Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifantoha Amin’ny Hatsaran’ny Fandaminan’i Jehovah

Mifantoha Amin’ny Hatsaran’ny Fandaminan’i Jehovah

Mifantoha Amin’ny Hatsaran’ny Fandaminan’i Jehovah

“Ho voky ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay.”—SALAMO 65:4.

1, 2. a) Hitondra inona ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ny asa hatao ao amin’ny tempoly? b) Inona no anjara biriky nentin’i Davida tamin’ny fanorenana ny tempoly?

ANISAN’NY olona miavaka indrindra voaresaka ao amin’ny Soratra Hebreo i Davida, Israelita fahiny. Mpiandry ondry izy, mpitendry zavamaneno, mpaminany, sady mpanjaka. Nitoky tanteraka tamin’i Jehovah Andriamanitra izy. Naniry hanorina trano na tempoly ho an’Andriamanitra i Davida, noho izy tia azy lalina. Io tempoly io no ho foiben’ny fivavahana marina eo amin’ny Israely. Fantatr’i Davida fa hitondra fifaliana sy soa maro ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ny asa hatao ao. Izany no nahatonga azy hihira hoe: “Sambatra izay fidinao [Jehovah] ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay, dia ny zava-masina ao amin’ny tempolinao.”—Salamo 65:4.

2 Tsy navela hiandraikitra ny fanorenana ny tranon’i Jehovah i Davida, fa i Solomona zanany lahy no nomena izany tombontsoa izany. Tsy nimonomonona anefa izy, na dia olon-kafa aza no nahazo ilay tombontsoa niriny fatratra. Ny hahavitana ny tempoly no zava-dehibe indrindra taminy, ary notohanany tamin’ny fo manontolo io asa io. Nampitainy tamin’i Solomona, ohatra, ny planina nomen’i Jehovah hanaovana ilay trano. I Davida koa no nitsinjara an’ireo Levita an’arivony mba hanao asa isan-karazany. Ary nanome volamena sy volafotsy be dia be hanorenana ny tempoly izy.—1 Tantara 17:1, 4, 11, 12; 23:3-6; 28:11, 12; 29:1-5.

3. Ahoana no ataon’ny mpanompon’Andriamanitra, manoloana ny fandaharana mifandray amin’ny fivavahana marina?

3 Nanohana ny fandaharana mifandray amin’ny fivavahana marina natao tao amin’ny tranon’Andriamanitra, ny Israelita nahatoky. Manohana ny fandaharana mifandray amin’ny fivavahana ao amin’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany koa, isika mpanompony ankehitriny. Asehontsika amin’izany fa mitovy toe-tsaina amin’i Davida isika. Tsy be taraina isika, fa mifantoka amin’ny hatsaran’ny fandaminan’Andriamanitra. Efa noeritreretinao ve ireo zava-tsoa maro tena tokony hankasitrahantsika? Andeha isika handinika ny sasany amin’izany.

Ankasitraho ireo mitarika

4, 5. a) Inona avy no ataon’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, mba hiantsorohana ny andraikiny? b) Ahoana no fihetseham-pon’ny Vavolombelona sasany noho ny sakafo ara-panahy raisiny?

4 Misy antony tsara tokony hankasitrahantsika ny “mpanompo mahatoky sy malina”, izay notendren’i Jesosy Kristy hikarakara ny fananany eto an-tany. Ireo Kristianina voahosotra ireo no mitarika ny fitoriana ny vaovao tsara, manomana ny fandaharam-pivoriana, ary mamoaka boky sy gazety ara-baiboly amin’ny fiteny 400 mahery. Olona an-tapitrisany eran-tany no mandray sy mankasitraka ireny ‘sakafo [ara-panahy] amin’ny fotoana mety’ ireny. (Matio 24:45-47) Tena tsy misy antony himonomononana momba izany.

5 Nampahery sy nanampy an’i Elfi efa hatramin’ny taona maro, ny fampiharana ny torohevitra ara-baiboly ao anatin’ny boky sy gazety avoakan’ny mpanompo mahatoky. Tena nankasitraka izany io Vavolombelona efa zokiolona io, ka nanoratra hoe: “Asa izay nanjo ahy, raha tsy teo ny fandaminan’i Jehovah!” Mpanompon’Andriamanitra efa an-taonany maro koa i Peter sy Irmgard. Nilaza i Irmgard fa tena ankasitrahany ny boky sy gazety rehetra omen’ny “fandaminan’i Jehovah, izay be fiahiana sy fitiavana.” Tsy diso anjara amin’ireny boky sy gazety ireny koa ny manana kilema ara-batana, toy ny olona tsy mahita tsara na tsy mandre tsara.

6, 7. a) Ahoana no itantanana ny asan’ny fiangonana maneran-tany? b) Inona no nolazain’ny olona sasany momba ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany?

6 Misolo tena ny “mpanompo mahatoky”, ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Lehilahy vitsivitsy voahosotry ny fanahy izy ireo, ary miasa any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, any Etazonia. Manendry mpanompon’i Jehovah za-draharaha ny Filan-kevi-pitantanana, mba hiasa any amin’ireo biraon’ny sampana, izay mitantana ny asan’ireo fiangonana miisa 98 000 mahery eran-tany. Voatendry ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana any anivon’ireny fiangonana ireny, ny lehilahy mahafeno fepetra ara-baiboly. (1 Timoty 3:1-9, 12, 13) Mitarika sy miandry amim-pitiavana ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketany ny anti-panahy. Tena tombontsoa tokoa ny anisan’io andian’ondry io, sady mahatsapa ny fitiavana sy firaisan-tsaina eo anivon’ny “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana”!—1 Petera 2:17; 5:2, 3.

7 Manome tari-dalana miorina amin’ny Baiboly ny anti-panahy. Matetika no mankasitraka an’ireny tari-dalana feno fitiavana ireny ny Kristianina, fa tsy be taraina. Anisan’izany i Birgit, vehivavy kristianina 30 taona eo ho eo. Nanana naman-dratsy izy tamin’ny mbola zatovo, ary saika nanao ratsy. Namonjy azy tsy hiharan-doza anefa ny torohevitra ara-baiboly mazava nomen’ny anti-panahy, sy ny fanampian’ny mpiray finoana. Manao ahoana izao ny fihetseham-pon’i Birgit? Hoy izy: “Tena velom-pankasitrahana aho fa mbola anisan’ny fandaminan’i Jehovah, izay mahafinaritra tokoa.” Hoy koa i Andreas, 17 taona: “Tena fandaminan’i Jehovah mihitsy ity misy antsika ity. Izy ity no tsara indrindra eto an-tany.” Tsy tokony ho velom-pankasitrahana ve isika, noho ny hatsaran’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany?

Tsy lavorary ireo mitarika

8, 9. Inona no nataon’ny olona sasany niara-belona tamin’i Davida, ary ahoana no nataony nanoloana izany?

8 Tsy lavorary ireo lehilahy voatendry hitarika eo anivon’ny fivavahana marina. Manao fahadisoana daholo izy ireo. Manana fahalemena tsy mety afaka aminy ny sasany, ary miezaka mafy mba handresy izany. Tokony hahasosotra antsika ve izany? Tsia. Nanao fahadisoana lehibe, na dia ireo olona nanankinana andraikitra mavesatra teo amin’ny Israely fahiny aza. Nantsoina hitendry mozika hampitony an’i Saoly, ohatra, i Davida, tamin’izy mbola tanora. Nitebiteby mantsy io Mpanjaka io. Nitady hamono an’i Davida anefa i Saoly tatỳ aoriana, ka tsy maintsy nandositra izy.—1 Samoela 16:14-23; 18:10-12; 19:18; 20:32, 33; 22:1-5.

9 Nivadi-pitokisana ny Israelita hafa. Namono an’i Abnera, havan’i Saoly, ohatra, i Joaba mpitari-tafik’i Davida. Nanao tetika hanonganana ny fanjakan’i Davida i Absaloma zanany lahy. Ary namadika an’i Davida i Ahitofela, mpanolo-tsaina nitokisany. (2 Samoela 3:22-30; 15:1-17, 31; 16:15, 21) Tsy nanjary mpitaraina lava anefa i Davida na nitana lolompo. Tsy niala tamin’ny fivavahana marina koa izy. Ny nifanohitra tamin’izany aza no nitranga. Nahatonga azy hifikitra tamin’i Jehovah ny zava-tsarotra niainany, ary mbola tsara foana ny toe-tsainy, toy ny tamin’izy nandositra an’i Saoly. Nihira toy izao i Davida tamin’izany: “Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ny fanahiko; eny, ao amin’ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ny loza.”—Salamo 57:1.

10, 11. Inona no nitranga tamin’ny Kristianina iray atao hoe Gertrud tamin’izy mbola tanora, ary inona no nolazainy momba ny fahadisoan’ny mpiray finoana taminy?

10 Tsy manana antony itarainana isika hoe misy mpamadika eo anivon’ny fandaminan’Andriamanitra ankehitriny. Tsy mamela ny olona ratsy fanahy toy izany hijanona eo anivon’ny fiangonana, i Jehovah sy ny anjely ary ireo mpiandraikitra. Na izany aza, dia mbola eo ny tsy fahalavorariantsika rehetra, ary mizaka ny tsy fahalavorarian’ny mpiara-manompo amintsika koa isika.

11 Mpanompon’i Jehovah efa hatry ny ela i Gertrud. Tamin’izy mbola tanora, dia nisy nanendrikendrika hoe nisandoka ho mpitory ilay Fanjakana manontolo andro. Ahoana no nataony? Nimonomonona momba izany ve izy? Tsia. Nanao jery todika ny fiainany izy, taloha kelin’ny nahafatesany tamin’izy 91 taona, tamin’ny 2003. Hoy izy: “Hitako tamin’ireny zavatra niainako ireny sy ny zava-nitranga tamiko tatỳ aoriana, fa mitantana ny asany lehibe i Jehovah, na dia manao fahadisoana aza ny olona sasany. Ary isika olona tsy lavorary no ampiasainy amin’io asany io.” Nivavaka mafy tamin’i Jehovah i Gertrud, rehefa niaritra ny tsy fahalavorarian’ny mpiara-manompo taminy.

12. a) Inona no ohatra ratsy navelan’ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany? b) Amin’inona no tokony hampifantohantsika ny saintsika?

12 Tsy lavorary na dia ny Kristianina faran’izay mahatoky sy mahafoy tena aza. Koa ataovy foana “tsy misy fimonomononana” ny zava-drehetra, na dia manao fahadisoana aza ny rahalahy iray voatendry. (Filipianina 2:14) Hampalahelo tokoa raha hanaraka ny ohatra ratsy navelan’ny Kristianina vitsivitsy tamin’ny taonjato voalohany isika! Nitantara i Joda, mpianatr’i Jesosy, fa ‘tsy niraharaha ny manana fahefana sy nanevateva ny manana voninahitra’, ireo mpampianatra sandoka tamin’izany andro izany. “Mpimonomonona” koa ireny olon-dratsy ireny, sady ‘be taraina ny amin’ny toe-piainana nisy azy.’ (Joda 8, 16) Enga anie isika tsy hanahaka ireo mpimonomonona sy mpitaraina, fa hampifantoka ny saintsika amin’ny zava-tsoa omen’ny “mpanompo mahatoky.” Aoka isika hankasitraka ny hatsaran’ny fandaminan’i Jehovah, ary ‘hanao ny [zavatra] rehetra tsy misy fimonomononana.’

“Manafintohina izany teny izany”

13. Ahoana no nandraisan’ny olona sasany ny fampianaran’i Jesosy Kristy?

13 Nimonomonona momba ireo mpanompo voatendry ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany, fa ny hafa kosa nimonomonona momba ny fampianaran’i Jesosy. Hoy i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:48-69: “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia manana fiainana mandrakizay.” “Maro tamin’ny mpianany izay nandre izany no nanao hoe: ‘Manafintohina izany teny izany. Iza no mahahaino izany?’ ” Fantatr’i Jesosy fa “nimonomonona momba izany ny mpianany.” “Maro [tamin’izy ireo] àry no nihemotra, ka tsy niara-nandeha taminy intsony”, noho izany fampianarany izany. Tsy izy rehetra anefa no nimonomonona. Rehefa nanontanian’i Jesosy mantsy ny apostoly 12 hoe: “Ianareo koa ve mba te hiala?”, dia namaly ny apostoly Petera hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay efa mino sy mahalala fa ianao ilay Masin’Andriamanitra.”

14, 15. a) Nahoana no misy olona vitsivitsy tsy faly noho ny lafiny sasany amin’ny fampianarana kristianina? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny zava-nitranga tamin’i Emanuel?

14 Misy olona vitsivitsy tsy faly eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny, noho ny lafiny sasany amin’ny fampianarana kristianina. Mimonomonona momba ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany izy ireo. Nahoana? Satria tsy azon’izy ireo tsara matetika ny fomba fanaovan’Andriamanitra zavatra. Mampahafantatra miandalana ny fahamarinana amin’ny vahoakany ny Mpamorona. Noho izany, dia azo antoka fa mila ahitsy tsindraindray ny fomba fahazoantsika ny hevitra sasany avy ao amin’ny Soratra Masina. Faly noho ireny fanitsiana ireny ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jehovah. Lasa “marina loatra” anefa ny vitsivitsy amin’izy ireo, ka sosotra noho ireny fanovana ireny. (Mpitoriteny 7:16) Ny hambom-po no mety hahatonga izany. Ny sasany indray mifikitra amin’ny heviny manokana ka voafandrik’izany. Mampidi-doza ny fimonomononana toy izany, na inona na inona antony, satria mety hahatonga antsika hiverina any amin’ity tontolo ity sy ny fanaony.

15 Nanakiana ny zavatra sasany novakiny tao amin’ny boky navoakan’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, ohatra, i Emanuel, Vavolombelon’i Jehovah. (Matio 24:45) Tsy namaky ny bokintsika intsony izy, ary farany dia niteny tamin’ny anti-panahy tao amin’ny fiangonana nisy azy, fa tsy te ho Vavolombelon’i Jehovah intsony. Tsy ela tatỳ aoriana anefa, dia niaiky ihany izy fa tena marina ny fampianaran’ny fandaminan’i Jehovah. Nanatona ny Vavolombelona àry izy, niaiky ny fahadisoany, ary tafaverina ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka sambatra indray.

16. Inona no afaka manampy antsika hanala ny fisalasalantsika momba ny fampianarana kristianina sasany?

16 Ahoana raha alaim-panahy himonomonona isika, satria misalasala momba ny fampianarana sasany iombonan’ny vahoakan’i Jehovah? Mahareta raha izany no izy. Mety hamoaka fanazavana hamaly ny fanontaniantsika sy hanala ny fisalasalantsika ny “mpanompo mahatoky”, any aoriana any. Fahendrena ny mitady ny fanampian’ny anti-panahy. (Joda 22, 23) Afaka manala ny fisalasalana koa ny vavaka, ny fianarana samirery, ary ny fifaneraserana amin’ny Kristianina araka ny fanahy. Raha manao izany isika, dia hankasitraka bebe kokoa ireo fahamarinana ara-baiboly manatanjaka finoana, izay nianarantsika tamin’ilay fandaminana ampiasain’i Jehovah.

Mifantoha amin’ny lafy tsaran-javatra

17, 18. Toy izay himonomonona, ahoana no tokony ho toe-tsaintsika, ary nahoana?

17 Ekena fa mora manota ny olona tsy lavorary, ary tena mora mitaraina tsy amin’antony ny olona sasany. (Genesisy 8:21; Romanina 5:12) Mety hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah Andriamanitra anefa isika, raha manjary zatra mimonomonona. Tokony hifehy tena àry isika, raha mitady ho tia mimonomonona.

18 Tsy tokony himonomonona momba izay mitranga sy atao eo anivon’ny fiangonana isika, fa hifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra foana. Tsara koa ny miezaka hanana fahazarana izay hanampy antsika ho be atao foana sy ho falifaly, hanana fitondran-tena mendrika ny olona masina, hahay handanjalanja, ary hanana finoana matanjaka. (1 Korintianina 15:58; Titosy 2:1-5) Mifehy ny zava-drehetra eo anivon’ny fandaminany i Jehovah. Mahita ny zava-mitranga ao amin’ny fiangonana tsirairay koa i Jesosy, toy ny tamin’ny taonjato voalohany. (Apokalypsy 1:10, 11) Mahandrasa àry an’Andriamanitra sy Kristy, Lohan’ny fiangonana. Mety hampiasa ireo mpiandry mahatoky izy ireo, mba hanitsiana izay toe-javatra mety hilana fanitsiana.—Salamo 43:5; Kolosianina 1:18; Titosy 1:5.

19. Inona no tokony hifantohantsika, mandra-pahatongan’ny fotoana hitondran’ilay Fanjakana ny tany?

19 Ho ringana tsy ho ela ity tontolo ratsy ity, ary ny Fanjakan’ny Mesia no hitondra ny tany. Mandra-pahatongan’izany, dia tena mila mifantoka foana amin’ny lafy tsaran-javatra isika tsirairay! Hanampy antsika hahita ny toetra tsaran’ny mpiray finoana amintsika izany, fa tsy hifantoka amin’ny fahadisoan’izy ireo. Ho sambatra isika raha mifantoka amin’ny toetra tsarany. Tsy ho rera-tsaina noho ny fimonomononana isika amin’izay, fa hahazo hery sy tanjaka ara-panahy.

20. Inona no fitahiana horaisintsika, raha mifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra isika?

20 Rehefa mifantoka amin’ny lafy tsaran-javatra isika, dia mahatsiaro foana ireo fitahiana maro raisintsika, noho isika mifandray amin’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany. Io ihany no fandaminana tsy mivadika amin’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao. Ahoana ny hevitrao momba izany? Ary ahoana no fahitanao ny tombontsoa manompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra? Enga anie ianao hitovy toe-tsaina amin’i Davida, izay nihira hoe: “Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ny nofo rehetra. Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay.”—Salamo 65:2, 4.

Tadidinao Ve?

• Nahoana isika no tokony hankasitraka ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana?

• Ahoana no tokony hataontsika, rehefa manao fahadisoana ny rahalahy manana andraikitra?

• Raha misy fanitsiana ny fomba fahazoantsika ny hevitra sasany avy ao amin’ny Soratra Masina, ahoana no tokony handraisantsika izany?

• Inona no hanampy ny Kristianina hanala ny fisalasalany momba ny fampianarana sasany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 20]

Nomen’i Davida an’i Solomona ny planin’ny tempoly, ary nanohana tamin’ny fo manontolo ny fivavahana marina izy

[Sary, pejy 23]

Faly manome fanampiana miorina amin’ny Baiboly ny anti-panahy