Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsangambato Misy Soratra Momba ny Israely

Tsangambato Misy Soratra Momba ny Israely

Tsangambato Misy Soratra Momba ny Israely

MISY tsangambatom-pahatsiarovana vita amin’ny granita, ao amin’ny Tranombakok’i Le Caire, any Ejipta. Ahitana ireo fandresena azon’ny Farao Merneptah izy io. Tombanan’ny manam-pahaizana, fa tany anelanelan’ny 1212 sy 1202 T.K. tany ho any, no nanjaka io zanakalahin’i Ramsès II io. Zanany faha-13 izy io. Tamin’ny faramparan’ny fotoana nisian’ny Mpitsara teo amin’ny Israely fahiny izany. Izao no voalazan’ny andalana roa farany, amin’ny soratra eo amin’ilay tsangambato: “Norobaina tanteraka i Kanana. Nobaboina i Askelona, resy i Gazera, [ary] fongana i Yano‘am. Lao sy lany tamingana ny Israely.”

Iza no tiany horesahina amin’ny hoe “Israely”? Sary no nampiasain’ny Ejipsianina fahiny mba hanoratana ny teny, ary nisy sary fanampiny teo akaikin’ireo teny, mba hampisehoana izay tena tondroiny. Hoy ny boky Ny Fisandratan’ny Israely Fahiny (anglisy): ‘Misy sary fanampiny mampiseho tanàna, eo amin’ireo teny telo hoe Askelona sy Gazera ary Yanoam. Vahoaka kosa no asehon’ny sary fanampiny miaraka amin’ny hoe Israely.’—Izahay no manao sora-mandry.

Inona àry no hevitr’ireo teny eo amin’ilay tsangambato? Hoy i Hershel Shanks, mpanoratra sady mpampanonta: “Asehon’ilay Tsangambaton’i Merneptah fa nisy vahoaka nantsoina hoe Israely, tamin’ny 1212 T.K. Tsy hoe nahafantatra azy ireo fotsiny ny faraon’i Ejipta, fa nihevitra koa hoe mendrika ny ireharehana ny fandresena azy ireo tamin’ny ady.” Nanazava i William Dever, mpampianatra arkeolojia momba an’i Proche-Orient hoe: ‘Mazava ny hevitra lazain’ny tsangambaton’i Merneptah: Tena nisy vahoaka niantso ny tenany hoe “Israely” tany Kanana. Niantso azy ireo hoe “Israely” koa ny Ejipsianina, na dia tsy te hanohana ny fahamarinan’ny Baiboly mihitsy aza. Tsy handeha hamorona vahoaka iray miavaka sy fantatra tsara toy ny “Israely” izy ireo, mba hireharehana.’

Anarana nomena an’i Jakoba, loham-pianakaviana fahiny, no nampiasana voalohany ny teny hoe Israely, ao amin’ny Baiboly. Lasa nantsoina hoe “Zanak’Isiraely”, ny taranaky ny zanany 12 lahy. (Genesisy 32:23-29, 33; 35:9, 10) Taona maromaro tatỳ aoriana, dia samy nampiasa ny teny hoe ‘Israely’ i Mosesy mpaminany sy ny Faraon’i Ejipta, mba hiantsoana ireo taranak’i Jakoba ireo. (Eksodosy 5:1, 2) Ankoatra ny Baiboly àry, dia ny tsangambaton’i Merneptah no misy ny soratra tranainy indrindra momba ny vahoakan’ny Israely.

[Sary, pejy 24]

Tsangambaton’i Merneptah

Vahoaka mpivahiny ny Israely, araka ny asehon’ireo sarina tehina sy lehilahy mipetraka ary vehivavy mipetraka

[Sary nahazoan-dalana]

Egyptian National Museum, Cairo, Egypt/Giraudon/The Bridgeman Art Library