Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Etỳ An-tany, Tahaka ny any An-danitra’

‘Etỳ An-tany, Tahaka ny any An-danitra’

‘Etỳ An-tany, Tahaka ny any An-danitra’

“Ireto zavatra efatra ireto no fiafaran’ny olombelona, araka ny finoana katolika: Fahafatesana, Fitsarana, Helo, Lanitra.”—Fivavahana Katolika (frantsay), natontan’i George Brantl.

MARIHO fa tsy voatonona eo ny tany. Tsy mahagaga izany satria mino ny Eglizy Katolika sy ny fivavahana hafa, fa ho potika ny tany indray andro any. Milaza an’izany mazava tsara ny Diksionera Momba ny Teolojia Katolika (frantsay), eo ambanin’ny lohateny hoe “Faran’izao Tontolo Izao.” Izao no voalaza ao: “Inoan’ny Eglizy Katolika sady ampianariny fa tsy haharitra mandrakizay ity tany noforonin’Andriamanitra ity.” Milaza hevitra mitovy amin’izany koa ny boky fianarana katesizy nivoaka vao haingana. Hoy izy io: “Tsy maintsy ho levona ... ity tany misy antsika ity.” Ahoana anefa ny amin’ireo fampanantenan’ny Baiboly momba ny paradisa an-tany, raha ho levona ity planeta izy?

Milaza mazava tsara ny Baiboly fa ho paradisa ny tany. Naminany toy izao momba ny tany sy ny mponina eo aminy, ohatra, i Isaia: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.” (Isaia 65:21, 22) Nino ireo Jiosy nampanantenain’Andriamanitra an’izany, fa ho lasa paradisa ilay faritra nisy azy, ary azo antoka fa ny tany manontolo mihitsy, ka ho sambatra mandrakizay ny olombelona rehetra ao.

Manamafy izany fanantenana izany ny Salamo 37, manao hoe: “Ny mpandefitra ... no handova ny tany.” (Salamo 37:11) Tsy ny hiverenan’ny Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina sy ny hijanonan’izy ireo tao nandritra ny fotoana tsy naharitra fotsiny no resahin’io andinin-teny io. Io salamo io ihany no manazava hoe: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:29) * Mariho fa fiainana mandrakizay eto an-tany no ho valisoan’ny “mpandefitra.” Araka ny fanazavana an’io andinin-teny io, ao amin’ny Baiboly frantsay iray, dia “mahafaoka hevitra maro kokoa ilay teny hebreo nadika hoe ‘mpandefitra.’ Tafiditra amin’izany ireo sahirana sy mijaly na enjehina noho izy manompo an’i Yaveh, ary ireo manetry tena am-po ka mankatò an’Andriamanitra.”

Eto an-tany sa any an-danitra?

Nanome fampanantenana mitovy amin’izay voalazan’ny andinin-teny etsy aloha i Jesosy, tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra. Hoy izy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5) Mbola averina eo indray, fa ny tany dia natao ho valisoa maharitra ho an’ny olona tsy mivadika amin’Andriamanitra. Etsy an-danin’izany anefa, dia nilaza mazava tsara tamin’ny apostoliny koa i Jesosy, fa nanomana toerana ho azy ireo ‘ao an-tranon’ny Rainy’ izy, ka hiaraka aminy any an-danitra izy ireo. (Jaona 14:1, 2; Lioka 12:32; 1 Petera 1:3, 4) Inona àry no hevitr’ilay fampanantenana fitahiana eto an-tany? Mbola natao ho antsika ankehitriny ve io fampanantenana io? Ary iza no handray soa amin’izany?

Milaza ny manam-pahaizana sasany momba ny Baiboly, fa tsy ara-bakiteny ilay “tany” noresahin’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, ary na dia ilay voalazan’ny Salamo 37 aza. Ao amin’ny Baibolin’i Glaire (frantsay), dia nanazava i F. Vigouroux fa “entina milaza ny lanitra sy ny Eglizy” ny tany resahin’ireo andinin-teny ireo. Araka ny hevitr’i M. Lagrange, Frantsay mpikaroka momba ny Baiboly, dia ‘tsy handova ny tany onenany ny malemy fanahy, na amin’izao fotoana izao, na amin’ny toe-piainana lavorary kokoa. Ny tany lazainy eo dia ny fanjakan’ny lanitra, na aiza na aiza misy azy io.’ Milaza ny mpikaroka iray hafa fa “raisina an’ohatra mba hilazana ny lanitra” ny teny hoe tany, satria izany no azon’ny olona alaina sary an-tsaina. Misy koa milaza hoe: “Raisina an’ohatra ny tany nampanantenaina, izany hoe ny tany Kanana, mba hilazana ny fonenana any ambony, dia ny fanjakan’Andriamanitra. Io no ampanantenaina ho lovan’ny malemy fanahy. Izany koa no hevitr’ilay teny [hoe tany] ao amin’ny Salamo 37 sy ny andinin-teny hafa.” Tokony hieritreritra ve anefa isika fa tsy mihatra amin’ity tany onenantsika ity ny fampanantenan’Andriamanitra?

Fikasana mandrakizay momba ny tany

Ny hiainan’ny olona eto an-tany no fikasan’Andriamanitra hatrany am-piandohana. Hoy ny mpanao salamo: “Ny lanitra dia an’i Jehovah; fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona.” (Salamo 115:16) Ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany àry, dia ny hiainan’ny olombelona eto an-tany, fa tsy any an-danitra. Nasainy nanitatra ny zaridainan’i Edena hanerana ny tany ny mpivady voalohany. (Genesisy 1:28) Tsy fikasana nihelina fotsiny izany. Hamafisin’i Jehovah ao amin’ny Teniny fa haharitra mandrakizay ny tany. Hoy izy: “Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.”—Mpitoriteny 1:4; 1 Tantara 16:30; Isaia 45:18.

Tsy hadinon’Andriamanitra mihitsy ny fampanantenany fa tsy maintsy tanterahiny, satria Avo Indrindra izy. Naka ohatra momba ny tsingerin’ny rano ny Baiboly, mba hanazavana izany. Hoy izy: “Toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any, raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, ... dia ho tahaka izany ny teniko [tenin’Andriamanitra] izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.” (Isaia 55:10, 11) Manome fampanantenana ho an’ny olona Andriamanitra. Mety tsy ho tanteraka avy hatrany izy ireny, nefa mitana ny teny nataony foana izy. Rehefa tanteraka izay rehetra nampanantenainy, vao ‘miverina’ aminy ny teniny.

Tena ‘sitrak’i’ Jehovah ny namorona ny tany ho an’ny olombelona. Tamin’ny faran’ny andro famoronana fahenina, dia nilaza izy fa “tsara indrindra” ny zava-drehetra noforoniny. (Genesisy 1:31) Anisan’ny fikasan’Andriamanitra mbola tsy tanteraka ny fanovana ny tany ho paradisa mandrakizay. ‘Tsy hiverina aminy foana’ anefa ny teniny. Ho tanteraka ny fampanantenany fa ho tonga lafatra ny fiainana eto an-tany, ary honina mandrakizay eo ny olombelona, ao anatin’ny fiadanana sy fandriampahalemana.—Salamo 135:6; Isaia 46:10.

Ho to ny fikasan’Andriamanitra

Nanota i Adama sy Eva razambentsika, ka voasembantsembana ny fikasan’Andriamanitra hanao ny tany ho paradisa. Noroahina avy tao amin’ilay zaridaina izy ireo rehefa tsy nankatò. Very tombontsoa àry izy ireo, satria tsy afaka nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra, dia ny hahatonga ny tany ho paradisa sy ho feno olombelona lavorary. Nanao zavatra mba hanatanterahana ny fikasany anefa Andriamanitra. Inona no nataony?—Genesisy 3:17-19, 23.

Intỳ misy ohatra iray mba hanazavana ilay zava-nitranga tao Edena. Manomboka manorina trano eo amin’ny toerana tena tsara ny lehilahy iray. Vao vitany anefa ny fototra, dia misy olona tonga ka mandrava izany. Tsy miala amin’ilay tetikasa ilay lehilahy, fa manao zavatra mba ho azo antoka fa ho vita ilay izy. Marina fa mety handany vola fanampiny izany, nefa tsy misy isalasalana fa hovitainy ilay trano.

Toy izany no nataon’Andriamanitra. Nanao zavatra izy mba ho azo antoka fa ho tanteraka ny fikasany. Taoriana kelin’ny nanotan’ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia nanome fanantenana ho an’ny taranak’izy ireo izy. Nampanantena izy fa hisy “taranaka” iray hanarina ny fahavoazana nitranga. Tanteraka izany rehefa tonga tetỳ an-tany i Jesosy, Zanak’Andriamanitra. Izy no voalohany amin’ilay taranaka. Nanao sorona ny ainy izy mba hanavotana ny olombelona. (Galatianina 3:16; Matio 20:28) Lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy, rehefa natsangana tamin’ny maty ka lasa tany an-danitra. Misy olon-kafa tsy mivadika koa, voafidy mba hiara-manjaka aminy any an-danitra rehefa avy atsangana amin’ny maty. I Jesosy sy ireo olona ireo no voalohany handova ny tany. (Salamo 2:6-9) Hitondra ny tany io fitondram-panjakana io amin’ny hoavy, mba hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany, ka hanova ny tany ho paradisa. Hisy olona malemy fanahy tsy hita isa koa “handova ny tany”, izany hoe handray soa avy amin’ny fitondran’i Jesosy Kristy sy ireo mpiara-manjaka aminy.—Genesisy 3:15; Daniela 2:44; Asan’ny Apostoly 2:32, 33; Apokalypsy 20:5, 6.

‘Etỳ an-tany, tahaka ny any an-danitra’

Mizara roa ireo olona ho voavonjy, ka ny sasany ho any an-danitra, ary ny hafa ho eto an-tany. Nahazo fahitana momba izany ny apostoly Jaona. Nahita mpanjaka maromaro nipetraka teo ambony seza fiandrianana tany an-danitra izy. Nofantenana avy tamin’ireo mpianatra mahatokin’i Kristy izy ireo. Milaza mazava tsara ny Baiboly fa “ho mpanjaka hitondra ny tany” ireo olona ireo. (Apokalypsy 5:9, 10) Mariho fa misy lafiny roa ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra: Hohavaozina ny tany, ary fitondram-panjakana iray any an-danitra, tarihin’i Jesosy Kristy sy ireo mpiray lova aminy no hitondra azy io. Izany fandaharana ataon’Andriamanitra izany, no hahatanteraka ny fikasany tany am-boalohany dia ny hahatonga ny tany ho paradisa.

Nampirisika ny mpianany hivavaka tamin’Andriamanitra toy izao i Jesosy, tao amin’ilay vavaka modely: “Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10) Hisy dikany ve io vavaka io raha ho levona ny tany, na koa hoe ny lanitra ihany no tiana holazaina amin’ilay hoe tany? Hisy dikany koa ve izy io raha ho any an-danitra daholo ny olo-marina? Miharihary ao amin’ny Soratra Masina ny sitrapon’Andriamanitra momba ny tany. Misongadina izany, manomboka amin’ny tantaran’ny famoronana ka hatramin’ireo fahitana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Ho paradisa ny tany, araka ny nikasan’Andriamanitra azy. Izany no sitrapony ary mampanantena izy fa hanatanteraka izany. Mivavaka mba hahatanteraka izany sitrapony izany ny olona tsy mivadika eto an-tany.

Ny hisian’ny fiainana mandrakizay eto an-tany no fikasan’Andriamanitra hatrany am-boalohany, ary “tsy miova” izy. (Malakia 3:6; Jaona 17:3; Jakoba 1:17) Efa 100 taona mahery izao Ny Tilikambo Fiambenana, no nanazava ireo lafiny roa amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra. Vokatr’izany, dia manjary mazava amintsika ireo fampanantenana ao amin’ny Soratra Masina momba ny fanavaozana ny tany. Manasa anao izahay mba handinika izany bebe kokoa miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azonao atao koa ny manoratra any amin’ny mpamoaka an’ity gazety ity.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Tsy ilay faritra nonenan’ny Israely fotsiny no tiana horesahina amin’ilay hoe “tany” ao amin’ny Salamo 37:11, 29. Manamarina izany ny boky Famakafakana Ireo Teny ao Amin’ny Testamenta Taloha (anglisy), nosoratan’i William Wilson. Hazavainy ao fa ilay teny hebreo hoe ‘eʹrets izay nadika hoe tany, dia milaza “ny tany manontolo, anisan’izany ny faritra azo onenana sy tsy azo onenana; rehefa misy teny hafa ampiarahina amin’izy io mba hamaritana ny heviny ihany, izay izy vao midika hoe faritra na faritany iray.” Ny hevitra voalohany indrindra fonosin’io teny hebreo io àry, dia hoe ny tany manontolo, na ny planeta misy antsika.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1986, pejy 31.

[Sary, pejy 4]

Milaza mazava tsara ny Baiboly fa ho Paradisa ny tany amin’ny hoavy

[Sary, pejy 7]

Hisy dikany ve ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy raha ho levona ny tany?