Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila Manao Akanjo Volom-biby ve vao Mampifaly An’Andriamanitra?

Mila Manao Akanjo Volom-biby ve vao Mampifaly An’Andriamanitra?

Mila Manao Akanjo Volom-biby ve vao Mampifaly An’Andriamanitra?

NANAO azy io i Louis Faha-9, mpanjakan’i Frantsa. Nanampy an’i Sir Thomas More hiari-tory adiny 19 na 20 isan’andro izy io, rehefa nianatra lalàna izy, tamin’ny fahatanorany. Ary am-bolana maromaro ilay izy no nanaovany. Voalaza mihitsy aza fa nisy iray nanaovany mandra-pahafatiny. Nahitana iray koa tao anaty akanjon’i Thomas Becket, Arsevekan’i Cantorbéry, tamin’izy nisy namono tao amin’ny Katedralin’i Cantorbéry. Inona no itovizan’ireo olo-malaza teo amin’ny tantara ireo? Nanao akanjo volom-biby izy ireo mba hampijalina tena.

Akanjo marokoroko vita tamin’ny volon’osy izy io. Natao nanolo-koditra ilay izy, mba hampanaintaina ny nofon’ilay olona sy hampangidihidy ny hodiny, ka hampijaly be azy. Mora feno haofotsy koa izy io. Voalaza fa tsy nesorin’i Thomas Becket mihitsy ilay akanjo, raha tsy efa “feno haofotsy.” Nanao kilaoty volon’osy koa izy niaraka tamin’ilay izy. Akanjo vita tamin’ny tariby miranirany kosa no nanaovan’ny olona sasany, taorian’ny taonjato faha-16, ary natao nanolo-koditra ireo tariby miranirany. Vao mainka àry nijaly be izay nanao an’io akanjo io.

Manazava ny antony nanaovan’ny olona akanjo volom-biby na nampijaliny tena tamin’ny fomba hafa, ny diksionera iray. Milaza izy io fa natao “hifehezana ny fanirian’ny nofo mpanota” izany, “mba hahatonga ny olona iray hanana toetra sy fomba fiaina mampifaly kokoa an’Andriamanitra.” Tsy ny mpampijaly tena ihany no nanao an’io akanjo io, fa ny mpiangona tsotra koa. Anisan’izany ny olona ambony. Mbola misy relijiozy manao azy io mihitsy aza ankehitriny.

Mila manao akanjo volom-biby na mampijaly tena amin’ny fomba hafa ve ny olona iray vao mampifaly an’Andriamanitra? Tsia, tsy izany no takin’Andriamanitra. Tsy nankasitrahan’ny apostoly Paoly koa “ny fampijalian-tena.” (Kolosianina 2:23) * Mila mahalala an’Andriamanitra kosa ny olona raha tena te hampifaly azy. Manampy azy amin’izany ny fahazotoana mianatra Baiboly sy ny fankatoavana izay voalaza ao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Raha te hahalala bebe kokoa an’io foto-kevitra io ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Fanalahidin’ny Fahendrena ve ny Fampijalian-tena”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Oktobra 1997.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Mpanjaka Louis Faha-9, ambony: Avy amin’ilay boky Great Men and Famous Women; Thomas Becket, afovoany: Avy amin’ilay boky Ridpath’s History of the World (Boky Faha-4); Thomas More, ambany: Avy amin’ilay boky Heroes of the Reformation, 1904