na eo aza ireo olana mampisafotofoto.” Mahatonga an’i Maria ho sambatra foana ny “fanantenana fiainana mandrakizay, izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga.” Afaka ny hahasambatra anao koa izany.—Titosy 1:2.

Tena ho sambatra ianao na manana olana aza, raha mianatra Baiboly. Mety hieritreritra anefa ianao hoe ahoana no ampiharana ny Baiboly rehefa manana olana. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hampiseho aminao izay ilaina ho fantatra ao amin’ny Soratra Masina, mba tena hahasambatra anao. Mandra-pahatanteraky ny fampanantenan’i Jehovah, dia afaka ny “hahazo fifaliana sy faharavoravoana [ianao], ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.”—Isaia 35:10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Manazava ny Rakipahalalana Britannica 2003 (anglisy) fa ny Sheola dia “toerana tsy misy fanaintainana na fahafinaretana, ary tsy misy sazy na valisoa.”

[Sary, pejy 5]

Ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ihany no manamaivana ny alahelo

[Sary, pejy 7]

Mahasambatra ny fampanantenan’ny Baiboly fitsanganana amin’ny maty