Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitadiavana ny Marina

Fitadiavana ny Marina

Fitadiavana ny Marina

“TSARA lavitra ny mahalala noho ny tsy mahalala.” Izany no nolazain’i Laura Fermi, vadin’ilay mpahay fizika malaza atao hoe Enrico Fermi. Mety tsy hiombon-kevitra aminy anefa ny olona sasany, ka hilaza fa tsy hitondra fahavoazana ho anao mihitsy ny zavatra tsy fantatrao. Na izany aza, dia miaiky ny ankamaroan’ny olona fa marina ny tenin’i Laura Fermi, na eo amin’ny ara-tsiansa na amin’ny lafiny hafa eo amin’ny fiainana. Nandritra ny taonjato maro, dia ny tsy fahalalana no nahatonga ny olona hitsapatsapa tao anatin’ny haizina ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-pitondran-tena.—Efesianina 4:18.

Izany no mahatonga ny olona misaina hitady ny marina na ny fahazavana. Tiany ho fantatra ny antony iainantsika sy izay hoavintsika. Nanandrana fomba maro ny olombelona mba hahitana ny valin’izany. Andeha hodinihintsika vetivety ny sasany aminy.

Tamin’ny alalan’ny fivavahana

I Siddhârtha Gautama, no nanorina ny fivavahana bodista. Araka ny lovantsofina bodista, dia sahiran-tsaina mafy, hono, izy, rehefa nahita ny fijalian’ny olombelona sy ny fahafatesana. Nangataka fanampiana tamin’ireo mpampianatra tao amin’ny fivavahana hindoa àry izy, mba hahitany “ny lalan’ny fahamarinana.” Nanoro hevitra azy ny mpampianatra sasany mba hanao yoga sy hampihafy tena mafy. Ny fisaintsainana lalina àry no fomba nofidin’i Gautama, hitadiavana ny tena marina.

Ny hafa indray kosa mampiasa zava-mahadomelina mba hitadiavana ny marina. Ny olona ao amin’ny Fiangonan’ny Indianina any Amerika, ohatra, dia milaza fa “mpanambara zava-miafina” ny karazana raiketa iray. Mampahita zavatra tsy misy mantsy ny ranon’izy io, rehefa sotroina.

Nino i Jean-Jacques Rousseau, filozofa frantsay tamin’ireo taona 1700, fa afaka mahazo fanambarana masina avy amin’Andriamanitra ny olona tso-po tena mikaroka izany, na iza na iza. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fihainoana ny “fo, satria miteny amin’ny alalan’izy io Andriamanitra.” Raha manao izany ianao, hoy izy, dia hanjary ho “mpitari-dalana azo antoka kokoa” ny fihetseham-ponao sy ny feon’ny fieritreretanao, eo anatrehan’ireo hevitr’olombelona maro be mampisafotofoto.—Tantaran’ny Filozofia Tandrefana (anglisy).

Tamin’ny alalan’ny fampiasan-tsaina

Nanda tanteraka ny hevitr’i Rousseau kosa ny olona maro tamin’ny androny. Nihevitra izy ireo fa tsy amin’ny alalan’ny fivavahana mihitsy no ahitana ny marina. Nilaza, ohatra, ilay frantsay atao hoe Voltaire fa ny fivavahana aza no vao mainka nahatonga ny olona ho bado sy hinohino foana ary ho tery saina, nandritra ilay fotoana antsoin’ny mpahay tantara hoe Vanim-potoan’ny Haizina.

Nanao fihetsiketsehana nantsoina hoe Fahazavana, ireo mpitady fanazavana azon’ny saina ekena tany Eoropa, ary nandray anjara tamin’izany i Voltaire. Ny hevitry ny Grika fahiny ihany no noraisin’izy ireo, dia ny hoe ny fampiasan-tsaina sy ny fikarohana ara-tsiansa no tena ilaina mba hahitana ny tena marina. Anisan’ireo mpanao fihetsiketsehana koa i Bernard de Fontenelle, ary nihevitra fa tsy misy afa-tsy ny fampiasan-tsaina, no hidiran’ny olombelona ao “amin’ny taonjaton’ny fahazavana mihamitombo, ka handaozana ny haizin’ireo taonjato lasa.”—Rakipahalalana Britannica (anglisy). 

Vitsivitsy ihany ireo noresahintsika ireo, fa maro ny hevitra mifanipaka raha ny amin’ny fomba itadiavana ny marina. Tena misy ‘tari-dalana azo antoka’ tokoa ve afaka manampy antsika hahita ny fahamarinana? Diniho izay lazain’ny lahatsoratra manaraka momba ny loharanon’ny tena fahazavana.

[Sary, pejy 3]

Samy hafa ny hevitr’i Gautama (Bouddha) sy Rousseau, ary Voltaire mahakasika ny fomba itadiavana ny marina