Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampahery Olon-kafa ny Finoany

Mampahery Olon-kafa ny Finoany

Mampahery Olon-kafa ny Finoany

TERAKA tamin’ny Desambra 1992 i Silvia, ary toa tena salama tsara izy tamin’izay. Tamin’izy roa taona anefa, dia fantatra fa voan’ilay aretina tsy misy fanafany, atao hoe mucoviscidose, izy. Tsy afaka miaina tsara sy tsy mahalevon-kanina izay voan’izy io, ary mihasarotra hatrany izany arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Mihinana pilina 36 isan’andro i Silvia, mampiasa fanafody afantsitsitra ao anaty orona, ary manaraka fitsaboana manokana. Tsy mahazo misaraka amin’ny tavoahangy misy oksizenina koa izy, na dia rehefa misy dia alehany aza. Zara raha afaka miasa mantsy ny havokavony.

“Tena mahavariana anefa ny fomba iatrehan’i Silvia an’io aretina io”, hoy i Teresa, reniny. “Manana finoana matanjaka izy noho ny fianarany ny Soratra Masina. Io finoany io no manampy azy hahazaka ny alahelony sy ny fanaintainany. Tadidiny foana ny fampanantenan’i Jehovah tontolo vaovao. Ho sitrana daholo ny marary ao.” (Apokalypsy 21:4) Kivy ny fianakaviany indraindray, nefa mampahery azy ireo ny mahita an’i Silvia mitsikitsiky sy tsy manana ahiahy. Hoy izy amin’ny ray aman-dreniny sy ny anadahiny: “Tsy hisy intsony izao fahoriantsika rehetra izao ao amin’ny tontolo vaovao.”

Any amin’ny Nosy Canaries no misy an-dry Silvia. Miresaka tsy tapaka amin’ny olona momba ny vaovao tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy, ary hitan’izy ireo eny amin’ny endriny fa sambatra sy faly izy. Mahafinaritra ny Kristianina ao amin’ny fiangonana misy azy erỳ ny mahita an’i Silvia mandray anjara amin’ny fivoriana. Tian’i Silvia ny mijanona elaela ao amin’ny Efitrano Fanjakana mba hiresaka amin’ireo anadahiny sy rahavaviny kristianina, rehefa mirava ny fivoriana. Mahay mifandray amin’olona sy falifaly izy, ka tia azy daholo ny olona ao amin’ny fiangonana.

Hoy i Antonio, rainy: “Nisy zavatra tena lehibe nampianarin’i Silvia anay, dia hoe fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fiainana, ka tokony hankasitrahantsika na dia eo aza ny olana.” Toa an’i Silvia, dia tsy andrin’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra, na antitra na tanora, ny fotoana ‘tsy hilazan’ny’ olona intsony hoe: “Marary aho.”—Isaia 33:24.

[Sary, pejy 31]

Mitazona ilay tavoahangy misy oksizenina ny reniny rehefa mamaky andinin-teny ao amin’ny Baiboly i Silvia