Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Efa Renareo ny Niaretan’i Joba”

“Efa Renareo ny Niaretan’i Joba”

“Efa Renareo ny Niaretan’i Joba”

“Efa renareo ny niaretan’i Joba, ary efa hitanareo ny niafarany, dia izay nataon’i Jehovah taminy. Araka izany, dia be fitiavana tokoa sady mamindra fo i Jehovah.”—JAKOBA 5:11.

1, 2. Inona no fitsapana natrehin’ny mpivady iray tany Polonina?

MBOLA tsy ampy herintaona akory ny naha Vavolombelon’i Jehovah an’i Harald Abt tamin’izay. Tonga ny tafik’i Hitler, ary nandray ny fahefana tao Danzig (Gdansk ankehitriny), any amin’ny faritra avaratr’i Polonina. Lasa nahita olana ny tena Kristianina tao, ary notandindomin-doza mihitsy aza. Noteren’ny Gestapo, na polisy miafina, i Harald mba hanao sonia taratasy milaza ny fialany amin’ny finoany. Tsy nanaiky i Harald, ka nogadraina herinandro vitsivitsy, ary avy eo nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Sachsenhausen. Norahonana sy nokapohina imbetsaka izy tany. Indray mandeha dia nisy miaramila nanondro ny lavaka fivoahan-tsetroka avy tamin’ny toerana fandorana faty, sady nilaza tamin’i Harald hoe: “Io no lalana hiakaranao any amin’i Jehovah-nao ao anatin’ny tapa-bolana, raha tsy mety miala amin’ny finoanao ianao.”

2 Vao folo volana sady mbola minono ny zanakavavin’i Harald sy Elsa vadiny, tamin’i Harald nosamborina. Tsy navelan’ny Gestapo tamin’izao koa anefa i Elsa. Nalaina taminy ny zanany, ary nalefa tany amin’ny toby famonoana tany Auschwitz izy, tsy ela taorian’izay. Notazonina tany aman-taonany izy, nefa tafavoaka velona ihany toa an’i Harald. Misy tsipiriany momba ny fomba niaretan’izy mivady ao amin’ny boky Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra, pejy faha-453, sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1980. Hoy i Harald: “Raha atambatra ny fotoana nigadrako tany am-ponja sy tany amin’ny toby fitanana, noho ny finoako an’Andriamanitra, dia nahatratra 14 taona. Nanontaniana aho hoe: ‘Nanampy anao hiaritra izany rehetra izany ve ny vadinao?’ Tena nanampy ahy izy! Fantatro hatramin’ny voalohany fa tsy hampandefitra ny finoany mihitsy izy, ary nampahery ahy ny fahafantarako izany. Fantatro koa fa naleony nahita ahy maty, toy izay hoe nafahana satria nanaiky lembenana. ... Maro ny zava-tsarotra niaretan’i Elsa, nandritra ireo taona nijanonany tany amin’ny toby fitanan’ny Alemà.”

3, 4. a) Ny ohatr’iza avy no afaka mandrisika ny Kristianina hiaritra? b) Nahoana ny Baiboly no mampirisika antsika handinika ny tantaran’i Joba?

3 Tena tsy mora ny miaritra fahoriana, ary Vavolombelona maro no afaka manamarina izany. Noho izany, dia manoro hevitra ny Kristianina rehetra ny Baiboly hoe: “Aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’i Jehovah, no halainareo ho modely amin’ny fiaretana fahoriana sy ny faharetana.” (Jakoba 5:10) Maro ny mpanompon’Andriamanitra nenjehina tsy amin’ny antony hatramin’izay. Mandrisika antsika hanohy amim-paharetana ilay hazakazaka kristianina ataontsika, ny ohatr’ireny “vavolombelona maro be toy ny rahona” ireny.—Hebreo 11:32-38; 12:1.

4 Asehon’ny Baiboly fa ohatra miavaka i Joba, raha ny amin’ny fiaretana. Hoy i Jakoba: “Ambarantsika fa sambatra ireo efa niaritra. Efa renareo ny niaretan’i Joba, ary efa hitanareo ny niafarany, dia izay nataon’i Jehovah taminy. Araka izany, dia be fitiavana tokoa sady mamindra fo i Jehovah.” (Jakoba 5:11) Hita taratra amin’ny tantaran’i Joba ny valisoa miandry ny olo-mahatoky izay tahin’i Jehovah. Hitantsika ao koa ny hevitra sasany, izay hanampy antsika hiatrika fotoan-tsarotra. Voavaly ao amin’ny bokin’i Joba ireto fanontaniana ireto: Nahoana isika no tsy maintsy miezaka hahatakatra tsara ireo zava-dehibe indrindra, rehefa iharam-pitsapana? Inona avy no toetra sy toe-tsaina hanampy antsika hiaritra? Inona no azontsika atao mba hampaherezana ny Kristianina hafa izay mijaly?

Fantaro ireo zava-dehibe indrindra

5. Inona no zava-dehibe indrindra tokony hotadidintsika, rehefa iharam-pitsapana isika na miatrika fakam-panahy?

5 Mila mahafantatra ireo zava-dehibe indrindra isika, raha te hifantoka hatrany amin’ny fanompoana na dia tojo zava-tsarotra aza. Mety ho variana amin’ny olana mahazo antsika isika, raha tsy izany, ka hanao tsirambina ny fanompoana. Ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra. Afaka mandray am-po an’izao fiangavian’ilay Raintsika any an-danitra izao isika: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” (Ohabolana 27:11) Tena voninahitra lehibe izany! Afaka mampifaly ny Mpamorona isika, na dia manana fahalemena sy tsy lavorary aza. Mampifaly azy isika, rehefa miaritra fitsapana sy manohitra fakam-panahy noho ny fitiavantsika azy. Miaritra ny zava-drehetra ny tena fitiavana kristianina, ary tsy ho levona mandrakizay.—1 Korintianina 13:7, 8.

6. Inona no fihantsiana ataon’i Satana amin’i Jehovah, ary efa hafiriana no nanaovany izany?

6 Asehon’ny bokin’i Joba mazava tsara, fa i Satana no miteny ratsy na mihantsy an’i Jehovah. Asehon’izy io koa fa ratsy fanahy io fahavalo tsy hita maso io, ary ny handrava ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra no tadiaviny. Ny miampanga ny mpanompon’i Jehovah rehetra eo anatrehan’Andriamanitra no tena ataon’i Satana, ka lazainy fa manompo an’i Jehovah noho ny fitiavan-tena fotsiny izy ireo. Tiany hoporofoina fa mety hihamangatsiaka ny fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra. Nihantsy an’i Jehovah efa hatramin’ny an’arivony taona izy. Rehefa natsipy tetỳ an-tany i Satana, dia nisy feo avy tany an-danitra nilaza hoe izy “ilay mpiampanga ny rahalahintsika”, sy miampanga azy ireo “andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika.” (Apokalypsy 12:10) Ho voaporofontsika anefa fa diso ny fiampangany, raha miaritra foana isika.

7. Inona no fomba tsara indrindra hizakana ny fahosana?

7 Tsy maintsy tadidintsika fa hohararaotin’ny Devoly izay zava-tsarotra mety hatrehintsika, mba hahatonga antsika hanalavitra an’i Jehovah. Oviana, ohatra, izy no naka fanahy an’i Jesosy? Tamin’i Jesosy noana, rehefa avy nifady hanina nandritra ny andro maro. (Lioka 4:1-3) Nifandray tsara tamin’i Jehovah anefa i Jesosy, ka nahazo herin-tsaina hanoherana ilay fakam-panahy tamin’ny fomba hentitra. Izany herin-tsaina izany koa no tena ilaintsika, mba hizakana ny fahosana, izay angamba vokatry ny aretina na ny fahanterana! Tsy kivy isika na dia ‘mihaosa aza ny tenantsika ivelany’, satria ‘havaozina isan’andro ny tenantsika anaty.’—2 Korintianina 4:16.

8. a) Inona no mety ho voka-dratsin’ny fijerena lafy ratsin-javatra? b) Inona no toe-tsaina nananan’i Jesosy?

8 Fanampin’izany, dia mety hampahalemy finoana ny fijerena lafy ratsin-javatra. Mety hieritreritra, ohatra, ny sasany hoe: ‘Fa nahoana no avelan’i Jehovah hitranga izao?’ Mety hanontany toy izao ny hafa, rehefa misy olona ratsy fanahy aminy: ‘Rahalahy ve dia mahavita an’izany amiko?’ Raha izany no ao an-tsaintsika, dia mety hanadino ireo zava-dehibe indrindra isika, ka tsy hieritreritra afa-tsy izay mahazo antsika. Samy nisy vokany ratsy teo amin’i Joba, ohatra, na ilay aretiny na ny fahadisoam-panantenany tamin’ireo namany diso hevitra. (Joba 16:20; 19:2) Nilaza koa ny apostoly Paoly fa mety hahatonga antsika ‘hanome toerana [na hirika] ho an’ny Devoly’ ny fahatezerana maharitra. (Efesianina 4:26, 27) Tsy tsara àry ny manampatra ny hatezerantsika amin’ny olona nahasosotra na nandiso fanantenana antsika. Tsy mety koa ny mieritreritra be loatra momba ny tsy rariny mitranga. Mety kokoa ho an’ny Kristianina ny manahaka an’i Jesosy, ka ‘hanankina ny fiainany hatrany amin’ilay mitsara araka ny hitsiny’, dia i Jehovah Andriamanitra. (1 Petera 2:21-23) Fiarovana mafy amin’ny famelezan’i Satana ny fananana izany ‘toe-tsain’i’ Jesosy izany.—1 Petera 4:1.

9. Inona no toky omen’Andriamanitra momba izay rehetra manavesatra antsika, na momba ny fakam-panahy mahazo antsika?

9 Mbola misy zava-dehibe noho izany rehetra izany anefa. Tsy tokony hieritreritra mihitsy isika hoe tsy faly amintsika Andriamanitra matoa isika manana olana. Nahakivy an’i Joba ny hevi-diso toy izany, rehefa nanakiana mafy azy ireo nihambo ho mpampionona azy. (Joba 19:21, 22) Manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy ... Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” (Jakoba 1:13) Mampanantena kosa i Jehovah fa hanampy antsika hizaka izay rehetra manavesatra, sady hanisy lalan-kivoahana amin’izay fakam-panahy mahazo antsika. (Salamo 55:22; 1 Korintianina 10:13) Hanana fomba fijery voalanjalanja isika sady hahatohitra ny Devoly, raha manatona an’Andriamanitra rehefa tojo zava-tsarotra.—Jakoba 4:7, 8.

Fanampiana antsika hiaritra

10, 11. a) Inona no nanampy an’i Joba hiaritra? b) Nahoana no nanampy an’i Joba ny fananany feon’ny fieritreretana madio?

10 Mafy ny nahazo an’i Joba. Teo ny teny mahery nataon’ireo olona nihambo ho mpampionona azy. Tsy fantany koa ny tena anton’ny loza nihatra taminy. Tsy nivadika mihitsy anefa izy. Inona no ianarantsika avy amin’ny fiaretany? Tsy isalasalana fa ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah no tena nanampy azy hiaritra. ‘Natahotra an’Andriamanitra izy, ka nifady ny ratsy.’ (Joba 1:1) Efa fomba fiainany mihitsy izany. Tsy nety niala tamin’i Jehovah izy, na dia tsy azony aza hoe nahoana no niharatsy tampoka ny fiainany. Nino i Joba fa tokony hanompo an’Andriamanitra foana izy, na amin’ny mora na amin’ny sarotra.—Joba 1:21; 2:10.

11 Nampahery azy koa ny fananany feon’ny fieritreretana madio. Fantany fa nanao araka izay fara heriny izy mba hanampiana ny hafa, sady nankatò ny fitsipika marin’i Jehovah, ary tsy nanaraka fivavahan-diso mihitsy na inona na inona endriny. Nampahery azy ny fahalalana an’izany, tamin’izy nieritreritra fa efa ho faty.—Joba 31:4-11, 26-28.

12. Ahoana no nandraisan’i Joba ny fanampian’i Eliho?

12 Na izany aza, dia nila nampiana i Joba mba hanitsy ny fomba fiheviny sasany. Nanetry tena izy, ka nanaiky izany fanampiana izany. Izany koa no nanampy azy hiaritra. Nihaino tamim-panajana ny torohevitra feno fahendrena nomen’i Eliho i Joba, ary nanaiky hahitsin’i Jehovah. Niaiky izy hoe: “Nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko. Koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.” (Joba 42:3, 6) Lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra i Joba noho izany fanitsiana ny fomba fisainany izany, ka faly izy na dia mbola narary aza. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra.” (Joba 42:2) Naneho ny fahalehibeazany tamin’i Joba i Jehovah, ka azon’i Joba tsara kokoa hoe manao ahoana ny toerany raha oharina amin’ny an’ny Mpamorona.

13. Inona no soa noraisin’i Joba noho izy namindra fo?

13 Farany, dia ohatra miavaka i Joba raha ny amin’ny famindram-po. Tena nandratra ny fony ireo olona nihambo ho mpampionona azy. Nivavaka ho azy ireo anefa izy, rehefa nasain’i Jehovah nanao izany. Nositranin’i Jehovah i Joba taorian’izay. (Joba 42:8, 10) Mazava araka izany fa tsy manampy antsika hiaritra ny lolompo. Hanampy antsika kosa ny fitiavana sy ny famindram-po. Rehefa tsy mitana lolompo isika, dia mahazo hery vao mba hanohizana ny fanompoana an’i Jehovah, ary omeny fitahiana.—Marka 11:25.

Manampy antsika hiaritra ny mpanolo-tsaina hendry

14, 15. a) Inona avy no toetra ilain’ny mpanolo-tsaina, mba hampaherezana ny hafa? b) Nahoana i Eliho no nahavita nanampy an’i Joba?

14 Asehon’ny tantaran’i Joba koa fa tena sarobidy ny mpanolo-tsaina hendry. Rahalahy ‘mamonjy amin’ny fahoriana’ tokoa izy ireny. (Ohabolana 17:17) Hitantsika avy amin’izay nanjo an’i Joba anefa, fa mety handratra ny fo fa tsy hampahery ny mpanolo-tsaina sasany. Mila mangoraka sy manaja ary maneho hatsaram-panahy toa an’i Eliho àry ny olona iray, raha te ho mpanolo-tsaina mahay. Mety ho voatery hanitsy ny fomba fihevitry ny rahalahy sasany izay vesaran’ny zava-manahirana, ny anti-panahy na ny Kristianina matotra hafa. Afaka miana-javatra betsaka momba ny fomba hanaovana izany izy ireo, ao amin’ny bokin’i Joba.—Galatianina 6:1; Hebreo 12:12, 13.

15 Maro ny hevitra tena tsara ianarantsika avy amin’ny nataon’i Eliho. Nihaino elaela izy vao namaly ireo hevi-diso nambaran’ny naman’i Joba telo lahy. (Joba 32:11; Ohabolana 18:13) Nanonona ny anaran’i Joba izy, ary niangavy azy toy ny miresaka amin’ny namana. (Joba 33:1) Tsy nihevi-tena ho ambony noho i Joba, toy ny nataon’ireo mpampionona sandoka, izy. Hoy kosa izy: “Izaho koa mba nosombinana avy tamin’ny tanimanga.” Tsy nanao teny tsy voahevitra hanampy trotraka ny fijalian’i Joba izy. (Joba 33:6, 7; Ohabolana 12:18) Tsy nanakiana an’i Joba noho izay nataony taloha koa izy, fa nidera azy noho ny fahamarinany. (Joba 33:32) Mbola zava-dehibe noho izany ny fananan’i Eliho ny fomba fihevitr’Andriamanitra. Nanampy an’i Joba izy mba hitadidy fa tsy hanao ny tsy rariny mihitsy i Jehovah. (Joba 34:10-12) Nampirisihiny koa i Joba mba hiandry an’i Jehovah, fa tsy hiezaka hanamarin-tena. (Joba 35:2; 37:14, 23) Tena ohatra tsara ho an’ny anti-panahy kristianina tokoa i Eliho.

16. Inona no manaporofo fa nataon’i Satana fitaovana ireo mpampionona sandoka telo lahy?

16 Nandratra kosa ny tenin’i Elifaza sy Bildada ary Zofara, fa tsy toy ny torohevitra feno fahendrena nomen’i Eliho. Hoy i Jehovah tamin’izy ireo: ‘Tsy mba marina ny filazanareo Ahy.’ (Joba 42:7) Tsy azo lazaina ho namana tsy mivadika izy ireo, na dia nihambo ho tsara fikasa aza. Hita kosa fa nataon’i Satana fitaovana izy ireo. Hatramin’ny voalohany dia samy nilaza izy telo, fa vokatry ny nataon’i Joba ny loza nihatra taminy. (Joba 4:7, 8; 8:6; 20:22, 29) Nilaza i Elifaza fa tsy matoky ny mpanompony Andriamanitra, sady tsy raharahainy na hanao ny marina isika na tsia. (Joba 15:15; 22:2, 3) Nampangainy ho nanao fahadisoana tsy nataony akory aza i Joba. (Joba 22:5, 9) I Eliho kosa nanampy an’i Joba, mba hanamafy ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Izany foana no tanjon’ny mpanolo-tsaina be fitiavana.

17. Inona no tokony hotadidintsika, rehefa iharam-pitsapana isika?

17 Mianatra zavatra hafa momba ny fiaretana koa isika, ao amin’ny bokin’i Joba. Mandinika ny zavatra manjo antsika ilay Andriamanitsika be fitiavana. Vonona hanampy antsika koa izy, ary afaka manao izany amin’ny fomba isan-karazany. Izany indrindra no fanatsoahan-kevitr’i Elsa Abt, ilay voaresaka tetsy aloha. Hoy izy: “Namaky taratasy iray aho, talohan’ny nisamborana ahy. Nilaza ilay rahavavy nanoratra azy io, fa mampilamin-tsaina ny fanahin’i Jehovah, rehefa iharan’ny fitsapana faran’izay mafy ianao. Nieritreritra aho hoe somary nanita-dresaka izy. Tsapako anefa fa marina ny teniny, rehefa niharam-pitsapana aho. Izay voalazany izay mihitsy no mitranga. Sarotra ny maka sary an-tsaina an’izany, raha mbola tsy niainanao ilay izy. Tena nahatsapa izany anefa aho. Manampy tokoa i Jehovah.” Tsy ny zavatra mety ho nataon’i Jehovah na izay nataony an’arivony taona lasa tamin’ny andron’i Joba, no noresahin’i Elsa tamin’izay. Niresaka momba ny androntsika mihitsy izy. “Manampy tokoa i Jehovah!”

Sambatra izay miaritra

18. Inona avy no soa noraisin’i Joba, noho izy niaritra?

18 Vitsy amintsika no voatery hiaritra fahoriana mafy toy ny an’i Joba. Kanefa, na inona na inona fitsapana mihatra amintsika noho ity tontolo ity, dia manana antony tsara tsy hivadihana tahaka an’i Joba isika. Nanatsara ny fiainan’i Joba ny tsy fivadihany. Nahatonga azy ho lavorary izany, izany hoe tsy nisy tsiny ny toetrany. (Jakoba 1:2-4) Nanamafy ny fifandraisany tamin’Andriamanitra koa ny tsy fivadihany. Hoy i Joba: “Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao.” (Joba 42:5) Voaporofo fa mpandainga i Satana, satria tsy nahavita nitaona an’i Joba hivadika. An-jatony taona tatỳ aoriana, dia mbola nilaza i Jehovah fa ohatra tsara i Joba mpanompony, raha ny amin’ny fahamarinana. (Ezekiela 14:14) Mampahery ny vahoakan’Andriamanitra mandraka ankehitriny ny fitantarana momba ny tsy fivadihany sy ny fiaretany.

19. Nahoana no mahasoa ny miaritra, araka ny hevitrao?

19 Nilaza i Jakoba fa mahafa-po ny fiaretana, rehefa nanoratra momba an’io toetra io tamin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany izy. Niresaka momba an’i Joba izy, mba hampahatsiahivana azy ireo fa omen’i Jehovah valisoa tondraka ny mpanompony tsy mivadika. (Jakoba 5:11) Hoy ny Joba 42:12: “Ary Jehovah nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany.” Nomen’Andriamanitra avo roa heny noho ny fananany taloha i Joba, ary ela velona sady sambatra. (Joba 42:16, 17) Ho foana sy hohadinointsika koa ny fanaintainana sy fijaliana ary alahelo rehetra iaretantsika amin’izao andro farany izao, rehefa ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra isika. (Isaia 65:17; Apokalypsy 21:4) Efa rentsika tokoa ny niaretan’i Joba, ka tapa-kevitra hanahaka azy isika, ary hanampy antsika amin’izany i Jehovah. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Sambatra izay olona miaritra hatrany rehefa iharam-pitsapana, satria rehefa ankasitrahana izy, dia hahazo ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’i Jehovah an’ireo tia azy mandrakariva.”—Jakoba 1:12.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no hampifaliantsika ny fon’i Jehovah?

• Nahoana isika no tsy tokony hieritreritra mihitsy hoe tsy faly amintsika Andriamanitra matoa isika manana olana?

• Inona avy no nanampy an’i Joba hiaritra?

• Ahoana no anahafantsika an’i Eliho, rehefa mampahery ny mpiara-manompo amintsika isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 28]

Mangoraka sy manaja ary maneho hatsaram-panahy ny mpanolo-tsaina mahay

[Sary, pejy 29]

Elsa sy Harald Abt