Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ela ny Ela ka Tafaray Ihany Izahay Mianakavy!

Ela ny Ela ka Tafaray Ihany Izahay Mianakavy!

Tantaram-piainana

Ela ny Ela ka Tafaray Ihany Izahay Mianakavy!

NOTANTARAIN’I SUMIKO HIRANO

Nahita ny fomba fiaina tsara indrindra aho, ary tiako hanana izany koa ny vadiko. Tsy tanteraka anefa izany raha tsy 42 taona tatỳ aoriana.

TAMIN’NY 1951 izahay sy Kazuhiko no nivady, tamin’izaho 21 taona. Niteraka roa lahy izahay tao anatin’ny efa-taona. Toa tsy nisy nahory ahy mihitsy tamin’izany.

Nilaza ny zokiko vavy, tamin’ny 1957, fa nisy misionera Vavolombelon’i Jehovah nitsidika azy. I Daphne Cooke (Pettitt tatỳ aoriana) no anarany. Niara-nianatra Baiboly tamin’i Daphne ilay zokiko na dia Bodista aza, ary nampirisika ahy hanao izany koa. Nanaiky aho. Niangona tany amin’ny Protestanta aho, ka nihevitra fa afaka hampiseho hoe diso ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tsy ela dia hitako fa vitsy kely ny zavatra fantatro tao amin’ny Baiboly. Tsy maintsy nanontany an’i Daphne aho hoe: “Iza izany Jehovah izany?” Mbola tsy nandre io anarana io mihitsy aho tany am-piangonanay. Natorony ahy ny Isaia 42:8. Voalaza tsara ao fa Jehovah no anaran’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Nampiasa Baiboly i Daphne rehefa namaly ny fanontaniako rehetra.

Napetrako tamin’ny pasiteranay koa ireny fanontaniana ireny. Hoy izy: “Fahotana ny manontany. Minoa fotsiny an’izay lazaina aminao.” Tsy fahotana anefa tamiko ny manontany. Na izany aza, dia mbola nandeha niangona aho isaky ny alahady maraina, nandritra ny enim-bolana. Nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelona kosa aho ny tolakandro.

Vokany teo amin’ny tokantranoko

Tena tiako ny zavatra nianarako tao an-trano sy tany am-pivoriana, ka notantaraiko tamin’ny vadiko foana. Lasa ‘nangatsiaka’ anefa ny fifandraisanay vokatr’izany. Tsy tiany ho lasa Vavolombelon’i Jehovah mantsy aho. Tena tiako anefa ny nianatra Baiboly sy niaraka tamin’ny Vavolombelona, ka notohiziko foana.

Nikarakarako ny sakafo tiany indrindra i Kazuhiko, isaky ny handeha hivory hariva aho. Nandeha nisakafo tany amin’ny hotely anefa izy. Rehefa tonga tao an-trano aho, dia tezitezitra izy sady tsy nety niresaka. Nihafalifaly izy rehefa afaka roa na telo andro, saingy efa fotoana nandehanako nivory indray tamin’izay.

Voan’ny tioberkilaozy aho taoriana kelin’izay. Maromaro ny havam-badiko efa matin’io aretina io. Natahotra be àry i Kazuhiko, ka nilaza fa mahazo manao izay tiako aho raha sitrana. Ny hany nangatahiko dia ny hamelany ahy hivory. Nanaiky izy.

Naharitra enim-bolana ny fitsaboana ahy. Niezaka mafy kokoa nianatra Baiboly aho nandritra izany fotoana izany. Nikaroka izay diso tamin’ny fampianaran’ny Vavolombelona aho, ary nieritreritra ny hijanona tsy hianatra raha vao mahita diso na iray monja aza. Tsy nahita mihitsy anefa aho. Ny diso tamin’ny fampianaran’ny Protestanta kosa no hitako. Nanjary nahafantatra aho hoe be fitiavana sy tia rariny i Jehovah. Hitako koa fa mahasoa ny mankatò ny lalàny.

Nitana ny teny nataony ny vadiko rehefa sitrana aho. Navelany hivory aho. Nanao fandrosoana aho ary natao batisa tamin’ny Mey 1958, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tena niriko tamin’izany ny hiarahanay mianakavy hanompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra.

Nampiako ho tia an’i Jehovah ny zanako

Nentiko nivory sy nitory foana ny zanako. Nisy zava-nitranga anefa nahalalako fa nitombo ny zavatra hainy tao amin’ny Baiboly. Nilalao tany an-tokotany, ohatra, i Masahiko, indray andro, tamin’izy enin-taona. Nandre tabataba be sy olona nikiakiaka aho. Nisy vehivavy nihazakazaka nankao aminay, ary nikiakiaka hoe voadonan’ny fiara ny zanako. Nihevitra aho hoe maty izy. Nandeha nivoaka haingana aho, ary niezaka ny ho tony. Simba be ny bisikiletany, ka nangovitra aho nahita an’ilay izy. Tamy nanatona ahy anefa izy, ary hay naratra kely fotsiny. Namihina ahy izy sady niteny hoe: “Neny a! Nampian’i Jehovah aho e?” Nitomany aho rehefa nahita azy mbola velona sy nilaza ireo teny mampihetsi-po ireo.

Nitory koa izahay sy Tomoyoshi, indray andro, tamin’izy valo taona, ary nifanena tamin’ny lehilahy zokiolona iray nitabataba hoe: “Maninona io zaza io no terenao hivezivezy eran’ny tanàna hoatran’izao? Mampalahelo ahy izy.” Niteny avy hatrany i Tomoyoshi hoe: “Dadabe a! Tsy manery ahy izany i Neny. Mitory aho satria te hanompo an’i Jehovah.” Nivandravandra fotsiny ilay rangahy, fa tsy nahateny.

Tsy nampianatra Baiboly ny zanakay i Kazuhiko. Tsy maintsy izaho àry no nanao izany, na dia mbola nila niana-javatra maro aza. Niezaka ny ho modely ho an-janako aho, teo amin’ny fitiavana sy finoana ary zotom-po. Nisaotra an’i Jehovah teo imason’izy ireo aho isan’andro. Notantaraiko ny zavatra hitako tany am-pitoriana. Nampahery azy ireo izany. Rehefa nanontaniana izy ireo tatỳ aoriana hoe nahoana no nirotsaka ho mpisava lalana, na Vavolombelon’i Jehovah mpanompo manontolo andro, dia hoy izy: “Tena faly i Neny nanao ny asan’ny mpisava lalana, ka te ho faly koa izahay.”

Nitandrina tsara aho mba tsy hanakiana na iza na iza, na ny rainy na ny mpiray finoana amiko. Mety hisy vokany ratsy eo amin’ny zanako mantsy izany. Mety tsy hanaja an’ireny olona ireny intsony izy ireo, ary tsy hanaja ahy koa.

Nandresy vato misakana

Nifindra tany Taïwan izahay tamin’ny 1963, noho ny asan’ny vadiko. Nilaza izy fa hahita olana izahay raha mitory amin’ny Japoney any aho. Mety halefa hiverina eto Japon izahay, ka hiteraka olana ho an’ny fiasany izany. Tsy tiany hifandray tamin’ny Vavolombelona anefa izahay, raha ny marina.

Nandray tsara anay ny Vavolombelona tany Taïwan. Tamin’ny teny sinoa ny fivoriana rehetra. Tapa-kevitra àry aho fa hianatra teny sinoa, mba ho afaka hitory amin’ny tompon-tany, fa tsy amin’ny Japoney. Amin’izay dia tsy hitranga ny olana nolazain’ny vadiko.

Nampahery anay ny niaraka tamin’ny Vavolombelona tany Taïwan. Tena nanampy anay ny mpivady misionera iray atao hoe Harvey sy Kathy Logan. Lasa toy ny rain’ny zanako mihitsy ny Anadahy Logan. Nasehony azy ireo fa mahafinaritra ny manompo an’i Jehovah, fa tsy mafy be. Mino aho fa tany Taïwan ny zanako no tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah.

Nalefa tany amin’ny sekoly amerikanina i Tomoyoshi sy Masahiko, ary nianatra teny anglisy sy teny sinoa. Nanampy azy teo amin’ny fanompoany an’i Jehovah izany tatỳ aoriana. Tena misaotra an’i Jehovah aho, satria saika nandalo fotoan-tsarotra izahay, kanjo nomeny fitahiana maharitra. Nahafinaritra ny fiainanay tany Taïwan. Niverina teto Japon izahay, rehefa afaka telo taona sy tapany.

Te hahaleo tena izy roa lahy rehefa nihalehibe. Niresaka ela tamin’izy ireo àry aho, mba hampisaintsainana azy amin’ny alalan’ny toro lalan’ny Soratra Masina. Nanampy azy ireo koa i Jehovah nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny. Nirotsaka ho mpisava lalana i Tomoyoshi, rehefa vita ny fianarany tany amin’ny lise. Nanampy olona efatra hanolo-tena sy hatao batisa izy, nandritra ny taona vitsivitsy voalohany naha mpisava lalana azy. Nirotsaka ho mpisava lalana koa i Masahiko, raha vao vita ny fianarany tany amin’ny lise. Nanampy tanora efatra ho lasa Vavolombelona izy, tao anatin’ny efa-taona voalohany naha mpisava lalana azy.

Notahin’i Jehovah bebe kokoa izy ireo tatỳ aoriana. Nisy ramatoa iray nampianariko Baiboly, ary i Tomoyoshi kosa no nampianatra ny vadiny. Lasa Vavolombelona koa ny zanak’izy ireo roa vavy, atao hoe Nobuko sy Masako. Lasa vadin’i Tomoyoshi ilay zokiny, ary vadin’i Masahiko kosa ilay zandriny. Manompo any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York, izao i Tomoyoshi sy Nobuko. Misionera any Paragoay kosa i Masahiko sy Masako.

Niova tsikelikely ny vadiko

Mody tsy niraika tamin’ny zavatra ninoanay telo mianaka i Kazuhiko tamin’izany. Tsikaritray anefa fa niova izy. Niaro ny finoako izy rehefa nisy nanohitra ahy. Tsy tsapany akory fa nanohana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy tamin’izany. Nanampy ny Vavolombelona sahirana koa izy. Nandray fitenenana fohy izy tamin’ny mariazin’ny zanakay iray. Hoy izy: “Ny asa tsara indrindra dia ny mampianatra ny olona ny fahaiza-miaina. Io koa anefa no asa sarotra indrindra, ka miangavy anareo aho hanampy ny zanako sy ny vadiny, satria nifidy io asa io izy ireo.” Izany rehetra izany no nahatonga ahy hatoky fa hiaraka aminay hanompo an’i Jehovah izy, indray andro any.

Nanasa Vavolombelona tany an-tranonay aho, mba hifankahalala tamin’ny vadiko. Nasaiko hanatrika fivoriana sy fivoriambe ary Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy koa izy. Nandeha ihany izy rehefa tsy niasa, saingy tsy vokatry ny fony. Imbetsaka aho no nahatsapa fa mety hanaiky hianatra Baiboly izy, ka nanasa anti-panahy kristianina tany an-trano aho. Tsy nety nianatra anefa izy. Nanontany tena aho hoe inona no olana.

Tadidiko ny tenin’ny apostoly Petera hoe: “Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo mba hahazoanareo azy tsy amin’ny teny, raha misy tsy mankatò ny teny masina, fa amin’ny fitondran-tena kosa, noho izy mahita ny fitondran-tena madio anananareo, sy ny fanajana lalina asehonareo.” (1 Petera 3:1, 2) Hitako fa tsy nankatò io torohevitra io aho indraindray. Nila nankatò bebe kokoa ny Tenin’i Jehovah àry aho.

Nirotsaka ho mpisava lalana aho, tamin’ny 1970, mba hahatratrarako io tanjona io. Nandeha teny ny 10 taona, avy eo ny 20 taona, nefa mbola tsy niova ihany ny vadiko. Hoy ny mpianatra Baiboly iray, indray andro: “Hitako hoe mafy ny manjo anao. Miezaka manampy olon-kafa ianao nefa tsy mba afaka manampy ny vadinao.” Nahakivy ahy izany, nefa tsy nilavo lefona aho.

Efa antitra be ny ray aman-dreninay, taloha kelin’ny 1990. Tsy maintsy nikarakara azy ireo aho sady nanao ny andraikitro hafa. Nandreraka be sy nahakivy izany. Nanohitra ny fivavahako daholo izy ireo nandritra ny taona maro. Niezaka naneho fitiavana azy ireo araka izay vitako anefa aho. Hoy ny reniko talohan’ny nialany aina, tamin’izy 96 taona: “Sumiko a! Hivavaka any aminareo aho, raha mitsangana amin’ny maty.” Hitako tamin’izay fa tsy very maina ny ezaka nataoko.

Hitan’ny vadiko daholo izay nataoko ho an’ny ray aman-dreninay. Nanomboka nivory tsy tapaka àry izy ho fankasitrahana ahy. Tsy tena nanao fandrosoana anefa izy nandritra ny taona maro. Niezaka nanao izay hahafaly azy foana aho. Nasaiko hisakafo tany aminay ny namany, anisan’izany ny mpiara-miasa aminy avy any an-tany hafa. Niara-niala voly taminy aho. Niaraka taminy bebe kokoa aho, rehefa nahena ny ora notakina tamin’ny mpisava lalana.

Niova izy rehefa nisotro ronono

Nisotro ronono ny vadiko tamin’ny 1993, ka nieritreritra aho fa hanam-potoana hianarana amin’izay izy. Nilaza anefa izy fa tsy mety ny hoe rehefa manam-potoana vao manompo an’Andriamanitra, satria tsy fanajana azy izany. Nilaza kosa izy fa hanompo an’Andriamanitra rehefa atosiky ny fony, ka tsy tokony hotereko.

Nanontany ahy i Kazuhiko, indray andro, raha hatokako ho azy amin’izay ny androm-piainako sisa. Nampalahelo ahy izany satria efa nanao izay rehetra azoko natao ho azy aho hatramin’ny nivadianay. Niezaka mafy nanao izay hahafaly azy aho, nefa nilaza izy fa natokako bebe kokoa ho an’i Jehovah ny fiainako fa tsy ho azy. Nieritreritra kely aho, ary nilaza taminy fa tsy afaka manao mihoatra noho izay efa nataoko hatramin’izay. Raha manaiky hiara-mivavaka amiko anefa izy, dia afaka hanomboka fiainam-baovao sy mahafinaritra izahay, ary tsy ho vetivety fotsiny, fa ho mandrakizay. Tsy nanome valiny izy nandritra ny andro maromaro. Hoy izy tamin’ny farany: “Ampianaro Baiboly àry aho e!” Midobodoboka erỳ ny foko isaky ny mahatsiaro ireo teny ireo aho.

Niresaka tamin’ny anti-panahy kristianina iray aho tamin’ny voalohany, mba hampianatra Baiboly azy. Hoy anefa izy: “Ianao ihany no tiako hampianatra ahy.” Nanomboka nianatra Baiboly isan’andro àry izahay. Tamin’ny teny sinoa ilay izy no natao, satria tao amin’ny fiangonana miteny sinoa no nisy ahy, ary mahay tsara an’io fiteny io ny vadiko. Niara-namaky ny Baiboly manontolo tao anatin’ny herintaona latsaka koa izahay.

Niahy anay mivady ny anti-panahy iray sy ny vadiny, tao amin’ny fiangonanay. Lasa mpinamana be izahay, na dia mbola zandrin’ny zanakay aza izy ireo. Tena niahy ny vadiko koa ny Vavolombelona maro hafa. Nanasa anay izy ireo, ary nandray an’i Kazuhiko toy ny rainy. Tena nahafaly ny vadiko izany.

Nisy mpiara-mivory nandefa fanasana mariazy ho anay, indray andro. Nataony tamin’ny anaran’ny vadiko ilay izy, ho fanajana azy amin’ny maha loham-pianakaviana azy. Tena nanohina ny fony izany, ka tapa-kevitra izy fa hanatrika an’ilay mariazy. Tsy ela dia lasa tia niresaka tamin’ny Vavolombelona izy, ary nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’ny anti-panahy iray. Nanampy azy hanao fandrosoana ny fianarany Baiboly sy ny fivoriana ary ny fitiavana nasehon’ny fiangonana.

Ela ny ela ka tafaray ihany ny fianakavianay!

Nanolo-tena ho an’i Jehovah ny vadiko, ary natao batisa tamin’ny Desambra 2000. Tonga avy any an-tany lavitra ny zanakay sy ny vadiny, mba hijery an’io “fahagagana” amin’ny andro maoderina io. Tafaray ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah ihany izahay mianakavy, na dia 42 taona aza izany vao tanteraka.

Miara-mamaky Baiboly sy mandinika ny andinin-teny ho an’ny andro izao izahay roa, isa-maraina. Mahafinaritra anay ny miresaka zavatra manatanjaka finoana, sy miara-manao zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Mpanampy amin’ny fanompoana izao ny vadiko. Nanao lahateny ara-baiboly ho an’ny besinimaro tamin’ny teny sinoa izy, vao haingana. Misaotra an’i Jehovah aho nampiray anay. Tsy andriko izay iarahanay mianakavy sy ny namanay hanandratra ny anaran’Andriamanitra sy hanohana ny zony hitondra, mandrakizay.

[Sarintany, pejy 13]

(Jereo ny gazety)

CHINE

REPOBLIKA DEMOKRATIKA ENTIM-BAHOAKAN’I KOREA

REPOBLIKAN’I KOREA

Ranomasin’i Japon

JAPON

Tokyo

Ranomasin’i Chine Atsinanana

TAÏWAN

Taipei

[Sary, pejy 12]

Niaraka tamin’ny fianakaviako tamin’ny 1958, taona nanaovana batisa ahy

[Sary, pejy 13]

Nanatanjaka ny finoanay ny namana toa an’i Harvey sy Kathy Logan, rehefa niala teto Tokyo izahay ary nankany Taipei

[Sary, pejy 15]

Tafaray ao amin’ny fivavahana marina izao ny fianakaviako