Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manafaka ny Ory i Jehovah

Manafaka ny Ory i Jehovah

Manafaka ny Ory i Jehovah

“Maro ny fahorian’ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.”—SALAMO 34:19.

1, 2. Inona no olana natrehin’ny Kristianina mahatoky iray, ary nahoana isika no mety hanana fihetseham-po toy izany koa?

VAVOLOMBELON’I JEHOVAH efa hatramin’ny 20 taona mahery, ny vehivavy tanora iray atao hoe Kanto. * Efa nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra izy, izany hoe mpitory ilay Fanjakana manontolo andro, ary tena nankafy io tombontsoa io. Lasa namoy fo sy nahatsiaro ho manirery anefa i Kanto, vao haingana. “Nitomany foana aho”, hoy izy. Niezaka nanao fianarana samirery bebe kokoa izy mba handresena ny hakiviany. Na izany aza, dia hoy izy: “Mbola tsy nahatsapa fiovana ihany aho, ary kivy tanteraka ka naniry ho faty.”

2 Efa nanary toky toy izany ve ianao? Marina fa manana antony maro hifaliana ianao, satria Vavolombelon’i Jehovah. “Misy fampanantenana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ilay ho avy” mantsy, ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. (1 Timoty 4:8) Efa ao amin’ny paradisa ara-panahy mihitsy aza ianao ankehitriny! Midika ve anefa izany fa voaro amin’ny fahoriana rehetra ianao? Tsy izany velively! “Maro ny fahorian’ny marina”, hoy ny Baiboly. (Salamo 34:19) Tsy mahagaga izany, satria “izao tontolo izao manontolo ... dia eo ambany fahefan’ilay ratsy”, izany hoe i Satana Devoly. (1 Jaona 5:19) Mahatsapa ny vokatr’izany isika rehetra, saingy amin’ny endriny samy hafa fotsiny.—Efesianina 6:12.

Ny vokatry ny fahoriana

3. Iza avy, ohatra, no mpanompon’Andriamanitra lazain’ny Baiboly fa kivy mafy?

3 Mety hanjombona tanteraka ny fahitantsika ny fiainana, rehefa tsy mety misinda ny hakiviantsika. (Ohabolana 15:15) Izany no nanjo an’i Joba, lehilahy marina. Hoy izy rehefa niaritra fahoriana mangidy: “Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.” (Joba 14:1) Tsy nanam-pifaliana intsony i Joba. Nisy fotoana aza niheverany fa nanary azy i Jehovah. (Joba 29:1-5) Tsy i Joba irery no mpanompon’Andriamanitra tratran’ny fahorian-tsaina mafy toy izany. Milaza ny Baiboly fa “nalahelo fanahy indrindra” i Hana, noho izy tsy niteraka. (1 Samoela 1:9-11) Ory dia ory noho ny olana tao an-tokantranony koa i Rebeka, ka niteny hoe: “Tsy te-ho velona aho.” (Genesisy 27:46) Ary rehefa nisaintsaina ny fahadisoana nataony i Davida, dia nilaza fa “misaona mandrakariva” izy. (Salamo 38:6) Asehon’ireo ohatra vitsivitsy ireo, fa nisy lehilahy sy vehivavy natahotra an’Andriamanitra, nijaly noho ny hakiviana mafy, talohan’ny nisian’ny fivavahana kristianina.

4. Nahoana no tsy mahagaga raha misy Kristianina “kivy” ankehitriny?

4 Ahoana ny amin’ny Kristianina? Nampirisika ny Tesalonianina mba “hanao teny mampahery ny kivy” ny apostoly Paoly. (1 Tesalonianina 5:14) Milaza ny boky iray fa ilay teny grika nadika hoe “ny kivy”, dia mety hanondro olona “miady saina mandritra ny fotoana tsy maharitra, satria tototry ny faneren’ny fiainana.” Hitantsika amin’ireo tenin’i Paoly ireo, fa ketraka ny sasany tamin’ny voahosotry ny fanahy tao Tesalonika. Misy Kristianina kivy koa ankehitriny. Nahoana? Handinika antony telo mpitranga matetika isika.

Mety hahakivy antsika ny maha mpanota antsika

5, 6. Nahoana no mampahery antsika ny voalazan’ny Romanina 7:22-25?

5 Ory noho ny maha mpanota azy ny tena Kristianina, fa tsy toy ny ratsy fanahy izay “tsy mahalala menatra intsony.” (Efesianina 4:19) Mety hahatsapa izao fihetseham-po noresahin’i Paoly izao izy ireo: “Tena fahafinaretana ho ahy ny lalàn’Andriamanitra, araka ny toetra maha izy ahy ato anatiko, nefa ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako.” Nilaza i Paoly avy eo hoe: “Indrisy! Olo-mahantra aho!”—Romanina 7:22-24.

6 Efa nahatsapa toy izany koa ve ianao? Tsy ratsy ny mahatsapa hoe tsy lavorary ianao, satria izany dia afaka mandentika ao an-tsainao hoe tena ratsy ny fahotana. Afaka manampy anao koa izany mba ho tapa-kevitra kokoa tsy hanao ratsy. Tsy tokony hivalaketraka foana noho ny fahadisoanao anefa ianao. Hoy i Paoly rehefa avy nilaza ny hakiviany: “Isaorana anie Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!” (Romanina 7:25) Tena natoky i Paoly fa afaka manafaka azy amin’ny fahotana nolovany tamin’i Adama, ny ra nalatsak’i Jesosy.—Romanina 5:18.

7. Inona no afaka manampy ny olona iray, mba tsy ho kivy noho ny fironan-dratsiny?

7 Raha mitady hahakivy tanteraka anao ny maha mpanota anao, dia manovoza fampaherezana avy amin’ireto tenin’ny apostoly Jaona ireto: “Raha misy ... sendra manota, dia manana mpanampy any amin’ny Ray isika, dia i Jesosy Kristy, ilay marina. Izy no sorona fampihavanana noho ny fahotantsika, nefa tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao manontolo koa.” (1 Jaona 2:1, 2) Raha kivy àry ianao noho ny fironan-dratsy ao aminao, dia tadidio foana fa maty ho an’ny mpanota i Jesosy, fa tsy ho an’ny olona lavorary. Raha ny marina, dia “samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.”—Romanina 3:23.

8, 9. Nahoana isika no tokony hiezaka tsy hanamelo-tena?

8 Aoka anefa hatao hoe nanao fahotana lehibe ianao taloha. Tsy isalasalana fa nivavaka tamin’i Jehovah momba ilay izy ianao, ary angamba nanao izany matetika mihitsy. Nanampy anao koa ny anti-panahy kristianina. (Jakoba 5:14, 15) Tena nibebaka ianao, ka tafajanona ho anisan’ny fiangonana. Na mety ho nandao ny fandaminan’Andriamanitra nandritra ny fotoana kelikely ianao, fa nibebaka tatỳ aoriana, ka nadio indray teo imason’i Jehovah. Na ahoana na ahoana, dia mety hitamberina ao an-tsainao ilay fahotanao taloha, ka hahakivy anao. Raha izany no mitranga, dia tadidio fa ‘mamela heloka dia mamela heloka tokoa’ i Jehovah, amin’ny olona tena mibebaka. (Isaia 55:7) Ankoatra izany, dia tsy tiany hanamelo-tena ianao, ka hamoy fo. I Satana no mitady izany. (2 Korintianina 2:7, 10, 11) Ho ringana izy, satria izany no mendrika azy. Tiany anefa ny hiheveranao fa mendrika ny horinganina koa ianao. (Apokalypsy 20:10) Tetika ataon’i Satana mba handravana ny finoanao izany, ka aza avela hahomby izy. (Efesianina 6:11) “Tohero” izy amin’io lafiny io, toy ny efa anoheranao azy amin’ny zavatra hafa.—1 Petera 5:9.

9 Antsoina hoe “mpiampanga ny rahalahintsika”, izany hoe ny Kristianina voahosotra, i Satana, ao amin’ny Apokalypsy 12:10. “Miampanga azy ireo andro aman’alina” eo anatrehan’Andriamanitra izy. Hanampy anao ny fisaintsainana an’io andinin-teny io. Ho hitanao amin’izany fa i Satana no mpiampanga lainga. Izy no ho faly raha miampanga sy manameloka ny tenanao ianao, na dia tsy meloka eo imason’i Jehovah aza. (1 Jaona 3:19-22) Aza miferinaina lava noho ny fahadisoanao, fa mety hampamoy fo tanteraka anao izany! Aza avela handrava ny fifandraisanao amin’Andriamanitra mihitsy i Satana Devoly. Aza avela hanajamba anao izy, ka hahatonga anao hanadino fa “mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo” i Jehovah.—Eksodosy 34:6.

Mety ho kivy isika rehefa voafetra ny fanompoantsika

10. Inona avy no mety hanakana antsika tsy hanompo bebe kokoa, ka mety hahakivy antsika?

10 Misy Kristianina kivy, satria voafetra ny fanompoany an’Andriamanitra, noho ny toe-javatra misy azy. Izany ve no manjo anao? Angamba ianao tsy afaka manokana fotoana betsaka intsony ho amin’ny fanompoana, satria marary mafy, na efa be taona, na noho ny toe-javatra hafa. Marina fa ampirisihina hanararaotra tsara ny fotoana ny Kristianina, mba hanompoana an’Andriamanitra. (Efesianina 5:15, 16) Ahoana anefa raha tena tsy afaka manompo bebe kokoa ianao, ka kivy noho izany?

11. Nahoana no mahasoa antsika ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Galatianina 6:4?

11 Mampirisika antsika ny Baiboly mba tsy ho kamo, fa “hanahaka ... an’ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo nanana finoana sy faharetana.” (Hebreo 6:12) Rehefa mandinika ny ohatra tsara navelan’izy ireo sy miezaka manahaka ny finoany ihany isika, vao hahavita hanaraka izany fampirisihana izany. Tsy hisy soa horaisintsika anefa, raha mampitaha tena amin’ny hafa isika, ka mihevitra fa tsy mahafa-po mihitsy izay ataontsika. Tsara àry ny hampiharantsika ilay torohevitr’i Paoly hoe: “Aoka ... ny tsirairay samy handinika izay ataony avy, ary amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.”—Galatianina 6:4.

12. Nahoana isika no afaka mifaly noho ny fanompoantsika an’i Jehovah?

12 Manana antony tsara hifaliana ny Kristianina, na dia mety ho voafetra aza ny fanompoany, noho izy marary mafy. Manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Andriamanitra ... tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.” (Hebreo 6:10) Angamba ianao lasa tsy mahavita fanompoana betsaka toy ny taloha intsony, noho ny toe-javatra tsy azonao anoarana. Ho afaka handray anjara bebe kokoa amin’ny lafiny sasany amin’ny fanompoana anefa ianao, rehefa ampian’i Jehovah. Anisan’izany ny fitoriana an-telefaonina sy an-taratasy. Matokia fa hotahin’i Jehovah Andriamanitra ianao, satria manompo azy amin’ny fo manontolo ary maneho fitiavana azy sy ny olon-kafa.—Matio 22:36-40.

Mety hahaketraka ny “fotoan-tsarotra”

13, 14. a) Inona avy no mety hampahory antsika amin’izao “fotoan-tsarotra” izao? b) Inona no manaporofo fa tsy tia ny mpianakaviny ny olona ankehitriny?

13 Marina fa manantena ny hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, izay hanjakan’ny fahamarinana, isika. Mbola miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” anefa isika izao. (2 Timoty 3:1) Mampahery antsika àry ny mahalala fa ireo toe-javatra mahakivy ankehitriny, dia manaporofo fa ho avy tsy ho ela ny fanafahana antsika. Na izany aza, dia misy fiantraikany eo amintsika ny zava-misy iainantsika. Ahoana, ohatra, raha tsy an’asa ianao? Mety ho vitsy ny asa, ka rehefa mandeha ny fotoana, dia mety hanontany tena ianao raha tena mahita izay manjo anao i Jehovah, na raha tena mihaino ny vavakao izy. Na angamba ianao mijaly noho ny fanavakavahana na ny tsy rariny. Ary na ny famakiana ireo lohatenin-gazety fotsiny aza, dia mety hahatonga anao ho “ory dia ory” na ketraka toa an’ilay lehilahy marina atao hoe Lota. Izany no tsapany, noho ny fitondran-tena mahamenatra nisy nanodidina azy.—2 Petera 2:7.

14 Misy lafiny miavaka iray amin’ny andro farany, tena tsy azo odian-tsy hita. Maro no “tsy ho tia ny mpianakaviny”, hoy ny Baiboly. (2 Timoty 3:3) Zara raha ahitam-pitiavana ny tokantrano maro. Milaza toy izao mihitsy ny boky Herisetra ao An-tokantrano (anglisy): “Asehon’ny zava-misy fa ny mpianakavin’ny olona ihany no atahorana kokoa hamono azy ho faty, hampihatra herisetra aminy, hametaveta azy, na hampahory azy. ... [Ny tokantrano] no lasa toerana mampidi-doza indrindra ho an’ny olon-dehibe sy ny ankizy sasany, nefa ao no tokony hahatsapany fitiavana sy hahazoany fiarovana.” Ny olona niaina tao anatin’ny tokantrano mampitondra faisana toy izany, dia mety hitebiteby na hamoy fo, rehefa atỳ aoriana. Ahoana raha izany no tsapanao?

15. Nahoana no azo lazaina fa lehibe noho ny fitiavan’ny olombelona ny fitiavan’i Jehovah?

15 Nihira toy izao i Davida mpanao salamo: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” (Salamo 27:10) Tena mampahery ny mahalala fa lehibe noho ny fitiavan’ny ray aman-dreny, ny fitiavan’i Jehovah! Mety hampahory tokoa ny hoe tsy raharahain’ny ray aman-dreny, na ampijaliny, na ariany mihitsy aza. Miahy anao foana anefa i Jehovah, na izany aza no manjo anao. (Romanina 8:38, 39) Tadidio fa mitaona ny olona tiany Andriamanitra. (Jaona 3:16; 6:44) Tia anao ilay Rainao any an-danitra, na ahoana na ahoana fomba itondran’ny olona anao!

Fomba hanamaivanana ny hakiviana

16, 17. Raha kivy ny olona iray, inona no azony atao mba hahazoany hery avy amin’i Jehovah foana?

16 Misy zavatra maromaro azonao atao, mba hiatrehana ny hakiviana. Mandraisa anjara feno amin’ny asa kristianina, fa hampahery anao izany. Saintsaino ny Tenin’Andriamanitra, indrindra rehefa toa tsy ho zakanao ny hakivianao. Nihira toy izao ilay mpanao salamo: “Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, dia ny famindramponao, Jehovah ô, no nanohana ahy. Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao.” (Salamo 94:18, 19) Teny mampionona sy hevitra mampahery no hameno ny sainao, raha mamaky tsy tapaka ny Baiboly ianao.

17 Tena ilaina koa ny mivavaka. Na tsy hainao aza ny mamboraka tanteraka ny ao am-ponao amin’i Jehovah, dia fantany hoe inona no iezahanao lazaina aminy. (Romanina 8:26, 27) Nanome toky ilay mpanao salamo hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.”—Salamo 55:22.

18. Inona avy no azon’ny olona iray atao raha ketraka izy?

18 Mamoy fo ny olona sasany satria ketraka lava, ary efa lasa aretina mihitsy ilay izy. * Raha izany no mahazo anao, dia miezaha araka izay vitanao, mba hampifantoka ny sainao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra. Miezaha hieritreritra ilay fotoana tsy hisian’ny olona “hilaza hoe: Marary aho.” (Isaia 33:24) Mety ho tsara ny manatona dokotera, raha toa ka hakiviana maharitra no mahazo anao, fa tsy alahelo miserana. (Matio 9:12) Ilaina koa ny mikarakara tena tsara. Mety hahasoa anao ny mihinana sakafo mahasalama sy ny manao fanatanjahan-tena. Ataovy ampy tsara ny torimasonao. Aza miari-tory mijery tele, na manao fialam-boly izay hahatonga anao ho lanaka na ho kivy tanteraka. Ary ny zava-dehibe indrindra dia tohizo foana ny fanompoana an’Andriamanitra! Hanampy anao hizaka izay mahazo anao i Jehovah, na dia mbola tsy izao aza no fotoana ‘hamafany ny ranomaso rehetra.’—Apokalypsy 21:4; 1 Korintianina 10:13.

“Eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra” isika

19. Inona no ampanantenain’i Jehovah ho an’ny olona ory?

19 Manome toky antsika ny Baiboly fa na maro aza ny fahorian’ny marina, dia “Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany.” (Salamo 34:19) Ahoana no anaovany izany? Nivavaka imbetsaka ny apostoly Paoly, mba hafahana tamin’ilay ‘tsilo tao amin’ny nofony.’ Nilaza taminy i Jehovah tamin’izay hoe: “Ny heriko dia manjary lavorary ao amin’ny fahalemena.” (2 Korintianina 12:7-9) Inona no nampanantenain’i Jehovah an’i Paoly, ary inona no ampanantenainy anao? Tsy ny hamaha avy hatrany ny olana no nampanantenainy, fa ny hanome hery hiaretana.

20. Na dia mety hiharam-pitsapana aza isika, inona no toky omena antsika ao amin’ny 1 Petera 5:6, 7?

20 Hoy ny apostoly Petera: “Manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony, ary apetraho aminy avokoa izay rehetra mampanahy anareo, satria mikarakara anareo izy.” (1 Petera 5:6, 7) Mikarakara anao i Jehovah, ka tsy hanary anao mihitsy. Hanohana anao izy, na dia rehefa misy fitsapana mahazo anao aza. Tadidio fa “eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra” ny Kristianina mahatoky. Manome antsika hery hiaretana i Jehovah, rehefa manompo azy isika. Tsy ho simba mihitsy ny fifandraisantsika aminy, raha tsy mivadika isika. Koa enga anie isika tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy. Hiaina mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenainy isika amin’izay, ary ho hitantsika ny fanafahany tanteraka ny olona ory!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Novana ny anarana.

^ feh. 18 Tsy hakiviana miserana fotsiny no resahina eto, fa karazana aretina mihitsy izay hita soritra amin’ny alahelo mafy sy maharitra. Raha mila fanazavana bebe kokoa ianao, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1996, pejy 30-31 sy ny Mifohaza! 8 Septambra 2001, pejy 5-7 ary ny 8 Septambra 2004, pejy 12-14.

Tadidinao Ve?

• Nahoana no iharan-java-mahory na dia ny mpanompon’i Jehovah aza?

• Inona avy no mety hahakivy ny vahoakan’Andriamanitra sasany?

• Ahoana no anampian’i Jehovah antsika, mba hahazakantsika ny zavatra mampitebiteby antsika?

• Nahoana isika no azo lazaina fa “eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra”?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 25]

Manana antony hifaliana ny vahoakan’i Jehovah, na dia iharam-pitsapana aza

[Sary, pejy 28]

Fomba anomezana ny tsara indrindra ho an’i Jehovah ny fitoriana an-telefaonina