Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matahora An’i Jehovah dia ho Sambatra Ianao!

Matahora An’i Jehovah dia ho Sambatra Ianao!

Matahora An’i Jehovah dia ho Sambatra Ianao!

“Sambatra ny olona izay matahotra an’i Jehovah.”—SALAMO 112:1.

1, 2. Inona no mety ho vokatry ny tahotra an’i Jehovah eo amintsika?

SAROTRA ny mahita fahasambarana. Mila manao safidy tsara sy manao ny marina ary miala amin’ny ratsy isika, vao tena ho sambatra. Nanome antsika ny Baiboly i Jehovah, ilay Mpamorona antsika, mba hampianarana antsika ny fomba fiaina tsara indrindra. Tena ho afa-po sy ho sambatra isika, raha matahotra an’Andriamanitra, ka mitady ny tari-dalany sy manaraka izany.—Salamo 23:1; Ohabolana 14:26.

2 Handinika tantaran’olona ao amin’ny Baiboly sy amin’ny andro ankehitriny isika, ato amin’ity lahatsoratra ity. Ho hitantsika amin’izany, fa manampy ny olona hanohitra ny fanerena hanao ratsy ny fahatahorana an’Andriamanitra, sady ahazoana herim-po hanaovana ny tsara. Ho hitantsika koa fa mahasambatra izy io, satria manosika antsika hiala amin’ny fitondran-tena ratsy, sahala amin’izay tsy maintsy nataon’i Davida Mpanjaka. Ary hodinihintsika fa lova tena sarobidy azon’ny ray aman-dreny ampitaina amin’ny zanany ny tahotra an’i Jehovah. Manome toky antsika tokoa ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Sambatra ny olona izay matahotra an’i Jehovah.”—Salamo 112:1.

Mampody ny hasambarana ny tahotra an’Andriamanitra

3. Inona no nanampy an’i Davida hifandray tsara tamin’Andriamanitra indray?

3 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, fa intelo i Davida no tsy naneho tahotra an’Andriamanitra ka nanota. Olona natahotra an’Andriamanitra anefa izy, raha ny marina, satria nanaiky ny famaizany. Nanosika azy hiaiky ny fahadisoany sy hiova ary hifandray tsara tamin’Andriamanitra indray, ny fanajany azy. Nanampy sy nitahy an’i Davida hatrany i Jehovah noho izy tena nibebaka, na dia nitondra fijaliana ho azy sy ny hafa aza ny fahadisoany. Tena mampahery an’ireo Kristianina mety ho nanao fahotana lehibe, ny tantaran’i Davida.

4. Hazavao fa manampy ny olona ho sambatra indray ny tahotra an’Andriamanitra.

4 Eritrereto ny zava-nitranga tamin’i Soniah, * mpitory manontolo andro. Niaraka tamin’ny naman-dratsy izy, ka nanao fahotana lehibe, ary tsy maintsy noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana kristianina. Tonga saina anefa izy, ka nanao izay rehetra nilaina mba hihavanana indray tamin’i Jehovah. Voaray ho anisan’ny fiangonana indray izy tatỳ aoriana. Mbola naniry hanompo an’i Jehovah foana izy, tao anatin’izany fiainana nolalovany izany. Lasa mpisava lalana maharitra indray izy, rehefa nandeha ny fotoana. Nanambady anti-panahy fakan-tahaka izy tatỳ aoriana, ary sambatra izy izao miara-manompo amin’ny vadiny eo anivon’ny fiangonana. Marina fa manenina i Soniah noho izy nania nandritra ny fotoana kelikely. Faly anefa izy satria nanampy azy hiverina tamin’i Jehovah ny fahatahorany azy.

Aleo mijaly toy izay hanota

5, 6. Indroa i Davida no nitsimbina ny ain’i Saoly. Tantarao ny momba izany ary lazao ny antony.

5 Tsara lavitra anefa raha misakana antsika tsy hanao fahotana lehibe ny tahotra an’Andriamanitra. Manaporofo izany ny tantaran’i Davida. Nanenjika azy niaraka tamin’ny miaramila telo arivo i Saoly, indray mandeha, ary niditra tao amin’ny zohy niafenan’izy sy ny namany. Nampirisihin’ny namany i Davida mba hamono an’i Saoly. Nilaza izy ireo fa efa natolotr’i Jehovah eo an-tanan’i Davida, hono, ny fahavalony. Nitsaitsaika nanatona an’i Saoly i Davida, ary nanapaka ny morontongotr’akanjony. Na izay fotsiny aza anefa no nataony, dia efa nanenjika azy ny eritreriny, noho izy natahotra an’Andriamanitra. Naparitak’i Davida àry ireo lehilahy niaraka taminy, izay efa naniry hamono an’i Saoly. Hoy izy: “Sanatria amiko eo anatrehan’i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko izay voahosotr’i Jehovah [aho].” *1 Samoela 24:2-8.

6 Nilasy teo amin’ny toerana iray nandritra ny alina i Saoly sy ny namany, tatỳ aoriana. “Nataon’i Jehovah renoky ny torimaso” izy ireo tamin’izay. Nitsaitsaika hatrany afovoan’ny toby i Davida sy Abisay zanak’anabaviny, izay lehilahy be herim-po, ary tonga teo akaikin’i Saoly, raha mbola natory be izy. Naniry hamely an’i Saoly indray mandeha monja i Abisay, mba hamonoana azy. Nosakanan’i Davida anefa izy, sady nilazany hoe: “Iza no naninjitra ny tànany tamin’ny voahosotr’i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?”—1 Samoela 26:9, 12.

7. Inona no nisakana an’i Davida tsy hanota?

7 Nahoana i Davida no tsy namono an’i Saoly, nefa indroa izy no afaka nanao izany? Satria i Jehovah no natahorany kokoa noho i Saoly. Natahotra an’Andriamanitra i Davida, ka naleony nijaly raha nilaina izany, toy izay hanota. (Hebreo 11:25) Natoky tanteraka ny fiahian’i Jehovah ny vahoakany i Davida, ary azony antoka fa miahy azy koa izy. Fantany fa ho sambatra sy handray fitahiana maro izy, raha mankatò sy mitoky amin’Andriamanitra, nefa tsy hahazo ny fankasitrahany kosa raha tsy miraharaha azy. (Salamo 65:4) Fantany koa fa hanatanteraka ny fampanantenany Andriamanitra, ka hanao azy ho mpanjaka. Hanala an’i Saoly eo amin’ny toerany Andriamanitra, amin’ny fotoana mety aminy sy amin’ny fomba tiany hanaovana izany.—1 Samoela 26:10.

Mahasambatra ny fahatahorana an’Andriamanitra

8. Ahoana no anahafantsika an’i Davida, rehefa miatrika olana?

8 Manampo fanesoana sy fanenjehana ary fitsapana hafa isika Kristianina. (Matio 24:9; 2 Petera 3:3) Mety ho avy amin’ny mpiray finoana amintsika mihitsy aza ny olana atrehintsika indraindray. Fantatsika anefa fa mahita ny zava-drehetra i Jehovah sady mandre ny vavaka ataontsika, ary handamina ilay raharaha araka ny sitrapony, amin’ny fotoana mety. (Romanina 12:17-21; Hebreo 4:16) Tsy matahotra an’ireo manohitra antsika àry isika, fa aleontsika kosa matahotra an’Andriamanitra sy miantehitra aminy mba hamonjy antsika. Manahaka an’i Davida isika ka tsy mamaly faty, na mandika ny toro lalana marin’Andriamanitra mba tsy hijaly. Ahitana fahasambarana izany amin’ny farany. Nahoana?

9. Milazà ohatra mampiseho fa mahasambatra ny tahotra an’Andriamanitra, na dia eo aza ny fanenjehana.

9 Hoy ny misionera iray, nanompo tany Afrika hatry ny ela: “Mbola tadidiko hatramin’izao ny nanjo ilay renim-pianakaviana iray izay, sy ny zanany vavy. Tsy nety nividy karatry ny antoko politika izy ireo, satria tsy mitsabaka amin’ny politika ny Kristianina. Nikapoka azy ireo tamin-kabibiana ny lehilahy maro be, ary avy eo nandefa azy ireo nody. Teny an-dalana dia niezaka nampahery an-janany ilay anabavy. Nitomany mantsy izy io, satria tsy tena azony ny antony nikapohana azy ireo. Marina aloha fa nalahelo izy ireo tamin’izay, kanefa nadio ny feon’ny fieritreretany. Faly be izy ireo tatỳ aoriana, satria nankatò an’Andriamanitra. Eritrereto ange izay nety ho nitranga, raha nividy ilay karatry ny antoko politika izy ireo e! Ho faly tokoa ireo lehilahy ireo. Nety ho nanome azy mianaka zava-pisotro mihitsy aza izy ireo, sady nitotorebika nanodidina azy mandra-pahatongany tany an-trano. Izy mianaka kosa anefa amin’izay no ho olona ory indrindra eto an-tany, satria nanaiky lembenana.” Tsy nitranga anefa izany, satria natahotra an’Andriamanitra izy ireo.

10, 11. Inona no soa azon’ny vehivavy iray noho izy natahotra an’Andriamanitra?

10 Iharam-pitsapana koa isika indraindray noho ny fanajana ny fahamasinan’ny aina. Mbola mitondra fahasambarana anefa amin’izay, ny fanehoana tahotra an’Andriamanitra. Nampirisihin’ny dokotera hanala zaza i Mary, tamin’izy bevohoka ny zanany fahatelo. Hoy ilay dokotera: “Tena atahorana ny fahasalamanao. Mety hiharatsy tampoka izany, ka ho faty ao anatin’ny 24 ora ianao, ary ho faty koa ilay zaza. Na ahoana na ahoana, dia tsy azo antoka mihitsy hoe tsy ho sembana io zaza io.” Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Mary tamin’izany fotoana izany, fa mbola tsy vita batisa. Hoy anefa izy: “Efa nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah aho, ary tapa-kevitra fa hankatò azy foana, na inon-kidona na inon-kihatra.”—Eksodosy 21:22, 23.

11 Nazoto nianatra Baiboly sy nikarakara ny ankohonany i Mary, nandritra ny fotoana nitondrany vohoka. Teraka ilay zaza tamin’ny farany. Hoy i Mary: “Saro-piterahana kokoa aho tamin’io zanako fahatelo io, nefa tsy nisy zavatra tena nanahirana.” Nadio foana ny feon’ny fieritreretany, noho izy natahotra an’Andriamanitra. Natao batisa izy, tsy ela taorian’izay. Nianatra natahotra an’i Jehovah koa ilay zaza rehefa nihalehibe, ary manompo any amin’ny iray amin’ireo biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ankehitriny.

Mitadiava hery avy amin’i Jehovah

12. Inona no porofo fa nampahery an’i Davida ny tahotra an’Andriamanitra?

12 Tsy vitan’ny hoe nisakana an’i Davida tsy hanao ratsy ny tahotra an’i Jehovah. Nampahery azy koa izany, mba handraisany fanapahan-kevitra hentitra sy amim-pahendrena rehefa tojo zava-tsarotra. Nandositra an’i Saoly tany Ziklaga, tanànan’ny Filistinina, i Davida sy ny namany, nandritra ny herintaona sy efa-bolana. (1 Samoela 27:5-7) Indray mandeha, dia notafihin’ny jiolahy amalekita ilay tanàna, rehefa tsy tao ny lehilahy rehetra. Nodorany izy io, ary nentiny ho babo avokoa ny zaza amam-behivavy, mbamin’ny biby fiompy. Nitomany i Davida sy ireo lehilahy niaraka taminy, rehefa tafaverina ka nahita izany. Vetivety anefa dia nivadika ho hatezerana ny alahelon’ireo lehilahy, ka nitady hitora-bato an’i Davida izy ireo. Nalahelo i Davida tamin’izay, nefa tsy namoy fo. (Ohabolana 24:10) Nitady fanampiana tamin’i Jehovah izy satria natahotra azy. “Nampahery ny tenany tamin’i Jehovah” izy. Tratran’i Davida sy ny namany ireo Amalekita, noho ny fanampian’Andriamanitra, ary azo indray izay rehetra voababo.—1 Samoela 30:1-20.

13, 14. Hazavao fa nanampy Kristianina iray handray fanapahan-kevitra tsara ny tahotra an’Andriamanitra.

13 Mila mitoky amin’i Jehovah sy manana herim-po handraisana fanapahan-kevitra hentitra koa ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny, amin’ny toe-javatra maro. Diniho, ohatra, ny zavatra niainan’i Kristina. Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, tamin’ny mbola kely. Naniry ho lasa mpitendry piano matihanina anefa izy, ka niezaka mafy ary nitombo be ny fahaizany. Nahasadaikatra azy koa ny nitory, ka vao mainka nampahatahotra azy ny hatao batisa, noho ireo andraikitra mifandray amin’izany. Rehefa nanohy nianatra Baiboly anefa izy, dia nanomboka tsapany ny herin’izy io. Nianatra natahotra an’i Jehovah izy, ary tsapany fa irin’i Jehovah ny mpanompony mba ho tia azy amin’ny fo, saina, tena, ary hery manontolo. (Marka 12:30) Nanosika azy hanolo-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa izany.

14 Nangataka tamin’i Jehovah i Kristina mba hanampy azy handroso ara-panahy. Hoy izy: “Fantatro fa mivezivezy foana ny mpitendry piano matihanina, ary manao fampisehoana 400 any ho any isan-taona. Nanapa-kevitra àry aho fa hanao mpampianatra, mba hahafahako hamelon-tena sy hitory manontolo andro.” Efa nasaina hanao fampisehoana tao amin’ny efitrano filanonana malaza indrindra tao amin’ny fireneny i Kristina, tamin’izay fotoana izay. Io no fampisehoana voalohany hataony. Hoy izy: “Iny no voalohany sady farany tamin’ny fampisehoana nataoko.” Nanambady anti-panahy i Kristina, tatỳ aoriana. Miara-manompo any amin’ny iray amin’ireo biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy mivady ankehitriny. Faly i Kristina satria nomen’i Jehovah hery handraisana fanapahan-kevitra tsara. Afaka mampiasa ny fotoanany sy ny heriny hanompoana azy izy izao.

Lova sarobidy

15. Inona no tian’i Davida hampitaina tamin’ny zanany, ary ahoana no nanaovany izany?

15 Hoy i Davida: “Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’i Jehovah no hampianariko anareo.” (Salamo 34:11) Raim-pianakaviana i Davida, ary tapa-kevitra ny hampita lova sarobidy tamin’ny zanany. Tsy inona izany fa ny tena tahotra an’i Jehovah, izay tahotra tsara sy mahasoa. Nasehon’i Davida tamin’ny alalan’ny teniny sy ny fitondran-tenany, fa tsy Andriamanitra sarotiny sy mampihorohoro i Jehovah, na manasazy avy hatrany ireo mandika ny lalàny na dia kely aza. Nasehony kosa fa Ray be fitiavana sy be fiahiana izy, ary mamela ny heloky ny zanany eto an-tany. Nanontany toy izao i Davida: “Iza moa no hijery lalandava ny fahadisoana?” (Salamo 19:12a, Fandikan-tenin’i Byington) Hoy izy avy eo: “Ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’izay ota tsy fantatra.” Hita amin’izany fa natoky izy hoe tsy mitsingoloka ny fahadisoantsika i Jehovah. Nahazo antoka kosa izy fa hankasitrahan’i Jehovah ny zavatra lazainy sy eritreretiny, raha manao araka izay fara heriny izy mba hanarahana ny Tenin’Andriamanitra.—Salamo 19:12b, 14.

16, 17. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao, mba hampianarana ny zanany hatahotra an’i Jehovah?

16 Modely ho an’ny ray aman-dreny ankehitriny i Davida. Hoy i Ralph, izay manompo any amin’ny iray amin’ireo biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, miaraka amin’ny rahalahiny: “Rehefa nitaiza anay ny ray aman-dreninay, dia nataon’izy ireo izay hahatsapanay fa mahafinaritra ny ao amin’ny fahamarinana. Rehefa niresaka momba ny asa atao eo anivon’ny fiangonana izy ireo, dia navelany handray anjara izahay na dia mbola kely aza. Nanjary tena tia ny fahamarinana toa azy ireo izahay. Nataon’izy ireo izay hatokianay fa afaka ny hahavita zavatra tsara izahay, eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nipetraka tany amin’ny firenena nilana mpitory maro kokoa mihitsy aza ny fianakavianay nandritra ny taona maromaro, ary nandray anjara tamin’ny famoronana fiangonana vaovao.”

17 “Tsy nanao fitsipika henjana be dia be ny ray aman-dreninay, fa nasehony kosa hoe tena misy i Jehovah ary tena tsara fanahy sy tsara toetra. Izany no nanampy anay tsy hiala tamin’ny fahamarinana. Naniry hahafantatra tsara kokoa an’i Jehovah sy hampifaly azy izy ireo. Tena natahotra an’Andriamanitra sy tia azy izy ireo, ka nandray fianarana avy tamin’izany izahay. Na nanao fahadisoana aza izahay, dia tsy nataon’izy ireo izay hiheveranay hoe tsy tia anay intsony i Jehovah. Tsy nametraka fitsipika tsy ara-drariny tamin-katezerana koa izy ireo. Mazàna izahay no nasainy nipetraka ary niresahany tamim-pahatoniana. Latsaka mihitsy indraindray ny ranomason’i Neny, rehefa niezaka nanohina ny fonay izy. Ary nandaitra izany. Nianaranay avy tamin’ny teny sy ny zavatra nataon’ny ray aman-dreninay, fa zavatra tsara ny tahotra an’i Jehovah, ary mahafaly sy mahafinaritra ny hoe Vavolombelony, fa tsy manavesatra.”—1 Jaona 5:3.

18. Inona no soa horaisintsika raha matahotra an’Andriamanitra isika?

18 Izao no anisan’ny ‘teny farany nataon’i Davida’: ‘[Raha] marina sy manapaka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ny mpanapaka ny olona, dia toy ny fahazavan’ny maraina izany, raha miposaka ny masoandro.’ (2 Samoela 23:1, 3, 4) Nazava tamin’i Solomona, zanak’i Davida sady mpandimby azy, izany. Nangataka tamin’i Jehovah mantsy izy mba hanome azy “saina malady” na fo mankatò, ary fahaizana “manavaka ny soa sy ny ratsy.” (1 Mpanjaka 3:9) Niaiky i Solomona fa ny fahatahorana an’i Jehovah no mampahahendry sy mahasambatra. Namintina ny bokin’ny Mpitoriteny tamin’izao teny izao izy, tatỳ aoriana: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra. Fa ny atao rehetra dia ho entin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.” (Mpitoriteny 12:13, 14) Raha manaraka izany torohevitra izany isika, dia ho hitantsika tokoa fa “ny valin’ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.”—Ohabolana 22:4.

19. Inona no hanampy antsika hahafantatra marina “ny fahatahorana an’i Jehovah”?

19 Hitantsika tamin’ireo tantaran’olona ao amin’ny Baiboly sy amin’ny andro ankehitriny, fa misy vokany tsara eo amin’ny fiainan’ny tena mpanompon’i Jehovah, ny tahotra an’Andriamanitra. Misakana antsika tsy hanao zavatra mampalahelo an’ilay Raintsika any an-danitra izy io, sady manome antsika herim-po hiatrehana ny mpanohitra antsika. Manome hery hiaretana ireo fitsapana sy zava-tsarotra mahazo antsika koa izy io. Na tanora àry isika na antitra, dia aoka isika hazoto hianatra ny Tenin’Andriamanitra sy hisaintsaina izay ianarantsika. Aoka koa isika hiezaka hanatona an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka, ka hanao izany tsy tapaka sy avy amin’ny fo. Hahita “ny fahalalana an’Andriamanitra” isika, raha manao izany, sady hahafantatra marina “ny fahatahorana an’i Jehovah.”—Ohabolana 2:1-5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Novana ireo anarana.

^ feh. 5 Io zavatra niainan’i Davida io angamba no anisan’ny nahatonga azy hanoratra ny Salamo faha-57 sy 142.

Hainao Hazavaina Ve?

Nahoana ny tahotra an’Andriamanitra no

• manampy ny olona iray nanao fahotana lehibe hamitram-pihavanana amin’i Jehovah?

• mahasambatra na dia eo aza ny fitsapana sy ny fanenjehana?

• manome hery antsika hanaovana ny sitrapony?

• lova sarobidy ho an’ny zanatsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Natahotra an’i Jehovah i Davida ka tsy namono an’i Saoly Mpanjaka

[Sary, pejy 29]

Lova sarobidy azon’ny ray aman-dreny ampitaina amin’ny zanany ny tahotra an’Andriamanitra