Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Izay Mitandrina ny Fananarana no Hendry’

‘Izay Mitandrina ny Fananarana no Hendry’

‘Izay Mitandrina ny Fananarana no Hendry’

HOY ny Ohabolana 23:12: “Ampiekeo famaizana ny fonao, sy tenim-pahalalana ny sofinao.” Midika hoe fampiofanana ara-pitondran-tena ilay teny hoe “famaizana” eto. Anisan’izany ny fahaiza-manitsy tena sy ny fananarana omen’ny hafa. Mba hanaovana izany, dia ilaina ny mahafantatra izay mila ahitsy sy ny fomba hanitsiana azy. Tena ilaina àry ny “tenim-pahalalana” azo itokisana.

Mirakitra tenim-pahendrena faran’izay tsara ny bokin’ny Ohabolana. “Hahalalana fahendrena sy fananarana ... hahazoana fananarana mampahahendry, dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana”, ireo ohabolana ao. (Ohabolana 1:1-3) Hendry isika raha manongilan-tsofina amin’izy ireny. Manome tari-dalana mendri-pitokisana momba ny fomba hifehezana ny fahatezerana, sy hampiasana ny lela, ary hizarana fahalalana ny Ohabolana toko faha-15. Andeha isika handinika andinin-teny sasany avy ao.

Inona no “mampianina ny fahatezerana mafy”?

Misy vokany eo amin’ny olona sosotra na tezitra mafy ny teny atao aminy. Hoy i Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny momba izany: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” (Ohabolana 15:1) Teny ilazana ny fihetseham-po mitroatra vokatry ny tsy fahafaliana ny hoe “fahasosorana.” Mafy kokoa noho izany ny “fahatezerana mafy”, izay tena sarotra fehezina. Ahoana no anampian’io ohabolana io antsika rehefa tojo olona tezitra isika, na rehefa te hifehy ny fahatezerantsika?

Vao mainka hanasarotra ny toe-javatra efa ratsy ny teny masiaka sy maharary. Mampitony kosa matetika ny famaliana mora. Tsy mora foana ny manao izany amin’ny olona tezitra, nefa hahavita izany isika raha miezaka mahatakatra ny antony mahatezitra azy. Hoy ny Baiboly: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” (Ohabolana 19:11) Tezitra ve izy, satria misy zavatra tsy mampilamin-tsaina azy, na mba tiany hisy hiahy azy? Mety tsy ho ny teny nolazaintsika na ny zavatra nataontsika mihitsy no nahatezitra azy. Rehefa misy olona tezitra amintsika eny amin’ny saha fanompoana, moa ve izany matetika tsy vokatry ny fanazavana diso henony momba ny zavatra inoantsika, na koa izy voafitaky ny hevi-diso sasany? Koa nahoana isika no hihevitra fa tezitra amintsika izy, ary hamaly azy amim-pahasiahana isika? Marina fa saro-pantarina indraindray ny antony mahatezitra ny olona. Mampiseho tsy fahaizana mifehy tena anefa isika amin’izay, raha manao teny maharary aminy. Tokony hiezaka tsy hanao izany isika.

Tena manampy antsika hifehy ny fahatezerantsika koa ilay torohevitra mba hamaly mora. Afaka mampihatra io torohevitra io isika, ka hianatra hilaza ny fihetseham-pontsika amin’ny fomba tsy manafintohina. Afaka miezaka milaza ny fihetseham-pontsika amim-pahatoniana amin’ny fianakaviantsika isika, fa tsy hanao teny masiaka na hametaka anarana manambany. Mazàna manao teny maharary ny olona, rehefa anaovana teny maharary. Tsy manakiana loatra an’ilay olona ny tenintsika, raha milaza aminy amin-katsaram-panahy izay tsapantsika isika. Mety hahatonga azy hanarina ny tsy nety nataony izany.

Mitondra soa “ny lelan’ny hendry”

Misy vokany eo amin’izay lazaintsika koa ny fahaizantsika manitsy tena, toy ny eo amin’ny fitenintsika ihany. Hoy i Solomona: “Ny lelan’ny hendry mampiseho fahalalana tsara; fa ny vavan’ny adala miboiboika fahadalana.” (Ohabolana 15:2) Tsy “mampiseho fahalalana tsara” ve isika, rehefa maniry hanampy ny hafa, ka miresaka aminy momba ny fikasan’Andriamanitra sy ny fanomezany mahatalanjona? Tsy afaka manao izany ny adala, satria tsy manam-pahalalana.

Nilaza zavatra roa mifanohitra sy mampisaintsaina i Solomona, talohan’ny hanomezana tari-dalana fanampiny momba ny fampiasana ny lela. Hoy izy: “Ny mason’i Jehovah amin’izao rehetra izao, mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.” (Ohabolana 15:3) Mahafaly antsika izany satria omena toky isika hoe: “Ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.” (2 Tantara 16:9) Fantatr’Andriamanitra raha manao ny tsara isika. Hitany koa ireo mpanao ratsy ary mbola hampamoahiny.

Nanamafy ny hasarobidin’ny teny malefaka koa i Solomona rehefa nanao hoe: “Ny teny malemy dia hazon’aina; fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.” (Ohabolana 15:4) Toa manondro zavatra manasitrana sy mampahery ilay teny hoe “hazon’aina.” (Apokalypsy 22:2) Mamelombelona ny olona mandre azy ny teny malefaka ataon’ny hendry, ary mandrisika azy ireny haneho toetra tsara. Mahakivy izay mandre azy kosa ny “vava ratsy”, izany hoe ny teny mamitaka na feno hasomparana.

Maneke anatra ary ‘ampielezo ny fahalalana’

Hoy ihany ilay mpanjaka hendry: “Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.” (Ohabolana 15:5) Ahoana no hahafahan’ny olona iray ‘hitandrina ny fananarana’, raha tsy omena azy aloha izany? Tsy te hilaza ve io andinin-teny io fa tsy maintsy omena amin’ny fotoana ilana azy ny fanitsiana? Ao amin’ny fianakaviana, dia andraikitry ny ray aman-dreny, indrindra fa ny ray, ny mananatra ny zanany, ary adidin’ny ankizy ny manaiky izany. (Efesianina 6:1-3) Mandray famaizana daholo anefa ny mpanompon’i Jehovah, fa amin’ny endriny samy hafa fotsiny. Hoy ny Hebreo 12:6: “Izay tian’i Jehovah no faiziny. Eny, manasazy mafy an’izay raisiny toy ny zanaka izy.” Ny fihetsitsika rehefa anarina na faizina no mampiseho hoe hendry isika sa adala.

Mbola misy zavatra hafa nampifanoherin’i Solomona. Hoy izy: “Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; fa tsy mba toy izany ny fon’ny adala.” (Ohabolana 15:7) Toy ny mamafy voa ny mizara fahendrena na fahalalana. Tsy afafin’ny mpamboly eo amin’ny toerana iray daholo ny masomboliny, fa aparitany tsikelikely manerana ny tanimboly. Mitovy amin’izany koa ny fizarana fahalalana. Rehefa mitory, ohatra, isika dia tsy ho fahendrena, raha lazaintsika indray mandeha avokoa izay rehetra fantatsika momba ny Baiboly. Mahafehy tena ny olona hendry rehefa miteny. Asongadiny tsirairay ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, rehefa “mampiely” fahalalana izy. Hazavainy tsikelikely izany, ary aoriny amin’iny ny resaka manaraka, sady asiany fiheverana izay lazain’ilay olona iresahany sy ny fomba andraisan’izy io an’ilay fanazavana. Izany no nataon’i Jesosy Kristy, ilay Modelintsika, rehefa niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina iray izy.—Jaona 4:7-26.

Milaza zavatra mahasoa sy mampiana-javatra koa isika, rehefa mampiely fahalalana. Mila eritreretinao mialoha izay holazainao, raha te hampita fahalalana sy hampahery ianao. Izany no mahatonga ‘ny fon’ny marina hihevitra vao mamaly.’ (Ohabolana 15:28) Tena tokony ho toy ny orana malefaka izay mandena ny tany sy mitondra soa ny tenintsika, fa tsy ho toy ny riaka be mahasosotra, izay mifaoka ny zava-drehetra sendra azy!

Aoka isika ho ‘masina amin’ny fitondran-tenantsika’

Tena hendry isika raha mampiely ny fahalalana momba an’i Jehovah sy ny fikasany, ka manolotra “sorona fiderana” ho azy, dia “ny vokatry ny molotra.” (Hebreo 13:15) Tsy maintsy ‘masina amin’ny fitondran-tenantsika rehetra’ anefa isika, raha tiantsika heken’i Jehovah izany sorona izany. (1 Petera 1:14-16) Nampiasa ohabolana roa mifanohitra i Solomona, mba hanamafisana izany fahamarinana lehibe izany. Hoy izy: “Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’i Jehovah; fa ny fivavaky ny marina no sitrany. Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny làlan’ny ratsy fanahy; fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.”Ohabolana 15:8, 9.

Ahoana no fiheveran’ireo miala amin’ny lalan’ny fiainana ny fananarana, ary inona no miandry azy ireo? (Matio 7:13, 14) “Famaizana mafy no hihatra amin’izay mivily làlana, eny, izay mankahala anatra dia ho faty.” (Ohabolana 15:10) Aleon’ny mpanao ratsy sasany miala amin’ny lalan’ny fahitsiana, toy izay hanaiky ny torohevitra sy fanitsiana avy amin’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana kristianina, sy tena hibebaka. Hadalana tokoa izany!

Ahoana kosa raha misy mody manaiky fananarana, nefa mankahala izany raha ny marina? Tsy fahendrena koa izany. Hoy ilay mpanjakan’ny Israely: “Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’i Jehovah, koa mainka ny fon’ny zanak’olombelona!” (Ohabolana 15:11) Avy amin’ny teny hebreo hoe Sheola ny teny hoe ‘fiainan-tsi-hita’, ary manondro ny toerana misy ny maty. Mbola miharihary amin’ilay Andriamanitry ny velona anefa io toerana io, izany hoe fantany ireo rehetra any sy ny toetran’izy ireo, ary afaka manangana azy ireo amin’ny maty izy. (Salamo 139:8; Jaona 5:28, 29) Koa satria ny maty aza fantatr’i Jehovah tsara, dia azo antoka fa mora aminy ny mamantatra ny ao am-pon’ny olona! “Ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay manao ampamoaka antsika”, hoy ny apostoly Paoly. (Hebreo 4:13) Ny olona no azo fitahina fa tsy Andriamanitra.

Mankahala an’ilay mpananatra azy koa ny olona mandà fananarana. Hoy i Solomona: “Tsy tian’ny mpaniratsira izay mananatra azy.” Nanamafy izany izy avy eo, ka nilaza hevitra mitovy amin’izany. Hoy izy: “Ary tsy mety manatona ny hendry izy.” (Ohabolana 15:12) Tsy azo antenaina loatra hanitsy ny lalany ny olona toy izany!

Mijere lafy tsaran-javatra

Samy mampiasa ny teny hoe “fo” ny ohabolana telo manaraka nolazain’i Solomona. Nilaza ny vokatry ny fihetseham-pontsika eo amin’ny tarehintsika ilay mpanjaka hendry, ka nanao hoe: “Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; fa ny alahelon’ny fo mahareraka ny fanahy.”Ohabolana 15:13.

Inona no mety hampalahelo ny fo? Mampalahelo sy mampitanondrika ny fanahiana. (Ohabolana 12:25) Inona no azontsika atao, mba tsy hahakivy tanteraka antsika ireo lafin-javatra ratsy eo amin’ny fiainana? Afaka misaintsaina ireo fitahiana ara-panahy tondraka omen’i Jehovah antsika ankehitriny sy amin’ny hoavy isika, fa tsy hieritreritra foana an’ireo toe-javatra mety tsy ho azontsika ovana firy. Ho lasa akaiky kokoa azy isika amin’izay. Azo antoka fa hampifaly ny fontsika malahelo ny fanatonana an’ilay “Andriamanitra falifaly.”—1 Timoty 1:11.

Tena ahazoana fampiononana sy fahafinaretana koa ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Nilaza ny mpanao salamo fa sambatra ny olona izay ‘mankasitraka sy misaintsaina ny lalàn’i Jehovah andro aman’alina.’ (Salamo 1:1, 2) Hampahery antsika ny famakiana sy fisaintsainana ny Baiboly, rehefa malahelo am-po isika. Eo koa ny fanompoana ampanaovin’Andriamanitra antsika. Omena toky isika fa “izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja am-pifaliana.”—Salamo 126:5.

Hoy i Solomona: “Ny fon’ny manan-tsaina mitady fahendrena; fa ny vavan’ny adala mankamamy ny fahadalana.” (Ohabolana 15:14) Misarika ny saintsika ho amin’ny fahasamihafana be eo amin’ny torohevitry ny hendry sy ny an’ny adala io ohabolana io. Mitady “fahendrena” na fahalalana aloha ny olona manan-tsaina vao manome torohevitra. Mihaino tsara izy ka mahafantatra tsara ny tena zava-misy. Mikaroka ao amin’ny Soratra Masina izy, mba hahitana izay lalàna sy toro lalana mifandray amin’ilay toe-javatra. Miorina tsara amin’ny Tenin’Andriamanitra ny torohevitra omeny. Ny adala kosa tsy misahirana mitady ny marina momba ny toe-javatra iray, fa milaza avy hatrany izay rehetra tonga ao an-tsainy. Hendry àry isika raha manatona olona manam-pahalalana sy matotra rehefa mitady torohevitra, fa tsy izay olona mety hilaza ny zavatra tiantsika ho re fotsiny. Tsara tokoa ny manana an’ireo “lehilahy ho fanomezana” eo anivon’ny fiangonana kristianina, izay mitady fahalalana aloha vao manome torohevitra!—Efesianina 4:8.

Lazain’ilay ohabolana manaraka ny tombony tsara dia tsara azontsika, raha mijery lafy tsaran-javatra isika. Hoy ilay mpanjakan’ny Israely: “Ratsy avokoa ny andron’ny ory; fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.” (Ohabolana 15:15) Mifamahofaho eo amin’ny fiainana ny fahasambarana sy ny fahoriana ary ny fifaliana sy ny ranomaso. Ho feno zavatra mampahory ny saintsika ary hanjombona ny androntsika rehetra, raha tsy mieritreritra afa-tsy zavatra mahakivy foana isika. Raha ireo fitahiana ananantsika sy ny fanantenana omen’Andriamanitra antsika kosa no ifantohan’ny saintsika, dia tsy ho tsapantsika firy ireo lafin-javatra mampahory eo amin’ny fiainana, ka hanana fifaliana anaty isika. Ho toy ny mankafy “fanasana mandrakariva” isika, raha mijery ny lafy tsaran-javatra.

Aoka àry isika hihevitra ny fananarana ho sarobidy. Enga anie izy io havelantsika hisy vokany eo amin’ny fihetseham-pontsika, ny tenintsika, ny ataontsika, ary koa eo amin’ny toe-tsaintsika.

[Sary, pejy 13]

“Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy”

[Sary, pejy 15]

Andraikitry ny ray aman-dreny ny mananatra ny zanany

[Sary, pejy 15]

Ny molotry ny hendry mampiely fahalalana