Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teraka teo Anivon’ny Firenena Voafidin’Andriamanitra Izy Ireo

Teraka teo Anivon’ny Firenena Voafidin’Andriamanitra Izy Ireo

Teraka teo Anivon’ny Firenena Voafidin’Andriamanitra Izy Ireo

“Hianao efa nofidin’i Jehovah Andriamanitrao ho firenena ... ho Azy.”—DEOTERONOMIA 7:6.

1, 2. Inona avy no zava-mahatalanjona nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany, ary inona no nataon’ny Israelita taoriana kelin’ny nialany tany Ejipta?

NOHAVAOZIN’I Jehovah ny fifandraisany tamin’ny mpanompony teto an-tany, nanomboka tamin’ny 1513 T.K. Nampietry firenena matanjaka iray izy tamin’io taona io, ary nanafaka ny Israelita tamin’ny fanandevozana. Lasa Mpamonjy sy Tompon’izy ireo izy noho izany. Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy, talohan’izay: “Lazao amin’ny Zanak’Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy ampanaovin’ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. Dia halaiko ho Ahy hianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho.”—Eksodosy 6:6, 7; 15:1-7, 11.

2 Nanao fifanekena tamin’i Jehovah Andriamaniny ny Israelita, taoriana kelin’ny nialany tany Ejipta. Tsy nifandray tamin’ny isam-batan’olona na fianakaviana na antokom-pianakaviana intsony i Jehovah nanomboka tamin’izay, fa lasa nanana vahoaka voalamina iray, izany hoe firenena iray teto an-tany. (Eksodosy 19:5, 6; 24:7) Nanome lalàna izy mba hampiharin’izy ireo teo amin’ny fiainany andavanandro, indrindra fa teo amin’ny fivavahana. Hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an’i Jehovah Andriamanitra amin’izay rehetra iantsoantsika Azy? Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?”—Deoteronomia 4:7, 8.

Teraka teo anivon’ny firenena iray natao ho vavolombelona

3, 4. Inona no antony lehibe iray nanaovana ny Israelita ho firenena?

3 Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nampahatsiahivin’i Jehovah an’ireo Israelita, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, ny antony lehibe nanaovana azy ireo ho firenena. Hoy i Isaia: “Ry Jakoba ô, izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao. Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, dia ny Iray Masin’ny Isiraely, Mpamonjy anao; ... alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin’ny faran’ny tany, dia izay rehetra antsoina amin’ny anarako sady noharìko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko. Hianareo no vavolombeloko, hoy Jehovah, sady mpanompoko izay efa nofidiko ... Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy.”—Isaia 43:1, 3, 6, 7, 10, 21.

4 Nitondra ny anaran’i Jehovah ny Israelita, ka lasa vavolombelona teo anatrehan’ireo firenena izy ireo, fa i Jehovah no manana zo hitondra. Vahoaka ‘noharìna ho voninahitr’i Jehovah’ izy ireo. Noforonina koa izy ireo mba ‘hanambara ny fiderana an’i Jehovah’, sy hitantara ireo asa mahagaga nataony tamin’izy nanafaka ny Israelita. Hanome voninahitra ny anarany masina izy ireo amin’izay. Tokony ho firenena vavolombelona ho an’i Jehovah izy ireo, raha tsorina.

5. Inona avy ireo antony ilazana fa firenena voatokana ho an’i Jehovah ny Israely?

5 Nilaza i Solomona Mpanjaka, tamin’ny taonjato faha-11 T.K. fa navahan’i Jehovah ny firenen’ny Israely. Hoy izy rehefa nivavaka tamin’i Jehovah: “Hianao ... no nanavaka azy tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany ho lovanao.” (1 Mpanjaka 8:53) Nanana fifandraisana manokana tamin’i Jehovah koa ny Israelita tsirairay. Nilaza toy izao tamin’izy ireo i Mosesy taloha kokoa: ‘Zanak’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, firenena masina ho an’i Jehovah Andriamanitrareo.’ (Deoteronomia 14:1, 2) Tsy nila nanolo-tena ho an’i Jehovah àry ireo tanora israelita. Teraka teo anivon’ny firenena iray voatokana ho an’Andriamanitra izy ireo. (Salamo 79:13; 95:7) Nampianarina ny lalàn’i Jehovah ny taranaka rehetra tatỳ aoriana, ary nanana adidy hitandrina izany izy ireo, noho ilay fifanekena nampifamatotra ny Israely tamin’i Jehovah.—Deoteronomia 11:18, 19.

Nomena safidy

6. Inona no safidy tsy maintsy nataon’ny Israelita tsirairay?

6 Na dia teraka teo anivon’ny firenena iray voatokana ho an’Andriamanitra aza ny Israelita, dia ny tsirairay taminy no nanapa-kevitra raha hanompo an’Andriamanitra. Nilaza toy izao tamin’izy ireo i Mosesy, talohan’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina: “Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ny andronao, mba honenanao eo amin’ny tany izay nianianan’i Jehovah tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.” (Deoteronomia 30:19, 20) Araka izany, dia tsy maintsy nisafidy ny Israelita tsirairay raha ho tia an’i Jehovah, sy hihaino ny feony ary hifikitra aminy. Nomena safidy malalaka izy ireo, ka tsy maintsy nizaka ny vokatry ny safidiny.—Deoteronomia 30:16-18.

7. Inona no nitranga, rehefa maty ireo Israelita niaina tamin’ny andron’i Josoa?

7 Hita tsara tamin’izay nitranga tamin’ny andron’ny mpitsara ny vokany, rehefa mivadika ny olona na tsy mivadika. Nanahaka ny ohatra tsara navelan’i Josoa ny Israelita talohan’izay, ka nahazo fitahiana. “Nanompo an’i Jehovah ny vahoaka tamin’ny andro rehetra niainan’i Josoa sy tamin’ny andro rehetra niainan’ny loholona izay velona taorian’i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon’i Jehovah ho an’ny Isiraely.” Tatỳ aoriana anefa, rehefa maty i Josoa, dia “taranaka hafa, izay tsy nahalala an’i Jehovah, na ny asa efa nataony ho an’ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy [ireo.] Ary nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah ny Zanak’Isiraely.” (Mpitsara 2:7, 10, 11) Anisan’ilay vahoaka nanolo-tena ho an’i Jehovah sy nanaovany asa mahatalanjona izy ireo. Toa tsy nihevitra an’izany lovany izany ho sarobidy anefa io taranaka io, izay mbola tanora kokoa sy tsy nahita ny zava-nitranga fahiny.—Salamo 78:3-7, 10, 11.

Niaina nifanaraka tamin’ny fanoloran-tenany ve izy ireo?

8, 9. a) Ahoana no nahafahan’ny Israelita nampiseho fa nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ireo? b) Inona no soa azon’ireo nanao fanatitra an-tsitrapo?

8 Nataon’i Jehovah izay hahafahan’ny vahoakany hampiseho fa niaina nifanaraka tamin’ny fanoloran-tenany izy ireo. Nandidy azy ireo hanao sorona na fanatitra, ohatra, ny Lalàna nomeny. Tsy maintsy natao ny sasany tamin’ireny, fa an-tsitrapo kosa ny hafa. (Hebreo 8:3) Tao ny fanatitra dorana, ny fanatitra hohanina, ary ny fanati-pihavanana. Natao an-tsitrapo ireo, izany hoe natolotra ho an’i Jehovah, mba hahazoana sitraka aminy sy hisaorana azy.—Levitikosy 7:11-13.

9 Nahafaly an’i Jehovah ireny fanatitra an-tsitrapo ireny. Milaza ny Baiboly fa “hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah” ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina. (Levitikosy 1:9; 2:2) Raha ny fanati-pihavanana indray no resahina, dia natolotra ho an’i Jehovah ny ra sy ny jaboran’ilay biby, fa ny ampahany tamin’ny nofon-kena kosa nohanin’ny mpisorona sy ilay mpanao fanatitra. Toy ny fiaraha-misakafo amin’i Jehovah ilay izy, ary nidika ho fihavanana taminy. Hoy ny Lalàna: “Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an’i Jehovah hianareo, dia ataovy amin’izay hankasitrahana anareo izany.” (Levitikosy 19:5) Marina aloha fa efa vita fanoloran-tena ho an’i Jehovah ny Israelita rehetra raha vao teraka. Nahazo ‘fankasitrahana’ sy fitahiana tondraka anefa ireo nihevitra ny fanoloran-tenany ho zava-dehibe, ka nampiseho izany tamin’ny alalan’ny fanatitra an-tsitrapo.—Malakia 3:10.

10. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa tsy faly izy, tamin’ny andron’i Isaia sy Malakia?

10 Nivadika imbetsaka tamin’i Jehovah anefa ilay firenena nanolo-tena ho azy. Nilaza toy izao tamin’izy ireo i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Tsy nitondranao ny zanak’ondry fanatitra odoranao Aho, na nomenao voninahitra tamin’ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin’ny fanatitra Aho.” (Isaia 43:23) Ankoatra izany, dia tsy nisy dikany tamin’i Jehovah ny fanatitra tsy natao an-tsitrapo sy tsy tamim-pitiavana. Biby nisy kilema, ohatra, no nataon’ny Israelita fanatitra, tamin’ny andron’i Malakia mpaminany, izany hoe telonjato taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Isaia. Nilaza tamin’izy ireo àry i Malakia hoe: “Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin’ny tànanareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. ... Entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin’ny tànanareo va Aho? hoy Jehovah.”—Malakia 1:10, 13; Amosa 5:22.

Nolavina ilay firenena nanolo-tena

11. Inona no tombontsoa nomena ny Israelita?

11 Nampanantena toy izao tamin’ny Israelita i Jehovah, rehefa nanolo-tena ho azy izy ireo: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.” (Eksodosy 19:5, 6) Hipoitra eo anivon’izy ireo ilay Mesia nampanantenaina. Izy ireo no homen’io Mesia io ny tombontsoa voalohany, mba ho anisan’ireo ho mpitondra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Genesisy 22:17, 18; 49:10; 2 Samoela 7:12, 16; Lioka 1:31-33; Romanina 9:4, 5) Tsy niaina nifanaraka tamin’ny fanoloran-tenany anefa ny ankamaroan’ny Israelita. (Matio 22:14) Nanda ny Mesia izy ireo, ary namono azy tamin’ny farany.—Asan’ny Apostoly 7:51-53.

12. Inona no tenin’i Jesosy nampiseho fa tsy neken’i Jehovah ho firenena voatokana ho azy intsony ny Israelita?

12 Nilaza toy izao tamin’ny mpitondra fivavahana jiosy i Jesosy, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany: “Mbola tsy novakinareo tao amin’ny Soratra Masina mihitsy ve ny hoe: ‘Ny vato nolavin’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro lehibe indrindra, ary avy amin’i Jehovah no nahatonga izany, ka mahagaga eo imasontsika’? Izany no antony ilazako aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra ny voan’ilay fanjakana no homena azy.” (Matio 21:42, 43) Hoy koa i Jesosy, mba hampisehoana fa tsy neken’i Jehovah ho firenena voatokana ho azy intsony ny Israelita: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminy. Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangonan’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany! Tsy nety anefa ianareo. Indro, ilaozana eo ianareo sy ny tranonareo.”—Matio 23:37, 38.

Nanolo-tena ny firenena iray vaovao

13. Inona no faminaniana nolazain’i Jehovah tamin’ny andron’i Jeremia?

13 Nilaza zava-baovao hitranga amin’ny vahoakany i Jehovah, tamin’ny andron’i Jeremia mpaminany. Hoy ny Baiboly: “Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda, nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta; fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, nefa Izaho no vadiny, hoy Jehovah. Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.”—Jeremia 31:31-33.

14. Oviana no nanomboka nisy ilay firenena vaovao nanolo-tena ho an’i Jehovah, ary inona no fototr’izy io? Iza io firenena vaovao io?

14 Napetraka ny fototr’io fifanekena vaovao io tamin’ny taona 33, rehefa maty i Jesosy ary nanolotra ho an’ny Rainy ny vidin’ilay ra nalatsany. (Lioka 22:20; Hebreo 9:15, 24-26) Nanomboka nanan-kery io fifanekena vaovao io, rehefa nilatsaka ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33, ary teraka ny firenena vaovao iray, dia ny “Israelin’Andriamanitra.” (Galatianina 6:16; Romanina 2:28, 29; 9:6; 11:25, 26) Hoy ny apostoly Petera, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina voahosotra: “Ianareo kosa dia ‘firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana, mba hanambaranareo hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay’ niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga. Tsy firenena ianareo taloha, fa firenen’Andriamanitra kosa ankehitriny.” (1 Petera 2:9, 10) Tsy nanana fifandraisana manokana tamin’ny Israely ara-nofo intsony i Jehovah. Tsy izy io intsony no nankasitrahany nanomboka tamin’ny taona 33, fa ny Israely ara-panahy, dia ny fiangonana kristianina, izay “firenena mamokatra ny voan’ilay” Fanjakan’ny Mesia.—Matio 21:43.

Nanolo-tena ny tsirairay

15. Inona ilay batisa nampirisihan’i Petera hataon’ireo nihaino azy, tamin’ny Pentekosta taona 33?

15 Taorian’ny Pentekosta taona 33, dia ny tsirairay no tsy maintsy nanolo-tena ho an’Andriamanitra, na Jiosy izy na hafa firenena. Tsy maintsy natao batisa ‘tamin’ny anaran’ny Ray sy tamin’ny anaran’ny Zanaka ary tamin’ny anaran’ny fanahy masina’ koa izy ireo. * (Matio 28:19) Hoy ny apostoly Petera tamin’ny Jiosy sy ireo olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy, izay nandray ny hafany: “Mibebaha, ary aoka ny tsirairay avy aminareo hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hahazoanareo famelan-keloka. Ary hahazo ilay fanomezana maimaim-poana ianareo, dia ny fanahy masina.” (Asan’ny Apostoly 2:38) Tsy maintsy nasehon’ireo olona ireo tamin’ny alalan’ny batisany, fa sady nanolo-tena ho an’i Jehovah izy, no nanaiky fa i Jesosy no ampiasain’i Jehovah mba hahazoany famelan-keloka. Tsy maintsy nanaiky izy ireo fa izy no notendren’i Jehovah ho Mpisoronabe sy Mpitarika azy ireo, ary Lohan’ny fiangonana kristianina.—Kolosianina 1:13, 14, 18.

16. Nila nanao inona ireo Jiosy sy hafa firenena nanana toe-po tsara tamin’ny andron’i Paoly, raha te ho anisan’ny Israely ara-panahy?

16 Hoy ny apostoly Paoly, taona maro tatỳ aoriana: “Nankany amin’izay tany Damaskosy aho aloha, ary avy eo nankany amin’izay tany Jerosalema sy eran’ny faritr’i Jodia ary tany amin’ny firenen-kafa, nitondra ilay hafatra hoe tokony hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ireo ka hampiseho amin’ny ataony fa nibebaka izy.” (Asan’ny Apostoly 26:20) Nanampy ny Jiosy sy ny hafa firenena mba hanolo-tena sy hatao batisa i Paoly, rehefa avy nandresy lahatra azy ireo fa i Jesosy no Kristy na Mesia. (Asan’ny Apostoly 16:14, 15, 31-33; 17:3, 4; 18:8) Niverina tamin’Andriamanitra ireny mpianatra vaovao ireny, ka lasa anisan’ny Israely ara-panahy.

17. Inona ilay fanisiana tombo-kase efa madiva ho vita, ary inona no mihafaingana ankehitriny?

17 Efa kely sisa ankehitriny dia ho voaisy tombo-kase farany ny sisa rehetra amin’ny Israelita ara-panahy. Rehefa vita tanteraka izany, dia hasaina havotsotr’ireo “anjely efatra” ny rivotry ny fandringanana amin’ny “fahoriana lehibe.” Mandra-pahatongan’izany dia mihafaingana ny fanangonana ny “vahoaka be”, izay manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Ireo “ondry hafa” ireo no mifidy ny haneho finoana “ny ran’ny Zanak’ondry”, sy hatao batisa mba hampisehoana fa nanolo-tena ho an’i Jehovah izy. (Apokalypsy 7:1-4, 9-15; 22:17; Jaona 10:16; Matio 28:19, 20) Anisan’izy ireo ny tanora maro tezain’ny ray aman-dreny kristianina. Hahaliana anao ny lahatsoratra manaraka, raha iray amin’izy ireo ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

Famerenana

• Nahoana ny tanora israelita tsirairay no tsy voatery nanolo-tena ho an’i Jehovah?

• Ahoana no azon’ny Israelita nampisehoana fa niaina nifanaraka tamin’ny fanoloran-tenany izy ireo?

• Nahoana ny Israelita no tsy neken’i Jehovah ho firenena voatokana ho azy intsony, ary iza no nisolo azy io?

• Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, inona no tsy maintsy nataon’ny Jiosy sy ny hafa firenena, mba ho anisan’ny Israely ara-panahy izy ireo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Teraka teo amin’ny firenena voafidin’Andriamanitra ny tanora israelita

[Sary, pejy 23]

Ny Israelita tsirairay no tsy maintsy nanapa-kevitra raha hanompo an’Andriamanitra

[Sary, pejy 23]

Afaka nampiseho ny fitiavany an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fanatitra an-tsitrapo ny Israelita

[Sary, pejy 25]

Taorian’ny Pentekosta taona 33, dia ny Kristianina tsirairay no tsy maintsy nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy nampiseho izany tamin’ny alalan’ny batisany