Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitondra Fifaliana ny Fikirizana

Mitondra Fifaliana ny Fikirizana

Tantaram-piainana

Mitondra Fifaliana ny Fikirizana

NOTANTARAIN’I MÁRIO ROCHA DE SOUZA

“Mety ho faty Atoa Rocha raha didiana.” Roapolo taona izay no nilazan’ny dokotera an’ireo teny mahakivy ireo. Tsy maty anefa aho, ary mbola Vavolombelon’i Jehovah mpitory manontolo andro hatramin’izao. Nahoana aho no nanana fikirizana nandritra izay taona maro izay?

TANTSAHA tany akaikin’i Santo Estêvão, any Bahia, any avaratratsinanan’i Brezila, ny fianakaviako tamin’izaho mbola kely. Nanomboka nanampy an’i Dada aho rehefa fito taona. Nomeny asa hatao isaky ny avy nianatra aho. Izaho no nasainy niandraikitra ny fambolena sy fiompiana tatỳ aoriana, rehefa nivarotra tany Salvadaoro renivohitra izy.

Tsy nanana jiro sy rano na fitaovana maoderina izahay, nefa sambatra. Papango na fiara hazo namboarinay ihany no nolalaovinay sy ny namako. Anisan’ny antoko-mpihira tao am-piangonanay aho, ary nitsoka mozika rehefa nilahatra tao an-tanàna ny mpiangona. Nisy boky atao hoe Tantara Masina hitako, ka nanjary liana tamin’ny Baiboly aho.

Tratran’ny mosary mafy sady naharitra ny faritra avaratratsinanan’i Brezila, tamin’ny 1932, tamin’izaho 20 taona. Maty ny ombinay ary ratsy be ny vokatra, ka nifindra tany Salvadaoro aho. Lasa mpamily tramway (bisy mandeha amin’ny lalamby) aho tany. Nanofa trano aho avy eo, ary nalaiko ho any amiko ny fianakaviako. Maty i Dada tamin’ny 1944, ka izaho no tsy maintsy nikarakara an’i Neny sy ireo anabaviko valo ary ny rahalahiko telo.

Mpamily lasa mpitory

Anisan’ny zavatra voalohany nataoko rehefa tonga tany Salvadaoro ny nividy Baiboly. Niangona tany amin’ny fiangonana batista aho nandritra ny taona vitsivitsy. Tatỳ aoriana, dia lasa namako i Durval, mpiara-miasa tamiko. Niresaka naharitra momba ny Baiboly izahay matetika. Indray andro izy, dia nanome ahy ny bokikely hoe Aiza moa Ireo Maty? * Nino aho hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona, nefa nohamariniko tao amin’ny Baiboly ihany ny andinin-teny voasoratra tao amin’ilay bokikely. Gaga aho rehefa nijery tao amin’ny Baiboly, fa hay mety maty ny fanahy.—Mpitoriteny 9:5, 10.

Hitan’i Durval fa nahaliana ahy ilay izy, ka nasainy nitsidika ahy i Antônio Andrade, Vavolombelon’i Jehovah mpitory manontolo andro. Nanasa ahy hiara-mitory aminy i Antônio, rehefa avy nitsidika ahy intelo. Izy no niresaka tao amin’ny trano roa voalohany. Hoy izy avy eo: “Anjaranao izao.” Natahotra be aho. Faly anefa aho fa nisy fianakaviana nihaino tsara sy nandray ireo boky roa natolotro. Mbola faly be foana aho izao, rehefa mahita olona liana amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Natao batisa tany akaikin’i Salvadaoro, tao amin’ny Oseana Atlantika aho, ny 19 Aprily 1943. Fitsingerenan’ny andro nahafatesan’i Kristy tamin’izay. Vitsy ny rahalahy za-draharaha, ka notendrena hanampy ireo Vavolombelona vitsivitsy nivory tao an-tranon’ny Rahalahy Andrade aho. Teo amin’ny sisin-dalana tery mampitohy ny faritra avo sy iva amin’ny tanànan’i Salvadaoro no nisy ny tranony.

Notoherina avy hatrany

Tsy tian’ny olona ny asa fitoriantsika, nandritra ny Ady Lehibe II (1939-1945). Avy any Etazonia ny ankamaroan’ny boky sy gazetintsika, ka nisy manam-pahefana niahiahy anay ho mpitsikilo amerikanina. Nosamborina sy nalaina am-bavany matetika àry izahay. Rehefa nisy Vavolombelona tsy niverina avy any am-pitoriana, dia nieritreritra avy hatrany izahay fa voasambotra izy. Nankany amin’ny polisy àry izahay mba hiangavy azy ireo hanafaka azy.

Tonga tany Salvadaoro ny Vavolombelona alemà iray atao hoe Adolphe Messmer, tamin’ny Aogositra 1943, mba hanampy tamin’ny fikarakarana ny fivoriambe voalohany teto Brezila. Rehefa nahazo alalana hanao azy io izahay, dia nampahafantarina tamin’ny gazety sy natao peta-drindrina ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Fahafahana ao Amin’ny Tontolo Vaovao.” Nisy polisy nilaza taminay anefa, ny andro faharoan’ilay fivoriambe, fa foana ilay fahazoan-dalana. Noteren’ny arsevekan’i Salvadaoro ny polisy mba hanajanona ny fivoriambenay. Nahazo alalana hanao ilay lahateny ihany anefa izahay ny volana Aprily nanaraka.

Tanjona

Voasa hanatrika ilay fivoriambe Firenena Falifaly, natao teto São Paulo aho, tamin’ny 1946. Afaka nandeha tamin’ny sambon’ny kapiteny iray tao Salvadaoro izahay, raha nanaiky hatory teny an-tokotanin-tsambo. Ratsy be ny andro teny an-dranomasina, ary tsy nahatanty sambo daholo izahay. Tonga soa aman-tsara tao Rio de Janeiro ihany anefa izahay, afaka efatra andro. Nampiantrano anay andro maromaro ny Vavolombelona tao Rio, mba hialanay sasatra alohan’ny hanohizanay ny dianay tamin’ny lamasinina. Nisy olona vitsivitsy nitsena anay, nitondra banderôla nisy soratra hoe “Tonga Soa ny Vavolombelon’i Jehovah”, rehefa tonga tao São Paulo izahay.

Nilaza tamin’i Harry Black, misionera avy any Etazonia, aho, taoriana kelin’ny nodiako tany Salvadaoro, fa te ho mpisava lalana na mpitory manontolo andro. Nampahatsiahy ahy izy fa mbola manana fianakaviana velomina aho, ka tokony hanam-paharetana. Tamin’ny Jona 1952, dia efa nanana asa daholo ny mpiray tam-po amiko, ka voatendry ho mpisava lalana tany amin’ny fiangonana kelin’i Ilhéus, 210 kilaometatra any atsimon’i Salvadaoro, aho.

Fahalalahan-tanana

Voatendry tany Jequié aho ny taona nanaraka. Tanàna lehibe any afovoan-tany izy io, ary tsy nisy Vavolombelona tany. Ny pretra no notsidihiko voalohany. Nilaza tamiko izy fa azy ilay tanàna, ka tsy nahazo nitory tao aho. Nampitandrina ny mpiangona izy fa misy “mpaminany sandoka” tonga, ary nasiany olona eran’ny tanàna hitsikilo izay ataoko. Nahapetraka boky sy gazety ara-baiboly 90 mahery anefa aho tamin’io andro io, ary olona efatra no nanomboka nianatra Baiboly. Roa taona tatỳ aoriana, dia nanana Efitrano Fanjakana ireo Vavolombelona 36 tao Jequié! Valo ny fiangonana any izao, ary 700 eo ho eo ny Vavolombelona.

Nanofa efitra kely iray tsy lavitra ny tanàna aho, tamin’ny voalohany. Nihaona tamin’i Miguel Oliveira aho, tatỳ aoriana. Tompon’ny Hotely Sudoeste izy. Anisan’ny hotely tsara indrindra tao Jequié izy io. Nanaiky hianatra Baiboly i Miguel, ary tsy nety izy raha tsy nifindra tao amin’ny hoteliny aho. Lasa Vavolombelona izy sy ny vadiny tatỳ aoriana.

Nisy zavatra hafa nahafinaritra ahy koa tany Jequié. Nampianariko Baiboly i Luiz Cotrim, mpampianatra tao amin’ny lise. Nilaza tamiko izy fa afaka manampy ahy hahay kokoa teny portogey sy matematika. Nanaiky avy hatrany aho satria tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra fotsiny aho no nianatra. Taorian’ny fianaranay Baiboly isan-kerinandro izy no nampianatra ahy. Nilaiko ireny lesona ireny tatỳ aoriana, rehefa nahazo fanendrena hafa avy amin’ny fandaminan’i Jehovah aho.

Nahazo asa sarotra

Nisy taratasy fanasana voaraiko tamin’ny 1956. Voasa ho any amin’ny biraon’ny sampana, tany Rio de Janeiro aho, mba hiofana ho mpiandraikitra ny faritra, izany hoe mpiandraikitra mpitsidika fiangonana. Nisy valo hafa koa nanatrika an’io fiofanana naharitra iray volana mahery kely io. Rehefa akaiky ho vita ilay izy, dia nahazo fanendrena ho eto São Paulo aho. Nitebiteby be aho. Hoy aho anakampo: ‘Inona àry no hataoko any amin’ireo Italianina nefa izaho mainty hoditra kely ity? Handray ahy tsara ve ry zareo?’ *

Tany Santo Amaro no fiangonana notsidihiko voalohany. Nampahery ahy ny nahita ny Efitrano Fanjakana feno Vavolombelona sy olona liana. Tonga niara-nitory tamiko daholo koa ny mpitory 97 tao amin’ilay fiangonana, tamin’ny faran’ny herinandro. Hitako àry fa tsy nitombina ilay fanahiako. Hoy aho anakampo: ‘Tena rahalahiko tokoa ireto.’ Ny hatsaram-panahin’ireo mpiara-manompo malalako ireo no nahatonga ahy hanana herim-po hanohizana ny asa fitetezam-paritany.

Ampondra sy soavaly ary biby mpihinam-bitsika

Anisan’ny zava-tsarotra indrindra natrehin’ny mpiandraikitra ny faritra tamin’izany, ny fandehanana lavitra mba hitsidika fiangonana na Vavolombelona vitsivitsy tany ambanivohitra. Tsy dia azo antoka na tsy nisy ny fiara fitaterana tany amin’ireny toerana ireny. Lalan-tany tery kely matetika no nandehanana.

Nividy ampondra na soavaly àry ny Vavolombelona tany amin’ny faritra sasany, mba hampiasain’ny mpiandraikitra ny faritra. Nanisy lasely ny ampondrako na ny soavaliko aho, isaky ny alatsinainy, namatotra ny entako, ary nanao dia adiny 12 nankany amin’ny fiangonana manaraka. Imbetsaka aho no nanao izany. Dourado, ohatra, no anaran’ny ampondran-dry zareo tany Santa Fé do Sul. Nahafantatra ny lalana mankany amin’ireo mpitory any ambanivohitra izy io. Nijanona izy rehefa tonga teo am-bavahady, ary niandry mandra-pamohako an’ilay izy. Rehefa vita ilay fitsidihana, dia lasa indray izahay sy Dourado nankany amin’ny toerana manaraka.

Tsy niasa tsara koa ny paositra tamin’izany, ka vao mainka sarotra ny asa fitetezam-paritany. Tsy maintsy niampita ny Renirano Araguaia tamin’ny lakana, ohatra, aho rehefa hitsidika ny Vavolombelona vitsivitsy tany amin’ny toeram-piompiana tany Mato Grosso. Nitaingina ampondra na soavaly aho avy eo, ka namakivaky ala 25 kilaometatra teo ho eo. Nanoratra taratasy aho, indray mandeha, mba hampahafantarana ny Vavolombelona tany fa hitsidika azy ireo. Tsy nisy nitsena anefa aho rehefa tafita an’ilay renirano. Fantatro tamin’izay, fa tsy voaray ilay taratasy. Efa ho maizina ny andro, ka niangaviako ny tompon’ny hotely kely iray mba hametrahako ny entako. Ny kitapoko fotsiny no nentiko, ka nanohy ny diako an-tongotra aho.

Tsy ela dia maizina ny andro, ka tafintohina foana aho teny an-dalana. Nandre biby mpihinam-bitsika niherongerona aho. Efa reko fa mahavita manainga ireo tongony matanjaka be eo anoloana io biby io, mba hamonoana olona. Nijaikojaiko àry aho isaky ny nandre feo hafahafa avy any anaty bozaka, ary nataoko teo anoloako ilay kitapoko mba hiarovako tena. Tonga teo amin’ny renirano kely iray aho rehefa afaka ora vitsivitsy. Noho ny haizina dia tsy hitako fa nisy tariby niranirany teny ampita. Nataoko indray mandingana ilay rano, kanjo ilay tariby no nitanty ahy, ka naratra be aho!

Tonga tany amin’ilay toeram-piompiana aho, tamin’ny farany, ary alika nivovò be no reko voalohany. Amin’ny alina no tena fangalaran’ny olona ondry tamin’izany, ka nampahafantatra ny tenako haingana aho raha vao nivoha ny varavarana. Tsy maintsy ho nampalahelo be ny paoziko satria rovidrovitra ny akanjoko sady feno ra. Faly anefa ireo rahalahy nahita ahy.

Tiako ny fiainako tamin’izany, na dia teo aza ny zava-tsarotra. Nahafinaritra ahy ny nanao dia lavitra, nitaingina soavaly na nandeha an-tongotra tamin’ireny lalana mangina ireny. Niala sasatra teny ambany hazo aho indraindray, nihaino siokam-borona, ary nijery ny alikadia nandalo teo alohako. Nahafaly ahy koa ny nahafantatra hoe tena nanampy olona ny fitsidihako. Maro no nanoratra taratasy fankasitrahana ho ahy. Nisy nanatona ahy teny amin’ny fivoriambe mba hisaotra ahy. Tena faly aho nahita olona nandresy zava-tsarotra sy nanao fandrosoana!

Nanambady ihany aho

Nandeha irery aho matetika, nandritra ny taona maro nitetezako faritany. Nampianatra ahy hiantehitra tamin’i Jehovah izany. Lasa “harambatoko sy batery fiarovana ho ahy” izy. (Salamo 18:2) Hitako koa tamin’izany fa afaka nifantoka tanteraka tamin’ny fanompoako aho, noho izaho mpitovo.

Nihaona tamin’i Júlia Takahashi anefa aho, tamin’ny 1978. Mpitsabo mpanampy tao amin’ny hopitaly lehibe iray teto São Paulo izy taloha, ary tsara karama. Nialany anefa izany mba hanompoany tany amin’ny toerana nilana mpitory maro kokoa. Nidera azy ny anti-panahy nahalala azy, ka nilaza fa mpisava lalana mahay sy tsara toetra izy. Tapa-kevitra ny hanambady ihany àry aho, na dia efa an-taonany maro aza no mpitovo. Azonao vinanina ny fahatairan’ny olona rehefa nahare izany. Tsy nino mihitsy ny namako akaiky iray, ka nampanantena izy fa hanome ahy omby milanja 270 kilao, raha hanambady tokoa aho. Nataonay masikita ilay izy tamin’ny mariazinay, ny 1 Jolay 1978.

Fikirizana na dia eo aza ny aretina

Niaraka nitety faritany, tany amin’ny faritra atsimo sy atsimoatsinanan’i Brezila, izahay sy Júlia, nandritra ny valo taona nanaraka. Nanomboka voan’ny aretim-po aho tamin’izay. Indroa torana aho teny am-pitoriana. Voafetra ny zavatra azoko natao, ka nanaiky ny fanendrena anay ho mpisava lalana manokana teto Birigüi, São Paulo izahay.

Nentin’ny Vavolombelona teto Birigüi tamin’ny fiara aho, mba hozahan’ny dokotera tany Goiânia, 500 kilaometatra eo ho eo miala eto. Nodidiana aho rehefa netinety, ary nasiana fitaovana kely mpandrindra ny fitempon’ny fo tao amiko. Roapolo taona teo ho eo izay no nanaovana izany. Mbola nodidiana indroa aho, tatỳ aoriana, nefa mbola mitory ny vaovao tsara foana hatramin’izao. Mampahery ahy tsy tapaka i Júlia, toy ny ataon’ny vehivavy kristianina maro mahatoky amin’ny vadiny.

Voafetra ny zavatra azoko atao noho ny aretiko, ka kivy aho indraindray. Mbola mpisava lalana foana anefa aho. Mitadidy aho fa tsy nampanantena mihitsy i Jehovah hoe ho mora ny fiainana eto amin’ity tontolo ratsy ity. Niezaka naneho fikirizana ny apostoly Paoly sy ny Kristianina hafa nahatoky fahiny. Tsy tokony ho toy izany koa ve isika?—Asan’ny Apostoly 14:22.

Vao tsy ela, dia nahita ilay Baiboliko voalohany nampiasaiko tamin’ireo taona 1930 aho. Nasiako soratra hoe 350 teo amin’ny fonony anatiny tamin’izany. Io no isan’ny mpitory teto Brezila, tamin’izaho nivory voalohany tamin’ny 1943. Mila tsy hampino fa 600 000 mahery izao ny Vavolombelona eto. Tena faly aho nandray anjara kely tamin’izany fitomboana izany! Novalian’i Jehovah soa tokoa ny fikirizako. Afaka miteny toy ny mpanao salamo aho hoe: “Zava-dehibe no nataon’i Jehovah ho antsika, ka dia faly isika.”—Salamo 126:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy atao pirinty intsony.

^ feh. 23 Nisy Italianina iray tapitrisa latsaka, nifindra tany São Paulo, teo anelanelan’ny 1870 sy 1920.

[Sary, pejy 9]

Vavolombelona nampahafantatra ilay lahateny ho an’ny besinimaro, tamin’ilay fivoriambe voalohany tany Salvadaoro, 1943

[Sary, pejy 10]

Vavolombelona tonga teto São Paulo tamin’ilay fivoriambe Firenena Falifaly, 1946

[Sary, pejy 10, 11]

Fitetezam-paritany tamin’ny faramparan’ireo taona 1950

[Sary, pejy 12]

Izahay sy Júlia vadiko