Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mahavonjy Anay ny Andriamanitray’

‘Mahavonjy Anay ny Andriamanitray’

“Andriamanitra, fa Tsy Olona, no Tsy Maintsy Ankatoavinay Satria Izy no Mpitondra Anay”

‘Mahavonjy Anay ny Andriamanitray’

TENA mahagaga ilay zava-nitranga! Nisy sariolona volamena goavana natsangana teo amin’ny lemak’i Dora, toa tsy lavitra ny tanànan’i Babylona. Hotokanana mandritra ny fotoan-dehibe manokana iray izy io, ary hanatrika izany ireo manam-pahefana ambony. Nasaina niankohoka teo anoloan’ilay sary ny mpanatrika, raha vao nandre ny feon’ny zavamaneno isan-karazany. Namoaka didy i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, fa hovonoina ao anaty lafaoro mahamay be, izay tsy mety hivavaka amin’ilay sary. Iza no ho sahy handika io didy io?

Gaga ny mpanatrika fa tsy niankohoka i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, mpanompon’i Jehovah. Fantany mantsy fa i Jehovah Andriamanitra irery ihany no tokony hivavahana, ka nandika an’izany izy ireo raha niankohoka tamin’ilay sary. (Deoteronomia 5:8-10) Rehefa nasaina nanazava ny antony tsy niovany hevitra mihitsy izy ireo, dia sahy nilaza tamin’i Nebokadnezara hoe: “Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao, ry mpanjaka ô. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.”—Daniela 3:17, 18.

Tsy ho tafavoaka velona tao amin’ilay lafaoro nirehitra ireo Hebreo telo lahy natsipy tao, raha tsy hoe nisy fahagagana angaha. Naniraka anjely hiaro an’ireo mpanompony nahatoky ireo Andriamanitra. Efa tapa-kevitra anefa izy ireo fa aleony ho faty, toy izay tsy hankatò an’i Jehovah. * Toy izany koa no nataon’ny apostolin’i Jesosy Kristy, 600 taona mahery tatỳ aoriana. Hoy izy ireo teo anoloan’ny fitsarana avo jiosy: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”—Asan’ny Apostoly 5:29.

Fianarana lehibe ho antsika

Nanam-pinoana sy nankatò ary tsy nivadika i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, ka modely ho antsika. Nino an’i Jehovah ireo Hebreo telo lahy. Voataizan’ny Soratra Masina ny feon’ny fieritreretan’izy ireo, ka tsy sahy nandray anjara mihitsy tamin’ny fanaon’ny fivavahan-diso izy ireo, na fombafomba nampiseho fitiavan-tanindrazana. Matoky tanteraka an’ilay tena Andriamanitra koa ny Kristianina ankehitriny. Ny feon’ny fieritreretany voataizan’ny Baiboly no mitari-dalana azy ireo, ka tsy mandray anjara amin’ny fanaon’ny fivavahan-diso izy ireo, na fombafomba mandika ny lalàna sy ny toro lalan’Andriamanitra.

Natoky an’i Jehovah ireo Hebreo telo lahy. Nifidy ny hankatò azy izy ireo. Izany no zava-dehibe taminy, fa tsy ny mari-pankasitrahana na mari-boninahitra mety ho natolotry ny Fanjakana Babylonianina. Naleon’izy ireo hijaly sy ho faty, toy izay tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Toa an’i Mosesy, dia “tsy azo nohozongozonina mihitsy” izy ireo, “toy ny mahita an’Ilay tsy hita.” (Hebreo 11:27) Tapa-kevitra ny tsy hivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy ireo, na hamonjy azy izy na tsia. Naleon’izy ireo ho faty, toy izay handika ny fitsipiny. Izy ireo no toa tian’ny apostoly Paoly holazaina, rehefa niresaka momba ireo mpanompo mahatoky “nahatohitra ny herin’ny afo” izy. (Hebreo 11:34) Mankatò sy maneho finoana toy izany koa ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny, rehefa tsapaina ny tsy fivadihany.

Ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, fa mamaly soa an’ireo tsy mivadika aminy Andriamanitra. Nihira ny mpanao salamo hoe: ‘Jehovah tsy hahafoy ny olony masina.’ (Salamo 37:28) Marina fa tsy hamonjy antsika amin’ny fomba mahagaga toy ny nataony tamin’ireo Hebreo telo lahy Andriamanitra. Matoky anefa isika fa hanampy antsika ilay Raintsika any an-danitra, na inona na inona zava-tsarotra atrehintsika. Mety hesoriny ilay olana, na homeny hery isika hiaretana azy io, na hatsangany amin’ny maty isika raha tsy mivadika hatramin’ny fahafatesana. (Salamo 37:10, 11, 29; Jaona 5:28, 29) Handresy foana ny finoana sy ny fankatoavana ary ny tsy fivadihana, raha mifidy ny hankatò an’Andriamanitra isika, isaky ny iharam-pitsapana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jereo ny Kalandrien’ny Vavolombelon’i Jehovah 2006, Jolay/Aogositra.

[Efajoro/​Sary, pejy 9]

FANTATRAO VE?

• Telopolo taona latsaka kely ireo Hebreo telo lahy, tamin’io fotoana nitsapana ny tsy fivadihany io.

• Natao faran’izay nahamay ilay lafaoro.—Daniela 3:19.