Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Ahoana no ahafantarantsika fa i Jesosy Kristy talohan’ny naha olombelona azy, ilay fahendrena lazain’ny Ohabolana 8:22-31?

Milaza toy izao ireo filazana momba ny fahendrena, ao amin’ny bokin’ny Ohabolana: “Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ny alehany, ho voalohany amin’ny asany hatramin’ny taloha. ... Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho ... Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, ... dia mpità-marika teo anilany aho sady ravoravo isan-andro isan-andro ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; ... ary naharavoravo ahy ny zanak’olombelona.”

Tsy ny fahendrena avy amin’Andriamanitra fotsiny no resahin’ireo andinin-teny ireo. Nahoana? Satria ‘noharina’ na noforonina ho fiandohan’ny asa famoronan’i Jehovah, ilay fahendrena resahina eo. Efa nisy foana anefa i Jehovah Andriamanitra ary efa hendry foana izy. (Salamo 90:1, 2) Tsy nanam-piandohana ny fahendreny. Sady tsy noforonina izy io no tsy ‘nateraka.’ Lazaina ho miteny sy manao zavatra koa ilay fahendrena, ka toy ny olona mihitsy.—Ohabolana 8:1.

Milaza ny bokin’ny Ohabolana, fa taloha ela be ny fahendrena dia “mpità-marika” na mpiasa kinga teo anilan’i Jehovah, ilay Mpamorona. Azo antoka fa i Jesosy izany. Niara-niasa akaiky dia akaiky tamin’i Jehovah izy, ela be talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Izany no mahatonga ny Tenin’Andriamanitra hilaza hoe: ‘Talohan’ny zava-drehetra izy, ary nampiasaina mba hampisy ny zava-drehetra.’—Kolosianina 1:17; Apokalypsy 3:14.

Mety ny iantsoana ilay Zanak’Andriamanitra hoe fahendrena, satria izy no nampahafantatra ireo didy sy fikasana feno fahendren’i Jehovah. I Jesosy no Teny na Mpitondra Tenin’Andriamanitra, talohan’ny nahatongavany ho olombelona. (Jaona 1:1) Izy koa no lazaina hoe “herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra.” (1 Korintianina 1:24, 30) Mahafinaritra erỳ izany fomba ilazana ny Zanak’Andriamanitra izany, satria ny fitiavany ny zanak’olombelona dia nanosika azy hanome ny ainy ho vidim-panavotana hamonjena azy ireo!—Jaona 3:16.

[Sary, pejy 31]

Talohan’ny tendrombohitra “no efa teraka aho”