Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora, Aoka Ianareo Hifidy ny Hanompo An’i Jehovah

Ry Tanora, Aoka Ianareo Hifidy ny Hanompo An’i Jehovah

Ry Tanora, Aoka Ianareo Hifidy ny Hanompo An’i Jehovah

“Fidionareo anio ary izay hotompoinareo.”—JOSOA 24:15.

1, 2. Inona ireo karazana batisa fanaon’ny Kristianisma Anarana, nefa tsy mety?

“AVELAO [ny ankizy] ho tonga Kristianina, rehefa afaka mahafantatra an’i Kristy.” Ilay mpanoratra atao hoe Tertullien no nanoratra ireo teny ireo, tamin’ny faramparan’ireo taona 100. Notoheriny ny fanaovana batisa zazakely teo anivon’ny Fivavahana Kristianina nivadi-pinoana, izay nihanahazo vahana tamin’ny androny. Nifanohitra tamin’izay voalazan’i Tertullien sy ny Baiboly kosa ny nambaran’i Augustin, Rain’ny Eglizy. Nilaza izy fa manaisotra ny tsy fahalavorariana vokatry ny fahotana tany am-boalohany ny batisa, ary voaheloka ho any amin’ny helo ny zazakely raha maty nefa tsy vita batisa. Noho izany finoana izany, dia lasa fanao ny batisan-jazakely, izay notanterahina haingana araka izay azo atao taorian’ny nahaterahany.

2 Mbola manao izany ny fivavahana lehibe maro ao amin’ny Kristianisma Anarana. Fahiny koa, tany amin’ireo firenena lazaina fa kristianina, dia noteren’ny mpitondra fanjakana sy ny mpitondra fivavahana hatao batisa ny olona nolazainy fa “mpanompo sampy”, izay resiny tamin’ny ady. Tsy miorina amin’ny Baiboly anefa na ny batisan-jazakely na ny fanerena olon-dehibe hatao batisa.

Safidy ny fanoloran-tena ankehitriny

3, 4. Inona no afaka manampy ny zanak’ireo ray aman-dreny vita fanoloran-tena mba hanolo-tena an-tsitrapo?

3 Resahin’ny Baiboly fa masina amin’Andriamanitra ny ankizy, na dia ny iray amin’ny ray aman-dreniny ihany aza no Kristianina mahatoky. (1 Korintianina 7:14) Mahatonga an’ireo ankizy ireo ho mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena ve anefa izany? Tsia. Na izany aza, ny ankizy tezain’ny ray aman-dreny vita fanoloran-tena, dia mahazo fampiofanana izay afaka mitarika azy hanolo-tena ho an’i Jehovah an-tsitrapo. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao. ... Raha mandeha hianao, dia hitari-dàlana anao ireo; raha mandry hianao, dia hiambina anao; ary raha mifoha hianao, dia hamelona eritreritra anao. Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, ary làlan’aina ny anatra famaizana.”—Ohabolana 6:20-23.

4 Afaka miaro ny tanora ny tari-dalan’ny ray aman-dreniny kristianina, raha manaraka izany an-tsitrapo izy ireo. Hoy koa i Solomona: “Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.” “Mihainoa hianao, anaka, ka hendre, ary ampizory amin’ny làlana ny fonao.” (Ohabolana 10:1; 23:19) Tsy maintsy manaiky an-tsitrapo ny torohevitra sy fifehezana tokoa ianareo tanora, raha te handray soa avy amin’ny fampiofanan’ny ray aman-dreninareo. Tsy vao teraka ianareo dia hendry, nefa afaka ny ho ‘hendry’ sy hanaraka an-tsitrapo ny “làlan’aina” ianareo.

Inona no atao hoe mitaiza zanaka araka ny fomba fisainan’i Jehovah?

5. Inona no torohevitra nomen’i Paoly ho an’ny zanaka sy ny ray?

5 Hoy ny apostoly Paoly: “Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo araka ny sitrapon’ny Tompo, fa marina izany. ‘Hajao ny rainao sy ny reninao.’ Izany no didy voalohany mirakitra fampanantenana hoe: ‘Mba hahita soa ianao, ary mba ho ela velona eto ambonin’ny tany.’ Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao hatrany araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah izy.”—Efesianina 6:1-4.

6, 7. Inona no atao hoe mitaiza zanaka araka ny “fomba fisainan’i Jehovah”? Nahoana no tsy azo lazaina hoe manao zavatra tsy ara-drariny mba hitaomana ny zanany hanaraka ny heviny ny ray aman-dreny, rehefa manao izany?

6 Moa ve ny ray aman-dreny kristianina manao zavatra tsy ara-drariny mba hitaomana ny zanany hanaraka ny heviny, rehefa mitaiza azy ireo “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah”? Tsia. Nahoana moa ny ray aman-dreny no hokianina, noho izy ireo mampianatra an-janany ny fitondran-tena mahasoa sy izay heveriny fa mety? Ny olona tsy mino an’Andriamanitra aza tsy misy manakiana, rehefa mampianatra ny zanany hoe tsy misy Andriamanitra. Raisin’ny ray aman-dreny katolika ho adidiny ny mitaiza ny zanany araka ny finoana katolika, nefa mahalana izy ireo vao kianina amin’izany. Tsy tokony hampangaina ho manodinkodina ny sain-janany koa àry ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa manampy azy ireny hanana ny fomba fihevitr’i Jehovah mahakasika ny fahamarinana fototra sy ny toro lalana momba ny fitondran-tena.

7 Araka ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (anglisy), ilay teny grika nadika hoe ‘fomba fisainana’ ao amin’ny Efesianina 6:4, dia manondro ireo zavatra atao mba “hanitsiana ny fomba fisainana, hanitsiana ny diso, ary hampitomboana ny fankasitrahana an’Andriamanitra.” Ahoana raha tsy manaiky ny fampiofanana omen’ny ray aman-dreniny ny tanora, noho izy taomin’ny namany, na te hanaraka izay ataon’izy ireo? Iza amin’izay fotoana izay no azo lazaina fa manery an’ilay tanora, ny ray aman-dreniny sa ny namany? Aoka hatao hoe manery an’ilay tanora hampiasa zava-mahadomelina, na hiboboka toaka, na haloto fitondran-tena ireny namany ireny. Tokony hokianina ve ny ray aman-dreniny, raha miezaka manitsy ny fomba fisainan-janany sy manampy azy hahatsapa ny vokatry ny fanao manimba toy izany?

8. Ahoana no nahatonga an’i Timoty ho ‘resy lahatra ka nino’?

8 Nanoratra toy izao ho an’i Timoty ny apostoly Paoly, tamin’izy io mbola tanora: “Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao. Fantatrao mantsy hoe avy tamin’iza avy no nianaranao azy ireny. Ary mbola zazakely ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahahendry anao ho amin’ny famonjena, amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 3:14, 15) Mbola kely i Timoty, dia efa nampianarin’ny reniny sy ny renibeny ny Soratra Masina, mba ho mafy orina tsara ny finoany an’Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 16:1; 2 Timoty 1:5) Rehefa lasa Kristianina izy ireo tatỳ aoriana, dia tsy nanery an’i Timoty mba hino. Izay efa fantany tao amin’ny Soratra Masina kosa no nampiasain’izy ireo mba hampisaintsainana azy, ka izany no ‘naharesy lahatra’ azy.

Asain’i Jehovah mifidy ianao

9. a) Inona no mampiseho fa manaja ny olombelona i Jehovah, ary nahoana izy no manao izany? b) Ahoana no nampiasan’ny Zanak’Andriamanitra lahitokana ny safidy malalaka nomena azy?

9 Azon’i Jehovah natao toy ny biby ny olombelona, ka hanaraka am-bokony izay hasainy hatao. Nanaja azy ireo anefa izy, ka nanome azy ireo safidy malalaka. Irin’Andriamanitra hanompo azy an-tsitrapo ny mpanompony. Mahafaly azy ny mahita olona antitra sy tanora manompo azy satria tia azy. Ny Zanany lahitokana no ohatra tsara indrindra amin’ny fanekena amim-pitiavana hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Hoy i Jehovah momba azy: “Ity no Zanako malalako, izay sitrako.” (Matio 3:17) Hoy io Zanaka lahimatoa io tamin-dRainy: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitro ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko.”—Salamo 40:8; Hebreo 10:9, 10.

10. Inona no ilaina, raha tiantsika ny haneken’i Jehovah ny fanompoantsika azy?

10 Manantena i Jehovah, fa hankatò azy an-tsitrapo toy izany koa ireo manompo azy eo ambany fitarihan’ny Zanany. Nanao izao hira milaza faminaniana izao ny mpanao salamo: “Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ny andro anafihanao; amin’ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.” (Salamo 110:3) Ilaina ny manaiky amim-pitiavana ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, satria miankina amin’izany no mampandeha tsara ny fandaminany, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany.

11. Inona no safidy omena ny tanora tezain’ny ray aman-dreny vita fanoloran-tena?

11 Tokony ho takatrareo tanora àry, fa tsy hanery anareo hatao batisa na ny ray aman-dreninareo, na ny anti-panahin’ny fiangonana. Tsy maintsy ho avy aminareo ihany ny faniriana hanompo an’i Jehovah. Hoy i Josoa tamin’ny Israelita: “Manompoa [an’i Jehovah] amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana. ... Fidionareo anio ary izay hotompoinareo.” (Josoa 24:14-22) Toy izany koa ianareo. Ianareo ihany no tsy maintsy misafidy raha hanolo-tena ho an’i Jehovah, sy hanokana ny fiainanareo hanaovana ny sitrapony.

Raiso ny andraikitrao

12. a) Na dia afaka mampiofana ny zanany aza ny ray aman-dreny, inona no tsy azony atao ho azy ireo? b) Rahoviana ny tanora no lasa tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah amin’ny safidy ataony?

12 Tsy miaro anareo tanora intsony ny fahatokian’ny ray aman-dreninareo, rehefa mandeha ny fotoana. (1 Korintianina 7:14) Hoy i Jakoba mpianatra: “Raha misy mahafantatra izay tokony hataony, nefa tsy manao, dia fahotana ho azy izany.” (Jakoba 4:17) Tsy afaka misolo tena ny zanany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny ray aman-dreny, toy ny zanaka ihany izay tsy afaka misolo tena ny ray aman-dreniny amin’io lafiny io. (Ezekiela 18:20) Efa nianatra momba an’i Jehovah sy ny fikasany ve ianao? Efa afaka mahazo tsara ny hevitr’izay ianaranao ve ianao, sady manomboka manana fifandraisana manokana amin’i Jehovah? Raha izany no izy, tsy ho ara-dalàna ve raha heverin’Andriamanitra fa afaka manapa-kevitra ny hanompo azy ianao?

13. Inona avy no fanontaniana tokony hosaintsainin’ireo zatovo mbola tsy vita batisa?

13 Moa ve ianao, tanora mbola tsy vita batisa ary tezain’ny ray aman-dreny manompo an’Andriamanitra? Manatrika fivoriana kristianina ve ianao, ary efa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana mihitsy aza? Raha izany no izy, dia manontania tena amim-pahatsorana hoe: ‘Inona no antony anaovako izany? Mivory sy mitory ve aho satria asain’ny ray aman-dreniko manao izany, sa noho izaho te hampifaly an’i Jehovah?’ Efa nofantarinao tsara ve “ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra”?—Romanina 12:2.

Nahoana no mangataka andro?

14. Inona no ohatra ara-baiboly mampiseho fa tsy tokony hahemotra tsy amin’ny antony ny batisa?

14 “Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”, hoy ilay lehilahy etiopianina. Vao avy nahafantatra izy tamin’izay fa i Jesosy no Mesia. Efa nanana fahalalana ampy momba ny Soratra Masina anefa izy. Tsapany àry fa tsy mety ny mangataka andro mba hampisehoany ampahibemaso, fa hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ny fiangonana kristianina izy manomboka eo. Tena nahafaly azy izany. (Asan’ny Apostoly 8:26-39) Natao “batisa” avy hatrany koa ny vehivavy iray atao hoe Lydia sy ny ankohonany, rehefa avy ‘nanokatra tanteraka ny fony mba hihainoany tsara ny teny nolazain’i Paoly.’ (Asan’ny Apostoly 16:14, 15) Tsy misy hafa amin’izany ny nataon’ilay mpiambina tany Filipy, izay nihaino an’i Paoly sy Silasy tamin’izy ireo “nitory ny tenin’i Jehovah taminy.” “Natao batisa tsy nisy hataka andro izy sy ny ankohonany rehetra.” (Asan’ny Apostoly 16:25-34) Koa raha manana fahalalana fototra momba an’i Jehovah sy ny fikasany ianao, sy tena maniry hanao ny sitrapony, ary tsara laza eo anivon’ny fiangonana sady mivory sy mitory tsy tapaka, nahoana no mangataka andro fa tsy miroso ho amin’ny batisa?—Matio 28:19, 20.

15, 16. a) Inona no hevi-diso mety hanakana ny tanora sasany tsy hiroso ho amin’ny batisa? b) Nahoana ny fanoloran-tena sy batisa no afaka miaro ny tanora?

15 Misalasala hanao io dingana lehibe io ve ianao, satria matahotra sao hampamoahina raha sanatria ka manao zavatra tsy mety? Raha izany no izy, dia eritrereto izao: Tsy hanala fanadinana ve ianao, satria fotsiny hoe matahotra ny tsy ho afaka? Mazava ho azy fa tsia! Tsy tokony hiahotra ny hatao batisa koa àry ianao, raha mahafeno fepetra. Vao mainka aza ianao ho tapa-kevitra hanao araka izay fara herinao mba hanoherana fakam-panahy, raha efa nanolo-tena ho an’i Jehovah sy nanaiky hanao ny sitrapony. (Filipianina 4:13) Ry tanora, aoka ianareo tsy hieritreritra hoe tsy hampamoahina raha mangataka andro, fa tsy miroso ho amin’ny batisa. Raha efa ampy taona mba handray andraikitra ianao, dia hampamoahin’i Jehovah amin’izay zavatra ataonao, na vita batisa ianao na tsia.—Romanina 14:11, 12.

16 Maro amin’ny Vavolombelona maneran-tany no mahatsapa, fa tena nanampy azy ny fanapahan-keviny hatao batisa tamin’izy mbola tanora. Anisan’izany ny Vavolombelona iray, 23 taona, mipetraka any Eoropa Andrefana. Natao batisa izy tamin’izy 13 taona, ary nolazainy fa nahatonga azy ho tapa-kevitra ny hitandrina mba tsy ho resin’ny “faniriana mpitranga eo amin’ny tanora” izany. (2 Timoty 2:22) Mbola kely izy dia efa nikasa ny hanompo manontolo andro. Faly izy izao manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Fitahiana tondraka no hirotsaka amin’ny tanora rehetra izay mifidy ny hanompo an’i Jehovah, anisan’izany ianao.

17. Amin’ny lafiny inona avy isika no mila mamantatra hatrany izay “sitrapon’i Jehovah”?

17 Rehefa avy nanolo-tena sy natao batisa isika, dia lasa mihevitra ny sitrapon’i Jehovah foana amin’izay rehetra ataontsika. Mila ‘manararaotra ny fotoana’ isika, mba hiainana mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika. Ahoana no anaovana izany? Manokana ny fotoana mety ho lanintsika amin-javatra tsy misy dikany isika, mba hianarana tsara ny Baiboly, hanatrehana fivoriana tsy tapaka, ary handraisana anjara feno amin’ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.” (Efesianina 5:15, 16; Matio 24:14) Hisy vokany tsara eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika, ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah sy ny faniriantsika hanao ny sitrapony. Anisan’izany ny fomba ialantsika voly, ny fahazarana eo amin’ny sakafo sy zava-pisotro, ary ny karazana mozika henointsika. Nahoana raha mifidy izay karazana fialam-boly ho azonao hankafizina mandrakizay? An’arivony ny tanora Vavolombelona sambatra, afaka milaza aminao fa betsaka ny fialam-boly madio sady mifanaraka amin’ny “sitrapon’i Jehovah.”—Efesianina 5:17-19.

“Handeha hiaraka aminareo izahay”

18. Inona no fanontaniana tokony hoeritreretin’ny tanora?

18 Nanana vahoaka voalamina i Jehovah teto an-tany, nanomboka tamin’ny 1513 T.K. ka hatramin’ny Pentekosta taona 33. Ireo no nofidiny hivavaka taminy sy ho vavolombelony. (Isaia 43:12) Teraka teo anivon’io firenena io ny tanora israelita. Nanana “firenena” vaovao indray anefa i Jehovah teto an-tany, nanomboka tamin’io Pentekosta io. ‘Olona ho an’ny anarany’ izy ireo, ary antsoina hoe Israely ara-panahy. (1 Petera 2:9, 10; Asan’ny Apostoly 15:14; Galatianina 6:16) Nilaza ny apostoly Paoly fa nanadio ‘firenena iray ho azy manokana [i Kristy], dia firenena mazoto amin’ny asa tsara.’ (Titosy 2:14) Azonareo tanora fantarina hoe aiza no ahitana io firenena io. Iza ankehitriny no “firenena marina, izay mitana ny fahamarinana”, ka miaina mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly, sy mijoro ho Vavolombelon’i Jehovah mahatoky, ary manambara fa ny Fanjakany ihany no fanantenana ho an’ny olombelona? (Isaia 26:2-4) Diniho ireo fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana sy ny fivavahana hafa. Jereo ny fitondran-tenany, ary ampitahao amin’izay takin’ny Baiboly amin’ny tena mpanompon’Andriamanitra.

19. Resy lahatra ny amin’ny inona ny olona an-tapitrisany maneran-tany?

19 Olona an-tapitrisany maneran-tany, anisan’izany ny tanora maro, no resy lahatra fa io “firenena marina” io dia ny sisa voahosotra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izao no lazainy amin’ireo Israelita ara-panahy ireo: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23) Tena irinay sy ataonay antom-bavaka ny hoe hanapa-kevitra ho anisan’ny vahoakan’Andriamanitra ianareo tanora. ‘Hifidy ny fiainana’ ianareo raha manao izany, dia ilay fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’i Jehovah.—Deoteronomia 30:15-20; 2 Petera 3:11-13.

Famerenana

• Inona no atao hoe mitaiza zanaka araka ny fomba fisainan’i Jehovah?

• Fanompoana manao ahoana no eken’i Jehovah?

• Inona no safidy omena ny tanora rehetra tezain’ny ray aman-dreny vita fanoloran-tena?

• Nahoana no tsy tokony hahemotra tsy amin’ny antony ny batisa?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Iza no hohenoinao?

[Sary, pejy 28]

Nahoana no miaro anao ny fanoloran-tena sy batisa?

[Sary, pejy 29]

Inona no misakana anao tsy hatao batisa?