Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hendre ka Matahora An’Andriamanitra!

Hendre ka Matahora An’Andriamanitra!

Hendre ka Matahora An’Andriamanitra!

“Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena.”—OHABOLANA 9:10.

1. Nahoana ny olona maro no tsy mahazo ny dikan’ny hoe tahotra an’Andriamanitra?

TENY fiderana mihitsy fahiny, ny filazana fa matahotra an’Andriamanitra ny olona iray. Heverin’ny olona maro ho hafahafa anefa ankehitriny, izany hoe matahotra an’Andriamanitra izany. Tsy azon’izy ireo ny hevitra fonosiny. Mety hanontany izy ireo hoe: ‘Raha fitiavana Andriamanitra, nahoana moa aho no tokony hatahotra azy?’ Zavatra ratsy mantsy izany tahotra izany amin’izy ireo, ary mampipararetra mihitsy aza. Tsy toy izany anefa ny tena tahotra an’Andriamanitra. Mahafaoka zavatra maro izy io, fa tsy fihetseham-po fotsiny. Hodinihintsika ny amin’izany. 

2, 3. Inona avy no tafiditra amin’ny hoe matahotra an’Andriamanitra?

2 Zavatra tsara ny tahotra an’Andriamanitra, araka ny hita ao amin’ny Baiboly. (Isaia 11:3) Fanajana lalina an’Andriamanitra izy io, ary faniriana mafy hampifaly azy. (Salamo 115:11) Tafiditra amin’izany ny fanekena sy ny fanarahana akaiky ny fitsipiny momba ny fitondran-tena. Ary koa ny faniriana hanaraka izay lazainy fa tsara, sy handa izay lazainy fa ratsy. Milaza ny boky iray fa “avy amin’ny finoana an’Andriamanitra [io tahotra io], ary mahatonga ny olona iray ho hendry sy hanalavitra ny karazana faharatsiana rehetra.” Mety àry ny ilazan’ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena.”—Ohabolana 9:10.

3 Mahafaoka lafin-javatra maro eo amin’ny fiainan’ny olombelona, ny tahotra an’Andriamanitra. Mahatonga ny olona iray ho hendry, ho faly, hiadan-tsaina, hanan-karena, ho ela velona, hanana fanantenana ary hatoky an’Andriamanitra izy io. (Salamo 2:11; Ohabolana 1:7; 10:27; 14:26; 22:4; 23:17, 18; Asan’ny Apostoly 9:31) Mifandray akaiky amin’ny finoana sy ny fitiavana izy io. Ilaina foana, raha ny marina, ny tahotra an’Andriamanitra, eo amin’ny fifandraisantsika aminy sy amin’ny olon-kafa. (Deoteronomia 10:12; Joba 6:14; Hebreo 11:7) Tafiditra amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ny fiekena fa miahy antsika tsirairay io Raintsika any an-danitra io, ary vonona hamela ny helotsika. (Salamo 130:4) Ireo ratsy fanahy tsy mibebaka ihany no tokony hihorohoro eo anatrehan’Andriamanitra. *Hebreo 10:26-31.

Mianara hatahotra an’i Jehovah

4. Inona no hanampy antsika ‘hianatra hatahotra an’i Jehovah’?

4 Tena ilaina ny tahotra an’Andriamanitra, mba handraisana fanapahan-kevitra amim-pahendrena sy hahazoana ny fitahiany. Ahoana àry no ‘hianarantsika hatahotra an’i Jehovah’? (Deoteronomia 17:19) Nosoratana ao amin’ny Soratra Masina ny tantaran’ireo lehilahy sy vehivavy maro natahotra an’Andriamanitra, mba “ho fianarantsika.” (Romanina 15:4) Andeha isika handinika ny tantaran’ny iray amin’izy ireo, mba hahazoantsika ny tena dikan’ny hoe matahotra an’Andriamanitra. Tsy iza izany fa i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny.

5. Nahoana ny fiandrasana ondry no nanampy an’i Davida hatahotra an’i Jehovah?

5 Nolavin’i Jehovah i Saoly, mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, satria natahotra ny vahoaka izy fa tsy natahotra an’Andriamanitra. (1 Samoela 15:24-26) Tena natahotra an’Andriamanitra kosa i Davida, rehefa jerena ny fiainany sy ny fifandraisany akaiky tamin’i Jehovah. Matetika izy no niandry ny ondrin-drainy tany an-tsaha, hatramin’ny mbola kely. (1 Samoela 16:11) Tsy maintsy ho nanampy an’i Davida hatahotra an’i Jehovah, ny fiandrasana ondry tamin’ny alina feno kintana. Na dia ampahany kely amin’izao rehetra izao midadasika aza no hitan’i Davida, dia marina ny fanatsoahan-keviny fa mendrika hohajaina sy hivavahana Andriamanitra. Hoy izy: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy?”—Salamo 8:3, 4.

6. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Davida, rehefa nahita ny fahalehibeazan’i Jehovah?

6 Rariny raha nitolagaga i Davida, satria hitany fa bitika izy raha mitaha amin’ny lanitra midadasika feno kintana. Tsy nihoron-koditra anefa izy rehefa nahita izany, fa vao mainka nidera an’i Jehovah hoe: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany.” (Salamo 19:1) Izany fanajany an’Andriamanitra izany no nahatonga an’i Davida ho akaiky kokoa an’i Jehovah, ary nandrisika azy hianatra sy hanaraka ny fitsipiny lavorary. Alao sary an-tsaina ny fihetseham-pony, tamin’izy nihira ho an’i Jehovah hoe: “Lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra. Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho; ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.”—Salamo 86:10, 11.

7. Hazavao fa nanampy an’i Davida hiady tamin’i Goliata ny tahotra an’Andriamanitra.

7 Rehefa notafihin’ny Filistinina ny tanin’ny Israely, dia nihantsy ny Israelita i Goliata, ilay miaramila goavam-be nirefy telo metatra teo ho eo. Toy izao ny teniny raha tsorina: ‘Mifidiana lehilahy iray ao aminareo hiady amiko! Raha maharesy ahy izy, dia hanompo anareo izahay.’ (1 Samoela 17:4-10) Nihorohoro i Saoly sy ny miaramilany rehetra, fa tsy mba toy izany kosa i Davida. Fantany fa i Jehovah irery ihany no tokony hatahorana fa tsy olona, na mahery toy inona aza. Hoy i Davida tamin’i Goliata: ‘Izaho manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro. Ary ho fantatr’izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen’i Jehovah; fa an’i Jehovah ny ady.’ Nahafaty an’io miaramila goavam-be io i Davida, tamin’ny alalan’ny antsamotady sy vato iray monja, ary ny fanampian’i Jehovah.—1 Samoela 17:45-47.

8. Inona no ianarantsika avy amin’ireo olona natahotra an’Andriamanitra voaresaka ao amin’ny Baiboly?

8 Mety hiatrika olana saro-bahana na fahavalo mampahatahotra toy ny an’i Davida isika. Inona no azontsika atao? Afaka manahaka an’i Davida sy ireo olona nahatoky fahiny isika, rehefa miatrika azy ireny, ka hatahotra an’Andriamanitra. Afaka mandresy ny tahotra olona ny tahotra an’Andriamanitra. Rehefa norahonan’ny fahavalo ny Israelita, dia nampirisika azy ireo toy izao i Nehemia, mpanompon’Andriamanitra nahatoky: “Aza matahotra azy hianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy.” (Nehemia 4:8) Nahatontosa ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy i Davida sy Nehemia ary ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky hafa, noho ny fanampian’i Jehovah. Hahavita toy izany koa isika, raha matahotra an’Andriamanitra.

Matahora an’Andriamanitra rehefa miatrika olana

9. Inona avy ny zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Davida, ka nanehoany tahotra an’Andriamanitra?

9 Nampian’i Jehovah i Davida mba hahazo fandresena maro hafa, taorian’ny namonoany an’i Goliata. Nialona azy anefa i Saoly ka nitady hamono azy. Namely azy tampoka i Saoly tamin’ny voalohany, avy eo nitady hamono azy tamin-kafetsena, ary nitondra tafika mihitsy tamin’ny farany. Marina fa efa nanome toky an’i Davida i Jehovah hoe izy no ho mpanjaka. Na izany aza, dia tsy maintsy nandositra sy niady nandritra ny taona maro izy, ary niandry ny fotoana hanaovan’i Jehovah azy ho mpanjaka. Natahotra an’Andriamanitra foana izy, nandritra ireny fotoana ireny.—1 Samoela 18:9, 11, 17; 24:3.

10. Ahoana no nampisehoan’i Davida fa natahotra an’Andriamanitra izy, rehefa niatrika toe-javatra nampidi-doza?

10 Nisy fotoana nandosiran’i Davida tany amin’i Akisy, mpanjakan’i Gata. Io ilay tanàna filistinina nonenan’i Goliata. (1 Samoela 21:11-16) Nilaza ny mpanompon’ilay mpanjaka, fa fahavalon’ny firenen’izy ireo i Davida. Inona no nataony tamin’izany toe-javatra nampidi-doza izany? Nivavaka izy ary namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah. (Salamo 56:1-4, 11-13) Na dia nody adala aza izy mba hamonjeny ny ainy, dia fantany fa i Jehovah no tena nanavotra azy, satria Izy no nitahy ny ezaka nataony. Niantehitra tamin’i Jehovah tamin’ny fony manontolo izy, ary natoky azy. Izany no nampiseho fa tena natahotra an’Andriamanitra i Davida.—Salamo 34:4-6, 9-11.

11. Ahoana no anehoantsika tahotra an’Andriamanitra toa an’i Davida, rehefa tojo fitsapana?

11 Matahotra an’Andriamanitra toa an’i Davida isika, rehefa matoky ny fampanantenany hanampy antsika hiatrika olana. Hoy i Davida: “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.” (Salamo 37:5) Tsy midika akory izany hoe apetratsika eo am-pelatanan’i Jehovah ny zava-manahirana antsika, ary tsy manao izay azontsika atao isika fa miandry azy hamaha an’ilay olana. Tsy hoe nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra i Davida, ary avy eo nipetra-potsiny. Nampiasa ny saina sy ny hery nomen’i Jehovah azy kosa izy, ary niezaka namaha an’ilay olana. Fantany anefa fa tsy hahomby ny olona raha miantehitra amin’ny heriny samirery. Tokony hanaiky izany koa isika. Rehefa vitantsika izay rehetra azontsika natao, dia tsy maintsy apetratsika amin’i Jehovah ny ambiny. Matetika anefa no tsy misy azontsika atao afa-tsy ny miantehitra amin’i Jehovah. Amin’izay indrindra isika tsirairay no mila matahotra an’Andriamanitra. Mampahery antsika ilay tenin’i Davida tamim-pahatsorana hoe: “Ny fisainan’i Jehovah asehony amin’izay matahotra Azy.”—Salamo 25:14.

12. Ahoana no ampisehoantsika fa tsy manamaivana ny vavaka isika?

12 Tsy tokony hohamaivanintsika àry ny vavaka sy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Rehefa mivavaka amin’i Jehovah isika, dia tsy maintsy “mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.” (Hebreo 11:6; Jakoba 1:5-8) Tokony ‘hahay hisaotra’ koa isika rehefa ampiany, araka ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly. (Kolosianina 3:15, 17) Aoka isika tsy ho toy ireo olona noresahin’ity Kristianina voahosotra nanompo hatramin’ny ela ity: “Heverin’izy ireo ho toy ny mpiasa mpandroso sakafo ... Andriamanitra. Antsoin’izy ireo izy rehefa misy zavatra ilainy, ary asainy mandeha rehefa azony izay tadiaviny.” Tsy matahotra an’Andriamanitra ny olona manao toy izany.

Rehefa tsy misy ny tahotra an’Andriamanitra

13. Oviana i Davida no tsy nanaja ny Lalàn’Andriamanitra?

13 Nampian’i Jehovah i Davida nandritra ny fahoriany, ary nahatonga azy hatoky sy hatahotra an’Andriamanitra bebe kokoa izany. (Salamo 31:22-24) Intelo anefa izy no tsy natahotra an’Andriamanitra, ka nibaby ny voka-dratsin’izany. Ny voalohany dia tamin’ny fotoana nitondrana ny fiaran’i Jehovah ho any Jerosalema. Nentina tamin’ny sarety izy io, nefa tokony ho nolanjain’ny Levita, araka ny Lalàn’Andriamanitra. I Oza no nandroaka an’ilay sarety. Notazoniny ilay Fiara rehefa saika nianjera, hany ka maty tsy tra-drano izy noho ny “fahadisoany.” Nanao fahotana lehibe tokoa i Oza, kanefa ny tsy fanajan’i Davida ny Lalàn’Andriamanitra, raha ny marina, no nahatonga an’ilay loza. Ny hoe matahotra an’Andriamanitra àry dia midika hoe manao zavatra araka ny fandaharany.—2 Samoela 6:2-9; Nomery 4:15; 7:9.

14. Inona no vokany rehefa nanisa ny Israely i Davida?

14 Nampirisihin’i Satana hanisa ny miaramilan’ny Israely i Davida, tatỳ aoriana. (1 Tantara 21:1) Tsy natahotra an’Andriamanitra koa izy tamin’izay, ka Israelita 70 000 no maty. Tena nitondra fahoriana ho an’i Davida sy ny vahoaka ilay zavatra nataony, na dia nibebaka tamin’i Jehovah aza izy.—2 Samoela 24:1-16.

15. Inona no nahatonga an’i Davida hijangajanga?

15 Nisy fotoana koa tsy nanehoan’i Davida tahotra an’Andriamanitra, ka nahatonga azy hijangajanga tamin’i Batseba, vadin’i Oria. Fantatr’i Davida fa tsy mety ny mangala-badin’olona, eny fa na dia ny mitsiriritra fotsiny aza. (Eksodosy 20:14, 17) Tamin’i Davida nahita an’i Batseba nandro no nanomboka ilay olana. Tokony ho nampivily ny masony tany an-toeran-kafa avy hatrany izy ary nieritreritra zavatra hafa, raha tena natahotra an’Andriamanitra. ‘Tsy nitsahatra nijery’ an’ilay vehivavy anefa izy, ka nanjary nahery kokoa noho ny tahony an’Andriamanitra ny faniriany hanao firaisana. (Matio 5:28; 2 Samoela 11:1-4) Hadinony fa misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah izay rehetra ataony.—Salamo 139:1-7.

16. Inona avy ireo fahoriana nianjady tamin’i Davida vokatry ny fahotany?

16 Niteraka zazalahy i Davida sy Batseba, noho ny fijangajangany. Naniraka an’i Natana mpaminany i Jehovah tsy ela taorian’izay, mba hampiharihary ny fahotan’i Davida. Tonga saina izy, ka lasa natahotra an’Andriamanitra indray ary nibebaka. Nitalaho tamin’i Jehovah izy mba tsy hahafoy azy, na hanaisotra taminy ny fanahiny masina. (Salamo 51:7, 11) Namela ny helony i Jehovah ary nanamaivana ny saziny, kanefa tsy niaro azy tamin’ny voka-dratsin’ny zavatra nataony. Maty ilay zaza, ary tsy niala tao amin’ny fianakavian’i Davida ny fahoriana sy ny loza, nanomboka teo. Niteraka vokany ratsy tokoa ny tsy fahatahorana an’Andriamanitra!—2 Samoela 12:10-14; 13:10-14; 15:14.

17. Mitantarà zava-nitranga iray, manaporofo fa miteraka alahelo be ny fijangajangana?

17 Mety hisy voka-dratsiny lehibe sy maharitra toy izany koa ankehitriny, ny tsy fanehoana tahotra an’Andriamanitra eo amin’ny fitondran-tena. Alao sary an-tsaina ny alahelon’ny vehivavy tanora iray, nony fantany fa nanitsakitsaka azy ny vadiny kristianina, rehefa niasa tany an-tany hafa. Taitra sy nalahelo izy rehefa nandre izany, ka niondrika sy nanarona ny tarehiny tamin’ny tanany sady nigogogogo. Mbola hatoky sy hanaja an’io vadiny io indray ve izy any aoriana any? Tsy hitranga ny toe-javatra mahavaky fo toy izany, raha tena natahotra an’Andriamanitra ilay lehilahy.—1 Korintianina 6:18.

Misakana antsika tsy hanota ny tahotra an’Andriamanitra

18. Inona no tanjon’i Satana sy ny fomba ampiasainy mba hanatratrarana izany?

18 Mitaona ny olona eran-tany ho ratsy fitondran-tena i Satana, ary tena mahomby izy. Ny tena Kristianina indrindra no ataony lasibatra. Ireo vavahadin-tsaina, indrindra fa ny maso sy ny sofina, no tena hararaotin’i Satana mba hanatratrarany ny tanjony. Ny zavatra hita sy re mantsy no tonga dia miraikitra ao an-tsaina sy tafalatsaka ao am-po. (Efesianina 4:17-19) Inona no hataonao raha sendra sary, na soratra, na olona vetaveta ianao?

19. Hazavao fa nanampy Kristianina iray handresy fakam-panahy ny tahotra an’Andriamanitra.

19 Eritrereto ny nanjo an’i André, * anti-panahy kristianina sady raim-pianakaviana. Mipetraka any Eoropa izy, ary dokotera no asany. Rehefa niasa alina tany amin’ny hopitaly izy, dia nasian’ireo vehivavy mpiara-miasa taminy taratasy foana teo amin’ny ondany. Noravahan’izy ireo sarina fo ilay taratasy, ary misy fanasana hanao firaisana. Nanda an-kitsirano an’ireny fanasana ireny foana i André. Nitady asa tany an-toeran-kafa koa izy, mba hialana tamin’ilay toerana be fakam-panahy. Fahendrena tokoa ny maneho tahotra an’Andriamanitra, ary mitondra fitahiana maro izany. Miasa tapa-potoana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny firenena misy azy i André ankehitriny.

20, 21. a) Nahoana ny tahotra an’Andriamanitra no misakana antsika tsy hanota? b) Inona no hohazavaina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Raha misaintsaina zavatra tsy mety foana ny olona iray, dia mety ho vonona hanao zavatra tsy ankasitrahan’i Jehovah izy, na dia hamoizany ny fifandraisana sarobidy aminy aza izany. (Jakoba 1:14, 15) Raha matahotra an’i Jehovah anefa isika, dia hanalavitra ireo olona, toerana, asa, fialam-boly, izay mety hahatonga antsika ho mora resin’ny fakam-panahy. (Ohabolana 22:3) Mety hahamenatra izany, ary mety hamoizantsika zavatra sasany aza. Aleo anefa miaritra an’izany, toy izay tsy hankasitrahan’Andriamanitra. (Matio 5:29, 30) Tsy hanao fanahy iniana hijery zava-dratsy, toy ny boky sy sary vetaveta mihitsy isika, raha matahotra an’Andriamanitra. Hampivily ny masontsika kosa isika, mba “tsy hijery zava-poana.” Mahazo matoky isika fa hitsimbina ny aintsika sy hanome izay ilaintsika i Jehovah, raha manao izany isika.—Salamo 84:11; 119:37.

21 Hitantsika amin’izany fa fahendrena foana ny hatahorana an’Andriamanitra amin’izay rehetra atao. Izany koa no tena mahasambatra. (Salamo 34:9) Hohazavaina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Ahoana no Atahoranao Andriamanitra Fitiavana Iray?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Janoary 1998, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 19 Novana ny anarana.

Hainao Hazavaina Ve?

• Mahafaoka toetra kristianina inona avy ny hoe matahotra an’Andriamanitra?

• Nahoana ny olona matahotra an’Andriamanitra no tsy matahotra olona?

• Ahoana no ampisehoantsika fa tsy manamaivana ny vavaka isika?

• Nahoana ny tahotra an’Andriamanitra no misakana antsika tsy hanota?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Nianatra ny hatahotra an’Andriamanitra i Davida rehefa nandinika ny zavatra noforoniny

[Sary, pejy 24]

Inona no hataonao raha sendra fakam-panahy tsy ampoizina ianao?