Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maro ny Olona Tsy Hajaina

Maro ny Olona Tsy Hajaina

Maro ny Olona Tsy Hajaina

‘Nahatonga ny olona ho ambany sy hietry hatrany hatrany, ny zava-drehetra niainany tany an-toby.’—MAGDALENA KUSSEROW, TAFAVOAKA VELONA AVY TANY AMIN’NY TOBY FITANAN’NY NAZIA.

TENA nahatsiravina ny habibiana tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia, nandritra ny Ady Lehibe II. Tsy tamin’izay anefa vao nisy ny tsy fanajana olona, ary tsy nifarana tamin’izay koa izany. Na hitodika ny lasa isika na hijery ny ankehitriny, dia hiaiky fa olona maro no ‘ambanina sy aetry’, ary efa ela no nisian’izany.

Mamela soritra eo amin’ny tantara ireny zava-nitranga naharikoriko ireny, nefa tsy ireny ihany no mampiseho ny tsy fanajana olona. Mitranga amin’ny fomba an-kolaka izany matetika. Eo, ohatra, ny ankizy esoina noho ny bikany, na ny mpifindra monina ihomehezana noho ny fanaony sasany “tsy mahazatra.” Misy koa olona avakavahana noho ny volon-kodiny na ny firazanany. Mihevitra angamba ireo mpaneso hoe mivazivazy fotsiny izy. Mampahory sy mampietry an’ireny olona ambaniny ireny anefa ny ataony, fa tsy mampihomehy mihitsy.—Ohabolana 26:18, 19.

Inona no tafiditra amin’ny hajantsika?

Milaza ny diksionera iray fa ny atao hoe olona hajaina, dia olona ‘heverina ho misy vidiny sy omena voninahitra.’ Tsy ny fiheverantsika ny tenantsika ihany àry no tafiditra amin’ny hajantsika, fa ny fomba itondran’ny hafa antsika koa. Marina fa zavatra maro no mety hisy vokany eo amin’ny fiheverantsika ny tenantsika. Ny fiheveran’ny hafa na ny fomba itondrany antsika anefa no tena mahatonga antsika hihevi-tena ho misy vidiny.

Samy ahitana olona mahantra sy tsy misy mpiaro ary mora hararaotina ny firenena rehetra. Tsy voatery hahatonga ny olona toy ireny hihevi-tena ho tsy misy vidiny anefa izany. Ny fihevitry ny hafa sy ny fihetsiny kosa no mety hahatonga azy ireny hihevi-tena ho ambany. Mampalahelo fa matetika ny olona efa ao anaty toe-javatra mahonena no atao tsinontsinona sy hamavoina, nefa samy manan-jo hohajaina ny rehetra. Impiry impiry moa isika no mahita be taona, mahantra, kilemaina na sembana ara-tsaina, izay ampijalin’ny olona sy lazainy fa “tsy misy dikany”, “tsy misy fotony”, ary “manala baraka”?

Fa nahoana ny olona no mifanambany? Mbola mba hohajaina ve ny olona rehetra indray andro any? Manome valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana ireo ny Baiboly, ary ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.